VITA RAJOELINA: AZO NY 13 MAY 2025

1. Azrael666 ( 11/10/2025 16:54)
Tafiditra amin'ny Tantara androany 11 Octobre 2025 ny Colonel MICHAEL CAPSAT androany! Nanao fanambarana goavana izy ireo androany maraina fa hiaro ny vahoaka izy ireo, ary hifampitana amin'ny GSIS sy ireo zandary mpampihorohoro, sy mpiaro sezan-dRajoelina. Raikitra ny diabe notarihin'ireo Miaramila CAPSAT mirongo basy sy ny blindés maro narahin'ny vahoaka an'alin-kisa. Nony tonga teo Anosy dia nifamaly tifitra ny zandary sy miaramila, fa resy tosika ny zandary ka nitsoaka. Azon'ireo mpitolona ireo blindés roan'ny zandary ka nopotehina sy nodorana. Hariva tamin'ny 6h30 dia tafiditra teo amin'ny 13 May ny Vahoaka sy ny CAPSAT.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0459