FANJAKAN'I BAROA

1. Azrael666 ( 13/10/2023 19:18)
Fanjakan'i Baroa: izay no misy eto Madagasikara amin'izao taona 2023 izao!
Nandritra ny fitondrana Rajoelina dia nahay voambolana sampona maro ny Malagasy: krizy, manara-penitra, varira, operation appolo, volamena nivadika vy, jeneraly bomba, roro, azo raisina fa tsy mitombina, miami, tokantrano minono... Ary vao haingana dia soflera!
Dia niaiky koa aho izay!
Ary ny maha Fanjakan'i Baroa azy dia satria tsisy fanarahan-dalana sy fampanjakana ny Marina&Rariny&Hitsiny eto: ny sipan'ny Minisitra mahazo mitana kalach, ny mpanohitra azo gadraina fahatany, ny andrim-panjakana afaka manongana andrim-panjakana, sns.
Rajoelina sy ny ekipany izany dia efa mifitra ny Gasy tsy ankanavaka sy ny Constitution, satria tsy Malagasy intsony fa ehe! Manjaka i Baroa e!...
Niveau T3 marina ny Gasy! An'i Baroa ny Fanjakana sy ny Hery ary ny Voninahitra mandrakizay!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3378