Nihinana mpamosavy

1. dolby ( 14/09/2006 12:20)
Zavatra tena nisy ity zavatra tantaraiko ity, nisy namanay anankiray izay sendra nandeha nivoaboaka alina; mipetraka eny amin'ny trano akaiky fasana moa ry zareo; raha iny handeha hody iny hono izy dia sendra olona vehivavy efa lehibebe miboridana mioso-menaka maromaro ( azo lazaina hoe mpamosavy angamba). Tena novizanin-dry zareo tanteraka hono, natao soavaly fa ny zavatra tsy adinon-lery dia hoe nisy iray tamin'ireo mpamosavy ireo hono voapekan'lery. Tody soa aman-tsara tany an-trano ihany moa nedala fa toa tena rapa tanteraka indrindra ny lohalika. Efa maty moa lery taty aoriana (tsy resaka mpamosavy intsony) fa dia sady nampalahelo no nampihomehy tamin'lery nitantara azy.
novalian'i tianalala ny 27/04/2007 14:37
2. Fiffi ( 14/09/2006 12:54)
:roll: any ve ? mahagaga
3. cutie ( 14/09/2006 14:14)
Tena novizanin-dry zareo tanteraka hono, natao soavaly fa ny zavatra tsy adinon-lery dia hoe nisy iray tamin'ireo mpamosavy ireo hono voapekan'lery.

tsy azoko io :roll::roll::roll::roll:
4. dolby ( 14/09/2006 14:23)
Ireo mpamosavy dia mifandimby mitaingina (mipetraka) azy ao @ lamosina dia nedala mandady (ohatran'ilay kilalao tamin'ny kely ireo fa eritrereto hoe samy lehibe, mavesabesatra ihany)

Dia ilay hoe voapekan'lery : nahavitana firaisana ara-nofo.
5. nikopol ( 14/09/2006 14:27)
tsy azoko ? ny fahazahoko azy dia ireo mpamosavy no nahapaika an'i lery :lol:
6. pissoa ( 14/09/2006 16:10)
nifanapaika :roll::-D:-D:-D
7. cutie ( 14/09/2006 16:42)
Mpandefa : dolby [ Valio ] 14-09-2006 16:23:58
Lohateny : Re : Nihinana mpamosavy
Ireo mpamosavy dia mifandimby mitaingina (mipetraka) azy ao @ lamosina dia nedala mandady (ohatran'ilay kilalao tamin'ny kely ireo fa eritrereto hoe samy lehibe, mavesabesatra ihany)

Dia ilay hoe voapekan'lery : nahavitana firaisana ara-nofo.

ok, hafa njay iny :roll:
8. xxx ( 14/09/2006 20:48)
Serasera tokoa ny, tena misy be resaka tokoa ato anao.

Nataony mpanosavy (vehivavy efa lazodazony) saovaly lery, rapa ny lohalika (Maharary izany)

Ramatoa antitra, efa noratrain'ilay ramatao enao. De mbola ahavita firaisana @ ve? Resaka be fotsiny izany.
9. cutie ( 14/09/2006 20:55)
:-D:{:-D:-D:-D:-D
10. dolby ( 15/09/2006 07:28)
xxx:

Serasera tokoa ny, tena misy be resaka tokoa ato anao.

Nataony mpanosavy (vehivavy efa lazodazony) saovaly lery, rapa ny lohalika (Maharary izany)

Ramatoa antitra, efa noratrain'ilay ramatao enao. De mbola ahavita firaisana @ ve? Resaka be fotsiny izany.


Mahazo mino ianao, mahazo tsy mino. Tsy izaho mihitsy no handeha hamorona resaka sy tantara toy izao, aleoko atokana amin'ny zavatra hafa ny ron-doha.


11. soanja ( 16/09/2006 04:02)
Misaotra an'i dolby nitantara. Mety marina io tantaranao io ry dolby fa tena misy tokoa ny mpams ary aza mba tratrany fa de ataony mahavaivay.
Raha nahabevoka an'ilay mpams ve zany izy dia ahoana. Mananjanaka amin'ny mpamosavy ve zany izy, sa tsy possible ny hahabevohoka amin'ireny ampanidinana ireny?
Aza mba tratra alina amin'izay tanan'i Alakamisy Nambohimaha, Fianarantsoa somary mivoaka kely ny tanana, izay fa dia vizanin'ny mpamosavy mihitsy re olona e. Zah efa nahita maso ary efa niharany tsara.
12. boubounezy ( 17/09/2006 01:32)
tena avy any akaiky ny @ misy anay mintsy zany ry soanja a!
tena mitombona io resaka io ka!
13. methode ( 17/09/2006 16:04)
Resaka efa henoko io resaka io ary dia mitovy tsisy valaka amin'io mihitsy ny voatantaran'ilay namanay; Mbola tany amin'ny CEG izahay tamin'izany fotoana izany.Tsy haiko aloha na marina na tsy marina fa de ny mpamosavy aloha dia misy ary misy koa ny olona mahay mampiasa na misambotra azy!
14. soanja ( 18/09/2006 04:19)
Rehafa manana voanjobory ianao de atahorany raha ny fahaizako azy sy nampiasaiko. Ny hasina maniry antokotany koa mety mandroaka mpamosavy, zany hoe tsy tiany. Ny tany Diego moa izany dia valavelogno no fanafody mpamosavy matanjaka nampiasaina dia mahatratra ianao raha manana an'io fa lasa malemy izy.
15. naritsimba ( 18/09/2006 10:51)
tananan'Ambohikambana route d'Antsirabe koa malaza be mpamosavy,
dia @ route mankanay Analavory misy an'le atao hoe: Soamahamanina malaza ho ny mpiray tanana mihitsy no mivoaka alina mamosavy. Izaho aloha mbola tsy nahta eh, ary tsy te hahita ihany koa. Ny tsara izao dia ny tsy hisiany mihitsy.
Sa ahoana hoy ianareo?
16. soanja ( 18/09/2006 16:32)
Culturen-tsika Malagasy io ka ahoana no hofohanana. Fantatra-reo moa no mahatonga ny olona iray ho mpamosavy?
17. boubounezy ( 18/09/2006 20:49)
za tsy malala fa inn ny atony kay AZAFADY????
18. soanja ( 19/09/2006 05:25)
Ny zavamisy dia isika Malagasy dia mino be mihitsy ny asan'ny ody sy ny natiora ary ny razana miaraka ka mahavita zavatra iray na tanjona iray izay tianao tratrarina amn'ny fomba mora fa tsy misahirana. Ka ny mpimasy na ny mpisikidy na Dadarabe no mitazona io hery miafina sy matanjaka io, izay lazaina hoe Ody ary izy no manome azy.
Ny vehivavy no matetika no tena tia mankany amin'ny mpimasy mba mijery izay mba hitany sy tiany fantatra momba ny fiainany. Ny lehilahy koa misy koa fa ny tena betsaka dia ody atao amin'ny fampiroboroboan'ny varotra na fiompiana sy fiarovana fianakaviana ny an'ny lehilahy.
Koa raha vehivavy ianao matetika ka mitady an'io hery manampy io zany hoe ny ody ,ohatra hoe "Te hahazo lehilahy iray efa fantatrao saingy tsy mety taraiky aminao" dia io ody io no hanampy anao amin'izany. Dia miteny ny mpimasy hoe ento ity ary ataovy any aminao foana ka rehefa hitanao ilay lehilahy na mahazo ny zao aminy ianao dia ataovy an'izao le zavatra sns, nefa miaraka amin'iny ody nomeny iny koa ny ody mitondra anao hamosavy satria izay no vidin'ny hery miafina. Tsy ampafantarini i Mpisikidy na mpinasy anao io hery iray io, ary tsy mahalala akory ianao raha tsy efa eny ampamosaviana eny, ny sasany mahatadidy ny sasany tsy mahatadidy. Miankina amin'ilay herin'ny ody. Fa io famosaviana io no hery mampitohy antsika olombelona amin'ny herin'ny maizina (maty, razana, ny vazimba) sy ny natiora. Zany hoe io no sazy azonao tamin'ny fitondranao an'ilay ody. Tsy fidiny ny famosaviana ary betsaka ny vehivavy no te hiala amin'io fa tsy afa manoatra. Satria fantany fa ratsy sy matin'ny olona izy raha tratra. Ny mandeha alina no resahiko an fa tsy ny mpamorika. Ny Mpamoriky indray mantsy dia harantsiam-panahy tanteraka ary miafara foana amin'ny famosaviana.
Misy fomba fialana amin'ny famosaviana saingy dingana be dia be. Rehefa malalaka aho manazava azy indray.
19. methode ( 20/09/2006 17:40)
Ny mikasika ny famosaviana aloha na hoe mpamosavy dia tsy ny fiaraha-monina malagasy ihany no misy an'io fa aty Afrika dia andrenesana an'io daholo. Mitovitovy foana ny zava-misy ary dia mahagaga mihitsy.
20. Kadoda ( 28/09/2006 13:06)
Ary soanja zany efa tena expert be an, aoadray, tena mahafantatra mantsy e, tohizo ihany fa mahaliana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3189