asa any dago

1. zefalah ( 13/08/2005 14:16)
za mba mangataka zavatra aminareo
zany hoe fanazavana kely.
amireto olona navita fianarana tsy mety maita asa reto..moa ve ny fandrakana tsy mba mijery azireny?
ary inona no tokony atao raha sendra azy reny ny tena
maro ny olona no mitaraina aty amiko hoe tsy makasa nefa misy diploma ambony? any ka mahakamo ianatra.
ka aminareo kay? inona no tokony ho atao mba ahitana asa fa tena mandreraka be.
novalian'i fijo ny 24/08/2005 20:26
2. kally ( 13/08/2005 16:48)
Izaho kosa tsy hampiasa olona ohatran'i zefalah mihitsy fa sady tsy mahay manoratra no mora kivy sady mora reraka.Izao ve no atao hoe diplaoma ambony?Asa ambonin'ny inona angaha? Raha azo atao hoe diplaoma akory aza:oops:
3. zefalah ( 13/08/2005 16:53)
tsy za le izy fa ny namako e
4. rhevinilsen ( 13/08/2005 19:15)
ny tokony ho izy ny olona manana diplaoma dia tokony mamorona asa fa tsy mitady asa. ny fahaizana azony dia entiny mamorona zavatra azo avadika ho vola zay le asa.ky ny problem aty madagasikara de voalohany indrindra de tsy @ zay famoronana asa zay ny toetsain'ny maro fa ny hiasa hikarama aman'olona...ahitsio aho raha diso. io dia problema eran'zao tontolo izao, fa ny antsika sady tsy misy drafitra ahafahana manampy ny tanora amin'izany no sady tsy misy fanampiana arabola ahafahana mamorona asa....
5. fasaly ( 13/08/2005 21:07)
ka le enti-manana amy voalohany mihintsy anie no tsy misy e! sinon efa mba maro no namorona asa ho azy e!
mila mi investir rehefa hanokatra zavatra de aiza ny vola ataony amzany ary!?....
6. xxx ( 14/08/2005 06:38)
marina ny anao ry fasaly fa ny any @ tany efa mandroso izao dia omena fond aloha ireny mpamorina asa ireny avy eo mamerina tsikelikely,ka raha any M/car aloha dia hitako fa mbola olana ngamba ilay misambo-bola na @ banky izany na @ conseil regional e!oups misy izany ve moa aloha any e!????
7. kally ( 14/08/2005 08:35)
Na eo amin'ny fomba fitadiavana asa koa no hitako fa mahavoa ny ankizy e! mbola vitsy ny ankizy no sahy mandom-baravarana ny mpampiasa fa miandry foana, miandry tolotr'asa fa tsy mitady asa.
8. zouzoulitika ( 14/08/2005 10:52)
rhevinilsen:

ny tokony ho izy ny olona manana diplaoma dia tokony mamorona asa fa tsy mitady asa. ny fahaizana azony dia entiny mamorona zavatra azo avadika ho vola zay le asa.ky ny problem aty madagasikara de voalohany indrindra de tsy @ zay famoronana asa zay ny toetsain'ny maro fa ny hiasa hikarama aman'olona...ahitsio aho raha diso. io dia problema eran'zao tontolo izao, fa ny antsika sady tsy misy drafitra ahafahana manampy ny tanora amin'izany no sady tsy misy fanampiana arabola ahafahana mamorona asa....



mitovy hevitra aminao aho, saingy tsy tokony ho sakana ny tsy fisian'ny fampindramam-bola fa tokony hanomboka zavatra kely dia hitarina avy eo.
9. fasaly ( 14/08/2005 12:38)
kally:
tena mampahatsiaro aho zavatra lay hoe: sahy mandom-baravarana, tena sahy sy nandona tokoa aho tamzany fotoana izany tany dago io fa moa ve tsy zavatra hafa no hita, ilay sefo indray no mikoty anao, dia sady tsy tafiditra akory amin'io fa ampiresahiny fotsiny.
10. fasaly ( 14/08/2005 12:40)
zouzoulitika:
mba ilazao ohatra ary hoe izahay, raha atao hoe: nahavita medecine, zao lay tanora de vao depart zéro: tsy misy na bureau handraisana ny marary aza, nefa lay olona tena tsy any mihintsy hanombohana ny asa de ahaoan no atao tsikelikely zany?...
11. xxx ( 14/08/2005 18:47)
Tsy olana zany, raha nahavita medecine izy dia mandray marary ao an-tranony aloha mandra-pahita salle de consultation e, avy eo manofa trano à une ou 2 chambres avy eo miitatra tsikelikely e!
Sa ahoana?
de mazotoa e!
12. xxx ( 14/08/2005 18:48)
Tsy olana zany, raha nahavita medecine izy dia mandray marary ao an-tranony aloha mandra-pahita salle de consultation e, avy eo manofa trano à une ou 2 chambres avy eo miitatra tsikelikely e!
Sa ahoana?
de mazotoa e!
13. kally ( 15/08/2005 19:58)
fasaly> Dia izany rehefa misy zavatra ohatr'izany izany dia hiraviravy tanana sy hijanona tsy handom-baravarana intsony?:?:
14. Herimiafina ( 15/08/2005 22:23)
Ny fahabetsahan'ny manampahaizana no mampahantra ny firenena afrikana iray (Tsy marina io aty Europe)satria lasa sefo daholo dia tsy misy olona baikona intsony. Misy toerana maro banga any amintsika: dia ny toeran'ireo izay tokony hiosona hiasa izany. Jereo tsara fa rehefa misy fivoriana dia olana foana no resahana. Haintsika ny mitsikera, mahita olona, nefa sarotra amintsika ny mitady vaha-olana tena afaka mihatra eo no eo no sady tena tsara.
15. fasaly ( 16/08/2005 05:40)
kally! tena mba kozy e! tena hatreo aho de tsy nanom-baravarana tsony, ka raha toa ahy daholo ny ankizy de tsy hando-baravarana tsony koa! fa tean mi existe io, ndraindray raisinjareo zavatra hafa lay izy, fa ny ahy ny namaly annonce na nahazo valiny tamin'ny fampidirana fangatahan'asa no tena nanànako chance nahitàko asa, de mandeha mi se présenter rehefa nahazo fiantsona, fa lay nandom-baravarana tsy chance-ko angamba.
16. fasaly ( 16/08/2005 05:41)
xxx:
ka tsy mitovy lay jeriko, fa ny ahy ny aty ivelany no nijerevako azy, ka raha io noalazainao io no ataonao aty de marina mafy raha hisy olona ho avy ao aminao mba kozy! fa any dago angamba de mety ho avy tsikelikely ihany ny kil, raha ho avy:wink:
17. mitiaho ( 16/08/2005 07:07)
Sady aty zany betsaka ny bizina e! ny société tsaratsara reny dia ohatran'ny hoe procédure fotsiny sisa ilay mandefa annonce fa ny place efa misy tompony e! fa misy koa anefa ny tsy manao an'izany an! fa raha misy possibilité koa dia aleo manangana e!
18. marengarenga ( 16/08/2005 13:04)
anga enao aty aminay aty ry mitiaho?
19. fijo ( 16/08/2005 22:13)
le miandry asa fotsiny aloha tsy mey e;aleo miezaka mamorona,ny anjaran'ny fanjakana dia ny mitady fomba anampiana ny manana hevitra tsara sy mety aharitra.miaraka amin'ny banky.
20. fasaly ( 17/08/2005 05:27)
fanjakàna any dago ndray ve aky ry fijo handeha hivaky loha hanampy ny tanora amizany !!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3389