RESAKA FITARIHAN'NY FANAHY MASINA AN'i Gasy1zay ANDROANY

101. rhaj0 ( 01/05/2020 10:45)
Io ho'a ry zaza Midrou, dia tena mbola lavitra ny dianao:

Tena mbola mila mandalo @ fanatisman'i RBNIR ianao, dia mandalo @ revy virijinin'i Gasy1zay, dia miakatra any @ 3eme etagen'i Bor2lais, izay vao lasa lehibe misoka-tsaina ary lasa Atheist..
rahefa afaka 10 taona...
:-)
102. midrou ( 01/05/2020 11:23)
rhajO:

Io ho'a ry zaza Midrou, dia tena mbola lavitra ny dianao:Tena mbola mila mandalo @ fanatisman'i RBNIR ianao, dia mandalo @ revy virijinin'i Gasy1zay, dia miakatra any @ 3eme etagen'i Bor2lais, izay vao lasa lehibe misoka-tsaina ary lasa Atheist..rahefa afaka 10 taona...

eny e...!
rah teto @ ty forum ty lou de tena mbola zaza tokoa e...satria mbola betsaka aza no ts tena hsiko tsara...

fa raha ny finoko ny Tompo kosa dia..

II Timoty 1 : 12. Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay. [* Na: ilay zavatra natolony ahy]

ary tsy mila fombafomba toy izany
:

Tena mbola mila mandalo @ fanatisman'i RBNIR ianao, dia mandalo @ revy virijinin'i Gasy1zay, dia miakatra any @ 3eme etagen'i Bor2lais, izay vao lasa lehibe misoka-tsaina ary lasa Atheist..rahefa afaka 10 taona...
103. gasy1zay ( 01/05/2020 13:23)

rhaj0:

Ndao azany hanao fanamby ry Gasy1zay aa..

Afaka 10 taona, raha mbola eto daholo isikana ka mbola velon'i Hery ity serasera ity, dia ho hita eo,
- raha izaho no mandray ny Kristianisma,
- na, i Gasy1zay no manary ny Kristianisma.

Ahoana 1 May 2030 ny fotoana? :-)

Sa atao 5 taona, 1 May 2025?

Dia antsovy koa i Radoko sy RBNIR ary ry Midrou sy izay rehetra eto :-) :-)

Ndao ary e! Izaho aloha efa fantatro izay inoako ary efa fantatro hoe mbola ho lavitra ny lalàna hiarahanay sy ny Tompo eto an-tany raha tsy mbola miverina izy d'ici 2030 :)
104. rhaj0 ( 01/05/2020 14:28)
Ny Ankizy izay resahiko, na koa jerevo ny statistika, dia ... "mivoatra" daholo (ny ankabeazany) ary tSISY "minomino" izany intsony.

Lasa io ary tsa miverin-dalana.

gasy1zay:
ho lavitra ny lalàna hiarahanay sy ny Tompo eto an-tany raha tsy mbola miverina izy d'ici 2030 :)

MIsy tsy mety kely lay lojikanareo ry Gasy1zay aa.. Aiza ilay Tompo izao?

- mbola TSY tafaverina eto izy, hoz'enao, nefa dia ahoana no "hiarahanareo"?
- sa, ianao no nankany Aminy?

Karazan'ny toa izao lazainareo Mpino izao mihintsy anie no .. mifampijery fotsiny ny Ankizy, dia hoe, izay izany ny an'ilay Bainina io sy ny lojikany, fa dia hihomehezana fotsiny sisa e...
105. gasy1zay ( 01/05/2020 15:46)
Tsy omena tsiny ianao raha tsy ampy fahalalana, fa hazavaiko ihany anefa : spirituellement ny kristiana dia tafaray ao @ Jesoa Kristy @ alalan'ny Fanahy Masina mitoetra ao anatinao

za mbola eto an-tany fa spirituellement en Christ , ary ny Fanahy Masina dia mitoetra ao anatiko, izay ilay firaisana amin'i Jesoa Kristy

1- Ianao mitoetra ao aminy
2- Ny Fanahy Masina mitoetra ao anatinao

Jesoa Kristy anefa tsy ety an-tany fa mitoetra eo an-kavanan'Andriamanitra Ray, ny kristiana no ety antany, fa hoavy ny fotoana hiverina indray izy haka ny olony (enlèvement)
106. RBNIR ( 01/05/2020 16:43)
rhaj0:

Ny Ankizy izay resahiko, na koa jerevo ny statistika, dia ... "mivoatra" daholo (ny ankabeazany) ary tSISY "minomino" izany intsony.

ilay statistika aloha raha ny fihevitro tsy dia azo hianteherana loatra satria mety bdb koa ngeh no liana hoe aiza izany ramose midelira tsy mety mino sy lasa miteniteny foana ato amin'ny forum izany e? :-)
fa tsy ny zava-misy iaraha-mahita kosa ity ary hisaorako ny "TOMPO", otran'ny mitady ho liana amin'ilay fampianarana tsy misy kilema ny ankizy an....ary tsy ny ankizy ihany....
107. rhaj0 ( 03/05/2020 15:43)
gasy1zay:
Tsy omena tsiny ianao raha tsy ampy fahalalana...

MArina tokoany fa tsy ampy tsara ny "fahalalako" ny lojika isan-karazan'ny Kristiana isan-karazany, izay sady toa mifanohitra no toa sampontsampona bon'ihany tokoany tsindraidray ny an'ny tsirairay ao.

Ka izao azany izany ve izy io ry namana isany...:

1- "niakatra tany an-danitra" Izy, izany hoe, LASA niridana ka tsy tana, dia niala teto Izy

2- ary nilaza fa, "avy any ho hiaviany, hitsara ny velona sy ny maty", izany hoe, indray andro any, rehefa tonga ilay FItsarana Farany, dia HO AVY Izy (hiverena eto)

3- f'izany hoe, toa tsy mahafoy ny eto ihany indray kay Izy io, na dia LASA niridana ka tsy tana teo azany, ary dia "efa niverina" tamina seho hafa kely indray, dia ny FM, ary dia ...

4- @ maha-omnipresent Azy, dia io mihaohao eny rehetra eny io Izy. Poa toa izay Izy any Aostralia, poa toa izay any Amazonia, pouh pouh pouh toa izay Izy dia eny an-tongom-pandrianan'i RBNIR koa ohatra.

5- @ maha-omniscient Azy, dia hitaNY daholo izay mihetsika rehetra eto an-tany, ary fantaNY daholo ny any an-doha na koa ny ataon'ny tsirairay @ ireo 7 milliards de voisins. Koa na ny Biby sy ny Zava-Maniry azany fantaNY koa, hatr@ tsirairay @ ravim-bozaka. Ary na ny Vato sy ny Volcano koa aza dia hitaNY.

6- ary @ maha-omnipotent Azy, dia ataoNy ary vitaNY daholo izay tiaNy atao rehetra eto @ Latera, hatr@ any @ galaksia tsy hita pesipesenina any, ka h@ virus kely misisika atsy @ selan'ny avokavoka.

Izay ve izany Izy io?

Mbo valio sy asio kaomanitera ny tsirairay @ ireo teboka ireo re ry namana isany, GAsy1zay sy RBNIR na koa Bor2lais sy ry Midrou mbamin-dry Alain....
Dia tena lelafin'ny saka ny faladianareo fa mbo toroy ilay Atheist TSY "mahalala" eee... :-)

Fa tena mba tokotokony mba toatoa io kosany anie izany ny fanemkem-pinoana vaovao anareo Kristiana, @ izay mazava tsara aminay Atheist eee.. Mety hiova hevitra ihany mantsyzahay io :-)
108. RBNIR ( 04/05/2020 05:49)

Izay mihitsy rhaj0 ary indraindray dia mbola "miseho" mivantana" amin'ny alalan'ny hazavana be....

« [Ny niovan'i Saoly ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy » (Asan'ny Apostoly 9:1)
« ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana* izany, na lahy na vavy. [*Gr: lalana] » (Asan'ny Apostoly 9:2)
« Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; » (Asan'ny Apostoly 9:3)
« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asan'ny Apostoly 9:4)
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asan'ny Apostoly 9:5)

Fisehoana izay mbola tanterahany ankehitriny ihany koa...

Izany rehetra izany moa dia mba hanaporofoina amin'ny olona rehetra fa tena mbola velona any Marina tokoa Izy ary tsy nandainga Izy fa tena misy ilay FIAINANA MANDRAKIZAY IZAY NAMPANANTENAINY....

« Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:13)
« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Korintiana 15:14)
« Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy. » (1 Korintiana 15:15)
« Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:16)
« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo; » (1 Korintiana 15:17)
« dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy. » (1 Korintiana 15:18)

109. rhaj0 ( 04/05/2020 11:12)
Ka izao azany izany ve izy io ry namana isany...:
3- f'izany hoe, toa tsy mahafoy ny eto ihany indray kay Izy io, na dia LASA niridana ka tsy tana teo azany, ary dia "efa niverina" tamina seho hafa kely indray, dia ny FM, ary dia ...

4- @ maha-omnipresent Azy, dia io mihaohao eny rehetra eny io Izy. Poa toa izay Izy any Aostralia, poa toa izay any Amazonia, pouh pouh pouh toa izay Izy dia eny an-tongom-pandrianan'i RBNIR koa ohatra.
rhaj0:
Izay ve izany Izy io?
RBNIR:
Izay mihitsy rhaj0 ary indraindray dia mbola "miseho" mivantana" amin'ny alalan'ny hazavana be....

.. sady misy feo audible mihtsiny an, hozy RBNIR in-1 mandeha... Izay izay io izany?

Raha izay toa tsy 3 no 1 intsony fa 7 milliards no 1 an.. :-)

Aoka re ry RBNIR. Ny papoozy any @ garabola azany rahefa lazaina fa i Poera Noela koa omnipresent, dia manao kajikajy kintakintana zareo hoe, ka raha 5 segondra ilay Bainina no ao ambony tafo-tranoko ao, nefa misy tokatrano efa ho 500,000 eraky ny tanana, dia ahoana koa no hihetezan'izany..

Dia ho ambakan'ny papoozy ve ianao @ io ry RBNIR, f'aza dia manao an'io kosa aa... :-)
110. RBNIR ( 04/05/2020 11:55)
ka ilay izy ngeh ry rhajo Andriamanitra (Izy 3) mihitsy no manana ilay fahefana afaka hanantanteraka izany e!

Maka ohatra kely fotsiny aho...raha misy olona iray manaramaso ny zanany amin'ny camera ao an-trano dia hitany eo amin'ny ecran daholo ny ao amin'ireo efitra ambany sy ambony rehetra dia équipeny son koa ilay izy dia sady reny no afaka miteny ihany koa izy....

Midika v izany fa lasa 10 ilay olona sa 1 ihany....???

Otraotran'izay ilay izy e!...Hitany ary reny daholo ary afaka hisehoany sy hitenenany daholo....saingy tsy midika akory izany hoe lasa 7 milliards Izy avy eo...
111. rhaj0 ( 04/05/2020 13:16)
Dia tena primitive giravy be mihintsy ny finoanao (manokana) izany ry RBNIR.
Dia tena ambakain'ny Papoozy eny @ Garabola raha ianao. Izany nefa no ireharehanao ao ry RBNIR. Mampalahelo. Dia ihomehezan'ny Papoozy raha ianao.

Ny mbo rereko sy hitakitako, ary efa nolazaiko teto, ny @ Kristiana izay mba mivoatra, dia TSY @ izany "omnipresent" izany intsony ny finoany.

Amin'ireo, dia ilay Baiboly sy ny (tantaran')Andrmntra ao, dia "inspiration" fotsiny.
Tsisy raisina ara-baki-teny ny tantara ao, ary raisina araka ny contexte fotoana sy jeogirafia.

Fa TSy mety azonao ilay hoe "inspiration".

Ohatra ho'a, ny artista dia maka "inspiration" @ "muse"-ny ao.
Muse = a person or personified force who is the source of inspiration for a creative artist.

Ohatra hoe i Picasso, dia ny muse-ny dia i Marie-Thérèse Walter. TSY i Marie-Thérèse Walter no nanao na nanorotoro ny sangan'asa, na izay nataon'i Marie-Thérèse Walter dia nataony tao, fa tena tsisy idiran'ny sangan'asa, ohatra hoe mahafatifaty Ikala rehefa mitery ronono ny ondry, fa ny sangan'asa sy ny fi(s)ainan'i PIcasso dia an'azy tanteraka.

Ka rehefa miangaly ny fiainany ao ilay Kristiana-mivoatra, dia ilay Baiboly no muse-ny, ary ny ao no source of inspiration-ny.

Raha tsy takatrao indray io, dia azo tsotsorina azany hoe, dia "inspiration" mampa-hendry koa ny Angano, toa ny tantaran'i Blanche-Neige, na ny an'i Iboniamasoiboniamanoro (na ny an'i DAvida na Mosesy). TSISY idiran'i Blanche-Neige sy Iboniamasoiboniamanoro sy Davida na MOsesy ny fi(s)ainanao ao, afa-tsy hoe, manainga ny aingam-panahy fotsiny ilay sipakely na i boaikely sy ireto bainina ireto.
112. gasy1zay ( 04/05/2020 19:34)

rhaj0:

gasy1zay:
Tsy omena tsiny ianao raha tsy ampy fahalalana...

MArina tokoany fa tsy ampy tsara ny "fahalalako" ny lojika isan-karazan'ny Kristiana isan-karazany, izay sady toa mifanohitra no toa sampontsampona bon'ihany tokoany tsindraidray ny an'ny tsirairay ao.

Ka izao azany izany ve izy io ry namana isany...:

1- "niakatra tany an-danitra" Izy, izany hoe, LASA niridana ka tsy tana, dia niala teto Izy

2- ary nilaza fa, "avy any ho hiaviany, hitsara ny velona sy ny maty", izany hoe, indray andro any, rehefa tonga ilay FItsarana Farany, dia HO AVY Izy (hiverena eto)

3- f'izany hoe, toa tsy mahafoy ny eto ihany indray kay Izy io, na dia LASA niridana ka tsy tana teo azany, ary dia "efa niverina" tamina seho hafa kely indray, dia ny FM, ary dia ...

4- @ maha-omnipresent Azy, dia io mihaohao eny rehetra eny io Izy. Poa toa izay Izy any Aostralia, poa toa izay any Amazonia, pouh pouh pouh toa izay Izy dia eny an-tongom-pandrianan'i RBNIR koa ohatra.

5- @ maha-omniscient Azy, dia hitaNY daholo izay mihetsika rehetra eto an-tany, ary fantaNY daholo ny any an-doha na koa ny ataon'ny tsirairay @ ireo 7 milliards de voisins. Koa na ny Biby sy ny Zava-Maniry azany fantaNY koa, hatr@ tsirairay @ ravim-bozaka. Ary na ny Vato sy ny Volcano koa aza dia hitaNY.

6- ary @ maha-omnipotent Azy, dia ataoNy ary vitaNY daholo izay tiaNy atao rehetra eto @ Latera, hatr@ any @ galaksia tsy hita pesipesenina any, ka h@ virus kely misisika atsy @ selan'ny avokavoka.

Izay ve izany Izy io?

Mbo valio sy asio kaomanitera ny tsirairay @ ireo teboka ireo re ry namana isany, GAsy1zay sy RBNIR na koa Bor2lais sy ry Midrou mbamin-dry Alain....
Dia tena lelafin'ny saka ny faladianareo fa mbo toroy ilay Atheist TSY "mahalala" eee... :-)

Fa tena mba tokotokony mba toatoa io kosany anie izany ny fanemkem-pinoana vaovao anareo Kristiana, @ izay mazava tsara aminay Atheist eee.. Mety hiova hevitra ihany mantsyzahay io :-)

Tena fehin'ny baiboly iray manontolo no mahavaly feno ny fanontanianao saingy ezahiko valiana ihany

1-Namorona olombelona Andriamanitra mba hanana fifandraisana aminy
2- Tsy nankato an'Andriamanitra anefa raolombelona ka rava ilay fifandraisana
3- Voatery nesorina tao @ toerana niarahany t@ Andriamanitra raolombelona satria nitoetra tao aminy ny fahotana noho ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra
4- Lasa voagejan'ny fahotana raolombelona ary dia voatery hiharan'ny fahafatesana voalohany ( fahafatesana ara-nofo) sy ny fahafatesana faharoa ( farihy miregitra afo), izay ny vokatry ny fahotana ankoatry ny faharavan'ny fifandraisana t@ Andriamanitra
5- Nanomana plan anefa Andriamanitra mba hanavotra antsika, ny plan famonjena dia izao :
Andriamanitra mintsy no haka endrika olombelona, hitondra ny fahotantsika ary handrava izany @ fahafatesana, saingy hitsangana @ maty izy satria tsy nanota ka tsy tokony hisedra ny vokatry ny fahotana = fahafatesana
6- Vokany = rehefa maty Jesoa dia rava ny fahotana nanasaraka antsika t@ Andriamanitra ary resy koa ny fahatesana ka izay tafaray amin'i Jesoa dia voavela ny fahotany satria ny vokatry ny fahotany dia efa voaloha t@ fahafatesan'i Jesoa, ary hanana fiainana mandrakizay satria tsy hanankery aminy intsony ny fahafatesana
7-Rehefa vita ny iraka nampanaovina an'i Jesoa tety an-tany dia niakatra ho any andanitra izy saingy nalefa kosa ny Fanahy Masina hoan'ny olona rehetra mino azy
8- Mbola hiverina anefa izy haka ny olony alohan'ny hahatongavan'ny fahoriana lehibe satria ny olony tsy hiharan'ny fitsarana sy fahatezeran'Andriamanitra
9- Fa rehefa handrava ny fanjakan'ilay antikirsty izy no hiverina amin-kery handrava ny fahavalony, io ilay hoe armagedona

113. RBNIR ( 04/05/2020 23:10)
rhaj0:

Ny mbo rereko sy hitakitako, ary efa nolazaiko teto, ny @ Kristiana izay mba mivoatra, dia TSY @ izany "omnipresent" izany intsony ny finoany.

voalazanao....
very ilay tena izy araka ny voasoratra anaty baiboly...
« Moa tsy Andriamanitra* va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? [Heb. Izy] » (Joba 31:4)
« Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy. » (Joba 34:21)
« Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra. » (Salamo 14:2)
« Eny an-danitra Andriamanitra miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra. » (Salamo 53:2)

Ary izay no antony niverenan'i Jesosy mampianatra indray satria efa nasolon'ny olona "anganogano" ilay tena izy...

raha ny tena marina anefa....« Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. » (Matio 10:30)

ka tsarovy re re olona isany fa misy MASO MIJERY NY ataontsika ngeh ao ambony ao e! ary izay ataontsika rehetra dia tsy misy miafina Amin'io maso io na dia ny kely indrindra aza eny fa na dia ny any ampo tsy miloaka aza dia fantany avokoa
114. rhaj0 ( 04/05/2020 23:30)
gasy1zay:
1-Namorona olombelona Andriamanitra mba hanana fifandraisana aminy
2- Tsy nankato an'Andriamanitra anefa raolombelona ka rava ilay fifandraisana
3- Voatery nesorina tao @ toerana niarahany t@ Andriamanitra raolombelona satria nitoetra tao aminy ny fahotana noho ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra
4- Lasa voagejan'ny fahotana raolombelona ary dia voatery hiharan'ny fahafatesana voalohany ( fahafatesana ara-nofo) sy ny fahafatesana faharoa ( farihy miregitra afo), izay ny vokatry ny fahotana ankoatry ny faharavan'ny fifandraisana t@ Andriamanitra
5- Nanomana plan anefa Andriamanitra mba hanavotra antsika...

Izay HONO izany ilay tantara, hozy Gasy1zay

Plan A: olbln dia i MAdame Eve (IRERY) dia mpankato, dia TSY ho maty mandrakizay

Fa tsy hitan'ilay namorona ny Plan A fa mpanota anie ilay MAdame Eva vao noforoniNy teo.
Sa moa, noforoniny mba ho mpanota ilay Madame Eva.
Dia vao nanota ilay MAdama, dia noroahiny, ary afaka ny ho faty, sady afaka ny miteraka koa.

Plan B: ho maty daholo Raolbln, na dia ireo izay mba miezaka ny mankato azany. i Madame Eva no nanao ny nataony dia voa DAHOLO HONO ny zanaka aman-jafiny

REhefa averimbereina foana io dia farany lasa ... religion an..
115. gasy1zay ( 05/05/2020 12:52)
Diso rhaj0 fa talohan'ny nanotan'i Adama sy Eva dia efa nahazo bénédiction raolombelona mba hameno ny tany ao @ GEN 1.28

fa araka ny nambarako teto foana dia Andriamanitra tsy nanamboatra robot hoe hanaiky izay lazainy tsisy fepetra fa nomeny safidy foana isika, ohatrany hoe zahay zao nisafidy ny hino sy hanaiky ny teniny dia misy ny olona toa an'i rhaj0 nisafidy ny tsy nino.
116. rhaj0 ( 05/05/2020 14:39)
tena mba diso ve aho izany t@ iny k'le... GEN 1 sy GEN 2

Hoe, efa niteraka ary nameno ny tany i Raolbln tao @ GEN 1?

Fa tao paradisa (GEN 2:16) dia izay vao niteraka ilay "renin'ny olb rehetra" (GEN 2:20)?

hi hi hi... ivereno tsara ny famakianao Baiboly ry Gasy1zay fa tena mampome..

Loz'ty fa tena latsaka ambany RBNIR marina mafy... tsimponina sy tsindrohina izao toko aman'andininy izao, nefa tsy azonao akory ny Kiraonaolaoziha :-)

Sao kosa marina ny anao ry GAsy1zay
- Tao @ GEN 1 dia efa nameno ny tany raolbln. Ary ireo no nisy hatrany Aostralia sy Amazonia ary Sina sy Malaizia (razambentsika gasy)
- Fa ao @ GEN 2, izay vao niteraka ny (mpino an'i) Madama Eva. Ary ireo no lasa Jiosy sy Kristiana ary Moslimo
117. RBNIR ( 06/05/2020 07:54)
rhaj0:

Fa tao paradisa (GEN 2:16) dia izay vao niteraka ilay "renin'ny olb rehetra" (GEN 2:20)?

tsy nisy paradisa teto ambonin'ny tany an!

saha tao Edena no nisy...

« [Ny saha tao Edena, sy ny toetry ny olombelona fony tsy mbola nanota izy] Ary izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra: » (Genesisy 2:4)

ny paradisa dia any amn'ilay lanitra fahatelo no misy azy...

« Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo. » (2 Korintiana 12:2)
« Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - » (2 Korintiana 12:3)
« fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. » (2 Korintiana 12:4)

ny paradisa dia toeram-pitsaharan'ny fanahan'ireo olona izay maty tao amin'ny Tompo (anisany ilay jiolahy niaraka niantona tamin'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana...Lio.23:43 dia any koa no misy ilay lazarosy notantarain'i Jesosy tao amin'ny Lio.16:19-22

izay fanahin'ny olona lasa any dia mbola hatsangana indray rehefa miverina i Jesosy (fitsanganana voalohany)...1 Tes.4:16 Apok.20:5,6
118. rhaj0 ( 06/05/2020 15:03)
Mba mahay mitsingoligolika teny ry RBNIR dia izay no roriroritiny eto hanasarotsaromana ny hevi-dehibe maneho ny hadalan'i Gasy1zay. Eny azany fa atao hoe "saha edena" ilay izy ee..

Dia averina indray...

rhaj0:

tena mba diso ve aho izany t@ iny k'le... GEN 1 sy GEN 2

Hoe, efa niteraka ary nameno ny tany i Raolbln tao @ GEN 1?

Fa tao @ saha Edena (GEN 2:16) dia izay vao niteraka ilay "renin'ny olb rehetra" (GEN 2:20)?

hi hi hi... ivereno tsara ny famakianao Baiboly ry Gasy1zay fa tena mampome..

Loz'ty fa tena latsaka ambany RBNIR marina mafy... tsimponina sy tsindrohina izao toko aman'andininy izao, nefa tsy azonao akory ny Kiraonaolaoziha :-)

Sao kosa marina ny anao ry GAsy1zay
- Tao @ GEN 1 dia efa nameno ny tany raolbln. Ary ireo no nisy hatrany Aostralia sy Amazonia ary Sina sy Malaizia (razambentsika gasy)
- Fa ao @ GEN 2, izay vao niteraka ny (mpino an'i) Madama Eva. Ary ireo no lasa Jiosy sy Kristiana ary Moslimo
119. midrou ( 06/05/2020 20:04)
Tena mafana ny resak ato zany an!:-)

Ila ts hoaraka tsony.

RBNIR:

tsy nisy paradisa teto ambonin'ny tany an!saha tao Edena no nisy...« [Ny saha tao Edena, sy ny toetry ny olombelona fony tsy mbola nanota izy] Ary izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra: » (Genesisy 2:4)ny paradisa dia any amn'ilay lanitra fahatelo no misy azy...« Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristyaho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra nomahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo. » (2 Korintiana12:2)« Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - » (2 Korintiana 12:3)« fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona. » (2 Korintiana 12:4)ny paradisa dia toeram-pitsaharan'ny fanahan'ireo olona izay maty tao amin'ny Tompo (anisany ilay jiolahy niaraka niantona tamin'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana...Lio.23:43 dia any koa no misy ilay lazarosy notantarain'i Jesosy tao amin'ny Lio.16:19-22izay fanahin'ny olona lasa any dia mbola hatsangana indray rehefa miverina i Jesosy (fitsanganana voalohany)...1 Tes.4:16 Apok.20:5,6

Tena marin zany fa tsy nis paradisa zany teto an tany fa ny paradisa dia any @ lanitra fahatelo :-)

120. RBNIR ( 07/05/2020 07:38)
rhaj0:

Mba mahay mitsingoligolika teny ry RBNIR dia izay no roriroritiny eto hanasarotsaromana ny hevi-dehibe maneho ny hadalan'i Gasy1zay. Eny azany fa atao hoe "saha edena" ilay izy ee..

Ka ilay izy kosa aloha tokony hoe marina no resahina fa raha vao diso ngeh ny donnés dia ho diso koa ny valiny e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5586