You are here: home > Forum

fiara sy ny tsidika ara-teknika????

Lohahevitra : Tontolo iainana
Fitohizan'ny hafatra : fiara sy ny tsidika ara-teknika????
Valiny : 16
larianda - 20/11/2005 09:06
Mba aona ny fahitanareo ireny fiara bdb mandoto rivotra eto @ tanànaireny?mba lany t@ fitsarana teknika ve ireny? andrasana sempotra daholo ve isika sa ho fatin'ny homamiadana ny avokavoka ny mpitondra ambony iray zay vao handray fanapan-kevitra?:evil:
Fantatrareo ve fa any anaty ala anymisy tanàna? anatin'io ala atsinanana io?misy tanàna bdb dia ambanivolo no iantsoana azy io!raha ho any dia mandeha tongotra 2j 1 alina raha haingana. Ndao ho any fa mafinaritra b any.:D
Valio | Miverina eny ambony
xxx - 20/11/2005 11:15
De hampiaraka any anaty ala izany? Any anaty tontolo iainana? hummmmhhhhhhh
Valio | Miverina eny ambony
jennifer2 - 20/11/2005 18:53
hmmm! ko maninona moa, ny fahafinaretana azo, ny rivotra madio manginy fotsiny! andao ary e!
Valio | Miverina eny ambony
hery - 21/11/2005 12:35
Tsy azoko ilay tena lohahevitra. Fanontaniana ny hevitray momba ny visite technique ve? sa fitaomana hitsangatsangana (tampoka) indray?
Valio | Miverina eny ambony
lapino - 21/11/2005 12:55
Raha ny fahazoako azy dia misy dingana roa ny zavatra itaoman'i larianda antsika:
1- Ataovy visite teknika aloha ny fiara
2- Ndao hitsangatsangana mandeha tongotra any an'ala
:wink:
Valio | Miverina eny ambony
cutie - 21/11/2005 20:45
ny tiany lazaina ngamba de ario daholo ny fiara fa mandehana tongotra daholo ohatran'ny refa hitsangatsangana any anaty ala. :-D
Valio | Miverina eny ambony
fijo - 25/11/2005 00:06
na koa hoe ndao hampiaraka any anaty ala daholo.
Valio | Miverina eny ambony
LazaRandri - 25/11/2005 00:57
maninona raha foanana io visite technique io e? mahabetsaka ny mpanao afera fotsiny! hahaha. Aty aminay sy ry Herimiafina izao tsy misy visite technique dia maninona?
Valio | Miverina eny ambony
larianda - 27/11/2005 07:47
Tsy itsangatsangana tsika fzao! ny tiako tenenina oa dia misy olona tena mbola miaina any anaty ala eto amintsika nefa be no tsy mahalala!tsy miresaka ny Mikea any atsimo za freny miaina anaty ala maina (mazavazava) fa ny any atsinanana mikitroka no itondrako anareo an'eritreritra!
Momba ny tsidika arateknika ny fiara ndray dia 10000ar fotsiny hono dia alefa any ny papier dia vita eny Alarobia:evil: ... ka aiza no tsy haloto foana ny rivotra eto e
Valio | Miverina eny ambony
cutie - 27/11/2005 07:56
aleo zany mifindra any an'ala daholo raha zany :-D
Valio | Miverina eny ambony
larianda - 27/11/2005 12:20
d avela hanao baranahiny eto v zany ny mpanao tsolotra eny alarobia? eny ary e! aleo alo haloto tsara ny rivotra eto d andé iaraka any tsika sa aona?
Valio | Miverina eny ambony
lapino - 27/11/2005 13:04
Ka ilay rivotra ange tsofin'ny rivotra ry larianda e! dia tsy mijanona eo
Valio | Miverina eny ambony
larianda - 27/11/2005 13:39
lapino
Ka ilay rivotra ange tsofin'ny rivotra ry larianda e! dia tsy mijanona eo



marina izany rse fa misy koa ange ilay atao hoe microclimat e! dia izay no tiako ambara!
Valio | Miverina eny ambony
lapino - 27/11/2005 14:05
Dia ilay microclimat koa tsofin'ny rivotra ange e!
Valio | Miverina eny ambony
larianda - 04/12/2005 11:03
eny ra lapino fa io tsy d mihetsika a
Valio | Miverina eny ambony
sanana - 09/12/2005 11:43
marina nge zany e! ny combustion tsy tanteraka miteraka monoxyde de C: CO, noho ireny fiara efa antetsa be reny mahafaty, :evil: :evil: :evil:
Valio | Miverina eny ambony
lapino - 09/12/2005 12:22
Ka tsofin'ny rivotra izy ko! Tsy de mihetsika ahoana e?
Valio | Miverina eny ambony