paka 2020

81. RBNIR ( 03/04/2020 20:13)
aleo ary angamba hezahiko hazavaina hatrany e,

raha nentina teto ny fanazavana momba ny gen.2:21,22 (nanao operation an'i Adama Andriamanitra ary nanao clonage hahazoany an'i Eva)....

sy ny resaka momba ny hoe Afobe dia tsy inona fa ilay trou noir hitan'ny manampahaizana ankehitriny (mahavita mandevona sy mandoro galaxie anankiray ...(ny masoandro, kintana, volana ny tany sns.....)

Dia misy "hafatra lehibe" tian'Andriamanitra hampitaina antsika taranak'olombelona aty aoriana ao....

Izany hafatra lehibe izany dia hoe (Isa.55:8,9)

« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isaia 55:8)
« Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. » (Isaia 55:9)


"Io Andriamanitra io dia manana fahalalana miohatra lavitra noho ny fahahalalana anan'ny zanak'olombelona ankehitriny....ka tokony "homena Voninahitra, sy hatahorana ary hiankohofana mihitsy aza....(apok.14:6,7)....

Tonga ny fotoana fiasan'ilay anjely voalohany voalaza ao amin'ny apok.14 ankehitriny...

Ka raha te hovonjena re! (amin'ity coronavirus ity sy ireo loza 7 mahatsiravina ary koa ilay Afobe izay ho avy tsy ho ela intsony rehefa vita ny asan'ireo anjely 3 ao amin'ny apokalipsy 14 ireo dia tanteraho ny lazain'ity anjely voalohany ity....

« .... Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, » (Apokalypsy 14:6)
« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apokalypsy 14:7)


Tianao Andriamanitra....ny zavatra rehetra hitantsika ankehitriny (araka ny ambaran'ny namana midrou ery ambony dia fahatanterahan'ny soratra masina avokoa...)

MINOA ISIKA REHETRA FA ISIKA IZAO NO GENERATION FARANY FA TSY MISY INTSONY AORIANA AO .... NY ZAVATRA REHETRA MISEHO ANKEHITRINY DIA MANAMARINA IZANY AVOKOA....

NY CORONAVIRUS DIA VAO FANOMBOHANA IHANY (TOY NY SIDA, NY PESTES BUBONIQUES SNS.... (SATRIA NY LUC.21:11 DIA MILAZA HOE PESTE(S) AU PLURIEL IO...HIVOAKA DAHOLO IZAO KARAZAN ARETINA MANDRINGANA TSY MBOLA FANTATRA IZAO MANOMBOKA HATRETO...ARY HIHAMAFY HATRANY NY FISEHONY ARAKARAKY NY MAHAKAIKY ILAY FARANY ARY HISY FAMANTARANA LEHIBE ENY AMIN IO LANITRA IO HAMPIHOROHORO NY ZANAK OLOMBELONA......

il y aura de grands tremblements de terre, et, en divers lieux, des pestes et des famines; il y aura des phénomènes terribles, et de grands signes dans le ciel.Luc.21:11

vOKATR IREO ARETIMANDRINGANA IREO DIA HO TONGA NY MOSARY SATRIA TSY AFAKA HIASA ARA-DALANA INTSONY NY OLONA ARY NY VOKATRA AVY DIA HITOTONGANA (SAMY EFA MAHATSAPA AN IZANY ANGE ISIKA IZAO E!!!°

MATAHORA AN ANDRIAMANITRA!!! MIANKOHOFA EO ANATREHANY ARY OMEO VONINAHITRA IZY FA TONGA NY ANDRO FITSARANY!!!
82. rhaj0 ( 03/04/2020 20:18)
gasy1zay:
Tsy hitanareo hoe fandaniampotoana ve ny adihevitra siansa vs Andriamanitra?

Ny Siansa dia TSY mila ary tsy mandraharaha ny Ami Imazinera (God/Dieu/Atra SY ny reviredy be vata arosony.
TSISY adala handalina dia hanao publication scientifique ka anamarina fa ny fotaka+rora=manasitrana-Jamba ohatra dia tena nisy.
NY Siantista, izay Atheist koa, eo @ 70-90%, dia tena TSY mandraharaha izay lazaina fa hoe fanazavana sy koa faminanian'ilay boky tontam-Baiboly ao izany.

Childish, hozy Einstein izay. Useless.

Ary ny imazination-nareo Mpino dia takatry ny imazination-n'ny TsY-mpino tsara mihintsy, ary ivanitihana gilady fotsiny.

Fa ny hain'ny Siansa kosa anefa, dia indrisy ry tava-tsosisy hozy ny fiteny, fa tena TSY takatry ny Mpino (sasany) mihintsy. Ataony fa resaka ataingitaingina toa ny resa-Biboly ihany ilay izy, ary i RBNIR sy ny anarany Ratiatsindrontsindroka Betsimpontsimpona no exemple maneho azy.

Ary indrindra koa, ireo Kristiana hafahafa (toa RBNIR) ihany no misavisavika hoe, mbo manao Siansa koa HONO zareo (sy Jesosy), ary ny sampona dia, na dia miseho azy ho "ambony kokoa" na ny toa izany HONO ilay finoany ao, dia kay mpihatsara velatsihy miankina @ Siansa ihany kay koa ireto Mpino ireto...
83. RBNIR ( 03/04/2020 20:24)
rhaj0:

Ary indrindra koa, ireo Kristiana hafahafa (toa RBNIR) ihany no misavisavika hoe, [u]mbo manao

Vakio tsara io hafatra eo ambony io e! efa kely ange sisa hoy aho e!
tsy te hahita anao hanenina mafy aho....tahakan'izay aho nino ani RBNIR dia mba nibebaka ihany...
84. rhaj0 ( 03/04/2020 20:48)
Rehefa TSY mahatakatra ny fandehany dia mivarina @ finoanoam-poana toa i RBNIR io.

saika isaky ny taonjato dia nisy pandemy mamely ary mamono olona an'alinkisa. 1720, 1820, 1920, 2020.. Ary eo antenantenany koa misy areti-mandoza koa. Ngo dia raikitra indray ity minomino foana, dia hoe rehefa '20 dia avy ny loza. Ka da mandalo io ary tafarina foana Raolona, RAHEFA TSY MIANKINA @ IZAO REVIREDIM-BAIBOLY HOE FARA-ANDRO IZAO.


Ohatra izao @ ity Coronavirus ity. Inona @ lazain'ny Siansa ity no TSY azonao?

-- raha 5% no maty, ary 5% koa mila urgence be, dia 85%-n'ny voany dia sitrana.
Averina indray, [size=15]85%-n'ny voany dia sitrana[/size].
Averina fanin-telony, [size=18]85%-n'ny voany dia sitrana[/size].
Averina fanin-efany, [size=22]85%-n'ny voany dia sitrana[/size].

Inona no tsy azonao hatreto ry RBNIR?


Maninona no miadaladala lava toa io re ry RBNIR, dia mamerina toa boloky tsy am-piheverana izao rediredin'Apokalipsa izao? han? Efa lehilahilehibe anie ianao izao eee...
85. RBNIR ( 03/04/2020 20:53)
koa maninona no tsy havela hiasa ny olona raha izany dia izay marary mafy ihany no tsaboina rhaj0 fa maninona no hampihorohorona izao tontolo izao???
86. RBNIR ( 03/04/2020 20:55)
ary maninona ianao no mbola mihiboka ao fa tsy lasa mivoaka???? hi hi hi....
87. RBNIR ( 03/04/2020 21:40)
aleo ary ampiako ianao e! satria raha avela hahalaka io corona virus io dia raha 7 milliard ny isan'ny olona eto ambonin'ny tany dia ny 350 millions izany (raha kely indrindra) dia ho faty...

raha kely indrindra hoy aho satria rehefa tena betsaka loatra ny olona marary dia hitombo io 5% io satria tsy ho vitan'ny mpitsabo intsony ny hiandraikitra azy ka mety hoe 5% no hitantsika izao fa raha avela hihanaka io dia mety ho lasa hatramin'ny 20% mihitsy na mahery....

ka zava-doza amin'ny atambo re io pandemie (areti-mandringana) io fa aza dia faly hamaly fotsiny izato ianao rhaj0 a!
*
voa ny corona virus izay fa raha ny faminaniana mbola betsaka no ho avy eo....

Ny fahendrena dia mibebaha!!!
88. RBNIR ( 03/04/2020 21:47)
LOZA BE AMIN ATAMBO ITY MAHAZO ANTSIKA ITY RAOLOMBELONA O!!!

EFA VOALAZAN NY BAIBOLY IO!!! FA MIFOHAZA!!! MIBEBAHA!!! MANAOVA NY MARINA RAHA TSY TE HO VOA!!! (SALAMO FAHA 91)

INONA NO MARINA??? « Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jaona 18:37)

izay nambaran'i Jesosy no MARINA...

iNONA NO NAMBARAN I JESOSY???

« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

FAMPIANARANA AVY ANY AN-DANITRA!!! AVY TAMIN ANDRIAMANITRA
Izay nambaran'i Jesosy no marina (FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA)

ITY MISY OLONA IRAY NAMPIANARINY AN IZANY

89. rhaj0 ( 03/04/2020 22:12)
RBNIR:
ary maninona ianao no mbola mihiboka ao fa tsy lasa mivoaka???? hi hi hi....

Satria aho mitsinjo ny 5% izay ho faty raha voany.

Ary TSY mampihomehy izany ry RBNIR, fa dia anarany fotsiny ianao mba hoe mieboebo hoe miresaka @ Jesosy, nefa dia asehonao tsara eto mihintsy ny maha-tsisy fo sy tsisy saina an'i RBNIR hotran'io!!
90. RBNIR ( 04/04/2020 03:21)

rhaj0:

RBNIR:
ary maninona ianao no mbola mihiboka ao fa tsy lasa mivoaka???? hi hi hi....

Satria aho mitsinjo ny 5% izay ho faty raha voany.

Ary TSY mampihomehy izany ry RBNIR, fa dia anarany fotsiny ianao mba hoe mieboebo hoe miresaka @ Jesosy, nefa dia asehonao tsara eto mihintsy ny maha-tsisy fo sy tsisy saina an'i RBNIR hotran'io!!

ngah moa tsy sarcassme kely mampitsikitsiky kely no ataontsika eto ry rhaj0???? fa mahafinaritra fa MANOMBOKA tafita ny hafatra satria EFA MAHATSAPA IANAO FA EFA TSY MAMPIHOMEHY INTSONY ITY RESAKA ITY...

Fantatrao tsara fa loza amin'atambo ilay izy nefa raha vao i RBNIR no miteny (hafatra avy amin'i Jesosy) ...dia ny hanohitra ihany na dia marina aza ny lazain'i RBNI mpitondra hafatra avy amin'i Jesosy lasa miteniteny foana toy ny zazakely IANAO MITABATABA ERAKY NY TANANA FA TSY MANINONA IO FA 85 % TSY HANINONA???

ka tazomy tsara ny fotokevitrao rhajo fa lasa mampihomehy ny ankizy ianao a! SATRIA TENA MARINA FA TSY MAMPIHOMEHY ARY TSY TOKONY HIHOMEZANA HOY AHO ITY FA ZAVA-DOZA TONGA AMIN-NY OLOMBELONA FAMINANIANA TANTERAKA ARY VAO FANOMBOHANA NY CORONA VIRUS....PESTE(S) NO VOASORATRA ARAKA NY LIO.21:11 ARY HISY NY MOSARY (HO AN'IZAO TONTOLO IZAO....

AZA FALY MANOHITRA...TSY EFA TONGA V NY MOSARY IZAO??? SUPERMARCHE ILAHARANA FOKOTANY HILAHARANA NY EPICERIE HILAHARANA SNS.....

PAPIER HYGIENIQUE HIADIVANA SY HIFAMONOANA???

Ovay ny fijery henoy ny mpaminany fa aza variana ny hanohitra be fahatany ....
91. rhaj0 ( 04/04/2020 21:13)
Ka dia tohizo azany ny toriteninao ry RBNIR, ary asivo droit d'auteur tsara mihintsy rehefa miteny, hoe "resak'i JEsosy takariva t@ RBNIR", fa tsy asafotofoto eto fotsiny ..
jerena tsara eto raha mba misy ihany izao honnetete-ndRBNIR eo anoloan'i JEsosy izao.

Ka ho avy io izao ny Paka, ka dia karakory ataonao sy Jesosy ry RBNIR?

[size=2]Rahefa tafavoaka toa ny ao Sina izao tontolo izao, ramin'ny Jiona na Septambra, dia ho fongarina hivoaka hihahaka eto ny avendranan'i RBNIR sy ny Jesosiny.[/size]
92. RBNIR ( 04/04/2020 21:19)

rhaj0:

Ka dia tohizo azany ny toriteninao ry RBNIR, ary asivo droit d'auteur tsara mihintsy rehefa miteny, hoe "resak'i JEsosy takariva t@ RBNIR", fa tsy asafotofoto eto fotsiny ..
jerena tsara eto raha mba misy ihany izao honnetete-ndRBNIR eo anoloan'i JEsosy izao.

Ka ho avy io izao ny Paka, ka dia karakory ataonao sy Jesosy ry RBNIR?

[size=2]Rahefa tafavoaka toa ny ao Sina izao tontolo izao, ramin'ny Jiona na Septambra, dia ho fongarina hivoaka hihahaka eto ny avendranan'i RBNIR sy ny Jesosiny.[/size]

Jesosy hoy aho tsy mitaona ny olona hitandrina ny andro firavoravoana 3 intsony (paska, pentekosta ary ny fetin'ny tabernakely)
93. RBNIR ( 04/04/2020 21:25)
[size=2]vakio ny postko voalohany indrindra ery amin'ny pejy 1 e! aiza ary izy izany rhaj0! ianao ihany ange no nitoraka voninkazo an'i Jesosy e! sao dia efa fanina loatra ary ny namako izany???manindrona mafy ngah ilay sabatra 2 lelan'i Jesosy rhaj0? Heb.4:12 mahay mamantatra ny any anaty any ngeh hono izy io e!!![/size]
94. rhaj0 ( 07/04/2020 19:32)
Na dia efa fantatra izao azany fa rehefa mitangorongorona na miangona, dia miampitapita ilay COVID-19, nefa dia mbola misy manao @ anaran'ny finoany ihany, na Kristiana izy io na Jiosy, na any Etazonia na any Pakistan

Enga anie mba TSY isan'ny lazaina fa COVID10T ny (kristiana) gasy
https://www.cnn.com/2020/04/06/opinions/religious-gatherings-coronavirus-bergen/index.html
... A prayer meeting at a church in Mulhouse, France in late February unwittingly kicked off "what soon became one of Europe's largest regional clusters of infections,...

HO an'i GAsy1zay mpomba an'i Trump, dia lolohavo azany ny tori-teniny
President Donald Trump is getting in on the act, saying at a press conference at the White House on Saturday that he is considering letting "special" churches hold services outside "with great separation" for Easter this coming Sunday.

Hotry ny hoe, ka dia avelao koa ho bokan'ny COronavirus ao ireo Kristiana dontom-pinoana ireo, nefa indray, rahfea mivoaka ny LEgliziny ao zareo, dia mampitapita ny Virus @ olona rehetra ihany. Izany no nahavoa ny antsasaky ny Koreana 5000 noho ny ntaon'ilay Kristiana-Koreana tao @ sekta-ny.
95. RBNIR ( 07/04/2020 20:47)
raha tena manao ny marina ny olona rhaj0 araka ilay salamo 91 dia tsy misy tokony hatahorany aretimandringana sns a!
96. RBNIR ( 07/04/2020 20:49)
fa marina ihany ny anao misy olona tsy manao ny marina (tsy mitandrina ilay fampianarana tsy misy kilema) nefa mihevitra ny tenany hoe manao ny marina dia manjary manala-baraka an'i Jesosy...
97. rhaj0 ( 08/04/2020 01:45)
RBNIR:
raha tena manao ny marina ny olona rhaj0 araka ilay salamo 91 dia tsy misy tokony hatahorany aretimandringana sns a!

Dia io koa izany mitovy @ resaka t@ Bor2lais ihany raha miresaka Coronavirus..

Raha samy mandeha eny an-dalana miara-midola eny izany izaho sy RBNIR, dia
- RBNIR izany tsy voany, satria i RBNIR kinga nanandra-tena fa manao ny marina HONO,
- fa izaho ho voany, satria tsy nanao maska.
98. midrou ( 08/04/2020 11:16)

[rhajO]
Raha samy mandeha eny an-dalana miara-midola eny izany izaho sy RBNIR, dia- RBNIR izany tsy voany, satria i RBNIR kinga nanandra-tena fa manao ny marina HONO,- fa izaho ho voany, satria tsy nanao maska.
[/quote]


Hazavaiko indraim-bavava aloha ny @ fitandremana hatao sy ny hoe "FIAROVAN'ANDRIAMANITRA"

Tsarovy ity teny ity:
Marka 16 : 18. handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny

...na hisotro zava-mahafaty(?)
Afaka ny ho tanteraka @ iazay mino an'Andriamanitra io teny io@ antony tsy fantatra nefa lalovanao.
Ohatra: mpino nasain'olona hiara-misakafo nefa nasiany POIZINA (zava-nahafaty) ilay sakafo, dia miasa io teny io ary maro no efa niaina t@ izany.
Fa raha efa zavatra hita-maso kosa ilay sakafo fa hoe nasiana poizina kanefa ianao hizitizity satria manana an'i Jesosy dia tomponandraikitra @ tenanao ianao. Izany ilay hoe : MAKA FANAHY AN'ANDRIAMANITRA

Matio 4 : 5. Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly, 6. dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tanany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Salamo 91:11-12). 7. Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deoteronomia 6:16). []

...mianjerà any ambany any(?)
Afaka tanteraka t@ Jesosy izany @ maha A|tra Azy saingy misy fampianarana tokony horaisintsika teo.
=> Efa hitany izao ve fa ANTSANA MANKADIRY zao ny any ambany any dia nohon'ny tenin'i satana toa te-holaza hoe: HO HITA ETO IZAY MAHA ANDRIANANITRA AZY dia hanaiky Izy.
TSIA!!!!!
Tsy azo hatao ny maka fanahy an'A|tra na @ inona na @ inona.

Koa tsy midika hoe tsy hain'A|tra akory ny miaro ahy raha manao ny maska aho
Ka aza hafangaro .

Farany:
Mpitoriteny 12 : 13. Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra. 14. Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny* zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.[Na: mbamin'ny]
99. rhaj0 ( 08/04/2020 11:58)
midrou:
Fa raha efa zavatra hita-maso kosa ilay sakafo fa hoe nasiana poizina kanefa ianao hizitizity satria manana an'i Jesosy dia tomponandraikitra @ tenanao ianao. Izany ilay hoe : MAKA FANAHY AN'ANDRIAMANITRA
(...)
Koa tsy midika hoe tsy hain'A|tra akory ny miaro ahy raha manao ny maska aho

Izany hoe, raha feheziko izany, dia MANARAKA TSARA NY SIANSA ihany i Midrou, mba tsy HAKA FANAHY AN'ANDRMNTRA.

Izay ve izany izy io? :-)
100. midrou ( 08/04/2020 12:11)
Tokony hianatra zavatra isika @ alalan'izao zavatra goavana manjo ny tany izao, dia ny fisian'ity areti-mandoza CORONAVIRUS ity. Satria sahiko ny milaza fa tsy ampahany kely akory izao raha ampitahaina @ ilay TENA LOZA hoavy ao aoriana ao fia ilay antsoina hoe:
"LOZA FITO FENO NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA" Apokalypsy 15 : 1. [Ny amin'ny lovia fito nisy ny loza fito, izay nentin'ny anjely fito ka naidiny tamin'ny tany] Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra.

Andriamanitra mantsy dia efa nilaza fa tsy maintsy ho tanteraka eto ambonin'ny tany izany loza 7 izany izay entiny hamaliana ireo izay tsy nino ny marina na ny hafatra farany ho an'izao tontolo izao izay naseho t@ alalan'ireo Anjely 3 ao @ Apok.14:6-11

Apokalypsy 14 : 6. [Ny amin'ny anjely telo izay nitory, sy ny fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny andro fijinjana] Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, 7. nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Grika: ora] 8. Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany. 9. Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tanany, 10. dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; 11. ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.

Miala nenina A|tra @ fanirahany ny Mpanompony ( Fiangonana farany ) izay aseho @ oreo Anjely ireo.

Rehefa afa-nenina Izy ,ary efa naheno ny fahamaronana avokoa ny olona rehetra fia hakatony ilay antsoina hoe:
VARAVARAM-PAHADOAVANA ka homeny baiko @ izay ireo Anjely erÿ ambony ireo hanadraraka ilay loza.
Raha vao miraraka anefa ireo loza ireo dia mihoatra lavitra @ zava-misy @ izao coronavirus izao no hitranga:

Zefania 1 : 14. Efa antomotra ny andro lehiben'i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon'ny andron'i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any. 15. Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.

Ny lehilahy mahery dia hitomany MAFY satria mafy loatra ny vokat'ilay loza eo @tenan'ny olona
Ohatra:Loza voalohany: vakio Apok.16 manontolo
VAY RATSY MAHARARY
=> Atrany atapon-doha ka hatrany am-paladia: feno VAY avokoa( indrisy )
Iza no tsy hitomany @ izany raha ny lehilahy mahery aza mitomany mafy..
COVID 19: ampahan'olona no voa
: azo tsabona sy sitranina
:mbola misy azo hatao na dia ao @ vanim-potoanany aza
:raha mangirifiry aza , vetivety ihany dia maty raha ho faty

Loza 7 : izay tsy nino ny fahamarinana dia voa avokoa na kely na lehibe ( tsy manavaka )
: tsy mety ho sitrana intsony( maharary )
: raha vao mokatona ny varavara-pahasoavana dia tsy misy azo hatao intsony
:mijaly nefa tsy mety maty intsony

Koa mivonòna hanao ny sitrapon'Andriamanitra.
Mbola tsy tara ianao raha izao vao hanomboka hanontany hoe:

Matio 19 : 16. Ary, indro, nisy anankiray nanatona Azy ka nanao hoe: Mpampianatra o*, inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?[*Na: (Mpampianatra tsara o)]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.124