MATY ANDROANY 21 AVRIL 2025 NY PAPA FRANÇOIS Ier

1. Azrael666 ( 24 andro lasa)
Nanaitra ahy loatra ity vaovao ity!
Na dia tsy EKAR aza aho, dia nanohina ny foko loatra izao fahalasanan'ny Papa izao. Mahafantatra @ antsimpiriany ny tantaram-piainan'i St François d'Assise ilay olo-masina filamatr'ity Ray aman-dreny ity aho, ary sahiko lazaina fa niainan'ny Papa François tokoa izany finoana izany t@ fanetren-tenany, ny fahatsorany (Pastora Morland, mpahay tantaran'ny Fiangonana avy ato aminay FLM no nilaza ao bokiny misy biographie-n'i Saint François D'assise fa "tsotra (sincère) tahaka ny zaza i François"). T@ taona 2017 faha 500 taonan'ny Reformasiona Loterana dia tsaroako koa ny nanamboarany hajia (timbre) misy sarin'i Martin Luther, sy ni-"rehabiliter"-ny an'io mpanompon'Andriamanitra nosokajian'ny ankamaroan'ny EKAR io ho "heretika" hatrizay. Mivavaka mafy aho mba ho Papa manam-pinoana sy fahendrena tahaka azy no ho Papa vaovao hatolotr'Andriamanitra antsika manaraka... Mirary fiononana avy amin'i Jesosy ho anareo EKAR Fiangonana rahavavinay FLM. AMENA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4823