xxx - 01/07/2003 20:23
|
![]() Manambady ara-dalana sy arapomba aho ary ny nahatonga anay hivady dia tolotra sy fanoavana rai-amandreny satria izy no nisafidy izay ho anay , izany hono no fomba!!!!!!!!!!!! Ankehitriny tsy hitako izay atao satria tsy mety hifanaraka mihintsy izahay roa satria tsy ao ilay fitiavana raha ny fahitako azy.Tsy afaka ny hisaraka ihany koa anefa satria efa mananjanaka roa izahay (mianadahy) 8 sy 7 taona. Tsisy farany ny ady hany ka lasa ho azy ny eritreritra nitady olona ivelany : dia nahita , nifanaraka tsara nefa tratra dia voatery nisaraka , nitombo ihany ny olana ao an-trano fa tsy nahasakana io fa dia ny fiafenanana no nampitomboina indray. Tsy afa-po ao antrano aho ka tsy maintsy mitady any ivelany ; inona no ho ataoko hoy ianao satria izahay tsy afaka ny hisaraka intsony mihintsy satria na tsy nisy aza ny zaza ny olona lehibe nanakambana efa maty daholo ary tsy fomba koa hono ny misaraka eto amin'ny toerana misy anay. Raha mahita hevitra ianareo toroy aho , aza kianina satria efa fandreko eto @ fiarahamonina misy anay izany fa hevitra aroso. Misaotra mialoha ho an'izay hamaly rehetra |