Vitamina

1. oully ( 04/05/2004 16:53)
A:
Asany: Miaro ny hoditra, mampitombo, manampy amin'ny fahitana.
Ahitana azy: Dibera, krema, fromazy, atody, trondro.

B (b1, b2, b3, b5, b6, b8, b9, b12):
Asany: Miaro ny ati-saina, mampitombo, mampiasa ny sela, manohitra ny anemika, ...
Ahitana azy: Hena, voankazo maina, atody, legioma, legioma maina, ...

C:
Asany: Fiarovan'ny taova amin'ny fery.
Ahitana azy: Voankazo sy ny legioma.

D:
Asany: Mihazona ny kalsioma.
Ahitana azy: Ati-kena, trondro, ronono. (masoandro).

E:
Asany: Miaro amin'ny fahaterana, sy ny aretin'ny lalan-drà.
Ahitana azy: Menaka véjétaly, atody.

K:
Asany: Firindràn'ny rà ara-dalàna.
Ahitana azy: Legioma maitso.
novalian'i oully ny 06/05/2004 16:20
2. ravatorano ( 05/05/2004 08:23)
melssi oully fa dia ho hita eo koa no ampiasana ireo sakafo ireo hampitomboana vatana ary dia manasa anao hiarakomana.
mahazo mitondra namana
3. samoina ( 05/05/2004 08:55)
Fampahatsiahivana: marihina fa sakafo avokoa ireo voalazan'i oully ireo fa tsy natao ahosotra an ! Sao mantsy ohatra @ ilay resaka vit.A misy manao be fanosotra ny hoditra @ dibera na ny kirema mba hanatsarana izany ! Na manasa maso @ tamenak'atody.
Aza hitako. Hi ! hi! hi !
4. karajia ( 05/05/2004 09:18)
Misaotra betsaka oully, ilaina tokoa ny fahafantarana izany. Dia mazotoa homana daholo. Misaotra samoina ny amin'ny fanamarihana nomenao.
Misy zavatra tiako hanampiana momba ny sakafo, ilaina ny misotro rano aradalana, na dia tsy mangetaheta aza isika dia tokony hisotro rano hatrany
biz daholo
5. tenio ( 06/05/2004 09:26)
Merci oullly, mba hihinana zavatra hafa amin'izay zany za fa tsy frites maraina, frites atoandro, frites hariva, frites lundi, frites mardi, frites mercredi...frites.....
6. oully ( 06/05/2004 16:20)
Tsy misy isaorana ry zareo an! zà kou aza misaotra izay nanome an'io kou. Fampatsiahivana fotsiny io fa efa nianatra an'io daholo isika kah!
tenio> hahahhha, régime-n'i mpamonjy lera.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.429