Mba efa renao tokoa ve ilay antso hatao farany ho ...

21. rhaj0 ( 28/04/2020 12:23)
Efa mba nametra-tanana mba hanampy, hanamasina, ireo mpanaraka azy ka hisorohana ny ahavoan'ny Coronavirus ve ny Pasitera Fitiavana Herinirina?
22. alainsylvano1 ( 28/04/2020 12:26)

[quote=alainsylvano1]
[quote=RBNIR]
midrou, fa iza marina moa ianao?? :-) mahafinaritra rehefa misy namana hafa manaiky ny fahamarinana e!

Izao koa no tena marina izaho tsy hoe manindraindra an'i pasitera HRNIR, fa ny tena marina resy lahatra tanteraka amin'ny fampianarana nataony aho...

Ary ankehitriny dia vao maika namafisin'i Jesosy (en persone) mihitsy amiko fa tena Izy marina tokoa no nifidy an'i pastiera HRNR...

tanteraka amiko ara-bakiteny hoy aho ireto teny ireto... https://free.facebook.com/messages/read/?tid=cid.c.100028092424217%3A100042824021658&refid=11#fua

« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona

[/qu

Resy lahatra.@.zavatra torininao.eto.izay o! tohizo fa tena mitovy.@ pst.ian enw.izay mitory eto @ serasera eto
23. alainsylvano1 ( 28/04/2020 12:42)

[quote=rhaj0]
Efa mba nametra-tanana mba hanasitrana ireo mpanaraka azy izay voan'ny coronavirus ve ny Pasitera Fitiavana Herinirina?
[/quotaza
24. RBNIR ( 28/04/2020 12:42)
rhaj0:

Efa mba nametra-tanana mba hanampy, hanamasina, ireo mpanaraka azy ka hisorohana ny ahavoan'ny Coronavirus ve ny Pasitera Fitiavana Herinirina?

efa mba nosain'i rhaj0 v hoe maninona i madagasikara no otran'izao ny toerana misy azy manoloana ity corona virus ity fa tsy otran'ny any amin'ny firenen-kafa?

lazaiko anao eto tana ngeh hoy aho ka "tsy misy matahotra" ny 90% n'ny olona e! mandehana manao sondage.....

Hoy Izy indray andro izay....« Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao. » (Genesisy 18:28)

Dia mbola miverina ihany eto ilay nolazaiko hoe OLO-MARINA (SAL.91)
Olo-marina = olona manao ny marina (1Jao.3:7) = olona mitandriana izay nambaran'i Jesosy (jao.18:37) = olona mitandrina ilay fampianarana tsy misy kilema avy any an-danitra (jao.7:16)

ka misy miotra lavitra ny 50 ankehitriny rhajo no mitandrina an'io fampianarana tsy misy kilema io....

Ary izahay dia tsy mitsahatra milaza sy mitaona ny olona rehetra raha te hovonjena ianao (amin'ny corona virus, loza fito farany, helo, AFOBE dia tokana ny vahaolona tena mahomby indrindra) FITANDREMANA NY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA IZAY NAMPIANARIN I JESOSY 2000 Taona lasa izay...(averiny ampianarina indray ankehitriny)...

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
25. rhaj0 ( 28/04/2020 12:49)
Ka efa nametra-tanana ve ny Pasitera Fitiavana Herinirina, eny sa tsia?
Tsotra anie ny vali-teny, safidy roa fotsiny, fa maninona no miolakolana be toa io nareo ry RBNIR aa?..

Sa nitakemotra niafina tany anaty trano volamenany toa ireo Pasitera erak'izao tontolo izao koa ny Pasitera Fitiavana Herinirina, nefa izao krizy izao indrindra no tena ilavana azy?
26. RBNIR ( 28/04/2020 12:57)
tsy mbola azonao ihany koa ilay izy izany ...tsy ilaina ny fametratanana...

manolotra ny tenany hitandrina ilay fampianarana tsy misy kilema fotsiny ny olona dia ho avotra...

mila mianatra dia mitandrina e!...
27. rhaj0 ( 28/04/2020 13:52)
TSY nametra-tanana (mba hofiarovana na fanamasinana) ny Mpanaraka azy izany ny Pasitera Fitiavana Herinirina.

Izay? TSY nametra-tanana?
Maninona no tsy sahy manome vali-teny TSOTRA ee...

(asivo fahatsorana ihany ilay fiainana ry RBNIR aa..)
28. midrou ( 28/04/2020 14:26)
RBNIR:

RBNIRmidrou, fa iza marina moa ianao??mahafinaritra rehefa misy namana hafa manaiky ny fahamarinana e!Izao koa no tena marina izaho tsy hoe manindraindra an'i pasitera HRNIR, fa nytena marina resy lahatra tanteraka amin'ny fampianarana nataony aho...



Ny marina dia isan'ireo mpanaraka fandaharana tao @ Radio FY aho e!

Raha fantatrao i Loholona PÔPAUL (ilay mitondra Fiangonana aty ANKADINONDRY ) dia hanontanio azy hoe: FANTATRAO VE I RAHALAHY HAJA dia ho mora aminao ny hahafantatra ahy satria " mpianany. " aho.

Raha ny momba ilay fampianaran'i Pasitera dia tena miray hevitra @ ty olona ity aho:

Jaona 7 : 46. Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.

Tena resy lahatra tanteraka aho fa IRAK' ANDRIAMANITRA TOKOA IZY.

Rahalahy HAJA no tena anarako
Ary ianao??? :-)
29. RBNIR ( 28/04/2020 14:47)
midrou:

Tena resy lahatra tanteraka aho fa IRAK' ANDRIAMANITRA TOKOA IZY.

Rahalahy HAJA no tena anarako
Ary ianao??? :-)

faly mahafantatra anao rahalahy Haja...mbola tsy maintsy ho fantatrao ihany aho e! :-)
radio Fy? ary efa tena lasa lavitra tokoa izany fampianarana izany an!
mahafinaritra ny hafana-ponao e!
30. midrou ( 28/04/2020 18:38)
RBNR:

ka mba zarao aminay eto ary hoe namana midrou izany HAFATRA LEHIBE LAZAINAO IZANY sao mba mahasoa anay ihany????


Efesiana 1 : 13. Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana.


Somary hiova kely ny lohahevitra manomboka eto.
Raha fintinina ny teo aloha dia :
1- Miainga @ FANDRENESANA
2- Raha ninoana izay rehetra ré
3- Asina TOMBO KASÉ @ FANAHY MASINA

Izany hoe A|tra no mametaka io tombo kasé io ( Fanahy Masina )

Maro mantsy no milaza fa efa MINO an'i Jesosy ka mipetraka ny fanontanina hoe:

Asan'ny Apostoly 19 : 2. ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.



31. gasy1zay ( 29/04/2020 01:49)
ndriii! Nahazo namana hono i RBNIR e! oh ry zareo a! mba valio ary aho , nareo ve zany dia tena naheno feo audible an'i Jesosy mintsy sa dia fampianarin'i Pasitera Nirina ihany no zarainareo eto? Izaho manko tsy mety valian'i rahalahy RBNIR mintsy
32. RBNIR ( 29/04/2020 03:16)

gasy1zay:

ndriii! Nahazo namana hono i RBNIR e! oh ry zareo a! mba valio ary aho , nareo ve zany dia tena naheno feo audible an'i Jesosy mintsy sa dia fampianarin'i Pasitera Nirina ihany no zarainareo eto? Izaho manko tsy mety valian'i rahalahy RBNIR mintsy

feo audible v no mahamaika anao raha hanaraka an'i Jesosy sa ny hanao ny sitrapony sy hitandrina ny fahamarinany gasy1zay?..
feo audible efa nambarako miresaka amin'izay tiany hiresahana Izy ary miseho amin'izay tiany hisehoana...
sa rehefa tsy maheno feo audible koa dia hanao otran'i rhaj0 hoe ka izaho tsy mahita porofo??? dia mitovy ihany ianao ry rhaj0 raha izany fa tsy misy ny mahasamihafa anareo...





33. RBNIR ( 29/04/2020 06:09)
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33)

io no antony tokony hahamaika ny olona iray hivavaka...

ny toerana maha apostoly tsy voatery hahavoavonjy (porofon'izany i jodasy)
toy izany koa ny mpaminany (mat.7:21-23)

fa ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra irery ihany no tena antoka tokana hidirana ny fanjakan'Andriamanitra...

Raha vao tsy masina ianao tsy ho tafiditra any mihitsy...

« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apokalypsy 21:27)


Ny atao hoe olona masina dia voafaritra ato amin'ity teny ity...

« Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apokalypsy 14:12)

olona masina = izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy

ka tsy ny hiaino ilay feo audible re no tokony hahamaika fa ny fanaovana ny sitrapony e!
34. midrou ( 29/04/2020 13:02)
gasy1zay:

ndriii! Nahazo namana hono i RBNIR e! oh ry zareo a! mba valio ary aho , nareo ve zany dia tena naheno feo audible an'i Jesosy mintsy sa dia fampianarin'i PasiteraNirina ihany no zarainareo eto? Izaho manko tsy mety valian'i rahalahy RBNIR mintsy


Marina loatra ilay tenin i RBNIR e!

RBNIR:

feo audible v no mahamaika anao raha hanaraka an'i Jesosy sa ny hanao ny sitrapony sy hitandrina ny fahamarinany gasy1zay?..feo audible efa nambarako miresaka amin'izay tiany hiresahana Izy ary miseho amin'izay tiany hisehoana...sa rehefa tsy maheno feo audible koa dia hanao otran'i rhaj0 hoe ka izaho tsy mahita porofo??? dia mitovy ihany ianao ry rhaj0 raha izany fa tsy misy ny mahasamihafa anareo...


Efa fiasan A/tra hatrizay anie izany hoe MANIRAKA OLONA HAMPITONDARA NY TENINY

Dinio anie ny fahatsapan reto olona reto t@ zany e!

Eksodosy 20 : 18. Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny. 19. Dia hoy izy tamin'i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay.

Nisafidy ny olona hoe " aza A/tra mivantana fa aleo Mosesy no hitenenany dia Mosesy ndray mampita aminay"

KoaMosesy no mampita fa ilay hampitaina dia tena avy @ A/tra tokoa

Namafisin Jesosy io

Lioka 10 : 16. Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.
35. RBNIR ( 29/04/2020 13:24)
midrou:

Efa fiasan A/tra hatrizay anie izany hoe MANIRAKA OLONA HAMPITONDARA NY TENINY


tena marina izany namana midrou...

« Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony. » (Amosa 3:7)

Ary ny zavatra hataony tsy ho ela dia ny hamarana ny tantaran'ity izao tontolo izao ity...ka izay no mahatonga an'i JEsosy miverina mampianatra indray...

« Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Matio 24:14)

Efa very ny fampianarana tsy misy kilema ary tsy misy olombelona mahafantatra an'io intsony...

Jesosy irery no mahafantatra azy io amin'ny antsipirihiny...
36. gasy1zay ( 29/04/2020 14:49)
Tsy azonareo mintsy ve ny tiako hihaviana fa raha mihevitra maheno ny feon'i Jesoa ianareo ka fampianarana diso na mifanipaka amin'ny baiboly no henonareo dia mety Jesoa sandoka no henonareo ary raha tsy izay indray fa fampianaran'i pasitera no diso dia io ambarako io hoe miangavy anareo aho mba hanamarina ny fampianarana azonareo @ ny voasoratra ao anaty baiboly ary aoka hangataka ny Fanahy Masina hanampy anareo hampianatra ny zavatra rehetra

Jao 14:26 fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.

fitiavako anareo no hilazako izany satria ny testamenta vaovao dia milaza mazava fa ny fandrika hoan'ny olona dia ny fahotana sy ny fampianarandiso ary ny Fanahy Masina irery ihany no afaka manampy antsika handresy azy 2 ireo
37. midrou ( 29/04/2020 15:41)
gasy1zay:
gasy1zay:

Tsy azonareo mintsy ve ny tiako hihaviana fa raha mihevitra maheno ny feon'i Jesoa ianareo ka fampianarana diso na mifanipaka amin'ny baiboly no henonareo dia mety Jesoa sandoka no henonareo

fitiavako anareo no hilazako izany


Azoko tsara ka !
Ary isaorana anao aza nitsotra.

Tsoriko aminao anefa fa tsy misy @ fampianaran Pasitera nolazainy ka nambarany t@ heviny manokana ( ary rah izan de tsy nino koa aho) fa kosa tena miainga 100% ao anaty Baiboly.
ohatra zao izy hoe NISEHON JESOSY!
Ef nisy anie zany e!

Asan'ny Apostoly 9 : 3. Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy;
Asan'ny Apostoly 9 : 4. dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? 5. Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; []

Tsisy hafan io mihitsy no nitranga taminy

Ny tena naharesy lahatra ah dia ny FAMPIANARANY TSY MISY KILEMA

38. RBNIR ( 29/04/2020 17:10)
gasy1zay:

Tsy azonareo mintsy ve ny tiako hihaviana fa raha mihevitra maheno ny feon'i Jesoa ianareo ka fampianarana diso na mifanipaka amin'ny baiboly no henonareo dia mety Jesoa sandoka no henonareo ary raha tsy izay indray fa fampianaran'i pasitera no diso dia io ambarako io hoe miangavy anareo aho mba hanamarina ny fampianarana azonareo @ ny voasoratra ao anaty baiboly ary aoka hangataka ny Fanahy Masina hanampy anareo hampianatra ny zavatra rehetra

Jao 14:26 fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.

fitiavako anareo no hilazako izany satria ny testamenta vaovao dia milaza mazava fa ny fandrika hoan'ny olona dia ny fahotana sy ny fampianarandiso ary ny Fanahy Masina irery ihany no afaka manampy antsika handresy azy 2 ireo

Fantatro tsara fa miteny ampitiavana ianao gasy1zay ary misaotra anao saingy izao...izaho tsy mihevitra ny maheno feon'i JEsosy fa tena maheno ny feon'i JEsosy....
Izay no antony hahasahiko mitompo teny fatratra eto.....
Minoa ry namana isany ...na izaho koa aza taloha dia nanana fisainana hafa momba ireo olona mivavaka amin'ny andro sabotsy ireo...saingy rehefa nampahiratin'i Jesosy ny masoko dia rava avokoa izany fisainana rehetra izany...
39. gasy1zay ( 29/04/2020 17:34)
Manontany anao ary aho RBNIR, inona no ijoroanao sy raisinao ho marina raha misy mifanipaka izy roa ireto :

1- Ny feo henonao sa
2- Ny voasoratra ao @ baiboly

za aloha milaza aminao fa misy mifanipaka izy roa ireo araky ny zarainao eto fa raha hoy ianao hoe tsia dia tsy maninona fa safidinao malalaka izay.
40. rhaj0 ( 29/04/2020 18:32)
Raha misy olona milaza fa "mahare feo" anefa izao ao gabone ohatra, dia tena mety tonga dia hozy RBNIR hoe, any Anjanamasina 'ty ... Nefa i RBNIR "mahare feo" koa HONO :-)

Fa raha misy koa olona milaza fa "misy mitarika azy" HONO izy.. tsy olona no mitarika fa something.. dia hozy koa i Gasy1zay hoe, any Anjanamasina 'ty ... Nefa i Gasy1zay tarihin'izao FM izao koa HONO :-)

Ny iray misy miresaka, ny iray misy mitarika.

Mitovy ho'a fa tsy sahala ee... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3584