start a family ,firy taona ?

1. ralanz ( 20/04/2004 06:47)
firy taona ry reto ny tovolahy sy tovovavy no tena tsara manorina tokantrano a ?
novalian'i fijo ny 10/05/2004 23:08
2. lovanifitia ( 20/04/2004 07:11)
za koh aza mba te hanontany hoe firy taona marina e?
3. samoina ( 20/04/2004 07:26)
rehefa vonona mety foana e ! izaho t@ izay 26 ary ilay finidy 20.Tsy noterena na hoe nolavin'ny RaD fa fanapahan-kevitra noraisinay sy nokarakarainay 2 manokana Mbola mizotra tsara aloha ny taxi-brousse hatr@ izao !
4. xxx ( 20/04/2004 08:42)
ka refa vonona de lasa zao
5. booboo ( 20/04/2004 08:56)
zay mihitsy. fa aza hadino fotsiny ny mampilaza ny nahitana masoandro na izany aza.
6. jhouhlambout ( 20/04/2004 12:29)
ka iza ary no mahatsiaro tena fa vonona?
7. hendry ( 20/04/2004 13:56)
Rehefa mahita ilay anankiray hiara-
manoriana aminao dia efa ok! Tsy miankina @ taona zany amiko, ny volonté´n´ilay couple no mametra an´zany.
8. ravatorano ( 21/04/2004 07:42)
raha vita zany ny fianarana ramaso na dia 20 taoana aza dia mahazo manorina family
Amiko indray dia mila fahavononanan b izy io ka tsara raha tena mifampiresaka momba izany ho aviny izany ny olon droa
Mila famatorana eo amboalohany ny fanambadiana fa tsy hoe e akoriny eny andalana vao manatevina , ny fanka panahy hita tany amin ny loha hevitra maro tamin ity forum ity dia manaporofo izany
9. samoina ( 21/04/2004 07:55)
Rehefa mahavita mahaleo-tena ara-trano sy ara-pivelomana fa tsy miankina intsony @ RAD + vonona hizara ny mamy sy mangidy dia afaka miroso manorina e ! Tsy resaka fianarana io na taona amiko fa resaka fahamatorana.
Saingy tsy mandiso loatra ny hevitr'i
ramaso aho satria raha atao ny statistika eto @ serasera dia maro ny tsy mbola vonona hiatrika izany fanambadiana izany. Tsy misy ifanomezan-tsiny io fa samy manana ny reviny ary samy mirevy izay hananany !
10. xxx ( 21/04/2004 14:16)
Ny tena tsara dia ilay miara-lehibe amin'ny ankizy eh.
Saingy tena entin'ny adim-piainana ka tsy afaka manorin-tokantrano aloha intsony izao.
11. peluche ( 24/04/2004 11:44)
zay ndrindra
12. jhouhlambout ( 30/04/2004 12:21)
Rehefa mahay mikarakara saka kely na aliaka kely hihihi.....
13. ikaretsaka ( 02/05/2004 20:27)
ilay miteraka tsy manambady koa no tandremo na ilay hoe noho ilay zaza no nananganana family tsy fidiny.. tandremo ilay "vela-p... Pandrika"
14. beko ( 04/05/2004 16:08)
aleo miandry tena matotra tsara sy efa mba samy manana situation fa rehefa tonga eo sarotra ihany surtout rehefa misy zàzà , aty mantsy tsisy neny hitaiza azy tsindraindray fa dia tsy maintsy ianao no mi assumer , tapa tongotra e!
15. fijo ( 10/05/2004 23:08)
marina izay.rehefa mahaleo tena dia azo alefa rehefa vonona sy misy ilay ila.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.203