Tsy maika ny fanaovana ny fifidianana

1. Fiffi ( 02/03/2006 09:02)
Tsy maika ny fanaovana ny fifidianana izay ho filohan'ny repoblika amin'ny taona ho avy, fa mila miroso amin'ny fitsapan-kevi-bahoaka aloha ny mpitondra ary hatsangana ny repoblika faha- efatra. Io no nambaran'ny depiote Henri Charles Randriamahefa nitondra ny tenin'ny SPDUN omaly teny Tsimbazaza.
Tsy mazava amin'ny maro intsony ny daty marina nandraisan'izao fanjakana izao ny fahefana na ny 22 Fevrier, na 6 Mai 2002. Raha toa ka ilay farany no izy dia nisy izany ny fandrom-baham-pahefana nitranga teo anelanelan'ireo daty ireo. Mazava ho azy fa tsy ara-dalàna ny nataon'ireo mpitsara nampisalotra samboady ny filoha nandritra ny fotoana tamin'izany.
Mazava ho azy fa tsy hilamina mihitsy ny mety ho fizotran'ny fifidianana ary mety hiteraka korontana goavana toy ny tamin'ny taona 2002 ireny raha tsy misy fepetra haingana ho raisin'izao fanjakana izao.
Ilaina ihany koa ny fitsipika hifehy ny antoko politika satria toa tsy misy ady hevitra mazava intsony eto, raisina ohatra amin'izany ny fahitana ny mpanohitra sasany mbola tsy manaiky fa ny filoha Ravalomanana no filoha eto amintsika, kanefa misy mpanohitra hafa manaiky ny maha lany ara-dalàna an'i Ravalomanana ho filoha. Raha nihazo ny nosy Rahavavy etsy anilan-tsika ny filoha fotoana fohy izay, dia nitsena azy teny amin'ny seranam-piaramanidina ny mpitondra tany an-toerana sy ny mpitarika ny mpanohitra. Nahoana no tsy hampiharina eto amintsika ny demokrasia tahaka izany ?
Nahoana raha misy mpanohitra mihaona amin'ny filoham-pirenena eto dia lazaina fa efa nivadika palitao ? Ireo disadisa ireo no mila haravona ao anatin'ny fotoana fohy ka aorian'ny fitsapan-kevim-bahoaka dia hajoro ny rafitra teteza-mita hikarakara fifidianana, ary azon'ny fanjakana atao ny miantso olona ivelany raha ilainy fa raha heveriny fa vitany samy irery tsy olana. Ireo no hikarakara fifidianana madio sy hanjakan'ny fifandimbiasam-pahefana tsy ahitana korontana ka izay ho lany eo ho hajain'ny be sy ny maro. Hanaiky ireo ve anefa ny mpitondra, indrindra fa efa naneho ny heviny ny filoha Ravalomanana momba ireo daty roa voalaza etsy ambony nisian'ny fianianana nandritra ny taona 2002 ireny ?
Madagascar Tribune
Mpandrindra: Naivo kely
novalian'i fijo ny 03/03/2006 19:23
2. Fiffi ( 02/03/2006 09:05)
Tsy maika ny fanaovana ny fifidianana izay ho filohan'ny repoblika amin'ny taona ho avy, fa mila miroso amin'ny fitsapan-kevi-bahoaka aloha ny mpitondra ary hatsangana ny repoblika faha- efatra.
dia ahoana indray izany ? ka rehefa tonga ve ny daty tokony hifidianana na efa lany mandat ny prézidà ka tsy hisy fifidianana fa ny Repoblika faha-4 no hatsangana aingana aloha ? tsy azoko:(
3. fijo ( 02/03/2006 20:20)
fffi an ,izay no maha voa ireo mpanohitra ireo.ny olona izao efa mihomana,ry zareo zavatra hafa no ataoy,mandeha ny fifidianana avy eo nefa handrotsaka olona ihnay,dia horesy mazava hoazy.dia lasa indray ny tsikera be fahatany.
vavan'ny tsy hanoa zavatra izany
4. Fiffi ( 03/03/2006 05:25)
fijo: raha mba tsikera fotsiny moa maninona ? fa raha lasa ady sns.... tahakan'ireny efa hita ireny no tsy lasa eh!
5. fijo ( 03/03/2006 19:23)
ka tsy mino ny hiverenan'ireny aho,satria efa leo ny olona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3113