Tsy ampy boky isika eto Madagasikara

1. fatsoraly ( 21/08/2004 05:30)
Antony iray lehibe tsy mampamndroso antsika ny tsy fisian'ny boky fanabeazana eto an-toerana.
Raha misy tahiri-kevitra na boky na lahatsoratra tadivina kanefa tsy afaka manafatra noho ny antony samihafa dia ito misy torohevitra kely kanefa mahasoa.
Misy fikambanana iray mifandray @ trano famakiam-boky maromaro any Alemana sy any Soisa ary any Aotirisy. Raha boky misy ao aminy no tadiavinao dia ataony "scan" ary alefany mailaka @ sarany mirary dia mirary. Raha tsy misy ao aminy kosa dia hafarany any @ trano famakiam-boky hafa arakaraka izay filanao azy ihany.

Dia mahereza mamaky boky ry tanora fa nosy ny firenentsika a!
novalian'i tsangana ny 01/10/2005 21:00
2. fatsoraly ( 21/08/2004 05:31)
ooops!
http://www.subito-doc.com/ ilay fikambanana fa hadinoko.
3. hery ( 21/08/2004 06:02)
Tena hevitra tsara tokoa no ataon'ity fikambanana ity fa mirary soa azy. Inoako fa hiditra amin'io ny boky malagasy aoriana kely ao.

Fa tena tsy ampy boky tokoa ve isika eto Madagasikara? Ny boky tian'i fatsoraly tenenina eto angamba dia hoe ny boky malagasy vitan'ny Malagasy. Raha ireo tokoa dia tsy ampy. Raha ny hafa mantsy dia betsaka ihany ny mameno trano famakiam-boky (bibliothèque) kanefa tsy misy mamaky. Raha miditra ao amin'ny Tranombokim-pirenena ao Ampefiloha ianao dia mahita fa vitsy dia vitsy ny olona mamaky boky ao. Ireo izay manomana thèse sy manomana examen goavana ihany. Izahay anefa taloha liana mandeha any na dia hamaky roman fotsiny aza.

Olana iray koa ny tsy fahampian'ny mpanoratra boky. Tsy takatra intsony ny saran'ny famoaham-boky anakiray eto Madagasikara. Izay mahavita dia avy any ivelany no atao ny édition, izany hoe tsy maintsy atao amin'ny teny Frantsay na teny hafa. Ny Kartala ohatra dia mamoaka boky betsaka izay soratan'ny Malagasy fa amin'ny teny Frantsay.

Angamba ampy ny boky, fa isika no tsy mazoto mamaky.
4. kally ( 21/08/2004 08:11)
Misy boky ilaina be tsy hita eto Madagsikara kosa ry Hery a!tadidiko t@ izaho mbola nianatra fa dia ny ankizy nanana havana na namana tany ivelany ihany no nanana nefa boky maromaro no nilaina t@ izany,nefa vao tsy ela ange izany e!(98-2000).
Dia hoy aho hoe ny mpamaky kamo moa ny boky tsy ampy.Izaho koa aza mba isan'ilay kamo miditra famakiam-boky fa tsy afenina,tsy mampahazo aina be ny ihany fa aleoko any an-trano ihany no mamaky na eny amoron-dranon'i Mandroseza. :)
5. donemaskit ( 21/08/2004 10:11)
marina : ny mpamaky kamo, ny boky tsy manintona (ilay efa tonta be reny no azo vakiana...) :?
6. hendry ( 21/08/2004 14:39)
Zaho koa dia mahatsapa fa tsy ampy boky sika. Firifiry ny mpianatra @ ambaratonga ambony no sahirana @ fanaovana ny maitrise na dea na doctorat noho ny tsy fahampian´ny boky ahafahana manao fikarohana.
7. fatsoraly ( 22/08/2004 06:01)
hendry> ny kely mba nananan'ny trano famakiamboky eny @ ambaratonga ambony aza lasan'ireo mpampianatra!!!
8. peluche ( 23/08/2004 10:23)
Ny tsara dia zaharina mamaky boky ny ankizy dieny mbola kely fa any ny fotony.Ohatra hoe alohan'ny matory,ary any am-pianarana asiana hora hatokana ho an'ny famakiana boky mihitsy.
9. donemaskit ( 24/08/2004 21:08)
mety ilay olon-dehibe koa nge no kamo hampianatra ! :P Ny Gasy tsisy an'izany mamaky tantara zany alohan'ny hatory koa ! :D
10. ikaretsaka ( 11/10/2004 18:55)
fa ny imprimerie sy ny edisiona any amintsika no tsy mamoaka boky mba manintona na ny fotokevitra na ny sary amin\'ilay boky fa faly hahazo vola fotsiny.
ireny tantaran\'ny andriana e, firaiketana e.. sns ireny izao raha atao mba milailay ny bokiny na iverenana atonta indray dia tena lafatra..
Ny bokin-tononkalo sns aloha efa misy milay .. saingy ataoko fa tsy voafetra eo @ tononkalo ihany
11. tsilan ( 17/10/2004 19:02)
Marina leitsy io ry Karetsaka. Fa ny tena olana koa dia ny fanjakana mihintsy no tsy manampy ny gasy amin\'ny fanaovana printy ireny boky ireny. Tadidiko raha ny fikambanana alimanina no mamoaka boky amin\'ny teny gasy ho an\'ny Malagasy, dia tsy mba nisy finiavan\'ny fanjakana akory nanaparitaka ireny boky ireny. Hatreo aloha.
Saingy rehefa nisy nanana hevitra ny amin\'ny fanatotana boky amin\'ny tenim-pirenena hafa dia nirangalitika ny fanjakana. Dia tena gaga ny tena.
Ny tantaran\'ny andriana sy ny sisa, manana ny trano pirinty nationaly isika nefa toa lasa vakoka ilay izy fa tsy tena miasa akory.
Aleo leitsy ry Karetsaka rehefa ialahy no lasa filoha dia mba andrandraina ny fiovana an. Mino marina izahay
12. ikaretsaka ( 17/10/2004 23:33)
zao ve nama raha hitady boky dia eny ambohijatovo eny @ boky tonta sisa..
13. tsilan ( 21/10/2004 16:24)
Nga ry karetsaka mba misy Ambohijatovo koa any aminareo any an-dafy any?
14. ikaretsaka ( 21/10/2004 21:17)
feno ka ambojitsipa sy amb :lol: ohibandy koa misy
15. pitchou ( 24/10/2004 16:53)
zà manokana alou d mahavita mandany andro eny @ boky tonta rehefa tsy manam-bola nefa te-hamaky boky e! eny morakou! d amidiko eny kou ny boky sasany tsy ilaiko intsony mba ahafahako mividy hafa!
d mahamenatra v zany? :?
16. ikaretsaka ( 24/10/2004 23:36)
tsy hitako zay mahamenatra @ izay
17. tsilan ( 25/10/2004 14:12)
Ny ahy aza ry Pitchou silipo no vidiko eny amin\'ny friperie, fa ilay mpivarotra indray no tsy mahajery. DIa tonga dia 500fmg fotsiny dia lasa izao.
18. tsangana ( 01/10/2005 21:00)
misy tokoa ny boky na eto M/scar na avy any andafy , misy koa ny mazoto mamaky,saingy mbola tsy miparitaka no tsy takatra ny vidiny.Matetika ny boky tena ilaina dia voasoratra amin'ny teny frantsay,ka matetika tsy dia mazava loatra ny votoatin'ilay izy indrindra fa ho an'ny olona any ambanivohitra.
Ny famohana boky koa dia sarotra be ka matetika ny mpanoratra kivy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2746