RESAKY NY 3eme ETAGE FATAON'I BOR2LAIS @ Atra

101. rhaj0 ( 30/04/2020 18:29)
RBNIR:
vavolombelona? nisy?....olona 2 izy no teo
...Jesosy mihitsy no manamafy amiko ankehitriny ...

Ndrekaiky oooo...

Nataoko fa hoe, imazination dia mbo samy mirevirevy eo fotsiny ity resaka kristianisma ity. Hoe i Gasy1zay mi-imaziner hoe vijiny again. I Bor2lais voarakotry ny ran-Jesosy. i Midrou mahay manavaka ny vary @ tsiparifary sy ny sandoka rehefa avy mamaky Boky..


Kay ny an-dRBNIR sy ny sektan'i Pasitera Fitiavana Herinirina (HRNRN):

- tsy vitan'ny aborotsaky rizareo ho ao anaty Tantaran'ilay Boky ny tenabeny,
- fa koa, aboakany avy ao anaty Tantara ilay personazy tao anatin'ilay Boky ao, dia lazainy fa miaraka aminy ao.



Loz'ty... Hotry ny hoe:

- i RBNIR dia ilay nain #8 ao @ Tantaran'i Blanche-Neige. Toa an'i HRNRN milaza-tena fa Apostoly #13 ao @ Baiboly
- tena vavolombelona ny robe lavan'i RBNIR fa nozairin'i Blanche-Neige. Toa an'i HRNR milaza-tena hoe "nosafidin-Jesosy.

Tena any Anjanamasina na koa any Taipeh no fonenan-tsoa anareo ry RBNIR sy Pasitera Fitiavana Herinirina.

102. RBNIR ( 30/04/2020 22:15)
ao ianao izany fa dia afaka adidy aho koa...
efa vavolombelona 3 no natolotr'Andriamanitra ho anao mba hialanao amin'ny tsy finoana fa tena mbola velona an marina tokoa i Jesosy nefa dia mbola tsy mety mino ihany ianao...
Akory atao fa dia afaka adidy re ry rhaj0 o!
103. rhaj0 ( 01/05/2020 01:53)
I Jesosy anefa izao vao "niresaka" tamiko teo hoe, lava loatra hono ilay robe lava fotsy nozairin'i Blanche-Neige ho an'i RBNIR teo, fa tsy fantatr'i BN kay fa lasa nain koa hono i RBNIR. Fa raha manao ny adidinao ianao ry RBNIR, dia ho sasan'i JEsosy @ eau de javel hono ny robe lava fotsy, fa sady ho lasa fotsy no hifintina tsara @ nain #8, dia i RBNIR.

Ka mbola TSY "afaka adidy" izany ianao RBNIR aaa :-) :-)
104. midrou ( 01/05/2020 06:19)
gasy1zay:
rhajO:

Ndrekaiky oooo...Nataoko fa hoe, imazination dia mbo samy mirevirevy eo fotsiny ity resaka kristianisma ity. Hoe i Gasy1zay mi-imaziner hoe vijiny again. I Bor2lais voarakotry ny ran-Jesosy. i Midrou mahay manavaka ny vary @ tsiparifary sy ny sandoka rehefa avy mamaky


Misy antony ry midrou matoa i Jesoa niseho t@ Paoly a! Tsy fantatro raha hainao fa ny olona tsy afaka mandray ny Fanahy Masina raha tsy efa natera-baovao,i Paoly tsy afaka ny handray ny Fanahy Masina raha tsy efa nandray an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy mpamonjy azy, izy anefa dia tsy nino mintsy hoe nintsangana t@ maty i Jesoa ary izay no antony nanenjehiny ireo kristiana t@ izany.Araho tsara ny tantaran'i Paoly :


Eny e!
Met ho maro anie no tsy hino an zany e.

Tahakan reto olona ireto;

Asan'ny Apostoly 26 : 12. Ary tamin'izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin'ny lohan'ny mpisorona, 13. koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, ry mpanjaka o, dia hitako teny an-dalana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro. 14. Ary rehefa lavo tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny teny Hebreo hoe: Saoly Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana. 15. Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao. [] 16. Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy* sy izay hisehoako aminao, [*Na: (izay efa hitanao)] 17. hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, 18. hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. 19. Ary amin'izany, ry Agripa mpanjaka o, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho;

I Paoly dia nanamafy hatrany ny zavatra hitany.

Dia hoy ny olona

Asan'ny Apostoly 26 : 24. Ary raha nandahatra izany izy, dia hoy Festosy tamin'ny feo mahery: Ry Paoly o, very saina ianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao. 25. Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin'ny fahamarinana sy ny fahononana.

Ka aôn aza? ;-)
105. gasy1zay ( 01/05/2020 13:41)
Tsy azonao ve ry midrou ny tiako ambara? Jesoa miseho amin'ny olona iray mba hiova fo izy sy ho haterabaovao fa rehefa nandray ny Fanahy Masina ianao avy eo dia tokony ny Fanahy Masina no mampianatra anao ny zavatra rehetra

Jereo anie eto e:

Pendant qu'ils rendaient un culte au Seigneur et qu'ils jeûnaient, le Saint-Esprit dit : « Mettez-moi à part Barnabas et Saul pour la tâche à laquelle je les ai appelés. »

Actes: 20.23 seulement, de ville en ville, l'Esprit Saint m'avertit que des liens et des tribulations m'attendent.

Rehefa nandray ny FM Paoly dia ny FM no miara miasa aminy fa tsy Jesoa intsony

106. RBNIR ( 01/05/2020 16:47)
le Saint-Esprit dit...l'Esprit Saint m'avertit....
io ngeh ilay ao amin'ny Jao.14:16-18 resahiko mandrakariva eto e!

« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)


ary tsy iza akory io fa i Jesosy ihany...

« Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Korintiana 3:17)

Nefa otran'ny mbola tsy ananao hoy aho io gasy1zay an! izay no mahatonga ahy hiteny hoe tandremo ihany sao ny saina no mikarokaroka be tafahotra dia ny FM no....
107. gasy1zay ( 01/05/2020 17:26)
Andriamanitra dia iray ihany, Andriamanitra diaRay sy Zanaka ary Fanahy Masina saingy tsy mitovy ny fiasany eo amin'ny olona RBNIR a!

Maninona no nilaza Jaona raha nanondro an'i Jesoa hoe :

Mar 1:8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masina.

108. RBNIR ( 01/05/2020 19:54)
tsy azoko...ny hafatro dia hoe mba hananan'ny olona iray antoka hoe ny FM marina tokoa no mitarika azy dia tokony ho fantany fa efa nomena azy ary efa tafatoetra ao aminy marina tokoa io FM...

tamin'ny andron'ny apostoly dia tena hita ary fantatra rehefa nandray ny FM ny olona iray fa tsy tahaka ny eritreretantsika azy ankehitriny ...

« Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin'izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina. » (Asan'ny Apostoly 10:44)
« Ary talanjona ny mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'i Petera, satria nilatsaka tamin'ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. » (Asan'ny Apostoly 10:45)
« Fa nandre azy niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an'Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe: » (Asan'ny Apostoly 10:46)

ka Jesosy moa hoy aho hamerina ny zavatra nisy rehetra tamin'ny andron'ny apostoly dia izay no antony....
109. gasy1zay ( 04/05/2020 15:40)
Tsy takatrao mintsy ve RBNIR hoe fa na Andriamanitra iray ihany aza Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina dia samihafa ny fiasany eo amintsika fa raha tsy izany dia tsy nasiana hoe Jesoa hanao batisa @ Fanahy Masina, na hoe handefa mpananatra hafa izy ary tsy niteny izy hoe tarihan'i Jesoa ianao na hoe Jesoa no hampianatra anao ny zavatra rehetra?

Jesoa ao anatinao @ alalan'ny Fanahy Masina saingy ny Fanahy Masina dia tena manana fihetsempo manokana ho azy ka diso fandraisana ianao raha hoe Jesoa fotsiny no heverinao fa mpampianatra-mpitarika-miresaka aminao

Ephésiens: 4.30 N'attristez pas le Saint Esprit de Dieu, par lequel vous avez été scellés pour le jour de la rédemption.

Marina fa Andriamanitra dia iray ihany saingy misy endriny 3 miasa eo amin'ny fiainantsika raha tena miaraka aminy isika

110. RBNIR ( 05/05/2020 05:34)

gasy1zay:

Tsy takatrao mintsy ve RBNIR hoe fa na Andriamanitra iray ihany aza Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina dia samihafa ny fiasany eo amintsika fa raha tsy izany dia tsy nasiana hoe Jesoa hanao batisa @ Fanahy Masina, na hoe handefa mpananatra hafa izy ary tsy niteny izy hoe tarihan'i Jesoa ianao na hoe Jesoa no hampianatra anao ny zavatra rehetra?

Jesoa ao anatinao @ alalan'ny Fanahy Masina saingy ny Fanahy Masina dia tena manana fihetsempo manokana ho azy ka diso fandraisana ianao raha hoe Jesoa fotsiny no heverinao fa mpampianatra-mpitarika-miresaka aminao

Ephésiens: 4.30 N'attristez pas le Saint Esprit de Dieu, par lequel vous avez été scellés pour le jour de la rédemption.

Marina fa Andriamanitra dia iray ihany saingy misy endriny 3 miasa eo amin'ny fiainantsika raha tena miaraka aminy isika

mety tsy mifankahazo ngamba ilay resaka ....tsy dia hitako loatra ny tena hifandraisan'ny resan-tsika gasy1zay...

111. rhaj0 ( 05/05/2020 10:17)
RBNIR:
....tsy dia hitako loatra ny tena hifandraisan'ny resan-tsika gasy1zay...

hi hi hi... i JEsosy no ifandraisanareo sy ny resakareo re ry izy roaroa aaa...

Ka rehefa samy (mino)mino foana, dia tsy voatery mitovy ny ao, satria dia samy namoromporona ao @ imazination-ny ao nareo roaroa eee..

Hotry ny tsy mahay ny tantara koa ange nareo e.. Taloha tena guerre de religions no nataon'ny mpino(mino) foana, izao guerre des toko aman'andininy sy guerre des versions bibilika no mafotaka, ary nareo roaroa no representative an'le izy..
112. bor2lais ( 05/05/2020 11:06)
Hita mihitsy fa tena mpanafana sehatra marina ity ramose ity ! :-)
113. RBNIR ( 05/05/2020 11:53)

bor2lais:

Hita mihitsy fa tena mpanafana sehatra marina ity ramose ity ! :-)

izaho indray mitady hahita hoe misintona an....
114. gasy1zay ( 05/05/2020 14:21)
RBNIR > ny tiana ambara dia tsotra Andriamanitra dia iray saingy miseho amin'ny endriny telo Andriamanitra Ray ( Dieu-l'éternel-Yaweh-Jehovah-le seigneur)
Andriamanitra zanaka( Jesoa Kristy-Tenin'Andriamanitra-Mpamonjy-Mesia-Zanak'Ondrin'Andriamanitra)
Andriamanitra Fanahy (Parakleto-Fanahin'Andriamanitra-Fanahy Masina-Fanahin'ny Tompo)

samy manana ny personaliteny ireo ary tsy mitovy ka raha hilaza ianao fa tsy mahalala afatsy Jesoa Kristy dia mety tsy hametraka ny Fanahy Masina amin'ny toerana tokony hisy azy, ary raha tsy mahafantatra ny asany ianao dia tsy ho afaka ho tarihany.
115. rhaj0 ( 05/05/2020 14:45)
O ry Gasy1zay aa.. ilay Yaveh lazainao io anie dia i YWVH an'i Jiosy ee...

Danz be mihintsy nareo 'tony, fa malalaka tokoany moa ny tany, ka dia savisavihanareo daholo izao teny misy dikany manokana an'ny olona, dia akapokapokareo ao @ finoanareo ao.

- Andriamanitra @ Malagasy Ntaolo dia teny manondro ilay Vadin'i Zanahary
- Yaveh na YWVH dia teny manondro ilay ivavahan'ny Jiosy
116. gasy1zay ( 05/05/2020 15:15)

rhaj0:

O ry Gasy1zay aa.. ilay Yaveh lazainao io anie dia i YWVH an'i Jiosy ee...

Danz be mihintsy nareo 'tony, fa malalaka tokoany moa ny tany, ka dia savisavihanareo daholo izao teny misy dikany manokana an'ny olona, dia akapokapokareo ao @ finoanareo ao.

- Andriamanitra @ Malagasy Ntaolo dia teny manondro ilay Vadin'i Zanahary
- Yaveh na YWVH dia teny manondro ilay ivavahan'ny Jiosy


ie! NY andriamanitra ivavahan'ny Kristiana dia ilay Andriamanitr"Israely ihany ka. Izy no torian'ny baiboly fa tsy hoe nisy nisavika na nampisavika na aona fa nisy nitory dia nisy niasan'ny FM dia lasa terabaovao ....


Rom 10:17 > Ainsi la foi vient de ce qu'on entend et ce qu'on entend vient de la parole de Dieu.
117. rhaj0 ( 05/05/2020 16:32)
Ka ilay ivavahan'ny Jiosy, dia i YWVH.

Dia i YWVH (sy JEsosy) izany dia endriky ny Dieu Kristiana (daholo) HONO, hozy Gasy1zay

Ary i Allah indray ahoana?

Ilay nivavahan'i Abrahama dia samy ivavahan'ny Jiosy sy Moslimo.
Izay an. Dia ahoana izany?
i Allah koa izany kaotina ao @ ilay 3 no 1.


Lalina any izany an...
Mampome fa toa tsy fantatrao tsara akoriny anie izany inona tsara no ivavahanao ao ry Gasy1zay ee...
118. rhaj0 ( 05/05/2020 16:44)
Dia mampome fa kay ifanaovana ny anareo Mpino ireto.
Ka dia samia misavisavika sy mamariparitra izany, ary izay tsy faly mibontsina :-)

HOzy ny wikipedia hoe:
Muslims see Adam as the first Muslim on Earth.

i Adama HONO Moslimo, hozy ny Moslimo.


Ka tena mitombona izany ilay resakao ny @ Genesisy atsy @ ilany atsy ry GAsy1zay a...
- Tao @ GEN 1 dia efa nameno ny tany raolbln. Ary ireo no nisy hatrany Aostralia sy Amazonia ary Sina sy Malaizia (razambentsika gasy)
- Fa ao @ GEN 2, izay vao niteraka ny (mpino an'i) Madama Eva. Ary ireo no lasa Jiosy sy Kristiana ary Moslimo
119. gasy1zay ( 05/05/2020 17:56)

rhaj0:

Ka ilay ivavahan'ny Jiosy, dia i YWVH.

Dia i YWVH (sy JEsosy) izany dia endriky ny Dieu Kristiana (daholo) HONO, hozy Gasy1zay

Ary i Allah indray ahoana?

Ilay nivavahan'i Abrahama dia samy ivavahan'ny Jiosy sy Moslimo.
Izay an. Dia ahoana izany?
i Allah koa izany kaotina ao @ ilay 3 no 1.


Lalina any izany an...
Mampome fa toa tsy fantatrao tsara akoriny anie izany inona tsara no ivavahanao ao ry Gasy1zay ee...


Nga tsy fantatry rhaj0 fa ny baiboly kristiana dia mirakitra ny torah izay manambara ilay Andriamanitra ivavahan'ny jiosy?

120. rhaj0 ( 05/05/2020 21:10)
Danz be ny fanodinan-dresak'i Gasy1zay.
[size=8]Mety hanontaniany koa aho izao hoe, tsy fantatrao angaha fa manga ny lanitra?[/size] :-)

Fa dia ao anatin'ny Dieu Trinité 3 no 1 izany i YWVH sy Allah eee..
Samy nivavahan'i Abrahama daholo mantsy na i YWVH, na i Allah na i Dieu.
Fanampin'izany, i Adam no Moslimo voalohany HONO.

Tena tsy afaky ny mi-contredire an'ireo ianao ry Gasy1zay aa..
[size=8]((sa ho ampian'i Gasy1zay resaka indray hoe, mena ny fara-vodilanitra?)[/size] :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2639