« SKY EASY »

1. Fiffi ( 03/03/2006 06:33)
Mitaraina ireo mpiasa eo anivon'ny « SKY EASY » Z.I Forello Tanjombato fa tsy voahaja ny zon'ireo mpiasa miasa eo anivon'ity orin'asa afaka haba ity. Ny alarobia lasa teo dia nandroaka mpiasa 350 ny orin'asa izay tsy nanomezany filazana mialoha ho an'ny mpiasa, eo ihany koa ny fandrenesana fa tsy mahazo manao bevohoka ny mpiasa ka hajanona avy hatrany raha vao hita fa mitoe-jaza.
Ny karama dia manginy fotsiny raha ny fitarainana heno no jerena.Tsara ny milaza fa misy amin'ireo mpiasa no efa niasa aman-taonany tao kanefa dia izao tratry ny fandroahana izao. Tsy mbola fantatra kosa anefa izay mety ho ataon'ireo mpiasa voaroaka ireo na hametraka fitoriana na hianona fotsiny amin'ny fitarainana an-gazety.
Eo indrindra no hanairana ny mpitondra ankehitriny satria maro ireo zava-nitranga an-gazety tato ho ato maneho fa misy ireo tera-tany vahiny milaza ho mpandraharaha kanefa tsy izany no mitranga fa toa lasa manao asan-jiolahy sy manao tsinotsinona ny Malagasy tompon-tany izay miasa amin’izy ireo.
Ny tera-tany « sinoa » moa mazàna no tena tafiditra amin’izany resaka izany. Ekena fa ilain’ny toe-karentsika malagasy ny fahatongavan’ireo mpandraharaha avy any ivelany, saingy tsy ifanarahana kosa ny fanaovana tsinotsinona ireo tanora malagasy mila asa noho ny tsy fisian’asa.
Madagascar Tribune
Mpamdrindra: A.RA
novalian'i Fiffi ny 04/03/2006 06:40
2. Fiffi ( 03/03/2006 06:39)
Ny alarobia lasa teo dia nandroaka mpiasa 350 ny orin'asa izay tsy nanomezany filazana mialoha ho an'ny mpiasa,
Tena mba tsy fanaovana n'inoninona ny olona mihintsy zany.
tsy mahazo manao bevohoka ny mpiasa ka hajanona avy hatrany raha vao hita fa mitoe-jaza.
tena mba tsy rariny mihintsy zany.
misy ireo tera-tany vahiny milaza ho mpandraharaha kanefa tsy izany no mitranga fa toa lasa manao asan-jiolahy sy manao tsinotsinona ny Malagasy tompon-tany izay miasa amin’izy ireo.
iriny indray ary fa manalika ny gasy ny tsy tompon-tany.
Ny tera-tany « sinoa » moa mazàna no tena tafiditra amin’izany resaka izany
dia ao daholo na ny vazaha , ny karana , ny sinoa :evil::evil::evil:
3. hantajoasy ( 03/03/2006 07:05)
izaho koa dia an`isan`ny mpiasa amin`azone ka tokony ho jrena akaiky izany fanitsakitsahina ny zo maha olombelona izany ho aiza ny hoavin`ny tanora re olona ka tsy de hirongatra indray ny halatra eto ?
4. Fiffi ( 03/03/2006 07:10)
hantajoasy: dia mba omeo vao2 hatrany izahay mba hanarahanay ny fandehan-javatra eh! misaotra !
5. xxx ( 03/03/2006 08:42)
izaho dia mpiasa @ orinasa zone franche iray eto Antananarivo fa raha ny mpiasa madinika aloha dia tsy misy zo mahaolona azy rehefa aty ampiasana eh!!! fa saingy noho ny tsy fisiana dia miaritra eh.
6. fijo ( 03/03/2006 19:22)
io dia ny politika mihinsy no tsy misy finiavana ny mba hampanjaka io zo io.izay no olana any
7. Fiffi ( 04/03/2006 06:40)
ilay koa anie dia ny vahiny foana no manjaka ary manao izay tiany hatao , inona moa no azon'ny gasy hatao ? zara ary hoe mba misy asa hatao dia miharitra fa mampalahelo eh!:(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3221