NORAHONANA TSY HANDRAY NY FAHEFANA MAHA CHEF D'ETAT INTERIMAIRE ny Filohan'ny Senat HERIMANANA Razafimahefa

1. Azrael666 ( 11/10/2023 21:24)
Dia tena mahagaga ahy ny fiainana ara-politika eto Madagasikara eto!
Efa declaration gidragidra ireny dia tsy misy reaction na dia faran'izay kely sy bitika aza ny Tafika sy ny HCC! Tsisy enquete, tsisy mesure raisina!... Sa miandry vola ve ireto tafika ireto vao mody miady ho an'nyTanindrazana e?
Mino marina aho fa nisy tokoa io menace nahazo an'i Herimanana Razafimahefa io; tsy hoe complotiste aho raha milaza izany fa noho ireto antony ireto no inoako izany:
- Voalohany, efa nisy tamin'ny 2009 io transfert de pouvoir teren-ko masaka io: Efa hitantsika avokoa ireny temoignages be dia be tamin'ny 2009 ireny, fa noterena mihitsy ireo be galona namindran'i Ravalomanana fahefana hamindra izany tamin-dRajoelina. Amiko, araka izany, dia tena nisy io fandrahonana ny President du Senat io.
- Faharoa, mino an'io resaka fandrahonana io koa aho rehefa mandinika fa toa olona INTOUCHABLE I NTSAY CHRISTIAN: Tour ve sa Fou sa Chevalier-n'iza miaraka amin-dRajoelina io rangahy io? Jereo tsara fa hatramin'ny nametrahan'i Rajoelina azy tamin'ny fitondrana Rajaonarimampianina dia tena tazomina amin'ny fomba rehetra eo antampondohan'i Madagasikara ilay zalahy io! Ka izay mi-guide an'i Ra-Ntsay io dia inoako zato isan-jato fa NAHAVITA NANDRAHONA AN-DRAZAFY...
Loza! Tena tsy nisy izany Etat de Droit sy fiandrianam-pirenena izany mihitsy teto Madagasikara, sady toa tsy hisy an'izany mandrakizay ry mpiray tanindrazana amiko a! Manohy ny nataony ny mpanjanaka, manao ny ataony ny mpanao politika sy ny mpitondra fivavahana, manao ny ataony ny dahalo, manao ny ataony ny vantatay sy ny be galona, manao ny ataony ny alika sy kisoa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1539