Tsy ny pasitera na ny filoham-pirenena no diso

1. hery ( 19 andro lasa)

Resaka taorian'ny hetsika fitoriana lehibe nataon'ny Vahao ny oloko teny Antsonjombe tamin'ny asabotsy teo.
Taloha aho no nanome tsiny an'i Pasitera Maihol, nanome tsiny an'i Rajoelina, rehefa avy gaga nahita olona maro be teny amin'ny Coliseum. Tamin'ny premier mandat no nimenomenona rehefa misy mpitondra mandainga sy manao kobaka am-bava hoe ho foana ny delestazy, ho voaloa ara-dalàna ny bourse-n'ny mpianatra. Tamin'ny taloha no nanenjika rehefa nisy niteny hoe ho tonga 2012 ny farandro, tsy maintsy izy no ho filohan'i Madagasikara na dia tsy mandalo fifidianana aza.
Fa amin'izao aho dia tsy gaga intsony raha mahafeno Coliseum ny Vahao ny oloko, na lany daholo ny députés IRMAR. Tsy gaga satria mbola izay no ilain'ny Malagasy. Mbola fanamaivanana eo no ho eo no ilain'ny Malagasy fa tsy ezaka lavitr'ezaka. Mbola trondro no ilain'ny Malagasy fa tsy fintana hanjonoana. Mbola tsinjo sy tamby no ilainy fa tsy asa sy valin'asa. Dia aleo aloha amin'izao.
Ho avy ny andro, tsy hinoan'ny Malagasy kobaka ambava sy fampanantenana poakaty intsony... na ara-batana io na ara-panahy. Ho avy ny andro tena hananan'ny Malagasy fanantenàna satria fantany hoe ny ezaka ataony aloha no hahitany fandrosoana. Ho avy ny andro hahitan'ny Malagasy ny olona tena miaina ny fahamarinana hitondra azy tokoa.
Dia amin'izay fotoana izay mety hiverina ny fanantenako hoe hihiratra amin'izay ny masoandron'i Madagasikara...
Madagasikara tsy maintsy handroso... fa asa oviana.

novalian'i rah-lay ny 7 ora lasa
2. rah-lay ( 7 ora lasa)
tsy misy  répére intsony ny maro @ Malagasy ,ny mpitondra tsy mirahara,ny mitondra fiangonana torak'izany ka manararaotra ireto mpaminany santoka sy totakely mpanararaotra ny fahatran'ny Malagasy ,ahiana ho tonga aty mihitsy ireto mpampanofy atoandroa @ fivavahana ireto ,fa esaky 1 km feno fiangonana nefa ny toetsaina eee ,vizana ianao miteny sy mananatra fa "fitana " no ilana ary mila miasa fa tsy misy izany MANA  ho tonga hoazy izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3957