paka 2020

41. gasy1zay ( 27/03/2020 15:55)
feno faminaniana maro momba ny hoavy ao anaty baiboly ka! Ohatra fotsiny hoe ny apokalypsia dia milaza fa hisy fitondrana tokana amin'ny farany ( gouvernement mondial) ka rehefa misy tranga manerantany ohatrany itony coronavirus itony dia efa mailomailo ny kristiana sasany fa mety hisy krizy ekonomika eran-tany hifavoriser ny mise en place gouvernement mondial, na koa hoe ny suivi ny marary erantany mety hifavoriser ny impantation ny puce éléctronique izay lazain'ny kristiana maro fa marque de la bête...

ka vérité absolue ve izany? Non, fa mba théorie mikasika ny fin du temps resahin'ny baiboly fotsiny

42. rhaj0 ( 27/03/2020 16:50)
Eritrereto tsara ao ny contexte "namoronana" ireo faminaniana ireo ee... indrindra ireo ao @ Apokalipsan'i John the Elder. T@ l'an zero dia toatoa ny ahoana ny ambaratongam-pahalalanan'ny tao moyen orient tao. H@ tontolo fizika (mbo hainy ve ahoana izany "ao ambony ao") ka h@ psikolozika (mbo hainy ve hoe inona izany "nofy")

Ny Kristiana mba efa miha-mazava saina izao miteny hoe, raiso ho inspiration sahala @ tantara hafa hitanao eny rehetra eny ireo "faminaniana" ireo, fa TSY raisina ara-baki-teny hoe, tena marina sy nisy tokoany.

ka rahoviana ianao ry Gasy1zay vao "hiha-mazava-saina"? :-)
43. gasy1zay ( 27/03/2020 17:00)
ary i rhaj0 ve tsy mba nieritreritra mintsy hoe sao dia mba izaho ary no diso? sao dia mba ny kristiana no nahazo fahazavan-tsaina natakatra ny zavatra tsy hita maso(spirituel)?
44. rhaj0 ( 27/03/2020 18:28)
Takatro ny IMAZINATION-nareo kah...
Voa-IMAZZINER-ko tanteraka ny IMAZINATION-nareo :-)

Misy ireo Kristiana izay naka INSPIRATION @ Baiboly, dia inspiré be toa ireny artista ireny, mandeha be ny IMAZZZINATION-ny, ary dia mba mifanojo @ zavatra na soatoavina sy ny lalàna 2020 na koa ny Siansa/psikolozia/sosiolozia akoriny azany.

Inona moa no anipahako an'izany raha izay INSPIRATION-ny izay no ahaizany miangola azy. Ohatra hoe... i Obama.

Fa raha i Einstein na koa Stephen Hawkin ohatra mijoro @ tenany sy ny sainy, fa tsy mila izany inspiration-mBaiboly izany, mety ny vadiny ohatra na ny zanany no mi-inspirer azy, na koa ny fitiavana sy fitsinjovana ary fanajana ny mpiara-belona sy ny tontolo, na koa izay idealy lolohaviny ao no manetsika azy, dia tena izay kosa ny ahy no hajaiko ambony. Voarary tsara, voazava mazava tsara ny fijorony. Izay koa ny ahy, na ny ezahiko atao.

Fa kosa, rehefa njay ilay Kristiana mpanao ity Itsimahalalaafatsynysaimpantany... TSY manamarina ny INSPIRATION-ny @ soatoavina na koa ny lalàna 2020 na koa ny Siansa/psikolozia/sosiolozia toa ny ataon'i Obama, dia mbo avy aho izany sy ny vanitiko eee... maninona moa :-)
45. bor2lais ( 29/03/2020 17:25)
Aleo zaraiko eto ity ho fampieritreretana :

46. rhaj0 ( 29/03/2020 17:42)
Dia ahoana izany ry Bor2lais ilay ao @ Hebreo ho'a, @ ilay "miangona" @ dika-teny gasy. ary ho an'ny gasy TSY mba any @ 3eme etage-nao ao izao

[b]Hebreo 10:25: aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, ...[/b]

Sady @ izay, raha "miara-miavavaka" miara-miangona mitangorona ao anie HONO, ka tena mabdeha be mihintsy ny enerzia HONO eee.. Ary dia eo ny TOmpo hiaro anao @ izay tokony arovany
47. bor2lais ( 29/03/2020 18:05)
Efa novaliako kosa io e !

izaho:

"tsy voatery mifanatri-maso (tahaka ny heverinao azy) koa ange izany miaraka miangona izany e !"

:-)
48. rhaj0 ( 29/03/2020 18:44)
k'efa hoe nareo any @ 3eme etage no mety @ izany, fa ny kristiana (mitavozavoza) tena mila ilay "fiarahana miangona" HONO eeee... Koa na dia ilay mmihira mmiaraka eo fotsiny azany HONO tena enerzia vibratoara be tena manasitrana, sady manalavitra ny virus..
izay moa finoana (kristiana) daholo :-)

Na koa, dia ahoana koa ilay hoe, rahefa 3 nareo, dia eo afovoany Izy. Dia izao izany koa na manangona olona 2 azany tsy tafita intsony, fa efa raran'ny Siansa, ka dia inona intsony izany fa TSY ho eo afovaony n'izan'iza intsony izany Izy, ary dia tsisy mahagaga fa dia TSY hivaly izay vavaka irery ao ee...
49. bor2lais ( 29/03/2020 19:52)
Izay ange no iangaviako anao mba hanao ezaka hiakatra étage e ! :-)

Izao lasa mihaino ny HONO HONO, tsy mahalala ny tena izy ! :-)

Ramose:

Na koa, dia ahoana koa ilay hoe, rahefa 3 nareo, dia eo afovoany Izy. Dia izao izany koa na manangona olona 2 azany tsy tafita intsony, fa efa raran'ny Siansa, ka dia inona intsony izany fa TSY ho eo afovaony n'izan'iza intsony izany Izy, ary dia tsisy mahagaga fa dia TSY hivaly izay vavaka irery ao ee...


Efa hoe tapaho any ilay mamatotra ao @ 2ème étage ao dia miakara ! :-)
F'angaha moa tsy ny 10tansy latsaky ny 1 na 2 m no tsy azo atao ? Miakara étage ianao dia ho hitanao fa manaraka an'io ilay nolazaiko ka ! :-)
50. rhaj0 ( 29/03/2020 20:22)
Hono ho'a ry Bor2lais, mbo hazavao @ mpokona ny hainao ao hoe, fa ry RBNIR mbamin-dry Gasy1zay mantsy toa hotsahotsany ee.. :-)

Ohatra hoe,
- ity Coronavirus ity ve mety mba misy "fitahian'Atra" dia tsy voany?
- Na hoe, izay iharan'ny "hatezeran'Atra" ihany no voany?
- Sa tena tsisy idiran'Atra sahala @ virus hafa rehetra toa ny virus-na gripa io Coronavirus io?
- Sa indray ny virus-na gripa, na sery na kohaka, dia eo ambany fiadidian'Atra daholo?
51. bor2lais ( 30/03/2020 08:43)
Araka ny efa voalaza ao amin'io vidéo io, ny CORONAVIRUS dia TSY MIFIDY :

- taona
- saranga
- fahaizana
- firenena
- finoana

Koa "FAHENDRENA NY MIJANONA AN-TRANO".

Ho an'ny Kristiana manokana, amin'izao ankatoky ny andro Paska izao ny hafatra dia hoe "Meteza ho rakofan'ny Ràn'i Jesoa Kristy ny tokantrano misy ny ankohonanao" ka mijanona ao an-trano tahaka ny voalaza ao amin'ny Eksodosy 12.22 !
52. rhaj0 ( 30/03/2020 11:43)
rhaj0:
- ity Coronavirus ity ve mety mba misy "fitahian'Atra" dia tsy voany?
- Na hoe, izay iharan'ny "hatezeran'Atra" ihany no voany?
- Sa tena tsisy idiran'Atra sahala @ virus hafa rehetra toa ny virus-na gripa io Coronavirus io?
- Sa indray ny virus-na gripa, na sery na kohaka, dia eo ambany fiadidian'Atra daholo?

bor2lais:
"Meteza ho rakofan'ny Ràn'i Jesoa Kristy ny tokantrano misy ny ankohonanao" ka mijanona ao an-trano tahaka ny voalaza ao amin'ny Eksodosy 12.22 !

izany hoe... tena "eo ambany fiadidian'Atra" izany ny Coronavirus, ary dia "mijanona ao an-trano tahaka ny voalaza ao amin'ny Eksodosy" HONO, hozy i Bor2lais, fa ho "rakofan'ny Ràn'i Jesoa Kristy ny tokantrano misy ny ankohonanao", hozy Bor2lais ihany.

Izany hoe ... ny valin'ny fanontaniana dia:
ny virus-na gripa, na sery na kohaka, (na Coronavirus) dia eo ambany fiadidian'Atra daholo

izay ve izany izy io ry Bor2lais?
53. bor2lais ( 30/03/2020 12:20)
O Ramose a ! Ho an'ny Kristiana ange no nanoratako an'io e ! Sa ... Haleloia ! :-)
54. rhaj0 ( 30/03/2020 12:30)
ho an'ny Kristiana koa ange no namaliako an'io e ! Sa .. Hosannah ! :-)

Ka ity ve izany ilay izy ry Bor2lais? Fa dia maninona loatrany azany ianao no miolakolana tsy mety mamaly mazava ary tsotra ee... misy mahamenatra ve? :-)

ny virus-na gripa, na sery na kohaka, (na Coronavirus) dia eo ambany fiadidian'Atra daholo
55. bor2lais ( 30/03/2020 14:11)
Hay moa ianao mbola ny tongotra ilany ihany no tonga ao @ 3ème étage ! :-) Tandremo aza miverin-dalana a ! :-)
Raiso ary ny ... Baibolinao (haleloia !!) dia vakio ao @ Romana 8. 28 dia mety ho voavaly ny fanontanianao : ho an'ny Kristiana dia Andriamanitra no anankinana ny fiainana, Izy no itokiana. Noho izany dia izay rehetra miseho @ fiainana dia raisina ho miara-miasa hahasoa ! :-)
Ny confinement ohatra dia azo raisina ho toy ny fitokanana any an'efitra (désert) izay toerana falehan'i Tompo rehefa hivavaka Izy. Ny tiana lazaina dia, raha ara-pinoana, izao toe-javatra misy eran-tany izao dia mety fampahatsiarovana an-draolombelona mba ahalala miverina @ Andriamanitra.
Fehiny :
Ramose:

ny virus-na gripa, na sery na kohaka, (na Coronavirus) dia eo ambany fiadidian'Atra daholo

Valiny : ENY !
:-)
56. rhaj0 ( 30/03/2020 18:29)
Dia nefa indray, hozy i Bor2lais hoe ny CORONAVIRUS dia TSY MIFIDY .. finoana

Ka raha atambatra ny fahendren'i Bor2lais, dia ho an'ny Kristiana izany, ny virus-na gripa, na sery na kohaka, (na Coronavirus) dia eo ambany fiadidian'Atra (kristiana) daholo

Ho an'ny Kristiana irery io izany, fa ho an'ny hafa indray, dia efa mazava be fa ny ataon'ny olona ihany no mahavoa azy ao. Ohatra ho'a hoe, ilay Kristiana-Koreana-rangory-fototry-ny-virus-t@-antsasaky-ny-5000-Koreana-tatsimo dia vita enquete ary io fantatra io ny antony


Fa eto no nofintinin'i BBC ny Coronavirus sy ny Finoana
https://www.bbc.com/news/world-51819117
57. rhaj0 ( 31/03/2020 13:03)
bor2lais:
ho rakofan'ny Ràn'i Jesoa Kristy ny tokantrano misy ny ankohonanao

Tena ara-baki-teny ve io ry Bor2lais, sa tena izay ilay izy ao @ imazination-nao ao?

Misy Ràn'i Jesoa Kristy mandrakotra na trano na tanàna, fa indrindra koa ny vatanao, rahefa mivavaka tsara araka ny tokony ho izy ianao (3eme etage).

Raha atao sary an-tsaina dia hotry ny ireny gateau rakotra gelatine fraise ireny :-) ka ny gateau no ilay trano, ary ilay gelatine no Ràn'i Jesoa Kristy


Dia ireo TSY mivavaka tsara araka ny tokony ho izy (3eme etage) @ io dia voadingana, tsy mba mangirangirana toa io, ary dia voan'ny Coronavirus.

izay ve izany izy io ry Bor2lais?
58. RBNIR ( 31/03/2020 23:55)
bor2lais:

- taona
- saranga
- fahaizana
- firenena
- finoana

isa-maraina hoy aho isaky ny fokontany dia tena mele (mele rugby) no mitranga mba hahazoana ilay vary hany sisa mora hita miparitaka eraky ny tanana...

ny ahy ny vahaolana mivavaha mibebaha ATAOVY NY SITRAPON ANDRIAMANITRA!!! IZY NO HIARO ANAO TSY HO FATY.....


Raha manantanteraka izany ianao dia Hisy FAHAGAGANA hitranga eto amin'ny tanana, na dia hianaka aza io corona io (satria raha izao zava-misy isaky ny fokontany izao no mitranga mety tsy ho voatazona io)....ho zakan'ny ankamaroan'ny gasy toy ny gripa mahery sy mandalo fotsiny ihany io ....
Jereo ireo tsena lehibe rehetra (anosy be...andharanofotsy sns....) sarotra ny mihazona ny olona amin'io....Andriamanitra ihany no hitokio....
Tany frantsa, nisy lehilahy iray tena nitandrina (nandeha tamin'ny fiarany manokana, niala ireo toerana rehetra hatahorana sns...fa voa ihany)...

Torohevitra ny ahy ho an-tsika kristiana, Andriamanitra ihany hitokiana....ny rivotra fohanao io mihitsy no tsy milamina ho sarotra aminao ny hiady an'izany

Isika tsy hanana DDT hafafy eraky ny tanana otran'ny sinoa (izay no nandresen'ny sinoa azy ny tena marina nanana ny fitaovana rehetra izireo)

efa nisy ny areti-mandringana tamin'ny andro tany egypta fahiny.....voa ny zanaky ny egyptiana, nefa navahana tsara kosa ny zanaky ny israeliana...

Hain'Andriamanitra atao izany fa aza matahotra ianao....tano mafy ny finoanao..

Ny devoly no manao an'io aretina io ary ny fihavanan'ny samy olombelona mihitsy (eny fa na dia ny ao antokatrano ao aza) no tena kendreny ho ravana ....

Diniho ange ny fiarahamonina eo amin'ny manodidina anao e???? lasa mifampiolonolona, lasa misaratsaraka, lasa mitady hifandrafy mihitsy aza....

Noho ny inona????noho ny corona virus....

Ka hoy aho hoe...Aza mora hampitahorina re! fa aiza ny finoana e! ny ranomasina aza nisaraka??? ny maty aza natsangan'i Jesosy????

Averiko ihany mibebaha, ataovy ny sitrapon'ny rehetra dia hilamina ny sainao fa hisy mpiaro ianao...;

« [Ny fahatokian'ny olo-marina an'Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany] Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha. » (Salamo 91:1)
« Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako. » (Salamo 91:2)
« Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza. » (Salamo 91:3)
« Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. » (Salamo 91:4)
« Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro, » (Salamo 91:5)
« Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana. » (Salamo 91:6)
« Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany » (Salamo 91:7)
« Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy. » (Salamo 91:8)
« Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, » (Salamo 91:9)
« Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao. » (Salamo 91:10)
« Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao. » (Salamo 91:11)
59. bor2lais ( 01/04/2020 13:07)
RBNIR:

ny ahy ny vahaolana mivavaha mibebaha ATAOVY NY SITRAPON ANDRIAMANITRA!!! IZY NO HIARO ANAO TSY HO FATY.....

:-) Mbola tsy nahita an'i RBNIR nanoratra an'io notsipihiko aho teto ! Ha ... ia ! Sao dia 1er Avril kosa ! :-)

Amin'izao toe-javatra maneran-tany izao, mba azonao hazavaina misimisy ve azafady indrindra ny TIANAO LAZAINA amin'ireo nataonao MAZISIKILA ireo ?

Misaotra mialoha !
60. RBNIR ( 01/04/2020 14:39)

bor2lais:

RBNIR:

ny ahy ny vahaolana mivavaha mibebaha ATAOVY NY SITRAPON ANDRIAMANITRA!!! IZY NO HIARO ANAO TSY HO FATY.....

:-) Mbola tsy nahita an'i RBNIR nanoratra an'io notsipihiko aho teto ! Ha ... ia ! Sao dia 1er Avril kosa ! :-)

Amin'izao toe-javatra maneran-tany izao, mba azonao hazavaina misimisy ve azafady indrindra ny TIANAO LAZAINA amin'ireo nataonao MAZISIKILA ireo ?

Misaotra mialoha !


Afaka mitaona ny olona tahaka an'i Josoa aho ry bor2lais a! fa tsy miala amin'ny fiheviny hatrany anefa ny hitaomako ny olona...
Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia hoy aho hoe...

« Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony,1 na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay. » (Josoa 24:15)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1778