You are here: home > Forum

RESAKY NY 3eme ETAGE FATAON'I BOR2LAIS @ Atra

Lohahevitra : Fivavahana, finoana
Fitohizan'ny hafatra : Re: RESAKY NY 3eme ETAGE FATAON'I BOR2LAIS @ Atra
Valiny : 0
Pejy: Voalohany  < 11 12 13 14 > 
RBNIR - 03/06/2020 15:09
rhaj0
Aza mihaino sy mianatra an'i RBNIR ho'a ry Midrou fa ilery sy HRNRN anie no efa tsy avotra e...

izany an! olona manana saina kosa i midrou fa tsy hoe rehefa i rhaj0 (na izaho) no hisintona azy dia ho avy izy e!
ny tena marina koa ange ilay fampianarana hoy aho tsy an'i pst HRNRN na koa an'i RBNIR fa an'i Jesosy e!

ka raha manaiky ilay fampianarana tsy midika mihitsy hoe manaraka olona fa manaraka an'i Jesosy ary raha mandà kosa indray dia tsy midika mihitsy hoe mandà olona fa mandà an'i Jesosy..

« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lioka 10:16)
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 03/06/2020 15:15
Efa hoe TSY Jesosy ho'a ianao ry RBNIR f'aza mba manao an'io ho'a.

Fihevitrao, rezonema-nao, eny ANAO sy HRNRN irery ao, no korokoroanareo eto io fa TSY (voatery) ilay an'i Kristy. Mody savihanao ny teniNY, dia ampianao ny anao, na ampivadinao @ resaka hafa t@ YHWH izay efa lany andro, na tsisy idiran'ny lohahevitra akoriny

ataovy ao foana ho'a ee... Zara azany ho'a miveraka tsara eto i RBNIR sy HRNRN, ary io hitan'ny olona io....
Valio | Miverina eny ambony
midrou - 07/06/2020 12:47
RBNIR

izany an! olona manana saina kosa i midrou fa tsy hoe rehefa i rhaj0 (na izaho) no hisintona azy dia ho avy izy e!
ny tena marina koa ange ilay fampianarana hoy aho tsy an'i pst HRNRN na koa an'i RBNIR fa an'i Jesosy e!

ka raha manaiky ilay fampianarana tsy midika mihitsy hoe manaraka olona fa manaraka an'i Jesosy ary raha mandà kosa indray dia tsy midika mihitsy hoe mandà olona fa mandà an'i Jesosy..

« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lioka 10:16)



Tena zany mintsy RBNIR a!
Tsy manaraka olona aho fa manaraka an'i Jesosy
Ary mbola Izy foana h@ zao
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 08/06/2020 06:58
midrou
Tena zany mintsy RBNIR a!
Tsy manaraka olona aho fa manaraka an'i Jesosy
Ary mbola Izy foana h@ zao

Amen izany ry midrou, dia mijoroa tsara ary amin'ny fahamarinana fa hitanao izao ny porofo fa misy dia misy tokoa ireo olona izay manozongozona ny olona efa mba mijoro tsara amin'ny fahamarinana...

« Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo. » (1 Korintiana 10:12)


Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 08/06/2020 12:42
hi hi hi.. "manozongozona" @ ahoana kay iaho ity?
Mampieritreritra sy m(amp)ivanitika no ataoko eto ry izy roaroa aa...
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 09/06/2020 09:46
ngah izaho niteny anaran'olona ? sa mahatsapa tena i rhaj0?
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 09/06/2020 13:51
Kanosa ve no toetra tsara @ Kristiana (toa anareo) ry RBNIR?
Sa ilay miolakolaka mihatsara velatsihy no filamatra aminareo (kritiana) RBNIR?
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 11/06/2020 14:42
mba mety mitsinjo ny hafa koa ngeh fa tsy voatery hoe kanosa foana aloha e! misy mantsy indraindray tsy mahazaka fa tonga dia tezitra raha vao .... eto izao dia efa hitako tena misy anankiray tahakan'izany an!
Valio | Miverina eny ambony
midrou - 11/06/2020 17:37
rhajO
Kanosa ve no toetra tsara @ Kristiana (toa anareo) ry RBNIR?
Sa ilay miolakolaka mihatsara velatsihy no filamatra aminareo (kritiana) RBNIR?


Tsy kanosa kosa e
mba hain'rhajO mou oe makaiza ny kan(osa)???

Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 24/06/2020 13:55
Hoe mankaiza ny kanosa (toa an'i RBNIR) hozy Midrou?

Mankany @ Sektan'ny Pasitera Herinirina, mba ho rotsirotsian'i HRNRN ao @ resaka garabola, ampatoriana na ampihidin-dRaHRNRN ny sainy tsy hieritreritra ka hiatrika ny zava-misy, sady pehan'ny HRNRN koa @ io ny 1/10-n'ny haremben-dRBNIR


hi hi hi... Fa mila tohizana ny resaka eto @ izay mba tonga h@ 2020 ny mpamangy eto @ ity sehatr'i Bor2lais ity ee...
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 25/06/2020 14:30
misintona lakilosy indray v ry rhaj0 a!

fa 2 taona lasa izay tato otran'ny efa nisy nahatratra 6000 mahery an!

https://forum.serasera.org/forum/message/m5a54873c82b17

tamin'ny 4 taona lasa aza efa nahatratra 10000 mahery mihitsy

https://forum.serasera.org/forum/message/m580aa1b7a5aed

enga anie ka maro tamin'izy ireny no efa nibebaka ankehitriny...
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 25/06/2020 14:35
fa ny tena mahafinaritra ahy dia ity....
Ela ny ela ka ny fivavahana sy ny finoana no lohalaharana tamin'ny fitsidian'ny olona....

https://forum.serasera.org/forum/topics

tsy kasik'Andriamanitra v izany rhaj0????

Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 25/06/2020 18:41
Dia ireto resaka ireto ve no nahavory 10.000 hozy RBNIR?
Raha fintiniko dia hoe...
rhaj0
RBNIRraha araka ny fanambarana nataon'i Jesosy 2000 taona lasa izay dia trou noir no hamotehana izao tontolo izao (galaxy lactée)....Ny masoandro ihany no hiova ho trou noir ary mandalo phase supernova ratée izy alohan'izany..

Averina indray ny antso avo eee... Aiza izay Kristiana nianatra astrophysique sy science, ary tsara sitra-po, aiza ireo namana Krisitiana ireo, mba hanazava an'i RBNIR ny @ io resakany efa cadré manjabe io eee...

Eo ampiandrasana, dia efa nangomiko ny Ankizy eee..
http://smileys.smilchat.net/smiley/children/baby/enceinte2.gifhttp://smileys.smilchat.net/smiley/children/baby/fillette-suce-pouce.gifhttp://smileys.smilchat.net/smiley/children/marionnette.gifhttp://smileys.smilchat.net/smiley/children/fille-oups.gifhttp://smileys.smilchat.net/smiley/children/baby/enceinte.gif

(...)
Ka hozy hono i RBNIR, manana ny tampi-pahalalana avy @ Andrmntra fa:
1- ny masoandro miova ho "trou noir"
2- ary dia mamotika ny "galaxie lactée"

Fa aleo aloha manontany, ialana nenina
1-i Jesosy ve no nilaza an'io k'lou,
2- sa i RBNIR no namboatra io teoria rezatra be io
3- sa nobitsihan'Andmntra i RBNIR, ary ny bitsika dia hoe, izany no nolazain'i JEsosy
(...)

Dia tena mila mi-négocier @ Hery ianao izany ry RBNIR, hoe, fafao daholo ireo rediredinao momba ny "fara-andro" ireo, fa ny zanakao na zafikelinao mihintsy no ho tapa-tsinay voalohany, ary eo imasonao.
http://smileys.smilchat.net/smiley/hello/happy/mmdr.gif


http://www.christianpost.com/
"Pat Robertson to Ken Ham: 'Let's Be Real, Let's Not Make a Joke of Ourselves'
"Soyons réalistes, ne faisons pas une plaisanterie de nous-mêmes."


Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 27/06/2020 23:10
RBNIR
ay v mba mamaky tsara ihany rhaj0 e? mahafinaritra izany rhaj0 a!
efa corrigé io...hoy aho ato hoe...

https://forum.serasera.org/forum/message/m5d3e8e2616077

Izany hoe hisy afo lehibe dia lehibe handevona an'io masoandro io ka dia ho lasa maizina io masoandro io....

Inona moa izany Afo lehibe dia lehibe izany??? io ilay hoe Afobe (na koa hoe farihy Afo sy solifara) miendrika farihy io....

Ankehitriny dia hitan'ny manampahaizana fa misy karazana Afo lehibe dia lehibe tahaka izany afaka mandevona kintana (tahakan'ny masoandro) ary ny anarany dia atao hoe trou noir....

Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 28/06/2020 04:09
Aleo atao direkta ho'a... Hatraiza ny ambaratongam-pahalalana Fizika sy Astronomia an'i RBNIR?
Ny ahy bacc 5+, ary tsoriko aminao ry RBNIR fa ridicule tanteraka ny lazainao. Na ho hazavaiko im-10 azany tena tsy ho takatrao fa aleo ajanona.
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 28/06/2020 07:29
tsy hiady laharana aminao mihitsy kosa aloha aho raha resaka otran'izay...

fa fampieritreretana no ataoko raha niteny ny zaza madinika hoe efa ataon'Andriamanitra mivandravandra ny teny hoe NOEL = (NO=tsy misy) (EL = Andriamanitra) dia mihomehy rhaj0???

Dia otran'izay ilay izy na dia efa nopororoina eto fa tena nanao operation an'i Adama aza Andriamanitra dia avy eo nanao clonage ahazoana an'i Eva Gen.2:21-23 dia mbola manamavo ihany i rhaj0 (na dia mba bacc...noho i rhaj0 aza aho resaka medecine)..

Maninona raha mba manetry tena fa tsy manao ny tena ho hendry rhaj0 a???

Izay ngeh hoy aho no anton'ity teny ity e!« Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo*. Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin'ny malahelo] » (Romana 12:16)
na dia mba otran'izay ihany aza dia aleo mba henoina ny tenin'ireo zaza madinika fa any amin'izy ireny ngeh hoy i Jesosy no hanehoana ny tena fahamarinana e!

« Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. » (Matio 11:25)


Manaova otran'i Namana (boka) raha te hahazo fahasoavana...

« Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao. » (2 Mpanjaka 5:10)
« Fa tezitra Namàna, dia lasa ka nanao hoe: Indro, nataoko fa hivoaka hankaty amiko mihitsy izy ka hitsangana ary hiantso ny anaran'i Jehovah Andriamaniny sady hanevaheva ny tànany eo ambonin'ny aretina ka hahasitrana ny boka. » (2 Mpanjaka 5:11)
« Tsy tsara noho ny ranon'ny Isiraely rehetra va Abana sy Farpara, onin'i Damaskosy? Tsy mahazo mandro ao amin'ireo va aho ka hadio? Dia nihodina izy ka lasa an-katezerana. » (2 Mpanjaka 5:12)
« Dia nanatona ny mpanompony ka niteny taminy hoe: Ry ikaky ô, na dia zavatra lehibe aza no nasain'ny mpaminany ho nataonao, moa tsy mba ho nataonao va izany? koa mainka va, raha hoy izy aminao: Mandroa, dia hadio ianao? » (2 Mpanjaka 5:13)
« Dia nidina izy ka nisitrika tao Jordana impito araka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra: ary ny nofony dia tonga tahaka ny nofon-jazakely indray, ka nadio izy. » (2 Mpanjaka 5:14)

tezitra i Namana fa tsy noraisin'ilay mpaminany araka ny maha olona ambony azy....dia saika nisafaoka lasa niriotra...

Soa ihany nanana fanetretena nihaino ilay mpanompo kely dia .....sitrana tanteraka...


Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 28/06/2020 15:17
Niangaviana i RBNIR hanazava @ teny tsotra sy fohy ny hoe Clonage.. fa TSY hainy, nefa i RBNIR nanao bacc++ ny biolozia. Mbo asio honnetetia intelektoaly ho'a ny fi(s)aianao ry RBNIR fa tsy io Baiboly io foana no evohana ao
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 28/06/2020 16:44
efa hoe tsy voatery hitovy amin'ny ataon'ny olona ankehitriny ny zavatra nataon'Andriamanitra tany ampamoronana ka inona indray no mbola isisian'i rhaj0 amin'izany e!

Fa ny famaritana fototra no itovizana...

https://www.linternaute.fr/dictionnaire/fr/definition/clonage/

Sens 1
Biologie
Reproduction d'un animal ou d'une plante à partir d'une seule de ses cellules.

« Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. » (Genesisy 2:23)
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 29/06/2020 00:33
ha ha ha..
- ka TSY clonage (à partir d'une seule de ses cellules) izany ilay izy ry RBNIR
- fa greffage aa... Nalaina ilay taho-na taola-tehezana, dia nalentika tanaty tany, dia naniry indray toa an'i Adama Le Bolabola-tany.

Taiza nareo no nianatra biolozia ry RBNIR? tany @ sekolin'i HRNRN? koa na 10 taona ao azany ianao ry RBNIR, angaha ao mampianatra greffage?

dia hita mihintsy fa tampohipohin'ny nahare ny teny hoe clonage ry RBNIR dia naronjony sy nampiadiany rima t@ resa-Biboly.

Nefa... nefa nefa foana ho'a ee...
Valio | Miverina eny ambony
RBNIR - 29/06/2020 09:35
https://fr.wikipedia.org/wiki/Clonage

Izay filazan'i rhaj0 azy tsy mampaninona fa ireto voasoratra ireto mihitsy aloha no natao tamin'i
Adama sy Eva...

d'une part, le fait de reproduire des organismes vivants pour obtenir des êtres génétiquement identiques ; ceci peut s'appliquer à de simples cellules (clonage cellulaire, par prélèvement d'une seule cellule, qui est mise en culture de manière individuelle) ou bien à des animaux – donc y compris les êtres humains – et des végétaux (clonage reproductif, bouturage). L'ensemble de ces cellules, ou individus, forme un seul et même clone (tant que le patrimoine génétique est identique) ;

« Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. » (Genesisy 2:23)
Valio | Miverina eny ambony
Pejy: Voalohany  < 11 12 13 14 >