You are here: home > Forum

TOMBO-KASE FAHAEFATRA!!!!

Lohahevitra : Fivavahana, finoana
Fitohizan'ny hafatra : TOMBO-KASE FAHAEFATRA!!!!
Valiny : 8
midrou - 17/01/2021 10:01
Ry namako isany! Mba efa fantatrao ve hoe tombo-kase faha4 isika izao.
FANONTANIANA

1- Inona no zavatra tena manamarika ny tombo-kase faha4?
2- Inona no tokony ho hataonao?
Valio | Miverina eny ambony
midrou - 17/01/2021 10:04
Apokalypsy 6 : 7. Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon'ny zava-manan'aina fahefatra nanao hoe: Avia*. [* Ampio hoe: (ka izahao)] 8. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran'izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita* nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin'ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin'ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia ety an-tany. [* Grika: Hadesy]

Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 20/01/2021 12:45
Faly miarahaba anao indray namana midrou,

Faly miarahaba ny mpisera rehetra ihany koa nahatratra ity taona vaovao ity indray,

Ny fahasoavan'Andriamanitra anie hirotsaka amintsika sy ny ankohonantsika rehetra mandritra ity taona 2021 ity

soavaly hatsatra? = soavaly marary izany matoa hatsatra = manambara aretina izany....
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 20/01/2021 13:22
fahafatesana mitaingina azy? = aretina miafara hatramin'ny fahafatesana....

nomena fahefana amin'ny ampahefatry ny tany = areti-mandringana be mihitsy handipaka olona maro be...

marina tsy tena ny zava-misy ankehitriny ity lazainao ity ry midrou an!

tombo-kase fahefatra = areti-mandringana handripaka ny hapahefatry ny tany...Covid 19 dia inona koa???

Inona no tokony atao?
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 20/01/2021 15:13
Ary ireto no tena mampitahotra...

8 Je regardai, et voici, parut un cheval d'une couleur pâle. Celui qui le montait se nommait la mort, et le séjour des morts l'accompagnait. Le pouvoir leur fut donné sur le quart de la terre, pour faire périr les hommes par l'épée, par la famine, par la mortalité, et par les bêtes sauvages de la terre.

Vokatr'ity aretimandringana be ity dia....
1 périr les hommes par l'épée = hifandringana ny zanak'olombelona
2 par la famine = ho fatin'ny hanohanana ny maro
3 par la mortalité = io ilay fahafatesana hateraky ny areti-mandringana
4 et par les bêtes sauvages de la terre. = dia efa mihomana ry zareo fa hiakatra an-tanana ny bibidia rehetra ary handripaka olona maro izy ao anatin'izany....(efa miseho izany izao any an-dafy any an!!!) mitandrema tsara ianareo akaiky ala ala ireny ....

ka mipetraka marina ny fanontaniana hoe inona ary no tokony hatao e?????
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 20/01/2021 15:15
https://www.lefigaro.fr/sciences/confinement-les-animaux-se-reapproprient-les-villes-20200328
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 20/01/2021 15:24
Izao no hafatra atolotra ampitiavana be ho an'ny rehetra...

Misy olona iray ankehitriny nampianarin'i Jesosy mivantana, sy nampahafantariny ny dikan'izao zavatra rehetra mitranga izao ary koa nampianariny ny fahamarinana rehetra ao anaty baiboly indrindra indrindra fa ny bokon'ny apokalipsy araka ny tena izy fa tsy amboamboarina...

araho ny fandaharny, henoy izy fa ao no hamantaranao ny tokony ataontsika rehetra amin'izao fotoana izao....

https://www.youtube.com/watch?v=zXmdk1uhUUE



Hitanao izany fandaharana izany ankehitriny ao amin'ny kolo TV isa-maraina amin'ny 5ora sy sasany ka hatramin'ny 6 ora (manomboka ny alatsinainy ka hatramin'ny zoma)

Ny Tompo anie hampahiratra ny masontsika rehetra....

SAMIA HO TAHIN'ANDRIAMANITRA DAHOLO;;;;
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 25/01/2021 11:51
https://france3-regions.francetvinfo.fr/auvergne-rhone-alpes/isere/loup-recentes-attaques-isere-sont-elles-dues-au-confinement-1830698.html

Rehefa tonga ny aretimandringana dia tsy hivoaboaka intsony ny olona dia hanomboka hiverina hiakatra an-tanana ny bibidia...ary dia handripaka olona maro...sy biby fiompy maro....
Valio | Miverina eny ambony