Fifaninanana tononkalo marsa 2024

1. hery ( 03/03/2024 22:27)
Araka ny efa nampanantenaiko herinandro vitsivitsy izay dia hanomboka hanao fifaninanana tononkalo isika eto amin'ny Serasera.org 
Fifaninanana voalohany ity fa ny manetsa be mbola ho avy. Koa toa izao ary no fitsipika

Iza no afaka mandray anjara ?
Noho ny fandaminana dia mpanoratra mipetraka eto Madagasikara ihany no afaka mifaninana amin'ity fotoana ity.
Koa satria tononkalo ao amin'ny vetso.serasera.org no hifaninana dia ny mpanoratra izay afaka manoratra tononkalo ao amin'ny vetso.serasera.org dia afaka mandray anjara.

Tononkalo mifaninana
Malalaka ny lohahevitra sy ny ngadona ampiasaina amin'ity fifaninanana voalohany ity.
Tononkalo iray isaky ny mpanoratra no ekena hifaninana

  • Tononkalo amin'ny teny malagasy.

  • Ny Tononkalo mandray anjara amin'ny fifaninanana dia asiana sokajy hoe Marsa 2024


Rehefa avy nasiana an'io sokajy hoe Marsa 2024 io ny tononkalo dia tokony miseho ato amin'ny lisitra amin'ny adiresy eto ambany
https://vetso.serasera.org/tononkalo?tags=marsa-2024
Raha tsy ao anatin'io lisitra io izany ny tononkalo nosoratanao dia nisy diso ilay sokajy

  • Ny fanombohan'ny fampidirana tononkalo dia ny alatsinainy 4 marsa 2024 ary mifarana ny alahady 31 marsa 2024 misasak'allina.

  • Ny alatsinainy 1 aprily dia avoaka amin'ny pejy Tononkalo ao amin'ny Facebook avokoa araka ny nivoahany tato amin'ny vetso.serasera.org ny tononkalo mifaninana.



Fanomezana isa
Ny mpanoratra ny tononkalo mahazo isa betsaka indrindra no hahazo ny loka ka toa izao ny fanomezana isa.

  • J'aime iray ao amin'ny pejy Tononkalo dia isa 1 ho an'ny tononkalo.

  • Partage iray azo ao amin'ny pejy Tononkalo (Facebook) dia isa 2 ho an'ny tononkalo

  • Mpakafy iray ao amin'ny vetso.serasera.org kosa dia isa 3 ho an'ny tononkalo


Mifarana ny talata 30 aprily ny fanomezana isa, ka ny alarobia 1 mey no ilazana ny vokatry ny fifaninanana.

Ny loka hozaraina
Santatra ambavarano izao fifaninanana tononkalo voalohany izao koa toa izao ny loka hozaraina ho an'ny mpanoratra telo voalohany

  • Loka voalohany: Vola mitentina 100.000 ariary

  • Loka faharoa: vola mitentina 60.000 ariary

  • Loka fahatelo: vola mitentina 40.000 ariary.



Raha toa ka misy mpanohana isika dia hitombo ireo loka ireo.
Mazotoa daholo ary.
Raha misy fanontaniana dia azonareo apetraka eto ambany.
2. TononkaloNM ( 13/03/2024 09:09)
Mahafinaritra, efa nampitampitaiko @ havana sy namana. Mankasitraka foana ô.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0899