Ny daty nanombohan'ny fitondrana

1. Fiffi ( 21/02/2006 07:13)
Mino aho fa ny HCC no hamaritra ny daty nanombohan'ny fitondrana
Ady hevitra tsy mety tapitra eo amin'ny mpanao politika ny daty niantombohan'ny fitondrana Marc Ravalomanana.Na ny 22 febroary na ny 06 mey 2002.Efa saika naneho ny heviny avokoa izy ireo.Mazava ny fanehoan-kevitry ny mpanohitra , fanonganam-panjakana no natao tamin'ny fianianana voalohany 22 febroary raha ny 6 mey no ara-dalàna. Ny mpanao politika mpomba ny fitondrana kosa milaza fa fanamafisana ny tamin'ny 22 febroary ilay fianianana faharoa natao ny 6 mey 2002. Tsy dia mifanalavitra loatra amin'ity farany ity ny hevitry ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena , Mahafaritse Samuel avy amin'ny antoko TIM , voafidy tany Toliara II. "Tsy tokony hamaivanina ny fianianana natao voalohany satria notakian'ny vahoaka hanao izany ny filoha Marc Ravalomanana tamin'izany.Nohamafisina ho ara-dalàna kosa izany raha mbola ny ara-drariny ihany ny 6 mey 2002" hoy ny fanazavany.Mino ity tompon'andraikitra ao amin'ny antokon'ny fitondrana ity fa tsy mbola hiteny ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana na ny HCC , hamaritra izay daty nanombohan'ny fitondrana izay sy ny tokony hahataperan'ny fe-potoana hiasana mandritra ny dimy taona.Aleo ho vonona izay hirotsaka ho kandidà hofidina ho Filoham-pirenena fa tsy olana ny filatsahany satria malalaka ny fanehoan-kevitra eto amintsika fa tsy misy ny teritery , hoy ihany izy .

Nalaina tamin'ny gazetyAo Raha laharana 0161
Mpanoratra: Njaka N.
novalian'i fijo ny 28/02/2006 21:47
2. joary ( 21/02/2006 09:18)
aona daholo é!vaovao moa ny téna ka dia arahaba no atao.tsotra io resaka daty mpifidianana io,tokony isy mpitondra na koa mpanohitra(misy senateur sy depute o ange réo é)anapankevitra andray andraikitra i"saisir"ny HCC fa na tiana na tsia tiana dia tsy maintsy hisy ny fifidianana izay anendreny maro anisa ny filoa izay tiany.ory zareo mpivelona aminy politika(tsi an kanavaka) aza adino fa ny vahoka no andrianina.
3. Fiffi ( 21/02/2006 09:48)
salut joary: dia tonga soa eto ianao izany. Dia mahazahoa fafinaretana sy izay irina eto. Tokony nataonao tao @ namana vao2 izany ny fahatongavanao izao satria itako fa misy dinika momba ny namana vao2 vao tonga eto. Fa tsy maninona kosa aloha eh! Dia fiharabana anao tonga soa dia io aloha :-*:-*:-*
Marina ny anao , ny vahoaka tokoa no andrianina ka na tiana na tsy tiana arakin'ny filazanao dia tsy maintsy hisy ny fifidianana.:)
4. agoago ( 22/02/2006 05:46)
Dia gaga izaho manokana @ ady hevitra tsy mety tapitra @ ireto daty roa ireto satria @ fiainana andavan'andro fotsiny anie matoa ianao mamerina fanindroany dia tsy mety foana ilay voalohany e.
Efa nohazavaina juriste anankiray izy io (Eric Rakotoarisoa) ta@ interview nataona gazety iray taminy.Asa raha ho tafaveriko tsara ny fanazavany, miala tsiny raha izay satria izaho moa tsy juriste fa mpamaky tsotra fotsiny:
Ao @ lalampanorenantsika ny investiture na président république dia atao manolohana institution , ny HCC.Ilay investiture voalohany ny 22 Février 2002 teo anoloana magistrats vitsivitsy fa tsy institution, dia tsy mety iny.Izany no naahtonga na ny communauté internationale aza tsy nireconnaitre an'iny.
Voatery nanao ilay faharoa, izay teo anoloana'ny HCC ny 06 mai 2002 .Tao aorian'io vao nanao reconnaissance ny filoha ny firenendrehetra fa izy tokoa no filohan'ny repoblika Madagasikara vaovao.
Fanonganampanjakana ilay investiture ta@ 2002? tsy haiko raha voaraiko tsara ny fanazavan'i Eric, ialakontsiny aminy raha tsy izay.Satria ilay fitondrana teo aloha tsy tian'ny vahoaka intsony nefa mbola mihevitra ry zareo fa mbola mpitondra, ry Ra8 sy ny mpomba azy teren'ny vahoaka haka ilay fitondrana dia nanao investiture, fitondrana roa izany no nisy teo anelanelan'ireo daty roa ireo, crise politique no nisy teto Madagasikara.Ka ao anaty crise politique ampandeferina ny làlana.
5. Fiffi ( 22/02/2006 20:15)
tsy tena hitako koa hoe inona marina no tediavina @ izao?8O8O8O
6. fijo ( 28/02/2006 21:43)
ny fahefam pitondrana dia mila zavatra roa vao tanteraka.
-ny aradalana,"legal"
-ary ny hekem bahoaka."legitime"
tamin'ny 2002,dia izao no zava nisy.
fahefan dravalo izay nekem bahoaka ,fa tsy aradalana,
ary fahefan dratsiraka izay aradalana,fa tsy nekem bahoaka.
eto izany isika dia tafiditra amin'ny toejavatra "manokana"exceptionnel"toa ny ao cote d'ivoire ankehitriny.
ka mba hialana amin'io tranga io,dia tsimaintsy natao izay ahazoan'ny iray amin'izy roalahy ireo,ireo toetra roa voalaza etsy ambony ireo,mba ahafahany mitondra sy hanana ny fahefana.
samy nanana ny hevitra nitondrany azy izy roa lahy.
ratsiraka dia lsa nankany tamatavy,ary nanangana ilay governemanta iombonan'ny faritra enina."marihiko,fa io koa dia tsy aradalana intsony."

i ravalo kosa dia nandrombaka ny fahefana teo mahamasina.izay tsy aradalana koa.

satria governemanta roa tsy aradalana no nisy ,dia mazava hoazy ,fa na hifanaraka ireo,hitady marimaritra hisarisana,na hiady.ny vokatr'izay no hisian'ny governemanta tokana izay hanana ireo fepetra roa takian'ny fahefana.

i ravalo moa no nandresy ,ka dia izy izany no lasa fahefana sady aradalana,no ekem bahoaka.
7. fijo ( 28/02/2006 21:47)
mipetraka ary ny fanontaniana.fannonganam panjakana ve iny tamin'ny 22 febroary iny?

-misy ny fanonganam panjakana raha toa ka fanjakana aradalana no nandrombahana azy.
araka io tranga voalaza teo ambony io anefa,dia efa fanjakana roa samy tsy aradalana no nisy tao mada.
ka noho izany,izay nahazo io fanjakana io,na ravalo,na ratsiraka koa,dia samy tsy nanongana fanjakana,fa "NANDROMBAKA FANJAKANA "
mazava hoazy anefa fa ny daty tena niantombohan'ny fanjakana aradalan sy ekem bahoaka dia ny 06 mai.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3304