You are here: home > Forum

Raiamandreny sy zanaka : mety ve?

Lohahevitra : Fanabeazana
Fitohizan'ny hafatra : Raiamandreny sy zanaka : mety ve?
Valiny : 22
Pejy:  1 2 > 
alz - 31/03/2004 11:18
Ahoana ny hevitrareo momba ireo raiamandreny sasany manome "ambition" glady be ho an'ny zanany ho lasa "tabiha sy reharehan'ny fianakaviana sy ny firenena"?
Valio | Miverina eny ambony
hendry - 31/03/2004 15:24
inona ny maharatsy an´zany?
Miankina @ toetran´ilay zanaka koa io na hazoto @ zany izy na tsia.
Fa tsara ka! raha toa zany daholo dia ho lasa lavitra ny firenena.
Valio | Miverina eny ambony
alz - 31/03/2004 16:23
Ny blème nge ry Hendry, lasa be ambition be le ankizy nefa tsisy atokona dia mijaly e!
Raha omena miaraka amin'ny moyens ilay ambition dia tsy maninona.
Valio | Miverina eny ambony
ikaretsaka - 31/03/2004 22:42
izay.. aza forcena sy rarana ny ankizy fa azavao aminy fotsiny ny zavatra rehetra dia izyy no misafidy ny tokony atao..
Valio | Miverina eny ambony
rfanjav - 02/04/2004 10:00
Fa tsy hoe akory izay tian'ny RAR na tsy tontosany t@ fahatanorany no tereny ataon'ny zanany, le zanaka @ io tsy manana "don" na "aptitude" na faniriana ho amin'izany fa zavatra hafa no manaitra ny sainy ! d lasa potika ny fiainan'ny zanany @ izany !
Valio | Miverina eny ambony
angie - 02/04/2004 10:09
Betsaka mihintsy efa eo @ 2ème na 3ème année vao mahatsapa hoe tsy tiany io filière io, vao afaka Bacc dia taitaitra fotsiny d zay teneny RAR no atao na izay ataon'ny namana.
Valio | Miverina eny ambony
nananie - 02/04/2004 12:18
Olona tsy manana personnalité ndray zany! Ny antony dia tsotra. Ny ol manodidina manome conseil fotsiny, ny RAR milaza zay mba tiany ho ataon'ny zanany any aoriana, fa enao tsy voatery hanaraka zay hiriny. Zay tianao atao no atao.
Misy ol efa navita école d'ingénieur taty, fa nony avy eo nanenina be mintsy satria zvt tsy tiany akory le izy. Nanaraka ny RAR fotsiny izy.
Valio | Miverina eny ambony
ikaretsaka - 02/04/2004 21:02
fa ny mafy loha no tena milay an.. ohatra hoe zanaka dokotera lasa artise na zanaka athe lasa pretra
Valio | Miverina eny ambony
hendry - 05/04/2004 13:08
O ry reto ah! inona ny maharatsy ny fanomezana ambition ny zanaka? manampy azy hiezaka eo @ fiainana zany. Jereo koa anie ny zavatra nosoratako etsy ambony e: "miankina @ ilay zanaka io na hanaiky na tsia".
Tsy tokony hahatsiaro ho voatery ilay zanaka manaraka ilay izy fa raha eken´ny sainy dia ataony raha tsia dia tsy atao. Fa matetika koa anie ny ray aman-dreny tsy manolo-bato mafana ny zanaka e!
Valio | Miverina eny ambony
rfanjav - 05/04/2004 16:30
Matetika hoy ianao,
fa misy kosa RAR manery tsotra izao e, d raha tsy manaraka ny teneniny ianao d raikitra ny ady sy disadisa ! misy miafara @ fanariana zanaka mihitsy aza !
Valio | Miverina eny ambony
samoina - 05/04/2004 17:23
Faniriana ny an-dRainilezafy fa anjaran'ny zanaka ny mandanjalanja ny torohevitra omena e ! Taloha no tena enjana io fanerena io fa ankehitriny efa miha-malalatsaina ny RAR.
Tiany mba ho sambatra kokoa nohon'ny tenany hatrany ny zanany ka tsindraindray somary henjana ny fitondrany. (Izay adala no toa an-drainy). Fitiavana daholo izany saingy mivoana ho fitiavan-tena nohon'ny hoe fitiavan-janaka ilay izy rehefa tafahoatra.
Valio | Miverina eny ambony
jhouhlambout - 05/04/2004 21:37
Ka izay mihintsy é, iza moa ny RAR mitady ny ratsy ho an'ny zananay? inoako fa tsy misy(angamba...)
Valio | Miverina eny ambony
ikaretsaka - 05/04/2004 22:21
tsy misy fa tsy forcena kosa ilay zanaka.. raha te ho dokotera ve izy asainao ho lasa avocat jenerealy?
Valio | Miverina eny ambony
hendry - 08/04/2004 15:07
ka zay ilay izy r´ikaretsaka a! ny fanaovana terisetra na fanerena tsotra zao no ratsy fa raha fanomezana ambition glady be araky ny lazain´i alz tsisy maharatsy azy raha mifanaraka @ sain´ilay ankizy sy mety hahasoa azy.
Valio | Miverina eny ambony
ikaretsaka - 12/04/2004 03:08
ny tokony atao azy dia azavaina tsara aminy hoe izao ny asan'ity olona 1 ity fa tsy sahala amin'ilay bandy kely nahita ilay camion bennen'ny fivondronana maka fako dia ilay mpiasa mikirozaroza aty aoriana dia hoe hanao mpiasan'ny fivondronana hono izy fa misavily camion benne
Valio | Miverina eny ambony
fijo - 15/04/2004 01:21
izay atoro azy ny rehetra dia lazaina azy koa izay mba fanirianao fa izy no havela hifidy izay tiany.satria fiainanay io fa tsy anao
Valio | Miverina eny ambony
pitchou - 16/04/2004 14:08
ny fanomezana ambition ny zanaka aloha tsy hitako izay maharatsy azy, raha toa ka tsy ny RAD no mifidy ilay ambition fa ilay zanaka! angamba fa tsy misy farahidiny otran'izany manana RAD mihevitra fa ny fitaizana natao azy taloha, ny niainany taloha sy ny situation-ny sy ny asany ... ihany no tsara sy mety ! misy maro ny RAD manao an'izany! ireny tsy ataoko ao anatin'ny sokajin'ny RAD atao hoe manome ambition ny zanany! ary raha mbola miampy chantage, d adalan'ilay zanaka raha hanaiky izy! ary io moa izay adala no toan-RAD niny!
Valio | Miverina eny ambony
fijo - 17/04/2004 01:37
marina izay
Valio | Miverina eny ambony
peluche - 20/04/2004 11:38
miombon-kevitra @ i fijo
Valio | Miverina eny ambony
xxx - 20/04/2004 18:39
Fa inona aloha ilay ambition fa tena tsy kobonay mihintsy eh. Revin-gadra ve, sa Nofy atoandro, sa fanerena, sa totonondry bory, sa fanampiana, sa inona. Tsy mazava raha tsy misy jiro eh
Ramaso an teren'ny daty ihany izy raha nanamboatra anao kah.
Valio | Miverina eny ambony
Pejy:  1 2 >