Ahoana marina tena hafantarana ny.apostoly.sandoka sy mpaminany sandoka?

21. alainsylvano1 ( 29/04/2020 07:49)
RBNIR:

dia izao...io fampianarana io somary mampangidihidy sofina ny maro...

« Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany;» (2 Timoty 4:3)

dia izay no nahatonga an'i Jesosy nanoro lalana hoe ...

« Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Matio 7:13)
« Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. » (Matio 7:14)

Ity no marika anankiray hamantarana azy koa hoe tena ilay avy any ambony marina tokoa v ilay fampianarana.....

« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jaona 3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jaona 3:32)
« Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. » (Jaona 3:33)

Izay avy any ambony = tsy 2 na 3 fa tokana ilay izay izany hoe tsy tokony hahita fampianarana mitovy aminy ianao fa tokana no manana azy (izay no mahatonga anao miaiky fa tsy mbola nahita fampianarana mitovy aminy ianao)...

izay avy amin'ny tany dia ...ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy...
araka io teny io dia ireo rehetra (ankoatran'ilay avy any ambony) dia mitovy avokoa ny ety an-tany ihany no lazainy (mitory zavatra ara-materialy hita sy tsapan'ny olona)

Fa ilay avy any ambony kosa izay hitany sy reny (avy tany ambony tany no ambarany) = zavatra tsy hita na azon'ny olona tsapaina zavatra tokana dia ILAY FIAINANA MANDRAKIZAY...
Ny fampianarana avy any ambony dia mitaona ny olona hikatsaka izay misy any amin'ny tsy hita maso any ary izay no lohalaharana aminy fa ny ety an-tany kosa tsy hataony mahamaika azy intsony...

« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33)

Lohalaharana hatrany amin'ny fampianarana avy any ambony ny fikatsahana ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany...

Ireo no hamantarano ra tena JESOSY marina no nifidy sy nampianatra ilay olona na tsia....



mankasitraka Tompoka fa tena resy lahatra 100% @ lay fahamarinana izay torinareo zay o, tena mpampianatra avy @ Atra marina nareo, mitondra any ilay fampenarana avy an danitra.
22. alainsylvano1 ( 29/04/2020 07:58)
midrou:

alainsylvano1:

Ahoana marina tena hafantarana ny.apostoly.sandoka sy mpaminany sandoka?



Tena tsy diso mihintsy raha hofantarina toko , satria tsy vitsy intsony raha eto M/kara ihany aza no milaza fa Apostoly.

Tokony hiaraka hanaiky anefa isika hoe TSY VOATERY HO AVY @ A/TRA AVOKOA IZY REHETRA fa maro no miaina ao anatin ny fitaka.

Diniho anie e :-)

II Korintiana 11 : 13. Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. 14. Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. 15. Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.



mankasitrak fa tena marina tokoa ny zavatra ampenarinarw sy RBNIR fa tena fampenarana marina tokoa, ary avy @Atra ilay fahamarinana torinareo.
23. alainsylvano1 ( 29/04/2020 08:14)
Aona dray hafantarana, fa Mpamimany sansoka, satrie.samy maminany tanteraka ireo.ary.samy mitandrina sabata, satrie sabata tena andro fivavahana raha baiboly no jerena, d aona hafantarana fa ts avy @ Atra io.mpaminany.io, mba mila fanazavana kely hoany izay mahalala .

Ny hafatra oentiny Mpaminany ve hoany fiangonana iany.sa oany.izao tontolo izao, ary ny mpaminany ve rehefa maminany d ts maintsy maminany arak baiboly fona ve sa naha mivoana kely ve d mety ian, mba afak manazava any izay ve nareo azfd indrindra.
24. RBNIR ( 29/04/2020 09:07)
mpaminany sandoka? mitovy amin'io ihany alainsylvano a! hoy Jesosy hoe « Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia* mitoha izy.[*lopa] » (Matio 7:15)...
25. alainsylvano1 ( 29/04/2020 09:22)
RBNIR:

mpaminany sandoka? mitovy amin'io ihany alainsylvano a! hoy Jesosy hoe « Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia* mitoha izy.[*lopa] » (Matio 7:15)...


mankasitta ary eh, voaray tsara
26. rhaj0 ( 29/04/2020 12:37)
O ry Alain Sylvano a.. Dia midera anao aho mahasahy mamoaka eto ny anaranao.

Fa izaho mantsy dia "rhaj0" ihany no sahiko napetraka t@ nisoratra anarana teto, dia io taritaritina io, ary dia mbola ho taritaritiko eto foana. Fa raha hanontany an'Ineny GOgola ianao, dia ho mora aminao ny hahita ny bilaogiko atsy @
https://rahampitso.blogspot.com

Dia misaotra anao koa ry Alain Sylvano namoaka ny anarana fenon'i Pasitera Fitiavana Herinirina. Efa ela mantsy io no nanontaniako an'i RBNIR fa anaovan-ndRBNIR bemarenina fotsiny.

Ka miresaka an'i RBNIR, dia asa raha mba SAHY toa an'i Alain koa i RBNIR, dia mba mampahalala na manondro hoe aiza no ahalalana ny anarana fenon'i RBNIR..

Ny hadrohadroko izao dia hoe i Ratsiatsimpontsimpona Betsindrontsindroka NIRina :-)

Sa kosa, sao dia ny Pasitera Fitiavana Herinirina ihany no RBNIR?
Mba hazavao ny jironay eto ry Alain, fa toa mifankahalala izany mantsy nareo ao.
27. RBNIR ( 29/04/2020 13:06)
rhaj0:

Sa kosa, sao dia ny Pasitera Fitiavana Herinirina ihany no RBNIR?

Tsy izy aho ka...
Sady ny zavatra rehetra nosoratako teto marina daholo an!

Izaho matahotra mafy an'ity voasoratra ity...« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apokalypsy 21:27)

ny mpandainga tsy hiditra ny fanjakan'Andriamantra...

Tena minoa ry zalahy a! tsy lainga no natolotro teto ...

Tena takian'i Jesosy Krsity Tompo amin'izao andro farany izao ny hiverenana indray amin'ilay fampianarana tsy misy kilema nampianariny 2000 taona lasa...satria efa ho tonga ny farany...

Tsy filazantsara hafa fa ilay taloha iny ihany ....

« Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Matio 24:14)


28. RBNIR ( 29/04/2020 13:35)
ohatra iray ity ....raha tianao hanankery ilay batisa atao aminao ....dia mila hatao batisa orizinaly ianao (batisa avy any an-danitra tahaka ny nataon'i Jaona...« Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? » (Lioka 20:4)


Batisa avy any an-danitra = olona nahazo fahefana mivantana avy any an-danitra no manao batisa anao....

Fahefana avy any an-danitra = Fahefana nomen'ny Ray (tahaka an'i Jaona mpanao batisa Jao.1:33) na Fahefana avy amin'i Jesosy (ireo mpianatra Mat.28-:19) na koa fahefana avy amin'ny FM (toa an'i filipo Asa.8:26-36)....
29. gasy1zay ( 29/04/2020 17:22)
mbola tsy azon'i RBNIR mintsy ilay batisa ry namana isany mpiserasera
30. rhaj0 ( 29/04/2020 18:25)
- TSY azon-dRBNIR, sa
- tena TSY-te hahazo akoriny izy, sa
- TSY afaky ny hahazo akoriny nedala, sa ...

esy e ry GAsy1zay.. dia hitanao tsara io izany izao, toatoa ny ahoana ny miresaka @ fanatika. F'angaha heverinao fa rezonable, na hoe mba afaka mi-rezone toa anao izy. :-)


Ny ahy ny tanjoko eto, dia
- ny mivanitika,
- sy manao ny devoir de se moquer des religions
- ary indrindra koa, ny miomana ho'a rahefa sendra ny fanontanian'ny Ankizy. Izao izao efa vonona ny valin-teny anaty vanitika @ izay rehetra fanontaniana mety hipetraka :-)


Fa dia asa ny tanjonao eto ry GAsy1zay.
Tia hanova an'i RBNIR ohatra ve? Dia ho gaigy eo eee...
Tia hitory ny born-again/virgin again? Dia ivanitihiko eto koa eee.. :-)
31. gasy1zay ( 29/04/2020 18:38)
Ny ahy tsy mampaninona ahy izay ataon'i RBNIR araka ny fandresendahatrany fa azy iny, fa tsy mety kosa raha mampianatra olona hafa mandalo eto izy,nefa zavatra diso no zarainy, izy izao efa faly ery fa misy mpanaraka an'i pasitera ankoatrany tonga misera eto.
32. gasy1zay ( 29/04/2020 18:41)
ny ahy tsy misy anarampiangonana arovako fa ny zaraiko eto dia ny voasoratra anaty baiboly ihany, tsy mampaninona ahy ianao na protestanta na katolika na loteriana na pentekotista na baptista rehefa miaina ny filazantsara araka ny voasoratra satria tsy ny anarampiangonana no tena FIANGONANA fa ny firaisana ao @ Jesoa Kristy eo ambanin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina
33. midrou ( 29/04/2020 20:33)
gasy1zay:

ny ahy tsy misy anarampiangonana arovako fa ny zaraiko eto dia ny voasoratraanaty baiboly ihany,


Tsy mahavonjy toko ny anaram piangonana ,na fiangonn inona na fiangnn inona fa ty kosa tsy azo amboarina an:

Matio 7 : 21. Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.

34. midrou ( 29/04/2020 20:44)
ka tena ilaina ny mahafantatra ny sitrapon A/tra mba hahafahana ( manao ) manatanteraka azy

* Ny baiboly no fototra hahafantarana ny sitrapon A/tra

* Rah tsy olona navelany hahalala anefa dia " hijery ihany fa tsy hahita"
II Timoty 3 : 7. mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.

Ary izay fantatra dia mila hatao avokoa:

Apokalypsy 1 : 3. Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.

Dinio tsara ihany namana mba ts hahadiso làlana a!!!!:-)
35. rhaj0 ( 30/04/2020 11:52)
midrou:
* Ny baiboly no fototra hahafantarana ny sitrapon A/tra

Ka rehefa mba manaraka ny toroteninao Midrou izany aho, dia mba manaja ny mpanolotra hevitra Alain Sylvano ka mamaly ny fanontaniana napetrany, dia ...

hi hi hi... ka tsy mampetimety @ baolin'i Alain sy RBNIR ve izy izany ka dia tsy sahinan-dreo atrehina ny resaka?

Eo fa averiko indray... :-)


Resaka atahoran-dry Alain sy RBNIR - Ny marina tsy sahin-dreo atrehina:


midrou:
Marka 16 : 17. Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: [size=8]hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; 18. handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; [/size]hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny

Dia isaorana @ Midrou nizara ny ao @ Marka, maneho hoe inona ilay Famantarana ny Sandoka.

Ary dia mazavabe fa satria TSY mahavita azy ny Pasitera Fitiavana Herinirina, dia sandoka izy izany.


rhaj0:
Koa raha toa ka TSY namory ny Mpanaraka azy ny Pasitera Fitiavana Herinirina, dia mba "nametra-tanana ho fiarovana ireto Mpanaraka azy", dia ...

... SANDOKA ny Pasitera Fitiavana Herinirina...

toa ireo Pasitera erak'izao tontolo izao, izay lasa nitsoaka niafina tany @ Trano Volamenany aby, ary navelan-dreo ho fatin'ny Coronavirus ny Mpanaraka azy.

Satria rahefa TSY mahavita ny vitan'i JEsosy ilay Pasitera Fitiavana Herinirina, nefa Jesosy mbo "nisafidy" azy HONO, ary JEsosy efa sasatra ny mampianatra, dia mazavabe fa ...

... SANDOKA ny Pasitera Fitiavana Herinirina...


Diniho tsara ho'a anie ity tantara an'i JEsosy eto ity ee...

Matio 17:14-16:
14 Ary rahefa tonga teo amin'ny vahoaka izy, dia nisy lehilahy anankiray nanatona azy, ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe: Tompo, mamindrà fo amin'ny zanako lahy; mararin'ny androbe izy ka mijaly mafy loatra, fa matetika mianjera any anaty afo, ary matetika koa any anaty rano.
15 Nentiko tamin'ny mpianatrao izy, fa tsy nahasitrana azy izy ireo.
16 Ary namaly Jesoa nanao hoe:
[size=15]Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo? [/size]



Mila hazavaina ve io tantara io?
- Ilay lehilahy dia mangataka famindra-po fa marary ny zanany
- nentiny t@ ireo "mpianatr'i Jesosy", toa ny Pasitera Fitiavana Herinirina izany ilay zaza
- fa TSY nahasitrana ireto hoe "mpianatr'i Jesosy", toa ny Pasitera Fitiavana Herinirina
- ary dia tezitra i Jesosy:

[size=15]Ny hoe Mpianatra toa an'ny Pasitera Fitiavana Herinirina dia
- taranaka tsy mino sy ratsy fanahy
Ary ny Pasitera Fitiavana Herinirina manokana dia ...
- SANDOKA !!!
.[/size]



[size=15]... SANDOKA ny Pasitera Fitiavana Herinirina...[/size]
[size=12]... SANDOKA ny Pasitera Fitiavana Herinirina...[/size]
[size=9]... SANDOKA ny Pasitera Fitiavana Herinirina...[/size]
[size=7]... SANDOKA ny Pasitera Fitiavana Herinirina...[/size]
[size=4]... SANDOKA ny Pasitera Fitiavana Herinirina...[/size]
[size=2]... SANDOKA ny Pasitera Fitiavana Herinirina...[/size]
36. RBNIR ( 30/04/2020 12:12)
Izany hoe raha arahina ny resakao rhaj0, tokony niteny koa ianao hoe sandoka ry petera sy ny apostoly sasany satria tsy nahavita sa ts'izay izy io???

Fa na izany aza tena misy hoy aho ny sitran'i pasitera HRNRN! (tamin'ilay fijorona vavolombelona nataoko tato (efa tamin'ny taona 2012 izao aretina 3 be izao no nitaiza fa tsy misy intsony ankehitriny....°

Ary dia gaga ny dokotera namana fa tsy hita intsony mitsabo tena ao aminy ny tenako sy ny ankizy (tsy tahaka ny teo aloha)...namana akaiky i radoko an! mpifanila vodirindrina mihitsy...

http://forum.serasera.org/forum/message/m4f27eb8ce4cd6

nisy ny voan'ny cancer sitrana...(misy horonantsary efa nivaoka tamin'ny televiziona)

ny tsy nanan-janaka fa momba ary efa nitetitety tetsy sy teroa (misy horonantsary efa nivoaka tamin'ny televiziona...
sy ireo marobe tsy tambo isaina...

Saingy tsy mba dradradraina tahaka ny an'ny sasany hoy aho fa sao mantsy sanatria izay no antony hahatonga ny olona hivavaka fa tsy ny ho hovonjena sy ny fikatsahana ny FIAINANA MANDRAKIZAY ....dia manjary manimba ny asan'Andriamanitra....
37. rhaj0 ( 30/04/2020 13:45)
RBNIR:
...hoe sandoka ry petera sy ny apostoly sasany satria tsy nahavita sa ts'izay izy io???...

Vakio Matio 17:14-16 dia henoy tsara ny akon'ny feon'i JEsosy satria dia Ianao koa no resahiny:

14 Ary rahefa tonga teo amin'ny vahoaka izy, dia nisy lehilahy anankiray nanatona azy, ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe: Tompo, mamindrà fo amin'ny zanako lahy; mararin'ny androbe izy ka mijaly mafy loatra, fa matetika mianjera any anaty afo, ary matetika koa any anaty rano.
15 Nentiko tamin'ny mpianatrao izy, fa tsy nahasitrana azy izy ireo.
16 Ary namaly Jesoa nanao hoe:
Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo?
[size=9]Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo?[/size]
[size=7]Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandra-pahoviana no handeferako aminareo?[/size]


RBNIR:
nisy ny voan'ny cancer sitrana...(misy horonantsary efa nivaoka tamin'ny televiziona)

Iliay horonantsarin'ilay profeta (sandoka) Tsaratsara ve?
Syphillis (ratra be misy nana) no nahavoa an'ilery, dia lazainy fa cancer, dia mino tokoany i RBNIR fa vavolombelona HONO izy

Ka ahoana ry RBNIR, sahinao ve mamaly an'ity teniko ity, ary tantero any @ HRNRN mihitnsy..
sa tohizanao anoavana bemarenina foana fotsiny?

[size=15]... SANDOKA ny Pasitera Fitiavana Herinirina...[/size]
[size=12]... SANDOKA ny Pasitera Fitiavana Herinirina...[/size]
[size=9]... SANDOKA ny Pasitera Fitiavana Herinirina...[/size]
[size=7]... SANDOKA ny Pasitera Fitiavana Herinirina...[/size]
[size=4]... SANDOKA ny Pasitera Fitiavana Herinirina...[/size]
[size=2]... SANDOKA ny Pasitera Fitiavana Herinirina...[/size]
[/quote]
38. RBNIR ( 30/04/2020 22:08)
rhaj0:

Iliay horonantsarin'ilay profeta (sandoka) Tsaratsara ve?

Sao dia mba efa fanina ary ny namako tsy misy miresaka Tsaratsara eto?! i pst HRNRN no resahina eto izao...
marobe re no efa nahazo soa taminy fa averiko indray tsy dradradrainy izany satria sao dia izay no antony hahatongavan'ny olona hivavaka hanaraka azy ka hadino ny tena antony tokony hivavahana dia hanao ny sitrapon'Andriamanitra mba handovana fiainana mandrakizay rahatrizay...
39. rhaj0 ( 01/05/2020 02:07)
RBNIR:
tsy dradradrainy izany satria sao dia izay no antony hahatongavan'ny olona hivavaka hanaraka azy

Ntss... nizesta be hoe, hanavotra ny planeta Latera ilay milaza-tena ho Apostoly tokana @ izao 2020 izao, kay SANDOKA fotsiny ilay PAsitera Fitiavana Herinirina 'ty.

Dia mody hoe TSY dradradradraina.. I Jesosy azany niezaka mandeha hatraizatraiza hanaparitaka ny revy, ny an'ilay Sandoka indray hono koboniny ho azy sy izay azony nambakaina tao hono izany "fahasoavana" izany fa tsy mba zarainy MAIMAIM-POANA.

Izany no vao mainka maneho fa tena Sandoka 'le Pasitera Fitiavana Herinirina 'ty...
[size=7]tena Sandoka 'le PAsitera Fitiavana Herinirina 'ty...[/size] [size=5]tena Sandoka 'le PAsitera Fitiavana Herinirina 'ty...[/size]
40. RBNIR ( 01/05/2020 09:59)
tsy mahagaga hoy aho ny mandray teny otran'izao hambaranao izao (ary izao mihitsy no vao maika manaporofo tena Jesosy marina tokoa no nifidy an'i pst HRNRN....

Lio.23:31 Fa raha ataony amin’ny hazo maitso izany hatao ahoana amin’ny maina ?

Hazo maitso: Jesosy
Hazo maina : ireo mpanompo nofidiny....

Jesosy aza ngeh nolazaina fa manana demonia sy very saina e!

Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka very saina; nahoana no mihainy Azy hianareo?Jao.10:20
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3029