RESAKA FITARIHAN'NY FANAHY MASINA AN'i Gasy1zay ANDROANY

121. rhaj0 ( 07/05/2020 15:24)
O ry RBNIR.. dia raha novaina ho Saha Edena ny Paradisa, dia tena diso izany ity resaka ity?


Hoe, efa niteraka ary nameno ny tany i Raolbln tao @ GEN 1?

Fa tao @ saha Edena (GEN 2:16) dia izay vao niteraka ilay "renin'ny olb rehetra" (GEN 2:20)?

hi hi hi... ivereno tsara ny famakianao Baiboly ry Gasy1zay fa tena mampome..

Loz'ty fa tena latsaka ambany RBNIR marina mafy... tsimponina sy tsindrohina izao toko aman'andininy izao, nefa tsy azonao akory ny Kiraonaolaoziha :-)


Sao kosa marina ny anao ry GAsy1zay
- Tao @ GEN 1 dia efa nameno ny tany raolbln. Ary ireo no nisy hatrany Aostralia sy Amazonia ary Sina sy Malaizia (razambentsika gasy)
- Fa ao @ GEN 2, izay vao niteraka ny (mpino an'i) Madama Eva. Ary ireo no lasa Jiosy sy Kristiana ary Moslimo
122. gasy1zay ( 08/05/2020 13:27)
Tsy misy sakana hoan'ny famonjena ny tsy fitoviankevitra mikasika ny saha Edena
123. rhaj0 ( 08/05/2020 14:42)
Ka marina izany ve ny fampianaranao ry Gasy1zay?


- Tao @ GEN 1 dia efa nameno ny tany raolbln. Ary ireo no nisy hatrany Aostralia sy Amazonia ary Sina sy Malaizia (razambentsika gasy)

- Fa ao @ GEN 2, izay vao niteraka ny (mpino an'i) Madama Eva. Ary ireo no lasa Jiosy sy Kristiana ary Moslimo
124. gasy1zay ( 08/05/2020 15:39)
Adama sy Eva ihany no asatanan'Andriamanitra nahazo bénédiction hameno ny tany ao @ Gen 1, fa ny Gen 2 miditra en détails ny namoronana azy sy nanotany.

ny tiako ambara dia tsy important ny miady hevitra hoe saha edena ve teto antany sa tsia satria tsy mampiova ny famonjena ny fahadisoan-kevitra momba io
125. rhaj0 ( 08/05/2020 16:52)
rhaj0:
...olbln dia i MAdame Eve (IRERY) dia mpankato, dia TSY ho maty mandrakizay

Fa tsy hitan'ilay namorona ny Plan A fa mpanota anie ilay MAdame Eva vao noforoniNy teo.
Sa moa, noforoniny mba ho mpanota ilay Madame Eva.
Dia vao nanota ilay MAdama, dia noroahiny, ary afaka ny ho faty, sady afaka ny miteraka koa
gasy1zay - 05/05/2020 14:52:
Diso rhaj0 fa talohan'ny nanotan'i Adama sy Eva dia efa nahazo bénédiction raolombelona mba hameno ny tany ao @ GEN 1.28
gasy1zay - 08/05/2020 17:39:
Adama sy Eva ihany no asatanan'Andriamanitra nahazo bénédiction hameno ny tany ao @ Gen 1, fa ny Gen 2 miditra en détails ny namoronana azy sy nanotany.

Esy e ry Gasy1zay... maninona maninona ny benedikision oonnn? :-)
Aiza azany i RBNIR mba hampatsiahy an'i Gasy1zay hoe, ahoana izany ianao tarihin'ny FM izany nefa toa miteniteny foana :-)
126. gasy1zay ( 08/05/2020 17:39)
fa nga tsy benediction ny hoe soyez féconds?
127. rhaj0 ( 08/05/2020 18:13)
OK.. ok... HOzy izany i gasy1zay - 05/05/2020 14:52 hoe, talohan'ny nanota dia efa fecond i Madama Eva. Fa vao injay nanota in-1 mandeha fotsiny, dia tonga dia nihinan'ny paomany, ka tonga dia voaroaka zareo... ary izay vao niteraka.

Nefa tahak'izay, raha tsy nanota zareo, tena ni-fecond tao Edena tao zareo, ary tsisy ho maty izay teraka...

[size=8]'zafady fa manao reflexe-na mpijery sinema 'ty, ka tsy ny eo no jerena dia ekena(-tsisy-porofo), fa mba miasa kely ilay saina, dia manitatra sy maka avansy @ scenario..[/size]

Dia raha tsisy maty izany izay teraka eo, dia tena ho feno ny Saha Edena.
Dia hotry ny mila miandry kendry tohina izany i Dieu, ka raha vao misy 1 manota, tonga dia dehors daholo indray. Tena nety ho izay ve?


Fa hono ho'a koa.. rahefa nanota Madama Eva, dia "voaroaka". Koa raha tao Saha Edena izy, izay tao Mosopotamia na Iraq @ izao fotoana/jeogirafia izao, dia ahoana tsara hoe eee?
Voaroaka avy tao Iraq dia lasa taty Afrika zareo zany???

Sarotra be amiko mihintsy ilay tantara k'lou e... Mbo hazavao hoe ee.. :-)
128. gasy1zay ( 08/05/2020 18:36)
Ka ny saha Edena dia voalaza hoe Jardin de Dieu, fa tsy misy milaza anaty baiboly hoe aiza na taiza marina no misy na nisy azy, izaho tsy hamorona fampianarana tsy notovozina tao @ voasoratra sao manao fampianarandiso eto.

129. rhaj0 ( 08/05/2020 19:51)
Ka "eto an-tany" ilay Jadin de Dieu. Tsy azo lavina io. Ary hozy ny Mpandalina hoe, tao Iraq.

Ka nony voaroaka avy tao Iraq ankehitrio i Madama Eva, dia lasa tany Afrika... sa nikisakisaka tao Moyen-orient tao ihany, ary 6000 taona taty aoriana, teraka Jesoa.

Izay izy io?
(ilay 6000 taona, araho hono ilay tetiharana ao @ Baiboly ao, izay miaraka @ taonan'ny dadabe-dadabe....dadaben'i Jesoa)
130. RBNIR ( 08/05/2020 20:50)
rhaj0:

Aiza azany i RBNIR mba hampatsiahy an'i Gasy1zay hoe, ahoana izany ianao tarihin'ny FM izany nefa toa miteniteny foana :-)

[size=1]mila vonjy v ny namako izany sa mitady resy lahatra? :-) efa namaly an'i gasy1zay aho atsy ambadika atsy e![/size]
131. RBNIR ( 08/05/2020 21:03)

rhaj0:

Ka "eto an-tany" ilay Jadin de Dieu. Tsy azo lavina io. Ary hozy ny Mpandalina hoe, tao Iraq.

Ka nony voaroaka avy tao Iraq ankehitrio i Madama Eva, dia lasa tany Afrika... sa nikisakisaka tao Moyen-orient tao ihany, ary 6000 taona taty aoriana, teraka Jesoa.

Izay izy io?
(ilay 6000 taona, araho hono ilay tetiharana ao @ Baiboly ao, izay miaraka @ taonan'ny dadabe-dadabe....dadaben'i Jesoa)

Ity no repera e!

« Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra: » (Genesisy 2:10)
« Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena; » (Genesisy 2:11)
« ary tsara ny volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla. » (Genesisy 2:12)
« Ary ny anaran'ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra. » (Genesisy 2:13)
« Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. » (Genesisy 2:14)

Izao anefa na dia hitan'ny olona aza ireo ony lehibe 4 ireo ankehitriny dia tsy hisy hahita intsony kosa ilay saha satria izao no voasoratra...

« Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina. » (Genesisy 3:24)



132. gasy1zay ( 08/05/2020 23:59)
mazotoa manao indiana jones mitady ny saha edena raha mazoto nareo mirahalahy fa izaho manokana aloha tsy hitako ny tombontsoa amin'izany :)
133. gasy1zay ( 09/05/2020 00:12)
Ito verset hoan'i RBNIR :

Ce qui est caché, seul le Seigneur notre Dieu le connaît.
134. RBNIR ( 09/05/2020 03:28)
izany hono rhaj0 a! raha izaho ianao mino aho dia manontany Azy raha tena mangetaheta ny hihinana ilay hazon'aina ao afovoan'ny saha...
135. rhaj0 ( 13/05/2020 12:13)
[size=8]Ngo dia kikilitataorisirisy azany izany hazon'aina ao afovoan'ny saha lazainao izany ry RBNIR...

Satria zavatra caché caché be mihintsy @ Kristiana, araka ny firesak'i RBNIR, ary tena tsy hitan'ny Kristiana mihintsy HONO izany an... :-)[/size]
136. gasy1zay ( 13/05/2020 15:39)
oh ry rhaj0!!!

mba hain'i rhaj0 ve hoe misy hazo 2 samihafa ny resahina ao @ Genesisy na dia samy teo afovoan'ny zaridaina aza izy 2?
1) Arbre de la connaissance du bien et du mal ( ilay nisy paoma)
2) Arbre de la vie (ilay manome ny fiainana mandrakizay)
137. RBNIR ( 14/05/2020 09:02)
gasy1zay:

1) Arbre de la connaissance du bien et du mal ( ilay nisy paoma)

Ity tsy azoko mihitsy ity resaka paoma ity an! otran'ny tsy voasoratra anaty baiboly io?
138. gasy1zay ( 14/05/2020 13:16)
aleo ahitsiko ary fa efa tsy manaiky ankoatry ny voasoratra izao RBNIR : ilay hazo nisy voany noraran'Andriamanitra tsy ho hanina ary ilay hazon'aina
139. RBNIR ( 15/05/2020 06:45)
gasy1zay:

aleo ahitsiko ary fa efa tsy manaiky ankoatry ny voasoratra izao RBNIR

izaho ngeh efa ela no nanaiky an'izay gasy1zay e! :-)

manaova fijery obzektifa gasy1zay dia ho hitanao fa ny voasoratra marina tokoa no zaraiko eto a!
140. rhaj0 ( 15/05/2020 10:54)
Ngo dia toatoa an'ity aloha ilay hazon'aina lazainareo izany ry izy roaroa


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3907