Ny Fanano!

1. soanja ( 30/09/2006 00:13)
Resaka ve io sa tena misy mihitsy? Iza avy no mino azy raha izany? misaotra mialoha o.
novalian'i etoile129 ny 12/03/2016 10:15
2. Fiffi ( 30/09/2006 04:53)
nahita lahatsoratra aho momba an'io .

Amin’iny Ambatomena ambony iny dia misy toerana atao hoe Ambohidepona, aty atsimo ary Mazava takona aty avaratra. Araka ny fantatra dia efa nisy olona nipet raka teo Ambatomena satria nisy vala teo. Voalaza aza fa nisy fasana Hova teo ary ire o olona mipetraka eny ankehitriny dia milaza fa misy fanano eny amin’iny atsimo iny; indrindra Rehefa tsinam-bolana. http://www.antweb.org/antweb_test/description.do?rank=species&name=fanano&genus=strumigenys&project=madants
3. andry08 ( 30/09/2006 14:33)
Dia tena misy izany ny Fanano fito loha raha izany ??
4. soanja ( 30/09/2006 15:07)
Fiffi Misaotra aky nizara a.
5. Fiffi ( 01/10/2006 20:31)
soanja: zay no maha-namana akia an! :):-*:-*:-*
6. soanja ( 02/10/2006 03:53)
Merci fiffi!:-*:-*:-*:-*:-*:-*
7. fiderana ( 03/10/2006 11:37)
tsy manana holazaina,fa tsy nahita tsinona, fa dia misaotra an'i Fiffi nanome vaovao ê!
8. prime ( 19/10/2006 10:28)
Misaotra akia fiffi a...
9. blogy ( 16/11/2006 12:13)
inona reto zany fanano zany fa tena tsy haiko an!
10. Fiffi ( 16/11/2006 13:09)
blogy: jereo le etsy ambony nomeko io hoe "jereo eto" :)
11. melody ( 16/11/2006 14:55)
tena mitovy @ blogy za, tsy haiko inn io, na dia nijery ilay sary aza za mbola tena tsy fantatro mihintsy:oops::oops::oops:
12. prime ( 17/11/2006 14:12)
fiffi> vitsika sy karazam-bitsika ve izany ny fanano? raha ny filazan'ireo nahita mantsy (ntaolo) dia toa karazana bibilava ilay izy sa diso aho?
13. melody ( 17/11/2006 15:27)
koa hitanareo @ izany fa misaviritaka ny saina hoe inn marina izy ity e:?:
14. prime ( 22/11/2006 14:49)
Dia mbola hafa ihany koa ny fananom-pitoloha moa raha tsy diso aho...
15. melody ( 22/11/2006 15:47)
vao miasa izaho :?
16. prime ( 23/11/2006 14:39)
Mila mpanazava fa maizina b ato ô...
17. melody ( 23/11/2006 18:49)
eny hoa o! iza no manana jiro special :)
18. soanja ( 24/11/2006 02:13)
Raha ny resaka Fanano izany toa ahy tsy de nanadihady na nianatra ny momba azy fa henoko resahan'olona fotsiny dia hoe resaka reincarnation le izy. Zany hoe misy karazan'olona asa na foko io na antana-tohotra ao anaty foko iray ka hoe "Andriana" any amin'ny faritra Betsileo iny, rehefa maty izy (lahy matetika)dia lasa mivadika le bibilava Fanano. Ka rehefa tonga mamangy eo izy eny amin'ny tananany na tsy lavitra eo na eny ampasany miseho zany dia mila anaovana fomba. De tadidiko tsara nisy an'izay mopera ve iny sa monseniera Betsileo izay maty. De nalaza be ny fahafatesany tamin'zay ary nony afaka telo andro na elaela taty afara de io le Bibilava Fanano nipetraka tsy lavitra ny alitara tao amin'ily fiangonana na Katedraly fitondrany. De nino daholo ny olona hoe izy le bibilava . De nanaovana fomba raha tsy diso aho. Henoko daholo io fa tsy fantatro na marina. Izay no tena mahaliana amin'ity resaka Fanano ity ahitana ny marina momba an'io.
19. soanja ( 24/11/2006 02:16)
Haf aindray kosa ny Fananom-pitoloha ka. Raha ny lovatsofina koa dia toy ny resaka kokolampy sy ny angalampoa sns ihany io biby io. Fa any Diego kosa ny finoana de hoe raha vao hamely izy, zany hoe hanajedaka ny vanginy zany, dia mandatsaka ravina kely alo eo ambony lohan'ilay mpandalo de iny no atony repere. De avy eo amzay izy manindrona avy ao antampondoha hono.
Koa tandremo ihany ny mankany anala fa misy daholo ireo na angalampona na fananom-pitoloha na kalanora na zavatra hafa tsy azo inoana saingy mamely ihany rehefa tratrany.
20. prime ( 24/11/2006 10:05)
soanja> misaotra amin'ny fanazavàna... hay efa mahafantatra an...:lol::-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.181