Coronavirus

141. rhaj0 ( 15/04/2020 11:24)
Glenn said in a sermon on March 22:
"I firmly believe that God...
"mino aho...
Vokany:
Bishop Gerald Glenn, the pastor of New Deliverance Evangelistic Church in Virginia, has died
(..) Despite warnings from the Centers for Disease Control and Prevention to avoid mass gatherings and maintain social distancing,
Ny eveka Gerald Glenn, pasitera an'ny Fiangonana evanjelika vaovao any Virginia dia maty
(..) Na dia eo aza ny fampitandremana avy amin'ny Ivotoerana momba ny fanaraha-maso sy ny fisorohana ny aretina mba hisorohana ny fivoriam-be sy ny fihazonana ny fivondronana ara-tsosialy,

RBNIR:
rehefa "tsy mitandrina" ... mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra... dia aleo ihany aloha manaiky ny torohevitry ny manampahaizana

Mbo novakianao tsara ve k'lou io lazainao io ry RBNIR?
Eritrereto tsara ao k'lou azany eee :-)
142. RBNIR ( 15/04/2020 18:37)
Araho tsarailay fanazavana nataoko ery ambony...

« [Ny fahatokian'ny olo-marina an'Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany] Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha. » (Salamo 91:1)

olo-marina = olona manao ny marina = olona mitandrina ny marina= olona mitandriana izay hambaran'i Jesosy= olona mitandrina ilay fampianarana tsy misy kilema nentin'i Jesosy avy any an-danitra...

« Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1 Jaona 3:7)


143. rhaj0 ( 19/04/2020 19:55)
Mivoaka eny izao ny hadalan'ireo Mpino, na ny marimarina kokoa, ireo Mpino nefa TSY nanaraka ny Siansa.

ity moa efa notaterina teto:

https://www.france24.com/en/20200303-south-korea-seeks-criminal-charges-against-christian-sect-over-coronavirus-spread
ilay Fiangonan-dreo no tompon'antoky ny fipariahan'ny ankamaroan'ilay
Coronovarus tao Korea Atsimo. HO henjehina eny @ Fitsarana - criminal charges - ireo Mpino ireto

mbola tsy fay ireo mpino sasany ary dia mbola manao ihany:

https://www.cnn.com/2020/04/18/us/harlem-african-american-church-covid-deaths/index.html
One Harlem church. 9 coronavirus deaths

Fa ny vao mainka loza, dia ireo olona efa mandraigiraingy, dia mba amen'ny fanjakana vola, fa dia mbola miasa mafy ry 'le Pasitera fa tia hitango ilay vola kely. Izany no tena hoe Mpamosavy Malemy... @ anaran'ny Jesosy HONO... loz'ty.

https://www.cnn.com/videos/us/2020/04/19/pastor-tony-spell-coronavirus-stimulus-check-donations-blackwell-newday-vpx.cnn
Pastor defends asking congregants to donate stimulus checks

144. rhaj0 ( 23/04/2020 11:30)
Resako t@ namana dia zaraiko eto.

---
Ity, etsy ambany, nisy article, efa t@ 2019. Izany hoe t@ mbola tsy tena desespa, ka dia "tokony" mba objective ihany.

Asa raha efa nolazaiko teto, fa dia averiko ihany, fa rehefa krizy na desespa hotry ny @ izao fotoana izao, dia tsy objective intsony, ary lasa manaonao foana sy mora minomino foana.

----
La consommation de litres de tisane d'artemisia, de composition incertaine, pendant sept jours, sans autre traitement, par de jeunes enfants impaludés les « ?expose (...) à un risque élevé d'accès pernicieux? » (neuropaludisme), une complication grave du paludisme qui se traduit par une atteinte du système nerveux pouvant mener au décès, poursuit l'Académie de médecine. De plus, cette monothérapie en « ?utilisation continue? » favorise l'émergence de souches de parasites résistantes, selon l'OMS.

---

Io izany, ankizy TSY marary, dia amena ny tsy famena, dia HO lasa marary.

Fanampiny: mitombo karazany ny valan'aretina

Ny chloroquine koa toatoa io koa. Niampy hoe, choloroquine tokony hanasitrana ny palu, manasitrana curatif ary efa voaporofo, dia lasa tapitra anaovana - finoanoam-poana - curatif Coronavirus. Ary misy azany lasa mino hoe preventif - manaonao foana - Coronavirus

https://www.lepoint.fr/sante/paludisme-l-artemisia-le-produit-miracle-qui-inquiete-les-scientifiques-27-04-2019-2309765_40.php
145. RBNIR ( 24/04/2020 09:41)
sao dia mba lasa HS be kosa izany rhaj0 afaka hanokafana lohahevitra ary amin'ny fahasalamana ary kosa ngamba an!
146. rhaj0 ( 24/04/2020 10:36)
eritrereto tsara ary aza hadino mandrakizay doria:

[size=19]Rehefa krizy na desespa hotry ny @ izao fotoana izao, dia tsy objective intsony, ary lasa manaonao foana sy mora (mino) mino foana.[/size]


Ka na tsy krizy aza, dia mihevera-tena koa, fa inona ny maha-desespa anao ao, ka mahatonga anao (mino) mino foana?

[size=19]Inona ny tsy-fahampiana aminao ao? [/size]

FAHALALANA????
147. gasy1zay ( 24/04/2020 14:19)
Raha ny fahitako azy indray dia ohatrany misy manipulation socioculturel enjana be ao ambadik'ity fanafody COVID-19 ity, ny tiako ambara dia nisy scandale herinandro lasa hoe tian'ny mpikaroka europeana ho testena any afrika ny vakisiny COVID-19, tsy nampoizin'zareo hoe hiteraka scandal be anefa ilay discussion niparitaka reseau sociaux

Raha ny hevitro manokana dia misy manipulation ao mba haneken'ny firenena afrikana test hoan'ireo fanafody mbola experimental ka ry zareo no lasa cobaye.

ny nampanekena azy any Afrika dia toy izao :
- Ny mpikaroka ao @ firenena no nahita azy
- Asiana orinasa fantatry ny maro mitondra ny label marketing mba hatokisan'ny olona ilay fanafody
-Nisy intervention divine ny nahitana ilay fanafody hoan'ireo firenena majoritairement chretien( mba hanazavana hoe ahoana ny nahitana ilay fanafody tanaty fotoana fohy)


Raha ny fantatro dia tsy misy verset mintsy ao anaty bible hoe hanome vision na prophecie hoan'ny olona Andriamanitra mba hahazo fanafody hoan'ny aretimandringana sns... ny fanasitranana avy amin'Andriamanitra dia raisina @ finoana fa tsy @ zavatra voaporofo ara-tsiansa izany.
Fa hevitro manokana io fa tsy maninona raha tsy mitovy hevitra amiko ny hafa


148. rhaj0 ( 24/04/2020 15:39)
Ka io izany, raha araka ny lojikan'i Gasy1zay (tarihin'ny FM), dia hotry ny hoe, navela hirediredy @ ilay cov19 ilay prezida, dia ho hita eo tokoany raha mahasitrana ity izy, sady tsy misy effets secondaires.
149. gasy1zay ( 24/04/2020 18:57)
raha ny hevitro dia ny vazaha ihany no ao ambadik'io fanafody io dia lazaina fa ny manampahaizana afrikana no nahita azy par miracle mba haneken'ireo hanandrana azy! Manasitrana izy dia iny ry zareo hampiasa azy koa raha tsia dia ny afrikana ihany no hitan'ny havany eo!
150. rhaj0 ( 24/04/2020 19:32)
F'iza no tompon'ny IMRA? Iza no namokatra ireny tavoahangy be dia be ireny? Na koa ny fizarana azy toa io? DIa volan'ny BM ve no nividianana azy sa ahoana?

Ivereno vakiana tsara anie ilay artikla ito, ny @ fandehan'ireny karaana "tambavy" ireny ee..
Resaka fahasalamana fotsiny ifantohana ny amakiana azy.
Aza asiana resaka politika sy finoana, na koa chauvinisme sy fomba tradition.

https://www.lepoint.fr/sante/paludisme-l-artemisia-le-produit-miracle-qui-inquiete-les-scientifiques-27-04-2019-2309765_40.php
151. RBNIR ( 25/04/2020 15:30)
lasa HS be hoy aho...
152. rhaj0 ( 25/04/2020 18:35)
Coronavirus ny lohateny. Asaina (inviter-na) mba manadihady - tsy asiana resaka Politika/Finoana/chauvinisme/tradition - aloha ny mpisera, @ izay, rahefa ampidirina avy eo @ izay ny resaka Politika/Finoana/chauvinisme/tradition , dia.. ho hitan'ny havany eo ny karazan-dry RBNIR sy ny hadalany.


Fanampiny: dia mba mampalelo mihintsy 'le RBNIR 'ty, fa vao tsipihina hoe "Aza asiana resaka ... finoana", dia tonga dia TSY miasa intsony ny coco-ndRBNIR, ary dia Hors-Sujet HONO.
153. RBNIR ( 26/04/2020 17:18)
Fivavahana sy finoana no eto fa afaka manokatra tsara ianao any amin'ny fahasalama na koa hoe politika raha izay no tianao...
ilay nentinao ery amboalohany hitako mety ihany fa ny tafara kosa HS be e!
154. RBNIR ( 26/04/2020 17:20)
raha tianao handray anjara daholo koa ny rehetra dia afaka sokafanao ao amin'ny fiarahamonina sns...fa tsy eto kosa e!
155. rhaj0 ( 26/04/2020 20:14)
Coronavirus raha tarafina avy @ finoanoamm-poana ny resak'eto ry RBNIR aa... Finoana sy fivavahana daholo izany.

Mahatsiaro oainina angaha ianao sy ny hadalanao ry RBNIR ary dia mitady hanilika ilay resaka?


Satria dia sirika be, fa

1- rehefa ny Coronavirus no ahadihadiana, TSY asiana resaka Finoana (na politika sns...), dia mazavabe ny resaka

2- dia rehefa ampidirana resa-pinoana ilay resaka Coronavirus, dia oainina be fa miala any ny Zaza Midrou ohatra, ka hoe, tena mirima @ Apokalipsa HONO izao mitranga izao. Na i RBNIR hoe, mitokia @ Imazinera, nefa
kay Izy mitoky an'ny Siansa ihany, fa TSY fantany fotsiny fa izay kay no ataony ao ee....
156. RBNIR ( 27/04/2020 06:28)
satriko aza ngeh mbetsaka ny hahita ny zavatra zaraiko eto e!!! momba ny coronavirus manokana efa nazavaiko io...
Jesosy tsy nitsipaka dokotera (mpitsabo)

raha olona tsy manana fahatokiana an'Andriamanitra koa (olona mahafantatra tsara fa ny tenany dia tsy mbola tsy matoky an'Andriamanitra dia tsara ho azy aloha ny manaraka tsara izay lazain'ny siansa

Ho an'izay tena mitady an'Andriamanitra kosa ary matoky fa Andriamanitra afaka hamonjy azy dia mila tonga olo-marina ny tenany (olomarina=olona manao ny marina = olona manao izay nolazain'i Jesosy= olona mandeha araka ilay fampianarana tsy misy kilema...)

Ho anao manokana moa dia confinement 1 an na mahery no torohevitra natolotro ho anao :-)

ka inona no olana amin'izany...
157. rhaj0 ( 27/04/2020 10:34)
RBNIR:
Ho anao manokana moa dia confinement 1 an na mahery no torohevitra natolotro ho anao :-)

Dia efa nanontaniako hoe, mbo mifototra @ inona moa izao "torohevitra" atolotrao?

Ny Coronavirus resaka 2019, ny torohevitrao mifototra amina lojika-na l'an-zero-ao-moyen-orient?
158. RBNIR ( 28/04/2020 01:39)
mbola tsy azonao foana v rhaj0? ianao ngeh tsy mino Izay inoko dia tsy afaka ny hatoky Izay hitokiko e! dia aleo ihany aloha ny siansa no hianteheranao sao ....
159. rhaj0 ( 28/04/2020 10:52)
RBNIR:
...ianao ngeh tsy mino Izay inoko dia tsy afaka ny hatoky Izay hitokiko e! dia aleo ihany aloha ny siansa no hianteheranao sao ....

Tena hadinon'le RBNIR ny tori-teniny in-1 mandeha

RBNIR - 15/04/2020 02:52:
rehefa "tsy mitandrina" ... mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra... dia aleo ihany aloha manaiky ny torohevitry ny manampahaizana


kay ilay RBNIR 'ty kay izany "tsy mitoky a 100% an'ilay itokiany", dia i Andrmntra, ka dia "aleony ihany aloha mitoky Siansa"
160. rhaj0 ( 28/04/2020 12:02)
Ka dia tohizana ny fitokiana ny Siansa.

Ny tombatombana dia r@ Fararano (Septambra) no "mety" ho mahatafavoaka Vaksiny ny Siantista
https://richardhetu.com/2020/04/28/un-vaccin-en-septembre/
Dans l’hypothèse d’un processus d’approbation accélérée, les scientifiques estiment que des millions de doses de leur vaccin pourraient être disponibles en septembre – si le vaccin s’avère efficace, cela s’entend.


Satria moa resaka Finoana/Fivavahana ny eto, dia tsipihina tsara izany fa
- TSY ilavana Finoana/Fivavahana ny famahana olana @ fiainana (ohatra Coronavirus eto)
- TSY ao anaty Baiboly no ahitana vali-teny amahana ny olana (ohatra Coronavirus eto)
- Fandaniana andro (distraction) ny resaka Finoana/Fivavahana @ fiainana, na @ ity krizy ity en particulier. Fotoana tokony ampiasaina ikarohana vaha-olana, dia lanian'ny Mpino @ fievohana boky tonta, lojika tonta, ary andaniany bandwidth, amina resaka TSISY ifandraisany @ fiainana ankehitrio, na ohatra Coronavirus eto.

Marihiina tsara fa "tombatombana" io. Tombatombana mifototra @ zava-misy sy zavatra ataon'ny Siansa.

Ngo dia misy hirediredy indray eto, dia hilaza @ teny mahery hoe, "faminaniana" io.
Resaka Siansa ity fa tsy resaka finoanoam-poana. Teboka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4833