mpanotra

1. tslem ( 31/10/2006 08:47)
Nisy dinika efa ela be izay tato momba ny hoe otra ve mampiteraka tokoa ho an'ireo izay tsy niteraka,marina izany ,tsy hanao dokam-barotra aho fa ireto misy mpanotra atoroko anareo izay mila izany:mama jeanne (andranomena),maman' i Tinah(mandrosoa ivato ),krisy (isotry na 67 ha )izay fa dia mahereza ry zareo ah.Andramo fa tsy nisy nanandrana voa-tehamaina akory teo.
2. Vaika ( 31/10/2006 10:33)
tslem : fakafakao ihany aloha fa toa hahagaga raha otra fotsiny dia ampy hahabevohoka raha tsy misy "ovules" akory ilay vhv, na koa momba i ra-lhl (balle à blanc !).
Tsy misy maharatsy ny mandeha mankany amin'ny mpanotra mihintsy fa aleo ny hasin-tànana hijanona amin'ny toerany dia ny mpitsabo sy ny sciences handray ny andraikiny amin'io lafiny io.
3. tslem ( 31/10/2006 11:09)
:-w ny tiako hamafisina aminao ry vaika dé oe ampy taova ilay olona fa tsy miteraka ka izay no ilàna ilay otra,efa tsisy ovules :roll: na testicules :roll: kosa ve dé mbola hande ho any ihany raha tsy hoe miracle mon ami
4. heribe ( 31/10/2006 12:07)
dia misaotsa @ torohevitra fa anjan`ny tsirairay ny mandray na tsy andray ny torohevitra eeeeee
5. bavy ( 31/10/2006 13:00)
tena efficace kosa alou ry reto le miotra ho an' ny olona maniry te hananjanaka nefa tsy mahazo fa ny marihako fotsiny de ho anireo olona normale tsara nefa misy taova tsy miasa any anatiny any, na koa misy aretina manakana ny tsy hipetrahan' ilay izy mihitsy sy ny hafa koa izay marobe tsy ho votanisa eto fa tsara ra ianao olona iharan' io toejavatra io mba manandrana miotra ihany fa sao de any no mahasoa anao fa kosa mila miaritra kely ianao fa tsy oe androany ianao no miotra de rapitso io de hipetraka.
Raha ny any @lay olona fandehanako miotra alou de tena atokisako mihitsy e! fa mbola tsy ny hitady zaza alou no andehanako miotra any fa mitaiza vatana fotsiny satria marary aty(foi) be mantsy aho de tany no nahasitrana ahy, sady ny point ao @ tongotra fotsin ange no horina fa tsy ny vatana manontolo e! marary be alou le izy fa miafy e!fa mila mifady sakafo a! de misotro rano be koa,eny fa na ny olona mitady zaza aza de mifady sakafo koa.Ho anareo zay mikasa ny hanamboatra zazkely koa dia mila homanina @ alalan' ny otra alou io vatana io @ zay tsy misy kibo refa avy teraka fa miverina normale, ao anatin'ny maha bevoka anao koa de mila miotra mba hantanjaka ny zaza sady tsy ho saro-piterahana ianao refa teraka indray le zaza eo @ six mois + eo de mba zarina hiotra koa hatanjaka tsy ho handairan' aretina sns...ny fehiny dia tsara le miotra sady aleo miotra fa ra ny fanafody ho hanina lava io ange ry reto tena vao maika mankarary e! sady ity koa no fantaro manomboka izao fa ny sakafo hohanintsika tsy voalanjalanja io no tena miteraka ny aretina rehetra ao anatintsika ao indrindra fa ny sakafo matavy de matavy miaraka amizay koa ny aty de refa potika ny aty de mamoaka poizina manimba ny fo, voa,vavony,lalan-drà sns e!....efa voa moa za io de fay de mba mananatra anareo koa, io sakafo io e!
maniry fahasalamana antsika rehetra e!
6. Vaika ( 31/10/2006 13:46)
tslem : Ny fanontaniana mipetraka dia rahoviana no hanantona mpanotra ?
Manan-danja tokoa ny hasin-tànana. Ary mahavita miracle ireo mpanotra (tsy lavina izany). Ireo radiesthesistes sy magnétiseurs dia mahatalanjona amin'ny aretina kely madinidinika (aretina an-doha, lagaly, tendinites...).
Fa ny indro kely fotsiny amin'ilay hevitra atolotrao dia maro karazana ny tsy fiterahana. Na dia complet aza ny taova-pananahana isan-karazany dia misy ireo olona tsy mamokatra ovules (fa tsy ovaires !) na tsy mamokatra spermatozoïdes (nefa misy testicules). Tsy hisy vaha-olana izany na hiotra isan'andro aza. Ary misy koa ireo olona sempotry ny fiainana ka manao kamokamo ny taova dia mety ho ny fankanesana any amin'ny mpanotra dia hanampy ara-psykôlôjika hamerina ny fitaovam-pamokarana hahomby indray. Izay angaha dia ekeko.
Ny tiko lazaina dia rehefa misy olana tsy fiterahana dia mpitsabo aloha hantonina avy eo azo atao koa ny miala nenina any amin'ny mpanotra. Ny mpanotra dia afaka hanome hery hampitony ny saina fa tsy afaka ny hanome vaha-olana amin'ny tsy fiterahana.
Ny mpanotra dia afaka hanome hery fa tsy afaka ny hamboly zaza ao an-kibo. Aoka tsy handiso fanantenana loatra ireo izay efa mba te-hiteraka nefa tsy afaka noho ny antony samihafa !
7. booboo ( 31/10/2006 13:53)
***manatona, hatonina, natonina no izy fa hahantonareo @ inona ny mpitsabo lé ? @ hazo fijaliana sa @ noeud coulant ? hihihihihihihi
8. vahiny2004 ( 31/10/2006 14:12)
booboo:

***manatona, hatonina, natonina no izy fa hahantonareo @ inona ny mpitsabo lé ? @ hazo fijaliana sa @ noeud coulant ? hihihihihihihi



:-D:-D:-D
9. tslem ( 31/10/2006 14:22)
Vaika:

Na dia complet aza ny taova-pananahana isan-karazany dia misy ireo olona tsy mamokatra ovules (fa tsy ovaires !) na tsy mamokatra spermatozoïdes (nefa misy testicules).

vaika>> ovaires mitsy no tokony nosoratako fa nivadika ovules,tsy hifandirana ny amin'iny fa izao fotsiny ny hafatry bavy io ambony io mahavaly ny retra retra

10. diamondra27 ( 02/11/2006 11:21)
vaika sy tslem:makany @ banl de sperme izy refa tsy manana intsony , azo atao izany koa
11. diamondra27 ( 02/11/2006 11:21)
bank io fa diso frap le banl
12. kelly13 ( 02/11/2006 20:18)
diamondra27>na ande any @ bank de sperme aza nkia refa tsisy atody d tsy mety kou! n'empeche omeo adresse bank de sperme ary e?:-D:-D:-D
13. diamondra27 ( 12/11/2006 08:23)
kelly13: mankanesa any @ hoptaly na dokotera-nao de makà renseignements hoe aiza no misy an'io

misy tsy azoko kely, raha le lhl no tsy manana de afaka maka sperme ny olona hafa de atsofoka any @ le vhv
sa tsy zay moa le izy?

14. blogy ( 16/11/2006 06:51)
aty an-dafy angaha misy manotra zany
15. Fiffi ( 16/11/2006 08:03)
blogy:
aty an-dafy angaha misy manotra zany
fa nahoana no tsy misy aty ? mandehana mijery kiné fa tena mahay manotra be ireo an ! :)


16. rosevanilla ( 20/10/2014 16:22)
ono hoa azafady!soa dia mba misy contact lé Krisy eo Isotry kay!tena mba ilaiko sa aiza ho aiza no misy azy io?
17. rakotondrabary.mbola ( 11/09/2017 08:23)
miarahaba antsika rehetra, mba anontany hoe aiza eo Mandrosoa Ivato no misy an'i Jessica? misaotra ho an'izay mamaly
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5103