Ny Didy 12

41. RBNIR ( 22/04/2020 11:58)
« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asan'ny Apostoly 17:30)

Raha mbola tsy mahafantatra ilay olona dia minia tsy mijery Andriamanitra, rehefa mibebaka izy dia afaka ny fahotany...

Rehefa mibebaka izy dia izao no hafatr'i Jesosy ....« [Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony] » (Jaona 8:11)


Raha efa mahafantatra kosa nefa mbola minia manota indray kosa dia izao indray....

« Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, » (Hebreo 10:26)
« fa fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa. » (Hebreo 10:27)
42. rhaj0 ( 22/04/2020 12:26)
Averina dia ampiana kely..

RBNIR:
« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apokalypsy 21:27)

Atsangano ny tanan'izay TSY nanao vetaveta


Esy ee.. Izay no mampety ny revin-dry Born-Again/Virgin-Again an'i Gasy1zay.
Pouh pouh pouh fotsiny io, fa rahefa avy mibebaka mafy sy tena mikimpy comme il faut, dia voafafa daholo na vetaveta na lainga na hala-badin'olona....

Madio ny rano nitana. Masina masina daholo satria "efa tarihin'ny FM ny born-again/virgin again", hozy Gasy1zay.

ny Mpisoronabe RBNIR:
Raha mbola tsy mahafantatra ilay olona dia minia tsy mijery Andriamanitra, rehefa mibebaka izy dia afaka ny fahotany...

Dia madio koa ny rano nitana, rahefa avy mibebaka mafy sy tena mikimpy comme il faut, ary indrindra koa, manao resaka takariva miaraka @ Jesosy, hozy ny sektan-dry RBNIR sy HRNRN.

43. RBNIR ( 22/04/2020 13:01)
rhaj0:

ny Mpisoronabe RBNIR:
Raha mbola tsy mahafantatra ilay olona dia minia tsy mijery Andriamanitra, rehefa mibebaka izy dia afaka ny fahotany...

Dia madio koa ny rano nitana, rahefa avy mibebaka mafy sy tena mikimpy comme il faut, ary indrindra koa, manao resaka takariva miaraka @ Jesosy, hozy ny sektan-dry RBNIR sy HRNRN.

Mibebaka aloha no tena takiana amin'ny rehetra , ilay resaka takariva ho an'ny olona izay tiany io...
tsy voatery hahazo ny rehetra....(tsy condition hidirana any amin'ny fiainana mandrakizay koa ny resaka takariva fa fanomezana mba ho an'izay mahazo manokana iny..;

Ny fanaovana ny sitrapony irery ihany no antoka (ho an'ny olona rehetra na ireo miresaka takariva na ireo tsy miresaka takariva)

Hoy paoly hoe....« fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako. » (1 Korintiana 9:27)

paoly koa mpiresaka takariva....
44. rhaj0 ( 22/04/2020 13:57)
Esy e ry Mpisoronabe RBNIR.. hitakitako toa ity ianao ao io an... Toa foza ilay iray iry nefany :-)

RBNIR: Raha mbola tsy mahafantatra ilay olona dia minia tsy mijery Andriamanitra...
RBNIR: lay resaka takariva ho an'ny olona izay tiany io... tsy voatery hahazo ny rehetra...

45. RBNIR ( 23/04/2020 08:53)
« Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. » (Apokalypsy 2:21)
Manome fotoana foana Andriamanitra mba hibebahan'ny olona iray...

« Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy. » (Mpitoriteny 8:11)
Fotoana lavalava mihitsy no homen'Andriamanitra mba hibebahan'ny olona....

Misy fetra ihany anefa izany fotoana izay...
« Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko. » (Ohabolana 1:23)
« Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina; » (Ohabolana 1:24)
« Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo: » (Ohabolana 1:25)
« Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. » (Ohabolana 1:26)
« Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana, » (Ohabolana 1:27)
« Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho. » (Ohabolana 1:28)
« Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah, » (Ohabolana 1:29)
« Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra, » (Ohabolana 1:30)
« Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny. » (Ohabolana 1:31)
« Fa ny fihemoran'ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy. » (Ohabolana 1:32)
« Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. » (Ohabolana 1:33)
46. rhaj0 ( 23/04/2020 14:04)
RBNIR:
Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. » (Ohabolana 1:26)

IZA io "mihomehy" sy "mandatsa" io ry RBNIR?
47. RBNIR ( 24/04/2020 05:23)

rhaj0:

RBNIR:
Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. » (Ohabolana 1:26)

IZA io "mihomehy" sy "mandatsa" io ry RBNIR?

Io no manamarina fa misy fetra marina ny famindrapony ary tsy misy ny hoe tsy maty manota eo anatrehany....Rehefa miatomgoka amin'ny majuscule ny teny hoe (I)zy na koa hoe (A)ho dia Andriamanitra izay no miteny....
48. rhaj0 ( 24/04/2020 11:14)
Frasema... izany ve no mba "ohabolanao" ry RBNIR... Loza HONO no mitranga, nefa dia Ilehaka HONO dia "mihomehy" sy "mandatsa"

ntss... hafa ihany ho'a ny gasy sy ny angolan-teniny rahefa manao ohabolana eee... tena tsy mba nanao ohabolana toa io mihitnsy ny gasy.

Sady jereo koa anie ny an'i Nampoina ny fahendreny, fa dia misy fo misy saina ny gasy ee..
RAhefa tsy manaraka ny Didy 12 dia hoe:
Mahazo mifona, ary ny vahoaka no asain'Andrianampoina mitsara farany...


Dia ny an'Ilery nefa HONO, dia tena mibontsimbontsina mihintsy Izy @ izao "mihomehy" sy "mandatsa" izao...

Ka dia hadalanao mino(no) an'izany, ary dia hadalanao izay te-hidera sy hihoby an'Ilay "hihomehy" sy "handatsa" anao rahefa tonga HONO ny t... tsy omby v.. izany izany eee...

Raha ny marina, dia hadalanao mino fa hisy koa izany t.. tsy omby v.. izany.
49. RBNIR ( 24/04/2020 12:48)
Izany hoe afka mifidy izay Andriamanitra tiany v izany ny olona hoy ianao?
Izay Andriamanitra mampetipety anao araka ny filanao ihany izany no ilainao?

ka inona fa tsy tanteraka aminao izany ity teny ity koa...

« Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama] » (2 Timoty 4:3)

Nefa hoy aho? izany v hahafaka antsika amin'ny fitsarany rahatr'izay?????
50. rhaj0 ( 24/04/2020 14:17)
Ny Andrmntry ny Kristiana dia mahakasika ny Kristiana IRERY ihany.
[size=10]Ny Andrmntry ny Kristiana dia mahakasika ny Kristiana IRERY ihany.[/size]
[size=7]Ny Andrmntry ny Kristiana dia mahakasika ny Kristiana IRERY ihany.[/size]

Ny an'ny Bodista dia arak'izay koa.

Sa ianao RBNIR kristiana io, tianao ho terena dia vozonana koa hoe:
i RBNIR dia ho lasa kisoa rehefa maty?
51. gasy1zay ( 24/04/2020 14:24)
-Ny kristiana dia mino fa rehefa maty dia na makany andanitra na makany amin'ny afobe
- Ny boudista zany dia mino fa rehefa maty dia ho lasa reincarné
- Ny Atheist dia mino fa rehefa maty dia lasa decomposé


zavatra 3 mifanipaka ireo ka tsy mety hoe samy marina izany rhaj0 a! tsy maintsy 1 ihany no marina amin'ireo fa dia rehefa maty ianao dia ho hitanao eo ny marina :)
52. rhaj0 ( 24/04/2020 15:17)
samy "marina" ireo ao @ imazination-n'ny tsi11 kah... :-)

RAha ny marina, dia samy nanatrika Famadihana daholo rahefa gasy, dia samy nahita fa decomposé ilay vatana rahefa maty.

Ary "zava-misy" ary io samy nanaporofo io daholo isikana. ENtre-pa fa ny Atheista TSY "mino", fa "milaza marimarina" fa rehefa maty dia lasa decomposé

Ny an'i JEsosy ihany HONO no tsy decomposé, hozy ny Angano Kristiana, fa ny Azy, HONO, noraofiNY ny vatana ama-nofony, ary dia tsy nahita n'inona tao am-pasana ny Mpanaraka Azy.
53. gasy1zay ( 24/04/2020 15:39)
ka tsy efa nambarako ve hoe ny olona mizara corps-âme-esprit?

Raha maty ianao dia ny âme su esprit no lasa direct na helo na lanitra,

fa rehefa miverina i Jesoa vao transformé ho corps incorruptible ny vatanao décomposé!

Averiko indray izany ilay nambarako hoe io tsy hitanao ny fahamarinany raha tsy maty ianao satria tokoa isika ny corps no hitantsika fa tsy misy mahita ny âme sy esprit.
54. rhaj0 ( 24/04/2020 15:55)
vao maty hono dia lasa direct any @ helo/lanitra ilay âme sy esprit, hozy Gasy1zay

Ny an'i JEsosy izao HONO, dia mihaohao eny, ary mitahy i JEsosy (miaraka @ Razana). Ho an'ny Katolika manokana, dia ny Masina toa ny Ste-Beatrice na Ste-Gertrude, dia mihaohao sy mitahy eny ho eny koa.

dia mi-recomposé izany HONO ilay vatana ama-nofo izay ni-décomposé teo, rehefa miverina Jesosy, hozy Gasy1zay.

I JEsosy mihaohao ao io, dia mbola tsy kaotina hoe ilay Izy "tafaverina" iny, fa toa an'ny Ste-Beatrice fotsiny izany Izy eto aloha.

Fa tampoka eo, toa ny fihavin'ny mpangalatra, dia ilay JEsosy nihaohao teo, dia lasa recomposé tampoka ny vatan'i JEsosy, ary dia "miverina" Izy.

Dia recomposé daholo koa @ izay HONO isikana rehetra, na ireo lasa direct tany @ helo, na ireo nihaohao tao an-danitra. Ary dia ho avy hanatrika ilay FItsarana farany, etsy @ rahon'ny lanitra (tsy hay hoe aiza io fa dia ao fotsiny HONO)


Dia tena zanak'i Satana izay tsy mahazo an'izany tantara-angano Kristiana izany :-)
55. RBNIR ( 24/04/2020 16:22)
rhaj0:

Ary "zava-misy" ary io samy nanaporofo io daholo isikana. ENtre-pa fa ny Atheista TSY "mino", fa "milaza marimarina" fa rehefa maty dia lasa decomposé

Marina izany ho an'ny vatana ety ivelany (enveloppe corporelle) fa ilay IANAO ao anatiny ao hanao ahoana???
efa mba nandinika izany v ianao e?
raha tapaka ny ankihikelinanao maty v ilay IANAO ao anatiny ao??? tsy mahatsiaro ve?
raha tapaka daholo ny ratsabantana rehetra moa tsy mbola mahatsiarofoana ilay ao anaty ao??

dia otran'izay ilay izy ovay tanana vy ireo tapaka ireo fa mbola mahatsapa foana ilay IANAO ao anatinao ao...
soloy fo (na koa taova hafa) artifisialy fa mbola velona foana ilay IANAO ao anaty ao....

Izay no porofo fa ilay ety ivelany afaka solosoloina fa ilay IANAO ao anaty ao no mitoetra...

Ny Andriamanitry ny kristiana nampanantena vatana vaovao tsy maty na ho lo intsony...

« Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. » (1 Korintiana 15:50)
« Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, » (1 Korintiana 15:51)
« fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. » (1 Korintiana 15:52)
« Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (1 Korintiana 15:53)

Ary noporofoiny tamin'ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty ny fahamarinan'izany....

« Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty? » (1 Korintiana 15:12)
« Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:13)
« Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:16)

Fanitsiana kely ny nolazain'ny namana etsy ambony : ny olombelona dia tsy ho any an-danitra fa ny lanitra dia fonenan'Andriamanitra fa ny tany no ho an'ny olona...

Tany aiza?
Ity tany ity dia holevonina (Mat.24:35;Mar.13:3;lio.210:33;2 pet.3:10)

Tany vaovao sy lanitra vaovao no hampanantenainy...Apok.21:1,2 ary ny tanana sy ny trano fonenana any dia tsy hataon'ny tanan'olombelona fa ny tanan'Andriamanitra no hanao azy
« [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (Apokalypsy 21:1)
« Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » (Apokalypsy 21:2)

Vakio tsara io ilay jerosalema vaovao dia nidina avy any an-danitra ho eo amin'ilay tany vaovao fa tsy hoe ny olona no nakarina ho any amin'ilay lanitra....

« Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. » (Jaona 14:3)

Isika tsy ho any an-danitra fa Andriamanitra no idina ary asiana fitoerany ao mba iarahany monina amin'ny olombelona « Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] » (Apokalypsy 21:3)

Enga anie ka tsy hisy ho kivy hoe tany kay ilay lova fa tsy lanitra....ny lanitra dia natokana ho an'Andriamanitra fa ny tany no natao ho an'ny olombelona....

56. rhaj0 ( 24/04/2020 16:54)
rhaj0:
Ary "zava-misy" ary io samy nanaporofo io daholo isikana. ENtre-pa fa ny Atheista TSY "mino", fa "milaza marimarina" fa rehefa maty dia lasa decomposé
RBNIR:
Marina izany ho an'ny vatana ety ivelany (enveloppe corporelle) fa ilay IANAO ao anatiny ao hanao ahoana???

Io sahala @ hard disk @ io ordinatera tape-taper-nao io ry RBNIR aa.. RAhefa potika io, dia mankaiza hoy ianao ny sary sy feo rehetra tao?

RAha ampy ny "fahalalana" anananao momba ny ordi, dia ... TSY mivarina hinohino foana ianao hoe... rahefa rahatrizay tafaverina i Steve Jobs, dia na dia potika azany ilay ordi-nao teo, dia recomposE, rehefa avy tsofina ny saxophone fito..


Ka inona ho'a ny "fahalalana" izay tsy-ampy aminao ao, ka mahatonga anao toa ny krizy fa matahotra, ary dia lasa (mino)mino foana (foana) io ee???

57. RBNIR ( 24/04/2020 17:20)
otran'izao no hitranga...ny vatana dia hody vovoka...sal.104:29
ny aina na fofon'aina miverina any amin'Andriamanitra Mpitoriteny 12:7
ny fanahy indray kosa
ho an'ireo rehetra maty alohan'ny fahatongavan'i Jesosy kristy dia lalana 2 (lio.16:19- : na izy mankany amin'ny helo na izy mankany amin'ilay atao hoe eo an-tratran'i Abrahama (na koa paradisa tsy mbola ilay fanjakan'Andriamanitra io fa ny toerana misy azy dia any amin'izany lanitra fahatelo izany araka ny 2kor.12:2-4) any amin'io paradisa io ihany koa no nandehanan'ny fanahin'i Jesosy sy ilay jiolahy raha vao maty teo amin'ny hazo fijaliana izireo...« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lioka 23:43)

fitoerana fitsaharan'ireo olona maty ao amin'ny Tompo io paradisa io fa tsy mbola ilay tany honenana mandrakizay...

Rehefa tonga i Jesosy dia esorina hiala any amin'ny paradisa ny fanahin'ireo maty ao amin'ny Tompo rehetra ireo ka hatsangana tahaka an'i Kristy izireo...
« Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy* hiaraka aminy. [* Na: tamin'ny alalan'i Jesosy] » (1 Tesaloniana 4:14)
« Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. » (1 Tesaloniana 4:15)
« Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; » (1 Tesaloniana 4:16)

Avy eo dia ovaina indray mipi maso miaraka amin'ireo tratra velona amin'ny fiavian'i Jesosy dia akarina eny amin'ny rahon'ny lanitra mba hitsena Azy...« ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. » (1 Tesaloniana 4:17)


hiaraka hanjaka sy hitsara amin'i Kristy mandritra ilay atao hoe 1000 taona izireo; ary rehefa vita ny fitsarana dia hatsipy any anaty farihy afo afo ity tany ity sy ireo olona tsy voavonjy rehetra (apok.20:1-15) ary dia hafindra any amin'ilay tany vaovao amin'izay ireo olona voavonjy avy niaraka nanjaka sy nitsara tamin'i Kristy ireo (apok.21 sy apok.22)

otran'izay raha fitinina...fa raha te hahafantatra ny antsipirihiny ianao dia araho ilay fandaharana...
58. RBNIR ( 24/04/2020 17:33)

rhaj0:

rhaj0:
Ary "zava-misy" ary io samy nanaporofo io daholo isikana. ENtre-pa fa ny Atheista TSY "mino", fa "milaza marimarina" fa rehefa maty dia lasa decomposé
RBNIR:
Marina izany ho an'ny vatana ety ivelany (enveloppe corporelle) fa ilay IANAO ao anatiny ao hanao ahoana???

Io sahala @ hard disk @ io ordinatera tape-taper-nao io ry RBNIR aa.. RAhefa potika io, dia mankaiza hoy ianao ny sary sy feo rehetra tao?

RAha ampy ny "fahalalana" anananao momba ny ordi, dia ... TSY mivarina hinohino foana ianao hoe... rahefa rahatrizay tafaverina i Steve Jobs, dia na dia potika azany ilay ordi-nao teo, dia recomposE, rehefa avy tsofina ny saxophone fito..


Ka inona ho'a ny "fahalalana" izay tsy-ampy aminao ao, ka mahatonga anao toa ny krizy fa matahotra, ary dia lasa (mino)mino foana (foana) io ee???



tsy afaka mampitovy zavatra mananaina sy tsy manana aina kosa angamba aloha isika?
mino aho fa lojika izany?
59. rhaj0 ( 24/04/2020 17:56)
RAha manana "fahalalana" ny fandehan'ilay mananaina sy ny decomposition ianao ry RBNIR, dia tena tsy hivarina (mino)mino foana (foana) toa io. Ianao ve dia hanaiky hitovy ambaratongam-pahalalana @ ireo olona t@ l'an-zero tao moyen-orient, na dia olombe tahak'n'inona zany HONO zareo?

Dia rahefa hainao fa izay ilay fandehany, decomposition, dia izay fa tsy hamoromporonana angano toa zazabelelon-garabola eo ry RBNIR aa... Efa lehibe ianao izao.
60. RBNIR ( 25/04/2020 15:26)
fa tsy afaka foana hoy aho i rhaj0 satria vavolombelona maro be mihitsy no nahita ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty (nisy ireo miaramila mpiambina ny fasana...nisy koa i paoly izay nanenjika Azy fahiny...
ary ankehitriny koa dia misy olona mijoro vavolombelona fa mbola velona any Izy satria miseho sy mampianatra Izy......
ka ny temoniagen'ireny olona rehetra ireny no hiampangany anao rahatr'izay...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2839