RESAKY NY 3eme ETAGE FATAON'I BOR2LAIS @ Atra

41. RBNIR ( 19/04/2020 00:06)
singa 3 no mandrafitra ny olona Aina + vatana (tena na koa hoe nofo) + fanahy...
Izay no nahatonga ity teny ity ...« Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (1 Tesaloniana 5:23)
Mila arovan'ny kristiana avokoa ireo singa 3 ireo (izay no devoara)

raha tsy miraharaha ny momba ny fanahiny ny olona iray dia tahaka ny biby ny fijerin'Andriamanitra azy....(olon'ny nofo tsy mihevitra ny hiafaran'ilay fanahiny fa dia ny momba ny ainy sy ny tenany ihany no saininy) io ilay voamarin'ny siansa ankehitriny...
« Hoy izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra* azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.[Na: hanadiovan'Andriamanitra] » (Mpitoriteny 3:18)

Ny fanahy no ahafahan'ny olona mifandray amin'Andriamanitra sy ireo karazana fanahy tsy hitan'ny maso rehetra any (tsy misy biby mivavaka fa ny olombelona ihany no mivavaka) afaka mandinika ireo biby ianao dia ho hitanao fa izay no marina)...
Ary izay koa no mahatonga ity teny ity....« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24)

teo amin'Andriamanitra nanome ilay Fofon'Aina mahavelona tao anatin'ny olona no nampiditra ilay fanahy tao anatin'ny olona Andriamanitra...
« Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an'izay mandeha eo aminy: » (Isaia 42:5)
« Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina* izay nataoko. [Heb. fofonaina] » (Isaia 57:16)

Io fanahy io no maty voalohany tao anatin'ny olona raha vao nanota i adama sy eva...
lasa maty fanahy ny zanak'olombelona (lasa toy ny biby tafasaraka tamin'Andriamanitra)...Niala ny Fanahin'Andriamanitra « Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny. » (Genesisy 6:3)

izay no nahatonga ity teny nataon'i Jesosy ity...« Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy. » (Matio 8:22)
Tsy hoe maty no handeha hifandevina fa ireo maty (fanahy) no tiana ambara eo....

Mila velomina indray io fanahy efa maty ao anatin'ny olona io raha te hiverina hifandray amin'Andriamanitra indray ny olona iray..dia hisy fanahy vaovao hatsangana...
« Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. » (Romana 8:15)

io fanahy vaovao natsangana io no zanak'Andriamanitra hiaraka handova amin'i Kristy...(handova ilay ato hoe fiainana mandrakizay = vie éternel)« Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa. » (Romana 8:17)

raha ao anaty baiboly dia fanahy(f) no filaza io fanahy io ny Fanahy (F) kosa dia ilazana ny Fanahin'Andriamanitra na ny FM...

araka iry rakitra nasionaly iry koa dia efa nino ny fisian'io fanahy(f) io ihany koa ny ntaolo malagasy...

NY KOLO FANAHY

Nino ny fisian’ny “fanahy” tsy hita maso izay nantsoiny ihany koa hoe “ambiroa” ny Ntaolo malagasy. Ny fanahy dia silak’Andriamanitra ao anatin’ny olombelona hahafahan’ny roa tonta mifandray. Lasa avelo na fanahy tsy mety maty ny ambiroa rehefa maty ny olona.

http://www.archivesnationales.gov.mg/tag/andriamanitra-andriananahary-zanahary/





42. rhaj0 ( 19/04/2020 16:23)
Miodikodina be izany sady mamoromporona fotsiny ry RBNIR, fa ameo tsotra fotsiny hoe inona aby ilay teny izay mandika azy @ teny frantsay na anglisy..


Koa na ny teny hoe fihavanana azany TSY ho takatrao RBNIR mandrakizay, raha mbola io Baiboly io foana no hihevohanao ao, fa dia ... andramo ihany hoe ry RBNIR mba misy ihomehezana indray :-)
43. RBNIR ( 19/04/2020 18:37)
fanina sahady v ry rhaj0 o! tandremo rehefa manapaka ilay silakohokely sao dia sanatria ilay ankihikely mihitsy no tapaka an! :-)
44. rhaj0 ( 19/04/2020 19:37)
Ka hainao ve ry RBNIR sa tsy hainao ny dika @ teny vazaha an'ireo fahendrena Malagasy araka ny voambolana Malagasy?
H@ fanahy ka h@ fihavanana?

Rehefa TSY mahay dia mitsotra ry RBNIR aa... n'inon'inona lazainao fa resakao @ Jesosy ao.
Asivo honnetete intelektoaly ho'a izy io, fa efa i Jesosy anie no taritaritinao ary atrongisinao ao anatin'ny fotaky ny hadalanao io ry RBNIR ee...
45. RBNIR ( 20/04/2020 06:22)
http://tenymalagasy.org/bins/teny2/fanahy
angilisy : spirit
frantsay : esprit

« Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika. » (1 Tesaloniana 5:23)
Mila arovan'ny kristiana avokoa ireo singa 3 ireo (izay no devoara)

vakio fa voamarina foana ireo amin'izay dikateny hitanao ato...
fanahy = spirit= esprit

https://saintebible.com/1_thessalonians/5-23.htm

ny fihavanana indray kosa dia paix (peace) no nandikana azy....(izay tsy hitako loatra izay iadinkevitra amin'io satria raha ny marina matoa misy ny paix (dia vokatry ny fihavanana izay)...ary koa ny tena hevitry ny teny hoe fihavanana anaty baiboly dia bonne relation (miteraka fahandriampahalemana = paix)...
46. rhaj0 ( 20/04/2020 10:56)
Ndrekaiky ooo... nihevitra ny tenany ho hoe mahay i RBNIR, satria HONO "miresaka @ jesosy" i RBNIR, fa indrisy ry tava-tsosisy, fa kay koa, na ilay teny frantsay/anglisy koa azany TSY hain'i RBNIR...

Dia ahoana izany ry RBNIR..
- ny teny gasy @ Fanahy TSY hainao ny dikany.. satria ianao ilaozanao mihevoka Baiboly ary mirehareha fa "kristiana-aloha-vao-gasy"
- ny teny anglisy/frantsay koa anefa TSY hainao..

Ka dia inona ihany izy ity ry RBNIR oooo :-)

the nonphysical part of a person ... typical elements in the character of a person... as an apparition after their death; a ghost... a supernatural being... from the Latin word for "breath"... the general mood or intent... C2H5OH... from the Latin spiritus, but also "spirit, soul, courage, vigor", ultimately from a Proto-Indo-European *(s)peis. It is distinguished from Latin anima, "soul" (which nonetheless also derives from an Indo-European root meaning "to breathe", earliest form *h2enh1-)... is the 'real person', the very core of a person's being, the essential seat of their existence... one of the three persons of the Trinity... part of us that connects, or refuses to connect, to God... part of us that connects, or refuses to connect, to God... believed to survive bodily death... ghost, i.e. a manifestation of a deceased person...

Dia ahoana koa ilay SOUL? Fanahy koa ve?

Soul or psyche (Ancient Greek: ???? psykh?, of ?????? psýkhein, "to breathe") comprises the mental abilities of a living being: reason, character, feeling, consciousness, memory, perception, thinking, etc. Depending on the philosophical system, a soul can either be mortal or immortal ... the animate life, or the seat of the senses, desires, affections, and appetites... believed to survive bodily death... a contemporary account of the metaphysical basis for the transcendence of the human person... the unphysical entity of the human being apart from the physical matter... mystical and divine existence that existed within the body.... Hebrew word traditionally translated "soul" (nephesh) in English language Bibles refers to a living, breathing conscious body, rather than to an immortal soul...psyche (Ancient Greek: ???? psykh?, of ?????? psýkhein, "to breathe") comprises the mental abilities of a living being: reason, character, feeling, consciousness, memory, perception, thinking, etc. Depending on the philosophical system, a soul can either be mortal or immortal....


Dia ilay Fihavanana moa dia aoka fotsiny.. aleo tsy resahina, na aleo amoronana loha-hevitra hafa mihitnsy.
47. RBNIR ( 20/04/2020 12:29)
rakibolana malagasy ngeh no nentiko teto momba ny fanahy fa izao tsy namorona ry rhaj0 o...

http://tenymalagasy.org/bins/teny2/fanahy

tadidinao v fa hoy aho hoe ny maranitra ihany no mitsatoka...ka dia rehefa tsy mety hanarina ianao dia aleo hitsatoka any marina tokoa moa fa afaka ny adidiko e!!!

ilay fihavanana efa nambarako teto sady na inona na inona ambaranao io no neken'ny Fanahy Masina ho dikany amin'ny teny malagasy...

« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)


Ianao tsy mahafantatra ra izahay mahafantatra fa matoa io no voasoratra dia izay no nitondran'ny FM an'ireo mpanoratra ireo...
48. gasy1zay ( 20/04/2020 14:21)
Ito misy video mba hitako manazava ny soul vs spirit fa en anglais aloha ilay izy e!

49. RBNIR ( 20/04/2020 22:19)
soul = aina (ilay angovo manetsika ny olona) olombelona = olona misy aina olona maty = olona nesorina tao aminy ny ainy...
fanahy = spirit (ilay hahafahana mifandray amin'Andriamanitra sady ilay handova ny fiainana mandrakizay
tena= body (ity vatana ity) izay mbola hosoloina vatana vaovao tsy mety ho lo rehefa ho any amin'ilay fiainana mandrakizay (1Kor:50-54)
50. rhaj0 ( 21/04/2020 12:24)
Ianao RBNIR ve k'lou no mamariparitra toa rambon'osy an'ireo, sa i "Jesosy no niresaka taminao" ry RBNIR dia nilaza fa izay ilay izy, sa mba manomboka (miana-kendry sa miha-hendry) mitodika any @ Ineny Gogola @ izay i RBNIR fa tsy mihevoka mihoboka ao @ boky tonta ao intsony?
51. gasy1zay ( 21/04/2020 14:56)
RBNIR > vakio tsara ny baibolinao fa misy diso na tsy ampy ny fandraisanao azy

Tsy ny fanahy ( spirit ) ihany no handova ny fiainana mandrakizay

Ny aina na âme na soul dia miaraka amin'ny fanahinao, raha voavonjy ianao dia mandova ny lanitra raha tsy voavonjy ianao dia very any @ afobe:

Marc: 8.36 Et que sert-il à un homme de gagner tout le monde, s'il perd son âme ?

1 Pierre: 1.9 parce que vous obtiendrez le salut de vos âmes pour prix de votre foi.

Ny vatana indray dia rehefa tonga ny fiverenen'ny Tompo dia hitsangana amin'ny maty izay maty saingy hiova ho vatana tsy tratry ny fahalovana intsony


1 Cor 15 :
51Maintenant, je vais vous dire une chose mystérieuse : nous ne mourrons pas tous, mais tous, nous serons transformés.
52Cela se fera très vite, en un clin d’œil, quand la trompette sonnera le dernier jour. Oui, la trompette sonnera. Alors les morts se réveilleront pour une vie qui ne finit pas, et nous, nous serons transformés.

1 Thes 4 :

16 On entendra un signal, la voix du chef des anges, le son de la trompette de Dieu. Alors le Seigneur lui-même descendra du ciel. Ceux qui sont morts en croyant au Christ, se relèveront de la mort les premiers.
17 Ensuite, nous qui serons encore vivants, nous serons emportés ensemble avec eux sur les nuages, en montant vers le Seigneur pour le rencontrer. Et ainsi nous serons avec le Seigneur pour toujours.


izany hoe rehefa miverina eny @ rahon'ny lanitra ny Tompo dia ireo voavonjy maty mitsangana amin'ny mary saingy transformé en corps incorruptible ary izay voavonjy mbola velona amin'io fotoana io dia hiakatra ho eny aminy ary ho transformé koa ny vatany.

52. RBNIR ( 21/04/2020 15:10)
mazava loatra gasy1zay tsy maintsy olona velona no miaina ilay atao hoe fiainana mandrakizay...
53. gasy1zay ( 21/04/2020 15:23)
Eny hoy aho fa ny hiaina azy tsy ny hoe ny fanahinao ( esprit) ihany fa ny âme-esprit ary ny corps transformé
54. rhaj0 ( 22/04/2020 14:10)
gasy1zay:
rehefa miverina eny @ rahon'ny lanitra ny Tompo ...

Nataoko fa ny zaza Midrou ihany no mino an'izany JEsosy midoladola eny @ rahon'ny lanitra izany, kay ry Gasy1zay ao koa.. loz'ty.

Ka toatoa ny ahoana hono izany fidoladolany?


Io toa io) Androgyn io ve i Jesosy, midoladola tsara io? Sa...


tena izay TSY mahita Jesosy @ io rahona io dia zanak'i Satana


(ary nefa koa anie, ilay midoladola efa noraran'i Bor2lais eee :-)
55. rhaj0 ( 22/04/2020 16:06)
Nangina tsisy niteny ry zanak'i Satana isany.. an? Bor2lais, RBNIR sy GAsy1zay ary Midrou?

Averina kely ny sary


Izay tsy mahita ilay (Zanak') Ondry mipetraka eo ankavanan'Andrmntra, ary i Andrmntra izay manipy tanana any an-danitra @ io sari-na rahona io, izay TSY mahita an'izany dia zanak'i Satana.

56. gasy1zay ( 22/04/2020 17:08)
rhaj0 > tsy theologie ana fiangonana izany Jesoa hiverina izany fa voasoratra ao anaty baiboly, ohatrany ahoana? tsy misy mahalala satria tsy mbola tonga ilay izy :)
57. gasy1zay ( 22/04/2020 17:09)
rhaj0 > tsy theologie ana fiangonana izany Jesoa hiverina izany fa voasoratra ao anaty baiboly, ohatrany ahoana? tsy misy mahalala satria tsy mbola tonga ilay izy :)
58. rhaj0 ( 22/04/2020 17:12)
Ka hitanao ve ry Gasy1zay ilay (Zanak') Ondry mipetraka eo ankavanan'Andrmntra teo @ rahon'ny lanitra t@ sary? :-)
59. RBNIR ( 23/04/2020 08:53)
« Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy. » (Apokalypsy 2:21)
Manome fotoana foana Andriamanitra mba hibebahan'ny olona iray...

« Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy. » (Mpitoriteny 8:11)
Fotoana lavalava mihitsy no homen'Andriamanitra mba hibebahan'ny olona....

Misy fetra ihany anefa izany fotoana izay...
« Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko. » (Ohabolana 1:23)
« Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina; » (Ohabolana 1:24)
« Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo: » (Ohabolana 1:25)
« Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. » (Ohabolana 1:26)
« Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana, » (Ohabolana 1:27)
« Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho. » (Ohabolana 1:28)
« Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah, » (Ohabolana 1:29)
« Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra, » (Ohabolana 1:30)
« Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny. » (Ohabolana 1:31)
« Fa ny fihemoran'ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy. » (Ohabolana 1:32)
« Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy. » (Ohabolana 1:33)
60. bor2lais ( 23/04/2020 14:37)
Soa ihany fa efa naveriko any amin-dramose ity sehatra nataony ho ahy ity ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8125