paka 2020

21. gasy1zay ( 26/03/2020 13:34)
RBNIR > Azoko hoe tsy manaraka paska jiosy satria Kristy no Paska ho antsika, fa maninona no tsy mankalaza ilay Paska vaovao ao @ kristy iana(re)o?
22. rhaj0 ( 26/03/2020 14:39)
gasy1zay:
... tsy ny siansa mintsy no mitarika anay tsy hivoaka ny trano fa ny baiboly

Proverbe 22: 3 L'homme avisé voit venir le malheur ...

Romain 13:1 Que chaque homme soit loyalement soumis au gouvernement du pays où il vit...

Ka ny SIANSA no ni-aviser an'i L'Homme ny @ ilay Coronairus fa TSY ny Baiboly

Ary ny SIANSA no miteny ny gouvernement ny TOKONY atao, fa ny gvt dia mpanera mpanantanteraka fotsiny

Fa dia itaro ihany ilay saina ry Gasy1zay aa...
Na sokiro lalindalina kokoa ny Baiboly, fa (mety) miteny hoe, ny Siansa dia ambony noho ny Baiboly.

Fanamarihana:
Aoka hazava fa TSY ny Baiboly no ambony noho ny Siansa. TSISY Siantifika na boky na fikarohana manondro reference @ (fahalalam-) Baiboly.
Ary @ ireo torolalana sy fikarohana nataon'ny Siansa dia Atheista ny ankamaroanny ao

Fa dia ao ianao izany ry Gasy1zay mba miankohoka @ Siansa ihany izany ee...
Ary dia ARIO faty any ny resak'i Hebreo 10:25 sy ny blabla hoe, aoka isika hiangona...
23. gasy1zay ( 26/03/2020 15:48)
voalohany :
efa nambarako hoe raha tsy niteny ny governemanta hoe ajanony ny fivoriana dia lasa nivory izahay, i trump izao hono hanokatra fiangonana @ paka dia hoy aho hoe raha nipetraka tany aho dia nandeha niangona ny paka, inona ny idiran'ny siansa @ zany fa @ mahakristiana ahy dia manaja ny lalana avoakan'ny fanjakana aho araka io verset rom 13:1 io

faharoa : sao dia rhaj0 ary no tena ratsimpotsimpona fa tsy RBNIR araka ny lazainy eto?

hebreo 10:25 nga mila exigence hoe mandeha fiangonana (trano)?

25 Ne prenons pas, comme certains, l’habitude de délaisser nos réunions. Au contraire, soutenons-nous mutuellement et encourageons-nous dans la foi, d’autant plus sérieusement que vous voyez se rapprocher le grand jour du retour du Seigneur.

Inona no asain'io verset io atao : réunion pour se soutenir et s'encourager dans la foi

tadidio rhaj0 fa t@ andron'ny apostoly dia tsy nisy fiangonana (trano) fa tany antranon'ny kristiana no nivory ry zareo

ka tsisy mifankahery ve ny kristiana rhaj0 @ izao coronavirus izao? izaho zao manao télétravail dia vao avy nanao réunion de travail izahay teo fa en ligne fa tsy tany @ birao :) fa tsy izy zany iny hoy rhaj0 fa tsy tao @ salle de réunion'ny fiasana, tsy maninona fa ny sefonay efa nandray azy ho fivoriana fa tsy olana aminy ny hevitry rhaj0 :d
24. rhaj0 ( 26/03/2020 16:09)
Hebreo 10:25 aza mahafoy ny fiarahantsika miangona...

Io no tompoin'ny gasy kristiana ry Gasy1zay aa.. Ao @ baiboly.org io.
Raha TSY mety io, dia ilazao azany i Andrianaivoravelona... raha mbola velona any izy

Dia raha hilaza ve i Trump, na hoe i Donald Ford aty Ontario, hoe mandehana miangona r@ Paka dia handeha tokoany ianao ry Gasy1zay?
Na dia milaza azany ny Siansa fa risque be ho an'ny marefo ara-pahasalamana izany?

Danz be fa tena izay tokoany izany ny ao an-dohan'ny kristiana (sasany), santionany ny eto @ serasera eto.
25. gasy1zay ( 26/03/2020 16:54)

rhaj0:

mandeha aho raha misokatra ny fiangonana, tsy hoe narary ny fiangonana koreana dia tsy miaro Jesoa Kristy, efa nozaraiko teto ireo indice milaza fa tsy tena kristiana manaraka baiboly ireo koreana ireo.
26. rhaj0 ( 26/03/2020 18:32)
Tena notsaratsarain'i Gasy1zay ireo Kristiana Koreana marina mafy... "tsy tena kristiana" HONO zareo ka dia "tsy miaro Jesoa". Tenin'i Gasy1zay ireo fa izaho tsy namorona.
TSY mba sahala @ Gasy1zay "tena Kristiana", sady born-again no virgin-again, ary h@ izao dia tena toa ny rano atondraka @ ganagana ny Coronavirus @ Gasy1zay.

Eny azany kouh... izaho koa ve hi-contredire anao @ izany re ry Gasy1zay. Ny mampirisika azany ny tokony ataoko.. :-)
Dia latsalatsao ao izany zareo ry Gasy1zay aa.. misimisy ihany mantsy ny t@ zareo no voan'ny Coronavirus. Ilay sefon'ilay Sekta mba nifona sy niala tsiny dia ampio eso tokoany koa fa hotrahotrany an...
27. gasy1zay ( 26/03/2020 18:46)
raha mbola tsy azon'i rhaj0 hoe iza no kristiana dia vakio eto fa tsy izaho no mamorona

https://fr.wikipedia.org/wiki/Chr%C3%A9tien

tsy baiboly io fa aza matahotra, avy eo rehefa tsy mifanaraka amin'io dia tsy izy izany
28. rhaj0 ( 26/03/2020 19:14)
Un chrétien est une personne qui adhère à la religion issue de Jésus de Nazareth, le christianisme, et suit son enseignement rapporté par les Évangiles. (...) Au centre de la foi chrétienne est la Bonne Nouvelle, selon laquelle l'humanité a espoir de rédemption à travers l'enseignement de Jésus-Christ, sa mort sur la croix et sa résurrection. Les chrétiens croient que Jésus est le Messie annoncé dans la Bible hébraïque2. La plupart d'entre eux croient en la Trinité.

Dia inona no "tena kristiana" sy "TSY tena kristiana" @ izany re ry Gasy1zay?

Ary inona t@ izany no tsy nataon"ireo Kristiana Koreana Tatsimo, ka nahatonga an-dreo voan'ny Cornavirus, satria "tsy tena kristiana" HONO zareo ka dia "tsy miaro Jesoa", araka ny filazan'i Gasy1zay?
29. RBNIR ( 27/03/2020 05:42)

gasy1zay:

RBNIR > Azoko hoe tsy manaraka paska jiosy satria Kristy no Paska ho antsika, fa maninona no tsy mankalaza ilay Paska vaovao ao @ kristy iana(re)o?

Ny paska nataon'ny jiosy fahiny dia aloka (tandindon'ilay ho avy) ...Ireo zanak'ondry novonoina sy nohanina fahiny nandritra ny paska dia aloka (tandindon'ilay ho avy)

Tanteraka izany rehefa tonga teo amin'ny hazo fijaliana i Kristy (Izy no ilay zanak'ondry novoina ny andro paska).« Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; » (1 Korintiana 5:7)

Nanombka teo dia lasa ilay tandindona fa ilay tena Izy amin'izay no tokony hofikirina mafy...

« aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. » (Kolosiana 2:17)

Ka raha tsy manaraka amin'izay ny olona dia hotafasaraka amin'i Kristy....(tsy mandray ilay tena izy fa mbola mifikitra amin'ny aloka foana hatrany)

« ka tsy mihazona ny Loha;..... » (Kolosiana 2:19) loha = Kristy tafasaraka amin'i Kristy izay rehetra tsy manaiky fa aloka efa lasa ireny andro firavoravoana ireny (paska, pentekoste ary ny fetin'ny tabernakely)..
30. RBNIR ( 27/03/2020 05:44)
RBNIR:

... fa maninona no tsy mankalaza ilay Paska vaovao ao @ kristy iana(re)o?

satria tsy nankalaza paska intsony ireo mpianatra rehefa vitan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana ilay tena izy (nisolo ireo tandindona fahiny....
31. rhaj0 ( 27/03/2020 11:50)
Izao izao, rahefa hozy ny Siansa hoe, r@ tapaky ny Aprily, dia mbola aloha loatra raha ajanona ilay fandrarana fivorivoriana, koa dia TSISY fiangonana misokatra.

Dia tena mino aho fa dia tena tsy ilaozan'izay kristiana, avy namaky ny baiboliny tao, dia hilaza fa ... io indray HONO ilay persecution ny kristiana fa tsy avela mivavaka HONO izy eee.. ary izay mihintsy ny faminanian'i Zefania ao @ Kondranatiana 3:1

Nefa anie ny teatra, ny sinema, ny kianja fanaovana baolina koa mikatona e..

Dia io koa izao tsy ilaozan'ilay Mpitarika fivavahana tonga dia mitory dia milaza fa, nobitsihin'Andrmntra HONO izy (ry RBNIR/HRNRN io), na hoe tarihin'ny Fanah Masina (ry Gasy1zay io), ary dia tena TSY maninona HONO ny Virus r@ 12 Aprily, fa miangona daholo @ izay. Izay no efa nataon'i Trump teo. Dia "gut feeling" an'ilery HONO fa izy tsinona HONO akaiky an'izao Andmntra izao.

Dia nefa anie ilay Siantista teo akaikiny teo, vao niteny mihintsy hoe, TSY tafa ny baolina @ izany 12 Aprily izany, fa mbola misy mifindrafindra ny virus, koa raha voany ny marefo ara-pahasalamana, dia hitombo ny isan'ny maty

An an.. dia tena AOKA IZAY mihintsy ity mampiankina ny fi(s)ainana @ finoana ity.
32. gasy1zay ( 27/03/2020 12:35)

rhaj0:

Un chrétien est une personne qui adhère à la religion issue de Jésus de Nazareth, le christianisme, et suit son enseignement rapporté par les Évangiles. (...) Au centre de la foi chrétienne est la Bonne Nouvelle, selon laquelle l'humanité a espoir de rédemption à travers l'enseignement de Jésus-Christ, sa mort sur la croix et sa résurrection. Les chrétiens croient que Jésus est le Messie annoncé dans la Bible hébraïque2. La plupart d'entre eux croient en la Trinité.

Dia inona no "tena kristiana" sy "TSY tena kristiana" @ izany re ry Gasy1zay?

Ary inona t@ izany no tsy nataon"ireo Kristiana Koreana Tatsimo, ka nahatonga an-dreo voan'ny Cornavirus, satria "tsy tena kristiana" HONO zareo ka dia "tsy miaro Jesoa", araka ny filazan'i Gasy1zay?

efa novaliako tany @ ilay sujet nikasika azy iny fa raha tsy diso aho dia nisy au moins point 3 no nambarako hoe mifanohitra @ baiboly fanaon'ireo, anisan'izany ny fampianarana tarot (fanompoantsampy araky ny baiboly) Det 18: 10 Qu'on ne trouve chez vous personne qui immole son fils ou sa fille par le feu, personne qui pratique la divination, qui recherche les présages, consulte les augures ou s'adonne à la magie, 11 personne qui jette des sorts, consulte les spirites et les devins ou interroge les morts.
miafina ny fianakaviany ny mahakristiana azy nefa ny baiboly dia mazava hoe :

En effet, celui qui aura honte de moi et de mes paroles au milieu de cette génération adultère et pécheresse, le Fils de l'homme aura aussi honte de lui quand il viendra dans la gloire de son Père avec les saints anges

Ka tsy haiko hoe i rhaj0 tsy mpino ve no mahay noho izahay hoe iza no manaraka na tsia ny baiboly fa tsy maninona fa afaka manana ny hevitrao ianao fa ny ahy kosa dia ny baiboly ihany no hanamarinako azy.
33. gasy1zay ( 27/03/2020 13:05)

rhaj0:

Izao izao, rahefa hozy ny Siansa hoe, r@ tapaky ny Aprily, dia mbola aloha loatra raha ajanona ilay fandrarana fivorivoriana, koa dia TSISY fiangonana misokatra.

Dia tena mino aho fa dia tena tsy ilaozan'izay kristiana, avy namaky ny baiboliny tao, dia hilaza fa ... io indray HONO ilay persecution ny kristiana fa tsy avela mivavaka HONO izy eee.. ary izay mihintsy ny faminanian'i Zefania ao @ Kondranatiana 3:1

Nefa anie ny teatra, ny sinema, ny kianja fanaovana baolina koa mikatona e..

Dia io koa izao tsy ilaozan'ilay Mpitarika fivavahana tonga dia mitory dia milaza fa, nobitsihin'Andrmntra HONO izy (ry RBNIR/HRNRN io), na hoe tarihin'ny Fanah Masina (ry Gasy1zay io), ary dia tena TSY maninona HONO ny Virus r@ 12 Aprily, fa miangona daholo @ izay. Izay no efa nataon'i Trump teo. Dia "gut feeling" an'ilery HONO fa izy tsinona HONO akaiky an'izao Andmntra izao.

Dia nefa anie ilay Siantista teo akaikiny teo, vao niteny mihintsy hoe, TSY tafa ny baolina @ izany 12 Aprily izany, fa mbola misy mifindrafindra ny virus, koa raha voany ny marefo ara-pahasalamana, dia hitombo ny isan'ny maty

An an.. dia tena AOKA IZAY mihintsy ity mampiankina ny fi(s)ainana @ finoana ity.

mampalaelo tokoa anie nareo tsy mino fa tena tsy misy antenaina mintsy rehefa ohatrizao e! Toa tsisy afaka manakana ny fanampahakevitry Trump! Nefa ingahirainy ohatrany mitombo indray hono ny intention de vote ho azy ( ny henoko farany io an!)
34. rhaj0 ( 27/03/2020 13:21)
Dia i Gasy1zay izany TSY mampalahelo fa "mino" an'i Trump.

Izahay TSY miankina @ finoanoam-poana ry Gasy1zay dia "misy antenaina" tokoany aa...
- Ohatra iainana andavanandro izao, talohan'ny krizy, dia be fanahiana ny mpampiasa @ ity teleworking ity. Izao nefa samy nikezaka daholo ary dia mety tsara ilay izy. Vokany: vitsy ny fiara eny andalana. Mihena ny loton'ny rivotra.
- Ohatra andavanandro izao. Betsaka no tsy mitandrina resaka virus gripa h@ izao. Izao ny olona mivoatra daholo, mifanaja sy mifampitsinjo.
- Ohatra hafa.. ny olona nanaraka tsara ny hadalan'ilay sekta kristiana koreana tatsimo. Jereo fa hendry tsara ny Papa dia nanaiky ny Siansa fa tsy niedinedina mitoritory resa-kehy @ Coronavirus
- Dia averina ny efa notaterina teto, ny @ dingana vitan'ny Artificial Intelligence ny @ fitadiavana fanafany.

Ny olona dia mandinika ny zava-misy ary mianatra dia mivoatra ry Gasy1zay aaa..

Asa nareo Kristiana fanatika ao, izay mihoboka ao @ izao Boky tonta izao foana, dia mitady isarika ny hafa hiverin-dalana any @ toe-tsaina maizina taloha be tany....
dia "TSY mampalahelo" HONO izany hozy ry Gasy1zay...
35. gasy1zay ( 27/03/2020 13:41)
Tsy azon'i rhaj0 mintsy ilay fiadanana avy @ JK

Tsy i Trump aloha no inoanay fa JK

dia diniho tsara izao rhaj0, izay tsy mivaky loha izay ataon'ny AI any nefa dia rehefa tonga ny vakisiny dia inona fa mahazo daoly na kristiana na tsia, torak'izay koa ny télétravail e! Nga ny tsy mino ihany no mahazo manao izany fa izahay koa? Azonao ve rhaj0? Ny tombony lazainao fa azonao dia azon'ny be sy ny maro fa ny azonay manaraka an'i JK dia tsy azonao raha tsy mino ianao.

Inona moa izany? Fiadanana, satria nahoana? satria na miely eran-tany aza ny aretina dia tsy misy tahotra satria mino fa JK dia afaka miaro anay, raha sanatria ka tratra aza dia tsy olana fa izy koa mbola mahay manasitrana ka dia na misy na tsisy vakisiny dia tsy olana ho anay ny marary fa misy Andriamanitra mahery mahay manasitrana ny aretina rehetra. Farany na ho faty daoly aza isika rampitso, mbola tsy misy olana ihany koa fa vao maika hiaina ny fiainana mandrakizay miaraka @ JK.

Ny fahafinaretana (plaisir) azo vidiana vola ( drogue, alcool, sexe, etc...) fa io fiadanana ( paix/shalom) io dia ao @ JK irery ihany rhaj0 a! Na dia maro aza ny olona mitady azy any @ chose alternative ( drogue, alcool, meditation, yoga, ...), mety mahita temporairement fa tsy maharitra.

Ka raha tena mampiadana anao ny fahalalanao dia tsy maninona fa ny afaka ambarako dia misy fiadanana tsy takatry ny sain'zay tsy mbola niaina azy ao @ JK. Amen :)
36. rhaj0 ( 27/03/2020 13:47)
Averiko indray... Ny ahy ny fiadanako tsy ahoriko @ finoana (manaiky-tsisy-porofo). Ny ahy fantariko ny positive sy negative @ fiainako, ny lasa sy ny potentialite ahy eo, dia atrehiko izany zava-misy izany, ezahiko ataoko ny tokony ataoko sy izay azoko atao, ary dia kalamina ny saiko

Fa ny an'i Gasy1zay... hey ... iza ho'a no hi-contredire fa tsy miadana ny zazakely mino (perinoelina)?
37. gasy1zay ( 27/03/2020 14:24)
Rehefa kalamina ny sain'i rhaj0 dia aza miraharaha izay ataon'i Trump any fa ny afaka ataonao atao izany e! :) sa ve hoe tsy maintsy miwawawa?
38. rhaj0 ( 27/03/2020 14:44)
Rehefa tia ahalala sy tia mandalina, dia na i Trump-ndoza io, na ireo Kristiana-fanatika, na ireo mpamosavy sy mpamorika fi(s)ainan'olona, dia arahina sy atao izay ahafantarana ny ataony ao, fa rehefa tonga ny fanontanian'ny Ankizy, dia vonona afaka m(if)anazava sy m(if)ampizara sy m(ifamp)ianatra...

Inona no tsy takatrao @ io lazaiko io ry Gasy1zay?
39. gasy1zay ( 27/03/2020 14:52)
tsy azoko mintsy kosa hoe inona ny valiteny omenao ny ankizy nefa efa impiry foana miverina hoe tsy misy valiny izy ity anaka fa mbola work in progress ? ny sainao mety kalamina fa iza no miteny hoe manaiky izany valy boraingina izany ny ankizy? Ny baiboly nefa mba manana ny valinteniny koa.

sa rehefa work in progress ny siansa dia aleo aloha ho ridiculisena ny baiboly sao mino eo rankizy?
40. rhaj0 ( 27/03/2020 15:05)
Ny ankizy ankehitrio anie tsy toa anao ry Gasy1zay, ka hoe, raha tsy vérité absolue beuh tsy amelanao ee..

Mampieritreritra ny atao, dia izy manohy azy.

Izaho rehefa miresaka @ ankizy, tsy quoi mihintsy raha hoe diso aho, na hoe tsy manana valiny. Izay ilay mampieritreritra.

Io izao tsy toa anareo Kristiana ho'a, ka hoe, ilay zokiny (dia ianao ao anisany) na ilay t@ l'an zero dia manana ny vérité absolue. Ary tsisy karohina intsony @ ho avy ny anareo Kristiana fa ity misikotra foana ny lasa sy ilay boky tonta ity foana no atao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1745