fitaizana be antitra

1. xxx ( 23/03/2006 13:02)
Miarahaba ny rehetra,

Mba saika hanontany aho hoe misy an'ireny karazana " Maison de retraite médicalisé" (ohatra hoe ho an'ny be antitra diabetika) ireny ve tsy lavitra an'Antananarivo?

Raha misy mahafantatra dia mba azo omena ve ny contact?


Misaotra mialoha daholo e!!!

M.

2. xxx ( 23/03/2006 13:08)
Miala tsiny fa tsy hitako loatra hoe aiza no hametrahana ilay hafatra etsy ambony.

M.
3. adidy ( 24/03/2006 07:06)
Fa maninona ilay olona no alefa any @ be antitra? Tsy misy havana angaha? @ izay olona marary?
4. xxx ( 24/03/2006 11:17)
Misaotra amin'ilay valiny, misy ny havana ihany saingy tsy mahazaka azy na ny zanany naterany aza(no comment...........).

resa-pianakaviana ka tsy ivalaparana e!
Misaotra na izany aza!!!
Mandray soso-kevitra hafa koa raha misy.

Misaotra mialoha
5. adidy ( 24/03/2006 19:08)
Tsy haiko na ilay diabetika mihinana fanafody ilay olona na ilay tsindrona par insuline, fa sarotra aloha ny mitsabo diabetika, na ny sakafony ary mila fitandremana sy régime manokana ... Ka asa na haharaka izany ny maison de retraite any amintsika
6. xxx ( 25/03/2006 05:12)
Miarahaba daholo indray,

Adidy> Misaotra fa niantso tany dago aho naka renseignememnt (suite ny anarana hafa nomen'ny ankizy teto @serasera ahy : dinika fitaizana be antitra tao amin'ny fiarahamonina) fa tsy mety ilay any satria mba mitady toerana tsara koa hametrahana .
Tsy hoe ratsy akory fa toerana misy standing no tadiavina.

misy milaza hoe any antsirabe koa hono misy ka dia vao hitady an'izay indray aloha fa lafo loatra raha aty Frantsa ilay izy no hampidirina .


Misaotra indrindra e!!!

7. Veloo ( 26/03/2006 02:45)
saika iteny an;io mihitsy aho ie misy ko any antsirabe, ny olana tsy fantatro ny adiresy:cry:
8. xxx ( 28/03/2006 05:03)
fa angaha moa tsy hoe ABADIA no anaran'
ilay fikambanana , raha tsy diso aho dia i Profesora Ramahandridona George no lehiben'io fikambanana io , izy angamba no tena tsara anotanianao r'ise
9. bozzy ( 29/03/2006 18:50)
slt daolo amadia ny anarany le organism mitsabo diabtika, tsy mitaiza antitra akory izio, fa mis kou le oe "foyer de vie" eny andrainarivo ra tsy diso za mitaiza azy ireny
10. Veloo ( 02/04/2006 03:21)
:lol:
11. hantarivah ( 01/05/2017 16:44)
Miarahaba.
Hanokatra trano fandraisana olona antitra na tsy antitra fa tsy te hipetraka irery fa mila karakara. Na olona tsy dia salama nefa tsy grave. ka iza no mitady toerana ? trano vaovao , misy mpiasa sy infirmier mikarakara . toerana tena mahasalama rano madio avy amin ny loharano, tsara rivotra sy manerinerina. 15 km tanà. eo am 5km miala BYPASS. lalana RN2 direction tamatave. vidintoerana 700 000 ar isambolana eo ho eo. jerena toa betsaka , nefa tena tsy maka tombony, fa asa soa. miankina amin ny service hangatahana. vao vita ilay trano, saika hipetrahan ny fianakaviako antitra nefa nisy fihovank'hevitra ka ho sokafana ho an ny rehetra. mbola tsy misy olona fa efa vonona ny mpiasa. raha vao misy olona 2 na telo misoratra anarana dia hatomboka ny fandraisana. tandremo fa toerana 4 ihany no azo hatolotra. azo hatao koa ny mandray mpivady. na mpianaka. Ny mahasoa ny olona no tadiavina . Misaotra tompoko.
mail: vah.rakoto@laposte.net. misy sary ao am pagefacebook. "hantarivah"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1588