You are here: home > Forum

Izay nahafinaritra anao ?

Lohahevitra : vetso.serasera.org
Fitohizan'ny hafatra : Izay nahafinaritra anao ?
Valiny : 20
Pejy:  1 2 > 
lanto - 17/08/2005 14:43
Iza no mpanoratra mba mahafinaritra anao tao amin'ny vetso ? Ny antony ? Mba zarao aminay hoe sy izay tononkalo mba nanaitra e !
Azo atao koa hoe inona no tsy dia tianao tao

Valio | Miverina eny ambony
kally - 17/08/2005 16:36
Betsaka ny nahafinaritra ahy tao ao ry Ny Eja, ry Lanto ry Yonika sy ny be dia be tsy ho voatanisa eto samy nanana ny nahafinaritra azy.=D
Saingy singaniko manokana sy tena nanaitra(l) ahy ny "vetson"'i Nikopol, hafa noho ny fahita andavanandro, ao amin'ilay itiavako azy mihitsy.Tononkalo tsy mamantam-bonona ary tsy natao ho vakiana anaty minitra vitsy fa saintsainina elaela ,dinihina isan-teny indraindray ahazoana ny tiany hambara (Apolonia,Ilay alina farany ets), dia misaotra anareo rehetra manana talenta.
Valio | Miverina eny ambony
chipie1 - 17/08/2005 18:00
betsaka no nafinaritra tsy ho voatanisa ngamba fa mba manisy komentaire kely eny ambaninlé tonokalo eny refa nisy fietsempo
mankasitraka o!
Valio | Miverina eny ambony
lanto - 17/08/2005 20:52
kally> misaotra e !
chipie> ka izay indrindra ange ! Ireo efa mpamaky ihany no mamakt eo, na koa izay mpanoratra efa fantany ihany no alehan'ny sasany. Raha misy an-dalana nahafinaritra na mpanoratra hitanao niavaka dia mba zaraina eto sao mba mahaliana ny hafa e !

Zah koa aloha ohatra an'i kally, mahafinaritra ahy ny sasa-soratr'i Nikopol, saingy tsy azo vakiana maikamaika I Ny Eja indray mahay milaza zavatra amin'ny fomba tsotra, teny tsotra nefa tsara lahatra.
Mbola hiverina eo ihany aho hilaza izay itiavako ny hafa ....

Valio | Miverina eny ambony
kally - 18/08/2005 09:01
Ie! mety tokoa io hevitr'i Lanto io satria efa be dia be izy ao dia tsy hary ho voavaky daholo fa izay nahita marina mba manketo hoe mba jereo ange ao amin'izao fa misy mahafinaritra.Na dia samy manana ny mahafinaritra azy aza
Valio | Miverina eny ambony
xxx - 18/08/2005 09:34
Raha afaka mijery ianareo de ny tononkalo nosoratan'i Joh koa misy mahafinaritra sady mampisaintsaina ny sasany e!
Mazotoa o!!!
Valio | Miverina eny ambony
nikopol - 18/08/2005 19:50
Misaotra kally sy lanto an ! ny ahy misy asa-soratry i miarantsoa sy andriary ankafiziko fa miala amin'ny mahazatra. tsy ary voatanisa fa misy koa mpanoratra tiko : ny eja, dadarabe, hasiniony, lanto d tsiky dia ampy ... sy ny sisa hafa : fiaritiana, pissoa dia maro hafa koa ...
misy tiko hafa fa tsy ho tadidiko eto daholo a:-*
Valio | Miverina eny ambony
chipie1 - 20/08/2005 17:12
ny asasoratry i fiaritiana sy andriary betsaka tena tiako , ny an'i nikopol lalina ny tononkalony (sasany) tsy de azoko loatra , na dia nisy novakiako imbetsaka aza ... ,tsy ho ary voatanisako eto aby fa dia santionany ireo aloha araka ny efa voalazako tetsy ambony!
mankasitrako !=D
Valio | Miverina eny ambony
Bocassa - 31/08/2005 09:12
Ny mahafinaritra indrindra? > i TSILOKO Mahadiny. Jereo ange ireo tononkalo nosoratany e!
Valio | Miverina eny ambony
lanto - 31/08/2005 09:52
Misaotra anao Bocassa, tena mahafinaritra daholo tokoa ny tononkalony
Valio | Miverina eny ambony
nikopol - 31/08/2005 10:02
ie ny itiavako ny tononkalon'i Tsiloko Mahadiny dia hafa sady mivelatra ny votoatiny
chipie tsy lalina izany ka , nosoratana tamin'ny alina fotsiny aza analana akia za an ! :-D

Valio | Miverina eny ambony
minoucsh - 19/09/2005 16:14
Ny tononkalon'i Johan no manintona ahy, toa ireo zavatra iainako no lazainy matetika! mety hoe izy mbola tanora mitovy amiko angamba no mahatonga izany!
ny tononkalon'i Fiaritiana koa tsara!
zay fa mazotoa ry reto ah
Valio | Miverina eny ambony
nyeja - 20/09/2005 08:15
faly aho efa mahafinaritra anareo ny sangan'asanay e dia mba manana ny tiako koa aho eto ohatra i fiaritiana izay singaniko manokana sady omeko bizoroka be dia be an
Valio | Miverina eny ambony
palince - 22/09/2005 10:54
to mahafinaritra daholo fa ny an'n "zefalah"no somary mapiomehy kely rehefa manoratra. angamba naka ny anarany izy eee.
Valio | Miverina eny ambony
johan - 23/09/2005 15:43
ary maninona ho aho no tsy misy mihintsy miteny hoe
ny sangan'asako no tiako eh =))
za aloha mahita hoe tsara daholo eh!=D
Valio | Miverina eny ambony
mignone - 26/09/2005 18:37
johan > ka ho anay tsy manoratra zany dia ahoana ?
Valio | Miverina eny ambony
johan - 03/10/2005 13:44
mignone : d'efa samy eto zany tsika eh! samy mankafy d'efa manja.
Valio | Miverina eny ambony
bichette - 03/10/2005 17:16
johan > ka samy manetry tena koh ! :wink::wink:
mignone > na tsy manoratra aza anie rehefa mahay mankafy, misento amin'ny tononkalo sy vetso sy zavatra ohatran'ny izany anie dia mahafinaritra e ! dia azo lazaina fa manana talenta ihany koa . misy manko olona tsy mi s'interesse mihintsy aminà zavatra , ireny no mampalahelo:wink:
Valio | Miverina eny ambony
fiaritiana - 15/10/2005 01:40
misaotra be dia be an i Eja sy ny namana rehetra, bzoroka be dia be no omeko anareo!!
misaotr Chipie asy minoucsh an!!
Valio | Miverina eny ambony
fiaritiana - 15/10/2005 01:41
ny ahy aloha hitako fa tena manana aingam panahy ny gasy e, ary tsy very amin ny firenen kafa
misaotra daholo o
Valio | Miverina eny ambony
Pejy:  1 2 >