Tsy mahatanty resy

1. Fiffi ( 01/03/2006 05:41)
Gaga ny rehetra fa isaky ny manakaiky ny resaka fifidianana eto amintsika dia ny ahiahy avy hatrany no tonga ao an-dohan'ny maro. Nahoana tokoa moa no tsy hitsirian'ny hevitra mamosavy ny tena tahaka izany raha mahita ireo korontana lava mitranga ahitana vono olona eto amin'ny tany sy ny fanjakana ? Ny mpitondra tsy te-hiala amin'ny toerany, ary ny mpanohitra te ahazo ny laka mba hamiliana ny fitondrana. Ireo mazana no miteraka ny disadisa, ary zary tarazo hiainan'ny mponIna aty Afrika amin'izao vanim-potoanan'ny fanatontoloana izao.
Fony andron'ny faha-panjaka dia efa nahitana faisana teo amin'ny rehetra ny fitondrana ny fiainan'ny fiaraha-monina satria firy tamin'ny malagasy mpiray tanindrazana no namoy ny ainy nandritra ny fampandrian-tany nataon-dry Andrianampoinimerina, saingy ranomasina no tarigetrany ho valam-parihy ka nitambatra ho iray ny vahoaka tsy ankanavaka.
Taona 2005 isika izao; izay hiazakazahana amin'ny taon-jaton'ny fiovan'ny fiaraha-monina sy ny toe-tsaina mba ahafahana mifaninana amin'ireo firenena matanjaka, indrindra ireo firenena manodidina antsika izay hambaka antsika raha ny harena sy ny hamaroan'ny vahoaka tokony hiasa no jerena.
Moa ve tsy voabaikon'ny fandrosoana isika ambara ho 17 tapitrisa no toa mifamotika an-toerana lava izao ? Nahoana no fifidianana izay olona heverina fa ho ray aman-dreny hitantana ny firenena no atao hamonoana ny mpiray tanindrazana toy ny hita atsy Afrika ? Zatra mpaka tahaka ny any Eropa sy Amerika isika ary ireo aza no mahazo vahana any am-pianarana noho ny tantaran-drazantsika kanefa nahoana no tsy tafita ilay lesona amin'ny fampanjakana ny demokrasia toy ny any amin'ireo firenena voatonona etsy aloha ireo ? Sa ny hambon'ny tsy mahatanty resy no mahazo vahana eto ? Marina fa lesona azo tsoahina hatramin'izay ireny korontan-dava niainana teto ireny, kanefa efa zatra an'izany ve ny fotom-pisainantsika ? Aza manahy ny ampitso hono, satria na ho inona fahefanao rehefa ny marina no manjaka, dia ho zava-poana ny fikasan'ny ratsy handrava ny rariny. Ka iza no matahotra marina ny safidim-bahoaka atsy ho atsy, ny mpitondra sa ny mpanohitra, ka mamboly hazo mamoa-dratsy ao antsain'ny maro, mba entina hanafenana ny faharesena rehefa tonga ilay andro manjombona ?
Nalaina avy amin'ny gazety Madagascar Tribune
Mpanoratra: Naivo kely
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1628