paka 2020

61. rhaj0 ( 01/04/2020 14:49)
Dia na dia samy Kristiana ao azany izy roaroa (RBNIR sy Gasy1zay) miampy iray (Bor2lais), izany hoe izy telotelo, dia samy hafa ny ao @ IMAZINATINO-ny eee... :-)

- ny an'i Gasy1zay, izy efa born-again/virgin-again, dia efa mandry ny dOmy, ary efa arahin'ny FM izy, koa dia voa-aron'izao COVID10T izao

- ny an'i Bor2lais, dia efa mivavaka comme il faut (avy ao @ 3eme etage) ary dia voa-aron'ny ran-Jesosy ao izy sy ny ankohonany HONO, ary tsy ho voakitik'izao COVID10T izao

- ny an'i RBNIR indray, dia mibebaka sy manao ny sitrapon'Atra no ataony hono, fa dia arovaNy tsy ho faty HONO, ary tsy ho asian'ity COVID10T ity


Raha ireo pensées mazika ireo moa no mampilamina ny sain'izy telotelo, dia maninona tokoany moa fa dia izay izany ry lehilahilehibe isany.
I Kotokely koa izao ao efa mino fa rakofan'i Perinoelina bodofotsy ary tsy ho voany koa, satria i Kotokely hendry tsara miaraka @ r-a-d ao @ confinement ao.


Fa na izany na tsy izany, manaraka tsara ny torolalan'ny Siansa foana ihany nareo ry izy telotelo an... Gasy1zay sy RBNIR ary Bor2lais?? :-) :-) :-)
62. gasy1zay ( 01/04/2020 15:04)
indrisy ry rhaj0 fa tsy hoe rehefa manaraka ny torolalan'ny siansa ny olombelona dia miato ny COVID an! jereo fotsiny ny vaovao e! Donky tsy ny siansa mintsy no tompon'ny fahefana ! Mba sokafy @ zay ny masompanahinao rhaj0
63. rhaj0 ( 01/04/2020 18:25)
Satria TSY takatr'i Gasy1zay ny resahin'ny Siansa, fa ny lazain'i Trump no henoiny sy inoany ary itompoany.

giravy... giravy.
nataoko fa hoe... (aoka ihany).
64. RBNIR ( 02/04/2020 09:42)

gasy1zay:

indrisy ry rhaj0 fa tsy hoe rehefa manaraka ny torolalan'ny siansa ny olombelona dia miato ny COVID an! jereo fotsiny ny vaovao e! Donky tsy ny siansa mintsy no tompon'ny fahefana ! Mba sokafy @ zay ny masompanahinao rhaj0

Jesosy hoy aho tsy nanda siansa raha niteny Izy hoe, tsy ny finaritra no mila fanafody fa ny marary...

saingy tsy izay rehetra mihinana fanafody akory dia ho sitrana ary tsy izay rehefa marary ho faty akory dia tsy maintsy ho faty...

Izany tokony hampieritreritra ny maro....

Na mampiasa fanafody aza ianao nefa tsy eo ny famindrapon'Andriamantra dia ho very maina ihany ny fitsaboana atao...

Toy izany koa na dia tsy manana vola hamidy fanafody aza ianao nefa manana fahatokiana tanteraka an'Andriamanitra dia hovonjeny satria mitazona ny teniny Izy...

Koa alohan'ny zavatra rehetra dia katsaho aloha ny famindrampony amin'izao toe-javatra misy izao....
65. rhaj0 ( 02/04/2020 11:05)
RBNIR:
Jesosy hoy aho tsy nanda siansa raha niteny Izy hoe, tsy ny finaritra no mila fanafody fa ny marary...

Izany hoe "mila Siansa" izany ny marary.. izay ilay izy ve ry RBNIR?
66. RBNIR ( 02/04/2020 12:05)
tsy lavina ny siansa hitsaboana ny marary....
67. rhaj0 ( 02/04/2020 12:23)
Ny Siansa dia miainga avy t@ ilay hoe HAZON'NY FAHALALANA.

Dia ahoana izany ry RBNIR?
Nefa anie ianao RBNIR ao anie ilay toa Mpisorona be, dia mahay miteny @ feo mafy ilay hoe:
non.. non.. non... hozy ny Genesisy hoe ...


Ianao io ho'a anie ry RBNIR ka dia io mamilavilana ny revin-Jesosy io foana eee.... Notsatohiko kely fotsiny, dia izao no alehany : miteniteny foana toy ny mahazatra.. :-)

RAha niteny i Jesosy hoe tsy ny finaritra no mila fanafody fa ny marary, dia ilay recette-nJesosy no "fanafody" tiany tenenina, toa ny hoe:
- fotaka+rora = manasitrana jamba
- tain-tsofina+rora = manasitrana ny moana-marenina
- raha ireo no TSY mety, dia satria TSY AMPY FINOANA ny Kristiana
68. RBNIR ( 02/04/2020 14:30)
efa imbetsaka aho no nanaporofo teto fa Jesosy no lohany @ siansa ny trou noir dia efa tamin izany fotoana izany no nasehony t@ireo mpianatra t@ fahitana.....
69. RBNIR ( 02/04/2020 14:52)
http://forum.serasera.org/forum/message/m5d777fb7dd9bb
70. rhaj0 ( 02/04/2020 15:09)
Ka ny fotaka+rora sy ny tain-tsofina+rora koa ve Siansa @ Jesosy (sy RBNIR)?

(Ngo dia lazainao fa maniratsira Jesosy indray aho @ ireo recette-nJEsosy ireo, fa raha mahay Baiboly ianao ry RBNIR, dia afaka mamoaka tsara ny toko aman'andininy milaza ireo recette-nJesosy ireo, izay ao @ Lioka izy teo.. sa izaho indray no andrasanao hamoaka izany mazava eto?)
71. RBNIR ( 02/04/2020 15:16)
Ary raha siansa hoy aho no resahina eto dia Andriamanitra no tompony.....

« Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. » (Genesisy 2:21)
« Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. » (Genesisy 2:22)
« Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. » (Genesisy 2:23)

nahasondrian-tory = anesthesie général
nanakombona nofo ho solony = matoa nakombona dia tsy maintsy novoaina aloha (opération izay)
naka taolan-tehezana tamin-dralehilahy nataony vehivavy (clonage)...

Ny tena marina dia izao : tonga ny fotoana hanaporofoan'Andriamanitra amin'ny olombelona rehetra ambonin'ny tany fa marina ny baiboly ary lehibe tsy takatry ny saina marina tokoa Ilay atao hoe Andriamanitra ka tokony homena voninahitra Izy....

« [Ny amin'ny anjely telo izay nitory, sy ny fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny andro fijinjana] Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, » (Apokalypsy 14:6)
« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apokalypsy 14:7)

Efa manomboka miasa ny anjely voalohany voasoratra ao amin'ny bokin'ny apokalipsy......
72. rhaj0 ( 02/04/2020 17:27)

rhaj0:

Ka ny fotaka+rora sy ny tain-tsofina+rora koa ve Siansa @ Jesosy (sy RBNIR)?

(Ngo dia lazainao fa maniratsira Jesosy indray aho @ ireo recette-nJEsosy ireo, fa raha mahay Baiboly ianao ry RBNIR, dia afaka mamoaka tsara ny toko aman'andininy milaza ireo recette-nJesosy ireo, izay ao @ Lioka izy teo.. sa izaho indray no andrasanao hamoaka izany mazava eto?)
73. RBNIR ( 02/04/2020 19:29)

rhaj0:


rhaj0:

Ka ny fotaka+rora sy ny tain-tsofina+rora koa ve Siansa @ Jesosy (sy RBNIR)?

(Ngo dia lazainao fa maniratsira Jesosy indray aho @ ireo recette-nJEsosy ireo, fa raha mahay Baiboly ianao ry RBNIR, dia afaka mamoaka tsara ny toko aman'andininy milaza ireo recette-nJesosy ireo, izay ao @ Lioka izy teo.. sa izaho indray no andrasanao hamoaka izany mazava eto?)


Tsy ho takatry ny sainao io satria efa ambony lavitra ny siansa io rhaj0...
« Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? ..... (Genesisy 18:14)
74. rhaj0 ( 02/04/2020 19:48)
Ka Siansa izany HONO, hozy i RBNIR
- ny fotaka+rora manasitrana ny jamba ao @ Jaona 9:1-7,
- sy ny tain-tsofina+rora manasitrana ny moana-marenina ao @ Marka 7:33

Mbo tena tsy mba menatra ve ianao ry RBNIR, fa izaho indray no nahita dia namoaka ireto toko aman'andininy.
Sa menatra an'ireo recette-nJesosy adala ireo i RBNIR dia tsy nety niteny?

Dia rehefa eto ihany, inona ny ao @ Matio 13:58 ry RBNIR?
Dia henatra ho anao ry RBNIR ee... :-)
Ataonao fa tsy fantaNY angaha ianao ry RBNIR mivaralila sy mihahaka eo io..

75. RBNIR ( 03/04/2020 05:07)
rhaj0:

Ka Siansa izany HONO, hozy i RBNIR
- ny fotaka+rora manasitrana ny jamba ao @ Jaona 9:1-7,
- sy ny tain-tsofina+rora manasitrana ny moana-marenina ao @ Marka 7:33

Dia mbola sahin'i rhaj0 ihany ny mampiteny ahy zavatra "tsy nolazaiko"....
efa sehatra ambony lavitry ny siansa re ireny rhaj0 a! ireny no atao hoe mirakila raha tsy fantatrao...

tahaka an'itony ihany koa izay tsy ho takatry ny siansa na oviana na oviana mihitsy hoe ahoana no hahatanteraka izany???

« [Ny nampitsinkafonan'i Elisa ilay lela-famaky latsaka tany anaty rano] Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin'i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao. » (2 Mpanjaka 6:1)
« Masìna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo. » (2 Mpanjaka 6:2)
« Fa hoy ny anankiray: Masìna ianao, aoka mba hiaraka amin'ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho. » (2 Mpanjaka 6:3)
« Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo. » (2 Mpanjaka 6:4)
« Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky*; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.[Heb. ny vy] » (2 Mpanjaka 6:5)
« Ary hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky. » (2 Mpanjaka 6:6)
« Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny. » (2 Mpanjaka 6:7)

76. midrou ( 03/04/2020 08:22)
Raha tena Kristiana mpanara-dia an'i Jesosy iana(re)o dia tokony tsy hanetraka adihevitra lava ny @ ity aretina CORONAVIRUS ity satria i Jessosy dia efa nanafatra fa isan'ny manamarika ny fiandohan'ny farany ny ARETI-NABDRINGANA


Lioka 21 : 11. Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.

Ka jereo t'ko mou e!!! Betsaka tokoa no efa ringana

Ka na inona na inona ezaka hataon'izao tontolo izao sy ny fahaizany! Izay voasoratra tsy maintsy tanteraka:


Lioka 1 : 37. Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.

Ka ireny famantarana ireny dia natao mba hiomanan'ny Kristiana mandrakariva,ary indrindra hahafahany mamantatra hoe aiza'o'aiza ny fanaovako ny sitrapon'Andrmanitra araka ity teny ity izay fitaratra hitarafana izay ho VOAVONJY:

Matio 7 : 21. Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.

ka marina avokoa izay mety ho vahaolana arosona(re)o saingy ny tena azo antoka @ fiarovana @ ity CORONAVIRUS ity dia ilay ao @ Salamo faha 91:


Salamo 91 : 1. [Ny fahatokian'ny olo-marina an'Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany] Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha. 2. Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako. 3. Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza. 4. Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. 5. Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipïka manidina nony andro, 6. Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana. 7. Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany 8. Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.

Ny APINGA tena azo antoka araka izany dia ny FAHAMARINANA......
Rehefa hanananao ny fahamarinana ary hiainanao dia TSY HIHATRA AMINAO IZANY
77. midrou ( 03/04/2020 08:54)

rhaj0Ka nyfotaka rorasy ny tain-tsofina rorakoa ve Siansa @ Jesosy(sy RBNIR)?(Ngo dia lazainao fa maniratsira Jesosy indray aho @ ireo recette-nJEsosy ireo, fa raha mahay Baiboly ianao ry RBNIR, dia afaka mamoaka tsara ny toko aman'andininy milaza ireo recette-nJesosy ireo, izay ao @ Lioka izy teo.. sa izaho indray no andrasanao hamoaka izany mazava eto?)



Mbola tsy takatrao marina ny hatao hoe fahagagana????
Raha zavatra mbola vitan'ny EZAKA sy ny fahaizana dia tsy izany no hatao hoe MIRAKLA

Fa tahaka izany , Andrmantra dia mahagaga tena mahay fahagagana tokoa saingy matetika tsy maneho an'izany Izy raha mbola mihevitra ny olona fa MAHAVITAZY .

Fa rehefa very hevitra ianao @ zavatra tsy misy azo hatao intsony ka miantso Azy @ finoana feno dia eo no hanehoany ny maha Andrmanitra mahagaga Azy:

>

Ohatra ny nanjo ireo zanak'Israely teo @ ranomasina mena:

Eksodosy 14 : 10. Ary rehefa mby akaiky Farao, dia natopin'ny Zanak'Isiraely ny masony, ka, indreo, ny Egyptiana tamy manenjika azy; dia raiki-tahotra indrindra ny Zanak'Isiraely ka nitaraina tamin'i Jehovah. 11. Ary hoy koa izy tamin'i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty aty an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? 12. Tsy izao va no teny nolazainay taminao fony tany Egypta hoe: Aoka izay fa avelao ihany izahay hanompo ny Egyptiana? Fa aleonay manompo ny Egyptiana toy izay ho faty any an-efitra. 13. Ary hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanona, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. 14. Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina. 15. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin'ny Zanak'Isiraely mba handroso. 16. Ary aingao ny tehinao, dia ahinjiro ambonin'ny ranomasina ny tananao, ka saraho ny rano, dia handeha hamaky eo afovoan'ny ranomasina mandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely. 21. Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tanany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan'i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano. 22. Dia nandeha teo afovoan'ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak'Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.

• Ny Egiptiana ao aoriana : romotra mafy
• Ny ranomasina anefa eo aloha toa milaza fa tsy misy hevitra intsony
=> Kivy ry zareo!
Teo inndrindra no nanehon'A|tra ny fahalebiazany
Koa fantaro fa @ maha fahagagana azy dia ny zavatra tsy mampino mihintsy no miseho.
Ohatra; Olona jamba nefa nasiana FETA @ rora tany masony ( toa ho tapenana indray)

TENA MAHAGAGA ANDRIAMANITRA E!!????
78. rhaj0 ( 03/04/2020 11:36)
rhaj0:
Ka Siansa izany HONO, hozy i RBNIR
- ny fotaka+rora manasitrana ny jamba ao @ Jaona 9:1-7,
- sy ny tain-tsofina+rora manasitrana ny moana-marenina ao @ Marka 7:33

RBNIR:
efa sehatra ambony lavitry ny siansa re ireny rhaj0 a! ireny no atao hoe mirakila raha tsy fantatrao...

Ka ny "mirakla" koa HONO izany Siansa, hozy RBNIR.

Ny "pouh pouh pouh... ry lela-pamaky mitsinkafoana!..". Dia Siansa koa HONO izany, hozy RBNIR

Dia mbola nampian'i Midrou koa hoe, "pouh pouh pouh.. ry ranomasina mivadiha ho tany maina.. ao anatin'ny 1 minitra". Dia mbola Siansa koa HONO izany, hozy koa i Midrou.


Mba hainareo ve k'lou ry izy roaroa, Midrou sy RBNIR, inona no atao hoe Siansa? Inona ny methode scientifique izay tandravadi-koditra aminy ao?

(Tsy toa ny resa-Baiboly anie ho'a izy ity, ka izay teny mirima ao @ sain-jazanareo ao ry RBNIR sy Midrou, dia tsimpontsimponina dia atambatambatra ao, dia hi-zester-na hoe, mahay Baiboly sy mahay mandinika ianareo ao io eee... Ivereno vakiana ireo teniteny foana ataonareo ireo dia ampiasao karan-doha kely re ry RBNIR sy Midrou fa dia ridicule eee....)
79. gasy1zay ( 03/04/2020 13:51)
Tsy hitanareo hoe fandaniampotoana ve ny adihevitra siansa vs Andriamanitra?

Aleo feheziko dia avadika @ zay ny resaka fa raha mbola hanoy moa nareo dia tsy maninona

hoy Larousse hoe

science
(latin scientia, de scire, savoir)
science
Ensemble cohérent de connaissances relatives à certaines catégories de faits, d'objets ou de phénomènes obéissant à des lois et/ou vérifiés par les méthodes expérimentales.

Le mot science est ambigu. D'un côté, il sert à désigner la forme la plus haute de savoir et de connaissance humaine, celle qui ne peut être remise en question et qui possède la valeur de l'absolument vrai. De l'autre, il renvoie à des activités de production de connaissances bien identifiables dans les sociétés modernes parce qu'elles sont en liaison avec des institutions (universités, laboratoires, sociétés savantes, etc.), des investissements et des développements techniques qui, depuis la révolution industrielle du xixe s., ont peu à peu bouleversé notre vie quotidienne. Il n'est pas sûr que les différentes sciences puissent correspondre à une idée unique de la Science et que l'on puisse donner une fois pour toutes des critères de scientificité. Le phénomène scientifique doit être abordé par le biais de son développement historique et des réflexions qu'il suscite.

source : https://www.larousse.fr/encyclopedie/divers/science/90594

Raha fehezina zany dia ny siansa dia limité @ fahalalan'ny olombelona ary io foana no averimberina eto hoe betsaka ny tsy voavalin'ny siansa satria betsaka ny mbola tsy takatry ny sain'ny olombelona, azonareo namana ve ny tiako ambara? Ny fahalalan'Andriamanitra dia tsy takatry ny sain'olombelona ka aona moa no siansa no ezahintsika hahatakatra ny fahagagana nataon'ilay mpahary, afaka expliquena @ siansa ve hoe Jesoa Kristy nintsangana t@ maty?
80. RBNIR ( 03/04/2020 19:30)
rhaj0:

Ka ny "mirakla" koa HONO izany Siansa, hozy RBNIR.

izay tokoa v "hono" no nolazaiko???? aza mampihomehy hoy aho ry rhaj0 a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5968