ZOMA MASINA

1. Azrael666 ( 27 andro lasa)
Mahatsiaro ilay asam-panavotana teo ambony hazofijaliana nataon'i Jesosy Krisy isika androany. Misaotra Jesosy ô! Fa noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao no nanomezanao anay ny fiainana mandrakizay...
Asa na fantatrao mpamaky io fa nilanja 150 Kg farafahamaivany ny Hazofijaliana tamin'izany fotoana izany, ary izany no tsy maintsy nolanjainy? Ary ny fikapohana rômana nikapohana azy dia karavasy misy nifinifiny vy sy taolana, ka io fotsiny aza dia mety hahafaty? Izany rehetra izany niampy vono, felaka tehamaina, rora sy rehoka, daka sy totohondry,sns niampy hanoana nandritra ny ora 12?
Manontany anao ary Jesosy Kristy Mpamonjy androany: "AIZA IZAY AFOINAO RE MBA HO AHY TOMPONAO?...."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1119