RESAKA TAKARIVAN'i JESOSY T@ RBNIR ANDROANY[

181. RBNIR ( 05/06/2020 10:10)
Ka ny nampahafantarina ahy momba ny baiboly dia ity....

« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)

Ny zavatra nampahafantarina ahy dia ny Soratra Masina dia tsy avy amin'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany fa avy tamin'Andriamanitra no nanoratan'ny olona azy araka izay nitrondran'ny FM azy...

182. rhaj0 ( 05/06/2020 12:19)
Eritrereto tsara ao ho'a ry RBNIR aa... ireo olona "olona tany aloha rehetra" ireo no nifamokivoky tao niaraka t@ tsy-fahalalany tao. Ka izay no ambaratongam-pahalalana t@ izany fotoan'androny sy jeogirafiany tao izay.

Dia tsy mbo mahakitika ny sainao mihintsy ve fa

1- toa TSISY "faminaniana" intsony taty aoriana? Efa ho arivo taona na mihoatra izay?
Satria tsy hary ho vokivokisana resa-kehy intsony ny olona taty aoriana fa efa mba nitombo ny ambaratongam-pahalalany

2- toa betsaka no nolazaina hoe "faminaniana" HONO, nefa dia hita be fa "faniriana" no betsaka?
Ary kely dia kely ny fitombenany, hany ka voatery aholakolana ny fandraisana azy izay vao "hotry ny" mba mitombona kely ilay resaka?

3- koa na ilay resaka manodidina ilay hoe "faminaniana" aza, dia tsy hitanao ve fa dia tena vokatr'ilay fisainana sy fihevitra t@ izay fotoan'androny izay sy tao @ jeogirafiany tao?
Nefa mizesta hoe "maminany ny ho avy" HONO izato izy. Ny "ho avy" angaha ho toa izay fisainana sy fihevitra t@ izay fotoan'androny izay sy tao @ jeogirafiany tao izay?


Ivereno eritreretina tsara ary ampiasao coco sy anontanio an'Ineny Gogola ny resaka rehetra "nampianarina anao" tao ry RBNIR aaa...
Efa lehibe ianao izao, ary tsy tokony ho gros beta ao foana dia manaiky sesefana abobo lava ao.
183. gasy1zay ( 05/06/2020 15:48)
rhaj0 > mbola misy ny faminaniana ankehitriny satria fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina io saingy toy ny t@ andro fahiny dia misy ny mino misy ny tsy mino ary koa misy ny tsy avy amin'Andriamanitra fa faminaniana diso na faminaniana sandoka mintsy aza.
184. rhaj0 ( 05/06/2020 20:35)
gasy1zay:
rhaj0 > mbola misy ny faminaniana ankehitriny (...) ary koa misy ny tsy avy amin'Andriamanitra fa faminaniana diso na faminaniana sandoka mintsy aza.

Satria izany TSISY ao anaty Baiboly izany lazaina(o) fa "faminaniana" izany.

Koa dia IZA no mitsara hoe "tena izy" sa "tsy tena izy" ilay Faminaniana?

O Iza Iza?
185. RBNIR ( 08/06/2020 04:54)
rhaj0:

gasy1zay:
rhaj0 > mbola misy ny faminaniana ankehitriny (...) ary koa misy ny tsy avy amin'Andriamanitra fa faminaniana diso na faminaniana sandoka mintsy aza.

Satria izany TSISY ao anaty Baiboly izany lazaina(o) fa "faminaniana" izany.
Koa dia IZA no mitsara hoe "tena izy" sa "tsy tena izy" ilay Faminaniana?
O Iza Iza?


« Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy; » (Asan'ny Apostoly 2:17)

amin'ny andro farany hoy ny teny ny zanakalahy sy ny zanakavavy haminany...
186. rhaj0 ( 08/06/2020 10:48)
gasy1zay - 05/06/2020 17:48:
misy ny faminaniana ankehitriny
RBNIR - 08/06/2020 06:54:
amin'ny andro farany hoy ny teny ny zanakalahy sy ny zanakavavy haminany...

Dia inona ihany izy'ty ry izy roaroa aaa??? ankehitriny sa @ andro farany??

i Gasy1zay ampitenenin'ny FM HONO, ary i RBNIR miresaka @ Jesosy HONO. ka dia tena misy mampiresaka fotsiny izany ny iray @ ireo. Gasy1zay sa RBNIR? FM sa Jesosy?
187. RBNIR ( 08/06/2020 12:42)

rhaj0:

gasy1zay - 05/06/2020 17:48:
misy ny faminaniana ankehitriny
RBNIR - 08/06/2020 06:54:
amin'ny andro farany hoy ny teny ny zanakalahy sy ny zanakavavy haminany...

Dia inona ihany izy'ty ry izy roaroa aaa??? ankehitriny sa @ andro farany??

i Gasy1zay ampitenenin'ny FM HONO, ary i RBNIR miresaka @ Jesosy HONO. ka dia tena misy mampiresaka fotsiny izany ny iray @ ireo. Gasy1zay sa RBNIR? FM sa Jesosy?

andro farany izao ka...efa miveina indray ny fitoriana ilay fampianarana tsy misy kilema nampianarin'i Jesosy fahiny...

« Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Matio 24:14)

Ity filazantsara ity = tsy filazantsara vaovao fa ilay taloha ihany ...rehefa hitanao fa toriana indray izany dia "vao ho tonga ny farany" : andro farany izao

188. rhaj0 ( 08/06/2020 16:39)
Jereo tsara ny dika-teny Anglisy @ ilay resak'i JEsosy

Matthew 24:14: ?And this gospel of the kingdom shall be preached in all the world for a witness unto all nations; and then shall the end come.

Izany hoe, "ho toriana ilay gospel", and then... ary avy eo ... dia HO tonga ny farany (andro farany)


Dia jereo tsara ny fantsin'i RBNIR
rehefa hitanao fa toriana indray izany dia "vao ho tonga ny farany" : andro farany izao


Io mazava be io, fa HO AVY ilay "farany", hozy Jesosy, fa TSY hoe "izao ilay andro farany", hozy RBNIR.


Hitanao io ry RBNIR, fa dia POROFO mitohoka @ oronao petaka izao, fa dia tena araka ny nolazaiko hoe, ny an'i RBNIR, dia mody savihanao ny teniNY, dia ampianao ny anao.


Eo ianao ry RBNIR hitan'ny havanao ao..
ary dia averiko foana, aza savisavihinao ho'a Jesosy, savisavihinao hitovy hevitra aminao.. fa dia afa-baraka mihintsy i Jesosy ee...
letia ee.. hotry ny izaho indray no sarotiny, fa dia .. tohizo azany ry RBNIR aa... tohizo savisavihina dia ampandainganao ao foana i JEsosy.. inona tokoany ny olana
189. RBNIR ( 09/06/2020 06:06)
ireto koa mbola manaporofo fa tena efa andro farany izao...

« efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany » (2 Petera 3:3)
« fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny. » (Joda 18)
190. rhaj0 ( 09/06/2020 12:38)
nitsindroka kely toko aman'andininy hafa indray Ratiatsimpontsimpona RBNIR. Resa-nJesosy io efa maza beuh, fa nampian-dRBNIR resa-mPetera indray.

Ka ny tianao lazaina ve izany ry RBNIR, dia MIFANOHITRA ny resa-mPetera ao @ Petera sy ny resa-Jesosy ao @ Matio?

Ny resa-mPeteera dia izao "maniratsira" izao, sahalan'ny mba vao izao vao misy ny "maniratsira". Ny resa-nJesosy anefa efa mazava beuh ao @ Matio io, fa "hotorina amin'izao tontolo izao" aloha ilay gospel, IZAY VAO "ho tonga ny farany".

Mbola eo am-pitoriana ilay gospel foana aloha h@ izao, satria dia tena mbola tsy asian'ny ERAKY izao tontolo izao sira ity gospel-nJesosy nJesosy ity. Firy milliards ny Sinoa sy Japs ary Karana tsy mandraharaha na ny pitiny @ izay gospel gospel izany?

191. RBNIR ( 10/06/2020 04:56)
rhaj0:

Ka ny tianao lazaina ve izany ry RBNIR, dia MIFANOHITRA ny resa-mPetera ao @ Petera sy ny resa-Jesosy ao @ Matio?

Tsy misy mifanohitra mihitsy fa mifameno (ny zavatra nampianarin'i petera dia noraisiny avy tamin'i JEsosy...

Jesosy niteny hoe : rehefa torina amin'izao tontolo izao ilay filazantsara notoriany fahiny (tsy hafa fa ilay fampianarana tsy misy kilema dia vao ho tonga ny farany

petera kosa mampahafantatra ireo zavatra hisy amin'ny andro farany...

Tsy misy zavatra mifanohitra mhitsy...
192. rhaj0 ( 10/06/2020 10:42)
Rehefa tena tsisy mihintsy ilay honnetete intelektoalinao ao ry RBNIR, dia tena avelao ianao hilona maimbo lava ao @ hadalanao ao, ary ho hitan'ny olona tsara eo ianao mihahaka lava eto.. @ RBNIR dia tena tsisy maha-"masina" an'io Soratra io, fa tsindrontsindrohana dia afangaroaro sy hosihosena ary toritoriana mivilambilana ao io Baiboly io. @ io ampian-dRBNIR fitonontononana sy fisavisavihana ny anaraNY. Mbo te-Kristiana manaraka an'i KRisty ry RBNIr, dia Jesosy no ao an-dohany HONO, nefa kay YHWH no antsointsoiny.

Fa dia ao ianao izany ry RBNIR aa...
193. midrou ( 11/06/2020 09:37)
RBNIR:


Tsy misy mifanohitra mihitsy fa mifameno (ny zavatra nampianarin'i petera dia noraisiny avy tamin'i JEsosy...

Jesosy niteny hoe : rehefa torina amin'izao tontolo izao ilay filazantsara notoriany fahiny (tsy hafa fa ilay fampianarana tsy misy kilema dia vao ho tonga ny farany

petera kosa mampahafantatra ireo zavatra hisy amin'ny andro farany...

Tsy misy zavatra mifanohitra mhitsy...



>RhajO
Tsisy na de iray aza ao @ Baiboly NY teny mifanohitra fa tena mofameno tokoa ....
Fa nohon'ny tsy fahalalan'ny olona satria zava-miafina dia lazainy fa mifanohitra

Marina NY nambaran'i RBNIR fa fitaovana ihany Petera niteny an'io fa Jesosy(FM) no nampiteny azy...

194. rhaj0 ( 11/06/2020 11:18)
O ry Midrou... efa hoe, mbo tanora ihany izato ianao, (fa tsy toa an-dRBNIR), nefa ho'a dia tena tsy mba kingakinga mitsikarokaroka eraky ny interinety ary manontany an'Ineny Gogola, ohatra eto.

Ny resaka aroso anie ry Midrou mbo tohanana amina zava-misy, fa tsy toa io ataonao io, toritoriana tsisy fanamarinany akoriny (affirmation gratuite). Tsy eny ambony alitara akory ianao ho'a eto ry MIdrou ka hanao toa izany.

Fa dia ao @ io rohy io dia mitanisa fa dia feno contradictions ao anatin'io Baiboly io.
Afaka dinganinao ny resaka navoitran'ny Atheist raha izay no mahadiavolana ny sainao (tery)
195. RBNIR ( 11/06/2020 12:46)
tato izao ianao nitondra anankiray dia noporofoina fa tsy mifanohitra fa ianao no mbola tsy mahatakatra....
:-)

https://forum.serasera.org/forum/message/m5eddc9a637f43#m5ee2211799693

fa tsy maninona fa ento eto ihany rhaj0 dia iarahantsika midinidinika eto a! :-)
196. midrou ( 11/06/2020 15:24)
rhajO:

https://answersingenesis.org/contradictions-in-the-bible/


Zah anie rhajO ts manohitra an'le hoe mitsikaraka eraky ny internety e:-)
Ilaina tokoa zany , saingy tsy natao hitari-dalana fa entina ho famaporofona fotsiny ny fahanarinan'ny ten 'Andrmanitra..

Izany hoe: ny baiboly no tokony ho fototra…:-)

ohatra zao ny momba ny ady hevitra sabata/sabotsy( asa ny hevitr'i gasy1zay @ tony;-)

https://fr.m.wikipedia.org/wiki/Sabbat_(religion)





197. rhaj0 ( 11/06/2020 16:01)
Ka tailana beuh anie izany fisainanareo izany ry Midrou ee.. Aiza ilay obzectivitia sy ny saina misokatra, raha ohatra ka vao mitsikaroka fotsiny ianao, dia ny an-dohanao dia efa mikatona @ amaporofona fotsiny ny fahanarinan'ny ten 'Dieu

Mbo tanora ihany ve ianao dia efa hakatonao sahady ny sainao re ry Midrou.. Hafa ny bainimbainina hotry RBNIR, na koa ny bainbainina taloha tsy nipataloha, ireo no manakatona ny sainy fa matahotra ny zava-misy marina, dia aleon-dreo rotsirotsian'ny resa-kehy fahagola any.
198. midrou ( 11/06/2020 16:49)
rhajO:


ny an-dohanao dia efa mikatona @ amaporofona fotsiny ny fahanarinan'ny ten 'Dieu


Zay ve no fijerinao azy ''mikatona'':-)
Malalaka ny saiko ary afaka mamantatra ny zavatra rehetra aho saingy kosa ny fahamarinan'ny tenin'i Dieu no hitako fa tsara

[size=16]Tsara...[/size]
[size=14]Tsara…[/size]
[size=12]Tsara…[/size]
199. RBNIR ( 12/06/2020 05:51)
rhaj0:

Ka tailana beuh anie izany fisainanareo izany ry Midrou ee.. Aiza ilay obzectivitia sy ny saina misokatra, raha ohatra ka vao mitsikaroka fotsiny ianao, dia ny an-dohanao dia efa mikatona @ amaporofona fotsiny ny fahanarinan'ny ten 'Dieu

Mbo tanora ihany ve ianao dia efa hakatonao sahady ny sainao re ry Midrou.. Hafa ny bainimbainina hotry RBNIR, na koa ny bainbainina taloha tsy nipataloha, ireo no manakatona ny sainy fa matahotra ny zava-misy marina, dia aleon-dreo rotsirotsian'ny resa-kehy fahagola any.

ary raha izao no atao...i midrou manaporofo ny azy dia ianao koa mba mihezaka manao toy izany dia aleo ireo zaza (tsy mikatona handinika) sy handray izay raisiny eo???

:-)
200. rhaj0 ( 12/06/2020 10:58)
midrou:
[size=16]Tsara...[/size]
[size=14]Tsara…[/size]
[size=12]Tsara…[/size]

Ekipan'ny Profeta Tsaratsara koa angaha 'le Midrou 'ty?

Ahoana no fampivadianao an'i Pasitera Herinirina sy Profeta Tsaratsara ao re ry Midrou?

Dia loza n'enao fa manaraka mihtnsy ny haren-dr-a-d-nao ao an...manome 1/10 an'i HRNRN, dia manome volamena an'i Tsaratsara.

Fa dia inona loatra ho'a no tsy ampy ao aminao ao ry Midrou, no dia miantsampy @ ireo mpanambaka ireo ianao ee?... Inona no tsy ampy:
- besoin fondamental? sakafo, securite.... nefa ny haren-dr-a-d-nao arianao any @ HRNRN sy Tsaratsara fotsiny
- besoin fitiavana?... f'angaha i HRNRN sy Tsaratsara hanome anao fitiavana? ny haren-dr-a-d-nao no tiany fa tsy ianao


Ny fahitako azy, ny tsy ampy aminao dia "fahalalana". Ka toro-hevitro aminao, dia tohizo ny fitsikarokarohana miaraka @ Ineny Gogola.. hitaro ny fahalalana, na fizika astronomia na psikolozia sosiolozia. Fa na ho ela na ho haingana, dia ho hitanao fa dia tena nandra beuh mihintsy ianao nanidy ny sainao @ ity resaky ny moyen-orient-de-l'an-zero ity.

Fa izay ee... mifampiresaka eto isika afaka 10 taona, 1 May 2030 izy teo, dia @ izay aho no isaoranao fa mba lasa Atheist sahala @ olona normal @ izay ity ianao :-)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2286