RESAKA TAKARIVAN'i JESOSY T@ RBNIR ANDROANY[

41. gasy1zay ( 15/04/2020 20:02)
Eny hoy aho RBNIR fa ny olona rehetra zany diso daoly rehefa mamaky baiboly fa ny ao aminareo ao ihany no marina e!

Gal 1 : 8-9 :
8Eh bien ! Si jamais quelqu’un venait vous apporter, sous le nom d’Évangile, un message différent de celui que nous vous avons prêché, qu’il tombe sous le coup du châtiment divin ! Même si moi ou un ange descendu du ciel venions proclamer au milieu de vous une bonne nouvelle contredisant celle que je vous ai annoncée, que la malédiction divine nous frappe !

Gal 3:2

2Je ne vous poserai qu’une seule question : comment avez-vous reçu le Saint-Esprit ? Était-ce parce que vous aviez accompli strictement les œuvres exigées par la loi, parce que vous aviez observé toutes les ordonnances rituelles, ou bien plutôt parce que vous avez accueilli avec foi le message de la Bonne Nouvelle ?


les œuvres exigées par la loi ; famorana fotsiny ve izany ry RBNIR? Tsy ao anatiny ny sakafo sy ny andro sabata?
42. RBNIR ( 16/04/2020 08:44)
gasy1zay:

Gal 3:2

2Je ne vous poserai qu’une seule question : comment avez-vous reçu le Saint-Esprit ? Était-ce parce que vous aviez accompli strictement les œuvres exigées par la loi, parce que vous aviez observé toutes les ordonnances rituelles, ou bien plutôt parce que vous avez accueilli avec foi le message de la Bonne Nouvelle ?

les œuvres exigées par la loi ; famorana fotsiny ve izany ry RBNIR? Tsy ao anatiny ny sakafo sy ny andro sabata?

efa nazavaiko tsara mihitsy io gasy1zay, raha ohatra hoy aho ka tahaka ny tamin'ny fanekena taloha no hitandremanao ny lalàna (ilay lalàna dia soratra ety ivelan'ny olona fa tsy manamasina sy manadio ny ao anatiny) dia mitombona tsara io resahan'i paoly io...(lasa madio ivelany fotsiny ilay olona tahakan'ny fasana voalalotra fotsy Mat.23:27

Fa isika ange hoy aho efa niova fanekena e! tsy natao soratra ivelany intsony ilay lalàna (kol.2:14) fa novaina
fa novaina ho soratra anatiny...« "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy," » (Hebreo 10:16)
Ny tanjon'Andriamanitra amin'ny fanekena vaovao dia hodiovina hatrany anatiny ilay olona fa tsy atao madio ivelany fotsiny tahaka ny teo aloha ...ny fony , ny fanahiny ny fisainany dia diovina tanteraka....

Ny zavatra tokony hitranga dia izao raha misy olona 2 eo ny iray mitandrina ny lalàna araka ny fanekena taloha, dia ny iray kosa araka ny fanekena vaovao...dia izao no zavatra tokony hisy

Raha jerena ety ivelany ireo olona ireo dia samy hita fa mitandrina ny lalàna (ohatra samy tsy mijangajanga samy tsy mamono olona)

Nefa raha jerena ao anatiny kosa dia izao no hita ilay olona mbola manaraka ny fanekena taloha (tsy mandray an'i JEsosy) dia hita fa mbola maloto ny sainy sy ny fony ary ny fanahiny (mbola manana fitsiriritana vehivavy izy ao anatiny ao Mat.5:27,28 mbola manana fankahalala sy lolompo amin'ny namany izy ao anatiny ao Mat.5:21-26

Tsy mba toy izany kosa anefa ilay olona ao amin'ny fanekena vaovao satria ny fony sy ny sainy ary ny fanahiny mihitsy no ovaina handeha araka ilay lalàna madio hatrany anatiny ilay olona)
esorina tsy hisy ao aminy intsony ilay OTA (1 Jao.3:5) iny ota iny mantsy no manana filàna (Rom.6:12 sy Rom 7:5) ka mahatonga ilay olona handika lalàna rehefa tsy mahatohitra intsony izy...
Rehefa afaka ilay OTA dia mazava ho azy tsy misy intsony koa ilay filany...afaka manao ny sitrapon'Andriamanitr amin'izay ilay olona...
Fitaovana 2 no ampiasan'iAndriamanitra mba hahatanteraka an'izany ao amin'ny fanekena vaovao...
1- ny ran'i Jesosy (ny ram-biby fahiny tsy mahaisotra ny ota (Heb.10:4) fa ny ran'i Jesosy no mahaisotra azy (Heb.9:26)
2- ny FM no hanova ny fon'ny olona handehanany araka ny lalàn'Andriamanitra..
« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela 36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27)


Izany hoe raha jerena ety ivelany dia samy mahatandrina ilay lalàna izy 2 tonta saingy ny ao anaty no mampiavaka azy...

Ka averiko ihany fa diso ny filazana fa amin'ny fanekena vaovao dia tsy tandremana itsony ny lalàna....

43. gasy1zay ( 16/04/2020 12:37)
Mitandrina lalàn'Andriamanitra ny kristiana fa efa averiko foana hoe tsy ilay lalàn'i Mosesy no tandremany fa ireto roa lalàna 2 fototra ireto :

Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao ary tiavo ny Tompo Andriamanitrao @ fonao rehetra, @ herinao rehetra, @ fanahinao rehetra

vakio tsara ny 1 cor 9:21

Avec ceux qui ne connaissent pas la loi de Moïse, je vis comme si je n’avais pas cette loi, pour gagner ceux qui ne la connaissent pas. Pourtant, j’ai la loi de Dieu, puisque j’obéis à la loi du Christ.


Mazava be kosa ngamba io RBNIR fa tsy lalàn'i Mosesy no arahina fa ny lalàn'i Jesoa Kristy

dia ilay nambarany teo @ Jaona 13:34

Je vous donne un commandement nouveau : Aimez-vous les uns les autres. Comme je vous ai aimés, vous aussi, aimez-vous les uns les autres.




44. gasy1zay ( 16/04/2020 14:02)
Ampiko kely ...

Rom 13.9

En effet, les commandements : Tu ne commettras pas d'adultère, tu ne commettras pas de meurtre, tu ne commettras pas de vol, [tu ne porteras pas de faux témoignage, ] tu ne convoiteras pas, ainsi que tous les autres, se résument dans cette parole : Tu aimeras ton prochain comme toi-même.


45. RBNIR ( 16/04/2020 17:42)
gasy1zay:

Ampiko kely ...

Rom 13.9

En effet, les commandements : Tu ne commettras pas d'adultère, tu ne commettras pas de meurtre, tu ne commettras pas de vol, [tu ne porteras pas de faux témoignage, ] tu ne convoiteras pas, ainsi que tous les autres, se résument dans cette parole : Tu aimeras ton prochain comme toi-même.

voalazanao : kay fantatrao tsara ihany izany ...didy lehibe 2 = didy folo ihany...

tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra (didy 1 ka hatramin'ny faha 5

tiava ny namanao tahaka ny tenanao = (didy faha 6 ka hatramin'ny faha 10) aleo ataoko eto mihitsy ilay dikanteny malagasy hampahazava azy...
« Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona (Eks. 20. 13-17), mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). » (Romana 13:9)

46. gasy1zay ( 16/04/2020 17:46)
Ka za anie manaiky ny resaka fijangajangana sns e! Fa averiko ihany hoe tsisy resaka lalàn'ny Mosesy intsony ( andro Sabata-1/10- sakafo -famorana-sns...)
47. RBNIR ( 16/04/2020 17:51)
mitandrina ny lalàna ianao izany fa aza mandainga eo imason'ny olona....sy amin'ny FM....
satria ny hoe aza mijangajanga dia anaty didy 10...

Na
48. RBNIR ( 16/04/2020 17:55)
ny olona tena tsy mitandrina ny lalan'i mosesy hoy aho dia olona otran'i rhaj0 tsy misy izay iraharahany intsony izay lalan'Andriamanitra any na 1 aza...aminy tsy misy mahadiso azy na kely aza satria izy tsy mino fa misy maso mijery ao ambony ao...

fa raha mbola ao amin'ny olona iray ny tahotra tsy hahasahiany mandika lalàna iray na roa na 9 ao anatin'ny lalàn'Andriamanitra dia mbola mpitandrina ny lalàna ihany izy izay no tena marina....

koa aza mandainga amin'ny olona sy amin'Andriamanitra re ry gasy1zay...diniho tsara aloha ny ao anatinao ao sao dia...
49. gasy1zay ( 16/04/2020 18:09)
ny fanajana lalàna amiko RBNIR dia fitiavana ny namana sy Andriamanitra fa tsy ny lalàn'i Mosesy, izay no voalazan'ny baiboly ary ampiaroko @ fiainako , voalazan'ny baiboly fa tsy nampianarin'olombelona

Rom 13:10
Aime ton prochain comme tu t’aimes toi-même. Celui qui aime son prochain ne saurait lui causer de tort. Par conséquent, l’amour implique le plein accomplissement de tous les commandements.

Raha hanaraka ny lalan'i Mosesy ianao dia voalazan'ny baiboly, averiko tsara hoe voalazan'ny baiboly fa tsy hevitr'olombelona

Galatiana 5: 4

Mais si c’est à la loi que vous demandez de vous conduire à la vraie vie, vous n’avez plus rien de commun avec le Christ. Si vous voulez gagner l’approbation divine et être déclarés justes par vos efforts et vos œuvres, vous vous coupez de la communion avec le Christ, vous quittez le domaine de la grâce de Dieu.


tadidio RBNIR fa na ianao ambany lalàna dia io voalaza io hoe miala @ Kristy na ianao ambany fahasoavana dia miaina ao @ Kristy
50. RBNIR ( 16/04/2020 18:40)
inona no tena marina e???? hoy ianao ery ambony hoe..."ka za anie manaiky ny resaka fijangajangana sns e! Fa averiko ihany hoe tsisy resaka lalàn'ny Mosesy intsony ( andro Sabata-1/10- sakafo -famorana-sns...)"

ny fandikako an'io dia hoe manaiky ny lalan'i Mosesy amin'ny ampahany ihany ianao fa ny sabata sy ny 1/10 ary ny sakafo no tsy mety aminao...
51. gasy1zay ( 16/04/2020 18:44)
Iza no ambony RBNIR Mosesy sa Jesoa?
52. rhaj0 ( 16/04/2020 18:49)
Hajao HONO ny antitra sy ny ray sy reninao ry Gasy1zay aa :-)
Ary mino aho fa JEsosy koa nanaja ny Antitra :-)
53. RBNIR ( 17/04/2020 05:59)

gasy1zay:

Iza no ambony RBNIR Mosesy sa Jesoa?

tsy azoko....ny zavatra hitako (ary mino aho fa hitan'ny hafa izay mijery eto ihany koa ihany koa dia miaiky ihany ianao fa hoe...mitandrina ny ampahan'ny lalàn'i Mosesy fa saingy amin'ny ampahany.....

hoy ianao mantsy hoe...."ka za anie manaiky ny resaka fijangajangana sns e! Fa averiko ihany hoe tsisy resaka lalàn'ny Mosesy intsony ( andro Sabata-1/10- sakafo -famorana-sns...)"
54. gasy1zay ( 17/04/2020 13:29)
Tsy azonao ilay fanontaniana RBNIR satria ianao dia mbola voafatotry ny fampianaran'olombelona ary mbola mihevitra toy ireo galatiana fa mila manaraka ny lalàn'i Mosesy ny Kristiana ankehitriny.

Ny tiako ambara dia tsotra, Andriamanitra na Jesoa Kristy na ny Fanahy Masina no Tompon'ny lalàna fa tsy Mosesy, Mosesy nomena ny lalàna tian'Andriamanitra ho tandreman'ny vahoakany mba hahazoany fahamarinana eo anatrehan'Andriamanitra, sarotra hoan'ny olombelona ny nanaraka ireo lalàna ireo nefa tsy maintsy natao satria masina Andriamanitra ka mila masina ny olona mijoro eo anatrehany,rehefa vitan'i Jesoa Kristy anefa ny famonjena dia tsy mila manatanteraka ny lalàn'i Mosesy intsony isika satria efa nohamarinina ao @ Jesoa Kristy, tsy midika anefa izany hoe tsy manaraka lalàn'Andriamanitra intsony ka hanao izay tiana (mijangajanga, mamono olona, madainga sns..)fa misy didy nomen'i Jesoa Kristy hoarahina dia io averiko eto foana io hoe ny fitiavana : fitiavana ny namana ary ny fitiavana an'Andriamanitra,
eny ny lalàn'i Mosesy koa misy an'ireo satria ny lalàn'i Mosesy koa dia avy amin'Andriamanitra saingy tsy mila arahinao intsony hitadiavana fahamarinana eo anatrehan'Andriamanitra satria efa nohamarinina ao @ Jesoa Kristy ianao saingy mila mandeha amin'ny fitiavana tena tanteraka ianao satria Andriamanitra dia fitiavana
55. RBNIR ( 17/04/2020 15:43)
Efa nazavaiko teto gasy1zay fa na noho ny fitiavana, na noho ny tahotra na noho ny fitarihan'ny FM na mety antony hafa ihany koa aza no hitandremanao ny lalàn'i Mosesy (na 1 na 2 na mihoatra...)

Dia mpitandrina ny lalàn'i Mosesy foana ianao na inona filazanao na inona....

ary tsy mahagaga mihitsy raha niaiky ianao ka nanao hoe...

."ka za anie manaiky ny resaka fijangajangana sns e! Fa averiko ihany hoe tsisy resaka lalàn'ny Mosesy intsony ( andro Sabata-1/10- sakafo -famorana-sns...)"
56. rhaj0 ( 17/04/2020 16:35)
gasy1zay:
... didy nomen'i Jesoa Kristy hoarahina dia io averiko eto foana io hoe ny fitiavana : fitiavana ny namana ary ny fitiavana ...

Raha ohatra izany hoe, i Gasy1zay dia masochiste, ary i RBNIR dia sadique.

Raha manaraka ara-baki-teny ny "tiavo ny namanao tahaka ny tenanao" an'i JEsosy anie nareo roaroa dia tena tsy mety eee.. Jereo tsara:

- RBNIR dia sadique, izany hoe tia manongo ohatra. RAha tian'i RBNIR toa ny tenany i Gasy1zay, dia ampirisihiny i Gasy1zay koa mba ho tia hanongo "hotr'azy".

- Nefa i GAsy1zay masochiste. Izany hoe tia tsongoina. Dia inona fa tsy hahita fafiny @ izany tia manongo izany mihitnsy i Gasy1zay.

Dia tsy mety miaraka izany nareo roaroa, arak'i JEsosy.
Nefa anie ny sado sy ny maso no tena mifampi-j'aime be mihintsy ee :-)


Ohatra ivanitihana fotsiny io, fa rahefa mifanambady nareo, dia tsy voatery hoe ilay "tahaka ny tenanao" no ho tianao eee...
57. gasy1zay ( 17/04/2020 17:51)

RBNIR > tsy manaraka ny lalàn'i Mosesy ny olona iray rehefa tsy manaraka azy 100% satria rehefa misy 1 tsy arahiny dia tsy manaraka azy rehetra izy, tsy misy hoe manaraka lalàn'ny Mosesy @ ampahany izany, na manaraka ianao na tsia, averiko indray ny fanontaniko napetrako aminao, manaraka ny lalàn'i Mosesy ve izany ianao? tadidio fa voasoratra mazava hoe rehefa diso @ 1 ianao dia diso @ izy rehetra
58. RBNIR ( 18/04/2020 08:52)
tao amin ny lalan i mosesy nisy ny atao hoe aloka tsy tandremna intsony ankehitriny araka ny fampianaran i Jesosy kolosiana 2 ny tsy fitandrzmana izany intsony dia tsy mahadiso eo anatrehan Andriamanitra...
misy koa ireo lalana izay nongotan iJesosy satria tsy nambolen Andriamanitra...tsy tandremana intsony koa ireny...ary tsy mahadiso....
fa ny lalana tsy azo sarahina kosa araka jak.2:10?11 dia ny didy 10 raha vao mitandrina ny 1 amin ireo ianao dia tsy mintsy mitandrina azy rehetra....
59. gasy1zay ( 18/04/2020 21:06)

RBNIR:

tao amin ny lalan i mosesy nisy ny atao hoe aloka tsy tandremna intsony ankehitriny araka ny fampianaran i Jesosy kolosiana 2 ny tsy fitandrzmana izany intsony dia tsy mahadiso eo anatrehan Andriamanitra...
misy koa ireo lalana izay nongotan iJesosy satria tsy nambolen Andriamanitra...tsy tandremana intsony koa ireny...ary tsy mahadiso....
fa ny lalana tsy azo sarahina kosa araka jak.2:10?11 dia ny didy 10 raha vao mitandrina ny 1 amin ireo ianao dia tsy mintsy mitandrina azy rehetra....


mba fantatrao ary ve moa ry RBNIR fa raha ny lalàn'i Mosesy dia efa diso ianao manoratra eto anio fa efa tsy fanajana andro sabata izany? ka mila ilaina ny manaja ny andro sabata sa tsia?
60. RBNIR ( 19/04/2020 00:16)
gasy1zay:

mba fantatrao ary ve moa ry RBNIR fa raha ny lalàn'i Mosesy dia efa diso ianao manoratra eto anio fa efa tsy fanajana andro sabata izany? ka mila ilaina ny manaja ny andro sabata sa tsia?

ka efa nahitsin'i Jesosy daholo ireny rehetra ireny ...rehefa tonga ny sabata dia "nampianatra no nataon'i Jesosy...

« Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny tànany izao? » (Marka 6:2)

izay koa no nahatonga ireo mpianatry ny Tompo nandresy lahatra nampianatra isaky ny andro sabata...

« Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka. » (Asan'ny Apostoly 13:42)
« Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin'Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 13:44)
« Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa. » (Asan'ny Apostoly 18:4)

Mianara tsara re aloha gasy1zay fa aza donton'ny fampianaran'ny Jiosy ianao a! io saina io ange no nahatonga ny Jiosy tsy nahay nandray ny fampianaran'i Jesosy e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1485