365 jours de Paix garantie !

21. RBNIR ( 15/06/2020 10:49)

rhaj0:

[quote-RBNIR]raha ankehitriny tsy misy zavatra tsy ampy amiko intsony

hi hi hi... ilay "fahalalana" ve tena complet ao @ RBNIR ao?

Ohatra, mbola mino tsara ny @ Noah sy ny Sambo de gerany i RBNIR ao io ee?

- TSY ampy fahalalana ny Siansa.. ny Tantara sy Jeogirafia...
mahazaka firy ilay Sambo de gera? na manidina tahak'n'inona ilay vorondolo ampahalala fa maina ny tany?

- TSY ampy fahalalana ny Kristiana namanao.. ny "common sense"...
Aoka tsy ho ridicule intsony isikana hozy Pat Robertson ka hinohino foana izany anganon'i Noah izany


Sa TSY mila "fahalalana" ry RBNIR?

Ohatra, TSY mila mahalala ny fikepokepohan'i HRNRN ny 1/10-katsembohan'ny Mahantra sy Ory ry RBNIR. TSY mila mahalala ny fanapempoana ny Mpino TSY HAHALALA ry RBNIR.


Ary TSY mahalala akoriny nedala izao, fa indray andro any anie izy RBNIR io, ka ho tonga saina, ary ho lasa Atheista sahala @ olona normal rehetra ihany. :-)
[/quote]
Tsy azoko intsony, fa iza no nametrahan'i rhaj0 an'ilay fanontaniana e??? izaho sa i rhaj0??
Toa i rhaj0 no mamaly amin'ny toerako???

:-) :-) :-)
22. rhaj0 ( 15/06/2020 11:11)
any sisa no tsingolohan-dRBNIR betsindrontsindroka sy tsingologoloka, fa tsy hitany ary tsy hainy valiana ny fanontaniana. Mbo diso aho re nanao ilay quote fa tsy = no voasoratra fa -

Ka dia averina indray izany ny hafatra, fa "TSY mahalala" moa i RBNIR, toa ny mahazatra, ka dia ...

RBNIR:
raha ankehitriny tsy misy zavatra tsy ampy amiko intsony

rhaj0:
hi hi hi... ilay "fahalalana" ve tena complet ao @ RBNIR ao?

Ohatra, mbola mino tsara ny @ Noah sy ny Sambo de gerany i RBNIR ao io ee?

- TSY ampy fahalalana ny Siansa.. ny Tantara sy Jeogirafia...
mahazaka firy ilay Sambo de gera? na manidina tahak'n'inona ilay vorondolo ampahalala fa maina ny tany?

- TSY ampy fahalalana ny Kristiana namanao.. ny "common sense"...
Aoka tsy ho ridicule intsony isikana hozy Pat Robertson ka hinohino foana izany anganon'i Noah izany


Sa TSY mila "fahalalana" ry RBNIR?

Ohatra, TSY mila mahalala ny fikepokepohan'i HRNRN ny 1/10-katsembohan'ny Mahantra sy Ory ry RBNIR. TSY mila mahalala ny fanapempoana ny Mpino TSY HAHALALA ry RBNIR.


Ary TSY mahalala akoriny nedala izao, fa indray andro any anie izy RBNIR io, ka ho tonga saina, ary ho lasa Atheista sahala @ olona normal rehetra ihany.
23. RBNIR ( 15/06/2020 12:47)
rhaj0:

Ary TSY mahalala akoriny nedala izao, fa indray andro any anie izy RBNIR io, ka ho tonga saina, ary ho lasa Atheista sahala @ olona normal rehetra ihany.

izany an! :-) ....ahoana indray ity mipetraka amin'ny toeran'ny olona ity rhaj0 a? efa miteny aminao ilay olona hoe efa lafatra aho nefa tsy henoinao mihitsy?

Indray andro nisy olona nanatitra vola be tao amin'ny tokan-trano mahantra kely iray....fa izao...
naterin'ilay olona ilay vola fa hoy izy hoe misaotra anao aho satria mino aho fa noho ny fitiavanao marina no nanosika anao hanatitra ireto vola saingy ny ahy ngeh safidy mihitsy no nipetrahako tahaka izao satria fantatro fa tsy hitondra fiadanana ho an'ny tenako ity volabenao ity e...raha te hanankarena aho vitako izany, n'inon'inona tiako atao dia vitako izany saingy efa safidy ny ahy ity...

zina ilay olona hany hery nanao farateny : tandremo ary sao mihindrakindram-bola aty amiko aty raha misy mahazo anareo....sns....

aiza i rhaj0 amin'izany...??? mbola hisisika hanao demostrasio ihany v hoe tsy mety ngeh izao toerana misy anao sns izao???
24. rhaj0 ( 15/06/2020 13:45)
Ny maha-samy hafa @ anganonao sy ianao anie ry RBNIR dia,
- ao @ ilay anganonano, EFA "mahalala" ilay mahantra fa "tsy hitondra fiadanana" ny volan-drampanana.
- ianao kosa, "TSY mahalala" ...

Sa tena "mahalala" ianao ry RBNIR?

Ny anao ange, koa na ny finoanao ao azany, dia lazainao hoe, "tsy fantatrao izay ataonao" ao eee... satria izay no nasesika tao aminao, dia (tsy mahalala akoriny ianao fa) izay no averimberinao tsy am-piheverana sy tsy am-pahalalana ao, sy eto.

Sa lazalazao eto azany inona ny "fahalalana" hanananao ao ee... mba misy hihomehezana indray :-)

25. RBNIR ( 16/06/2020 09:05)
rhaj0:

Sa lazalazao eto azany inona ny "fahalalana" hanananao ao ee... mba misy hihomehezana indray :-)

Efa impiry naverimberina teto fa ny fahalalan hananantsika olombelona dia tsy misy dikany raha oharina amin'ny fahalalan'Andriamanitra...
Teto izao hoy aho dia nanao operation Andriamanitra dia avy eo nanao clonage nahazoana an'i Eva

« Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. » (Genesisy 2:21)
« Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. » (Genesisy 2:22)
« Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. » (Genesisy 2:23)

1- nahasondrian-tory = anesthésie générale
2- naka ny taolan-tehezana (côte) ka nanakombona nofo = opération novoaina dia nakombona nozairina
3- taolan-tehezana natao tonga vehivavy = clonage humain...

Dia tato koa hoy aho i Jesosy nanao description mazava fa hisy trou noir be (Afo be) iray handevona izao tontolo izao (kintana volana masoandro tany sns.....)

http://forum.serasera.org/forum/message/m5d3e8e2616077

ka mba saintsaino ihany hoe otran'iza marina re izao Andriamanitra izao no tamin'izany fotoana izany dia efa navita ny zavatra manomboka ketrehin'ny sain'olombelona ankehitriny???
efa tany amin'ny taona 0 mbola tsy misy ny telescope sy ny satelite nefa dia efa nahavita nanao desription mazava ny momba trou noir lehibe ????

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
26. rhaj0 ( 16/06/2020 16:49)
RBNIR:
ny fahalalan hananantsika olombelona dia tsy misy dikany raha oharina amin'ny fahalalan'Andriamanitra

hi hi hi.. .ny fahalalana hananaNAO RBNIR no tsisy... mitombona.

Aseseho ny "namoronana-ny-olona-voalohany" araka ny isakisaky ny finoana/fivavahana era-tany, dia hahita ianao.


Fa ilazao eto hoe ho'a ry RBNIR ho'a, hatraiza ny "fahalalana" ho'a ny nampianarina anao teny andabilio? bacc sa +2, +4, +5 raha ny @ tantara-jeogirafia, na biolozia, na fizika-astronomia, na koa psikolozia-sosiolozia?
Ny ahy ho'a dia efa hoe ho'a hoe, bacc, dia bacc, dia +5, dia +2. Ary raha ny Baiboly, dia 8-10 taona aho ho'a no niala tao. Dia hoe, tsy ny ifampitsaratsarana na hoatr'izany ny resaka eto, fa mila mazava ny repere hoe, resaka garabola ve io atao(nao) io sa resaky ny mpiani-kazo..
27. RBNIR ( 17/06/2020 10:29)
Izao vao tena manomboka azoko tsara ny anton'ity teny ity...

« Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. » (Matio 11:25)

ilay izy tsy hoe ny manantsaina rehetra....fa izay miseho ho manantsaina....

satria raha dinihina ny fahalalana ao anaty baiboly dia natao ho takatry ny olona rehetra tsy ankanavaka ka izay miseho ho hendry sy manantsaina ihany no manao tsinontsinona azy...dia amin'ireny karazan'olona ireny no takona ilay izy...

tahaka ilay hoe NOEL = tsy misy Andriamanitra ....dia na dia efa asehon'Andriamanitra aza...dia mbola misy sahy manamavo hatrany....ka dia ao ianareo izany re ry manantsaina isany a!

Efa mazava be io voasoratra anaty genesisy 2:21-23 io fa nanao operation Andriamanitra dia avy eo nanao clonage humain fa rehefa zatra manamavo satria hendry sy manantsaina dia ao ianareo izany koa...atao akory????
28. rhaj0 ( 17/06/2020 10:45)
Jesosy:
... nafeninao tamin'ny [size=7]hendry sy ny[/size] manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. » (Matio 11:25)
RBNIR:
ilay izy tsy hoe ny manantsaina rehetra....fa izay miseho ho manantsaina....

Esy e ry RBNIR "manan-tsaina" eee.. Efa io mazava beuh io ny resak'i Jesosy, dia mbola nodison-dRBNIR ary nahitsiny.. nampian-dRBNIR an'ilay IZAY MISEHO ny hafatr'i JEsosy

RBNIR manadikadika an'i Jesosy:
nafeninao tamin'ny [size=7]hendry sy ny[/size] IZAY MISEHO HO manan-tsaina


Bravo RBNIR.. bravo.

RBNIR milingilingy fa tampohin'ny mahalala ny teny hoe operasio sy kilonazy:
... misy sahy manamavo hatrany....
(...)
Efa mazava be io voasoratra anaty genesisy 2:21-23 io fa nanao operation Andriamanitra dia avy eo nanao clonage humain ...

Ka nanontaniana ianao ry RBNIR hoe, mbo hatraiza ianao teny @ dabilio, fa tsy mety mamaly satrua ve menatra fa tsy mavo?

Hitanao tsara io fa rehefa misy milingilingy miteny hoe "operation" sy "clonage", dia mila fantarina hoe, MBO FANTATRANY VE IO ATAONY IO?

HOe olona nianatra biolozia ve izy, sa i Ratiatsimpontsimpona Betsindrotsindroka RBNIR no anarany, ary dia nalainy ny teny hoe "clonage humain", ary dia nampiadiany rima t@ Genesisy?

29. RBNIR ( 17/06/2020 11:30)
Voaporofo ange ny voalazako e!

Satria marobe ireo manantsaina nefa tsy nanafenany ny marina...

https://fr.aleteia.org/2014/06/21/quand-25-savants-illustres-confessent-leur-foi-en-dieu/

https://www.psychologies.com/Culture/Savoirs/Sciences/Articles-et-dossiers/Ils-sont-scientifiques-et-croient-en-Dieu

Sady ity no manamafy fa izay manao ny tenany ho hendry sy manantsaina no tena voakasik'ilay teny...

« Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo*. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin'ny malahelo] » (Romana 12:16)


Mila mahay manetry tena re ry rhaj0 dia asandrany a!
30. RBNIR ( 17/06/2020 12:28)
rhaj0:

RBNIR milingilingy fa tampohin'ny mahalala ny teny hoe operasio sy kilonazy:
... misy sahy manamavo hatrany....
(...)
Efa mazava be io voasoratra anaty genesisy 2:21-23 io fa nanao operation Andriamanitra dia avy eo nanao clonage humain ...


Izaho efa nanao medecine an! Bacc + ???? aho raha medecine (mino aho fa tsy ho resin'i rhaj0 mihitsy raha resaka medecine aloha...
fa tsy dia izay loatra e! fa efa mazava be io hoy aho na olona tsy nianatra medecine aza.....tena natao operation i adama nangalana ny taolan-tehezana dia natao anesthesie général ary dia nakombona ny fery, avy eo dia avy amin'iny taolan-tehezana iny no nanamboarana an'i eva (clonage humain)

31. rhaj0 ( 17/06/2020 14:00)
Dia ahoana ry RBNIR (nanao medecine) ny fanaovana clonage?
(tsy ilay lazainao fa ao anaty BAiboly fa ilay nanaovana an'i Dolly)
32. RBNIR ( 18/06/2020 07:08)
rhaj0:

Dia ahoana ry RBNIR (nanao medecine) ny fanaovana clonage?
(tsy ilay lazainao fa ao anaty BAiboly fa ilay nanaovana an'i Dolly)

araho ato e! tsy misy afenina ange izany e!

https://www.unifr.ch/nfp37/WHATISGeneTher/DP2000C_clonage.pdf
33. RBNIR ( 18/06/2020 07:22)
na izany aza dia ny fahalalan-draolombelona hoy aho mbola kely dia kely miohatra amin'ny an'Andriamanitra....
Ka na tsy voasoratra mazava aza hoe tamin'ny fomba ahoana ilay clonage natao dia clonage ihany no dikany aloha satria nalaina avy amin'ny lahy izy...

« Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. » (Genesisy 2:23)
34. rhaj0 ( 18/06/2020 10:13)
Mbo novakianao ve io lahatsoratra narosonao io ry RBNIR, dia mbo azonao ny nolazainy, sa dia na resaka baiboly na resaka Siansa dia anaovanao foana fotsiny an'ity Ratsiatsindrontsindroka Betsipontsimpona RBNIR ity fotsiny?

Raha (nanao medicine) tena izy ianao, dia afaka nofehezinao tamina fehezan-teny iray ny ventin-kevitra.

io hoe amena chance hanao ilay izy azany ianao ry RBNIR. Ka dia averina kely ny fanontaniana"

Dia ahoana ry RBNIR (nanao medecine) ny fanaovana clonage?
(tsy ilay lazainao fa ao anaty BAiboly fa ilay nanaovana an'i Dolly)
35. RBNIR ( 18/06/2020 10:52)
Efa voavaky tsara mihitsy ary izay no nahatonga ahy nanindry tsara hoe...

"na izany aza dia ny fahalalan-draolombelona hoy aho mbola kely dia kely miohatra amin'ny an'Andriamanitra....
Ka na tsy voasoratra mazava aza hoe tamin'ny fomba ahoana ilay clonage natao dia clonage ihany no dikany aloha satria nalaina avy amin'ny lahy izy..."

Satria tsy voatery mihitsy hitovy amin'ny zavatra hitan'ny olona ankehitriny ny nataony tamin'izany....
36. rhaj0 ( 18/06/2020 10:58)
Aiza ilay fehezan-teny mamehy ny "clonage humain" araka ny Siansa ry RBNIR?

Izay mantsy no alahatra @ ilay clownage biblique-ndRBNIR.


Tsy hi-insiste aho fa dia hita fa TSY azonao akoriny ny hoe clonage humain ry RBNIR. (dia nefa ianao ministra ao @ sekta HRNRN)


Eritrereto kely indray hoe ry RBNIR (nanao medecine) dia mbo hazavao eto ny hoe:
greffage-na raozy?
37. RBNIR ( 18/06/2020 11:18)
efa hoe ny fahalalan'olombelona hoy aho kely dia kely miohatra amin'ny an'Andriamanitra dia mbola mi insiste be foana i rhaj0??

misy ange natao hotakatry ny lohantsika fa misy kosa efa tsy natao mihitsy e!

hoy Izy tamin'i Eva hoe....« Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan'anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran'ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao. » (Genesisy 3:16)

Nisy fomba hafa efa nokasain'Andriamanitra raha resaka reproduction fa saingy nanota dia nataony amin'io fomba maharary be ny vehivavy io........
38. rhaj0 ( 18/06/2020 11:53)
Dia TSY mahalala ny atao hoe greffage-na raozy koa izany 'le RBNIR 'ty. Dia inona ihany izany no "fahalalana" anao ao re ry RBNIR, ka azo mba resahina aminao na resahinao?

ILay greffe-na raozy re ry RBNIR dia..
1- alaina ny tahona raozy iray, toa ny taola-tehezana ny halavany,
2- dia alona rano kely, sady asiana rora kely,
3- dia alevina @ tany, sady akopakopaka (@ baiboly),
4- fa dia mahazo raozy vaovao, antsoina hoe Madama Eva


Eto izao, rAha "mahalala" i RBNIR, dia tokony hitsongologoloka dia hihorakoraka beuh indray...
Aleo hoe amena chance indray i RBNIR hihorakoraka? :-)
39. RBNIR ( 18/06/2020 12:07)

rhaj0:

Dia TSY mahalala ny atao hoe greffage-na raozy koa izany 'le RBNIR 'ty. Dia inona ihany izany no "fahalalana" anao ao re ry RBNIR, ka azo mba resahina aminao na resahinao?

ILay greffe-na raozy re ry RBNIR dia..
1- alaina ny tahona raozy iray, toa ny taola-tehezana ny halavany,
2- dia alona rano kely, sady asiana rora kely,
3- dia alevina @ tany, sady akopakopaka (@ baiboly),
4- fa dia mahazo raozy vaovao, antsoina hoe Madama Eva


Eto izao, rAha "mahalala" i RBNIR, dia tokony hitsongologoloka dia hihorakoraka beuh indray...
Aleo hoe amena chance indray i RBNIR hihorakoraka? :-)

Izaho indray ary no manontany an'i rhaj0...misy klonazy natoraly...

kambana metaly homogikoty.....ahoana no nanaovana azy?????
40. rhaj0 ( 18/06/2020 13:05)
n'importe koa mihintsy 'le RBNIR 'ty.. Notsindrohan-nedala indray re ny teny hoe homogikoty... grefazy sy bourutazy azany tsy mi-click @ lohan'i RBNIR akoriny nefa efa an'arivoarivo-taonany no nisy

Aoka hijanona ny resaka Siansa eto ry RBNIR aaa..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1556