Coronavirus

121. rhaj0 ( 03/04/2020 22:15)
RBNIR:
ary maninona ianao no mbola mihiboka ao fa tsy lasa mivoaka???? hi hi hi....

Satria aho mitsinjo ny 5% izay ho faty raha voany.

Ary TSY mampihomehy izany ry RBNIR, fa dia anarany fotsiny ianao mba hoe mieboebo hoe miresaka @ Jesosy, nefa dia asehonao tsara eto mihintsy ny maha-tsisy fo sy tsisy saina an'i RBNIR hotran'io!!
122. RBNIR ( 04/04/2020 03:23)
ngah moa tsy sarcassme kely mampitsikitsiky kely no ataontsika eto ry rhaj0???? fa mahafinaritra fa MANOMBOKA tafita ny hafatra satria EFA MAHATSAPA IANAO FA EFA TSY MAMPIHOMEHY INTSONY ITY RESAKA ITY...

Fantatrao tsara fa loza amin'atambo ilay izy nefa raha vao i RBNIR no miteny (hafatra avy amin'i Jesosy) ...dia ny hanohitra ihany na dia marina aza ny lazain'i RBNI mpitondra hafatra avy amin'i Jesosy lasa miteniteny foana toy ny zazakely IANAO MITABATABA ERAKY NY TANANA FA TSY MANINONA IO FA 85 % TSY HANINONA???

ka tazomy tsara ny fotokevitrao rhajo fa lasa mampihomehy ny ankizy ianao a! SATRIA TENA MARINA FA TSY MAMPIHOMEHY ARY TSY TOKONY HIHOMEZANA HOY AHO ITY FA ZAVA-DOZA TONGA AMIN-NY OLOMBELONA FAMINANIANA TANTERAKA ARY VAO FANOMBOHANA NY CORONA VIRUS....PESTE(S) NO VOASORATRA ARAKA NY LIO.21:11 ARY HISY NY MOSARY (HO AN'IZAO TONTOLO IZAO....

AZA FALY MANOHITRA...TSY EFA TONGA V NY MOSARY IZAO??? SUPERMARCHE ILAHARANA FOKOTANY HILAHARANA NY EPICERIE HILAHARANA SNS.....

PAPIER HYGIENIQUE HIADIVANA SY HIFAMONOANA???

Ovay ny fijery henoy ny mpaminany fa aza variana ny hanohitra be fahatany ....
123. RBNIR ( 04/04/2020 03:35)
rhaj0:

miresaka @ Jesosy, nefa dia asehonao tsara eto mihintsy ny maha-tsisy fo sy tsisy saina an'i RBNIR hotran'io!!

Ny tena fitiavana ny namana amin'izao toe-javatra izao ry rhaj0 dia ny fitoriana ny marina avy amin'i Jesosy a! tsy amintahotra sy tsy amin-kenatra eny fa na dia eo aza ireo mpanesoeso sy miseho azy ho dadany amin'ny fahalalana...dia mihezaka hatrany mampita ny MARINA AMIN'NY OLONA REHETRA....

FITIAVANA LEHIBE NO EFA NOZARAIKO TETO .... MANAOVA NY MARINA DIA TSY HATAHOTRA IANAO ARAKA NY SALAMO FAHA 91...

« [Ny fahatokian'ny olo-marina an'Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany] Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha. » (Salamo 91:1)
« Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako. » (Salamo 91:2)
« Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza. » (Salamo 91:3)
« Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. » (Salamo 91:4)
« Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro, » (Salamo 91:5)
« Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana. » (Salamo 91:6)
« Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany » (Salamo 91:7)
« Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy. » (Salamo 91:8)
« Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, » (Salamo 91:9)
« Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao. » (Salamo 91:10)
« Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao. » (Salamo 91:11)
« Eny an-tànany no hitondran'ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao. » (Salamo 91:12)

TSY SAROTRA IZANY SATRIA HOY I JESOSY HOE .. « Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Matio 11:30)

Tsy mila vola be zaraina eraky ny tanana na koa hanaovana sakrifice be mahatsiravina fa ny tenanao sy ny fiananao no atolory hanompo Azy dia Izy no hiantoka anao amin'izao loza Be izao...« Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany. » (Isaia 45:11)


Ary n'iza n'iza manohitra izany dia fahavalon'ny fahamarinana izy ary ny marina tsy ao aminy....

Izany no fitiavana tao anatin'i Jesosy ka nanolorany ny ainy.....
124. rhaj0 ( 04/04/2020 21:19)
Inty indray hira hafa koa, ho an'ny izay tia miatrika ny zava-misy

125. RBNIR ( 04/04/2020 21:29)
126. RBNIR ( 04/04/2020 21:31)
127. RBNIR ( 04/04/2020 21:35)
128. rhaj0 ( 05/04/2020 16:50)
RAha ireo hira-vavaka ireo no lazainao RBNIR fa hanampy hiady @ Cornavirus, dia tena DISO tanteraka ary MPAMOSAVY olona ianao ry RBNIR. Efa io foana no nataonareo, nefa TSY naha-prevenir akoriny. DIa mbola io foana ve no ho atao, NEFA TSY hahasitrana akoriny??

FA iza moa no hanakana anao TSY hamosavy ny Kristiana namanao ry RBNIR?
Fa dia ao nareo izany eee..



Fa ho an'izay te-HIATRIKA ny zava-misy, ary atrehina an-kira ampalefaka ny dia, dia inty indray misy hira hafa koa


129. rhaj0 ( 05/04/2020 17:04)
Sady mampieritritra, manoro ny tokony atao, no mba manala azy kely, ary indrindrindrindra MANATRIKA ny zava-misy

CORONAVIRUS ny lohahevitra eto @ io

130. RBNIR ( 06/04/2020 05:38)
rhaj0:

RAha ireo hira-vavaka ireo no lazainao RBNIR fa hanampy hiady @ Cornavirus, dia tena DISO tanteraka ary MPAMOSAVY olona ianao ry RBNIR. Efa io foana no nataonareo, nefa TSY naha-prevenir akoriny. DIa mbola io foana ve no ho atao, NEFA TSY hahasitrana akoriny??

FA iza moa no hanakana anao TSY hamosavy ny Kristiana namanao ry RBNIR?
Fa dia ao nareo izany eee..

Efa naprevenir tahaka an'izao ataoko izao foana izy fa ny olona no tsy nino sy tsy niraharaha e!!

Porofo??? tsy mila mitady lavitra fa ianao io izao tsy mety miova mihitsy....

Fa hanenina hoy aho e!

131. rhaj0 ( 06/04/2020 11:20)
Ka fenoy ilay porofo azany ry RBNIR.

Dia rehefa ni-prevenir i RBNIR fa tsy niraharaha ny olona, ohatra izaho, dia inona ny vokany?
132. RBNIR ( 07/04/2020 12:05)
samy mandray ny vokatra sahaza azy ka...izay namafy tsara dia hijinja vokatra tsara, izay namafy ratsy dia hijinja vokatra ratsy...

« Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. » (Galatiana 6:7)

Fa enga anie, ka mbola hamindrafo hatrany ihany aloha Izy...
133. rhaj0 ( 07/04/2020 12:15)
rhaj0:
Ka fenoy ilay porofo azany ry RBNIR.

Dia rehefa ni-prevenir i RBNIR fa tsy niraharaha ny olona, ohatra izaho, dia inona ny vokany?
134. RBNIR ( 07/04/2020 13:48)
rhaj0:

Dia rehefa ni-prevenir i RBNIR fa tsy niraharaha ny olona, ohatra izaho, dia inona ny vokany?

[/quote]
tena sahy ianao ity an?

enga anie hoy aho ka hampahiratra ny masonao Izy....
135. rhaj0 ( 08/04/2020 02:02)
Inona ny vokany ao @ imazination-nao ao ry RBNIR aaa?... Toa TSISY an?.. :-)

esy e ry RBNIR.. dia tsapanao tsara io izany fa tsisy n'inona mitranga, satria araka ny filazanao azy ihany, dia "ny sainao ihany no mamoromporona" ao.
136. RBNIR ( 08/04/2020 14:46)
« Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. » (Galatiana 6:7)
137. rhaj0 ( 08/04/2020 18:06)
Izaho izao voan'ny sery kely... hey.. i Andmntra ve no namely sery ahy io? Dia nefa izao tsisy sakamalaho ato an-trano. Lany koa ny mosoara. Nefa ny taratasy fifirana mila tsitsiana. Tena mijaly mihintsy aho izany, fa ataon'Andmtnra mipapapapa mihintsy k'le...

Izay ve no tianao lazaina ry RBNIR?

Dia nisy fifandrifin-javatra ve, ka izay koa no ao @ imazination-nao, dia ny ao @ ilay sainao namoromporona tao ry RBNIR?
138. RBNIR ( 08/04/2020 20:36)
« Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy. » (Mpitoriteny 8:11)
139. rhaj0 ( 14/04/2020 19:29)
https://www.cnn.com/2020/04/14/us/bishop-gerald-glenn-god-larger-coronavirus-dies/index.html

Bishop Gerald Glenn, the pastor of New Deliverance Evangelistic Church in Virginia, has died
(..) Despite warnings from the Centers for Disease Control and Prevention to avoid mass gatherings and maintain social distancing, Glenn said in a sermon on March 22, "I firmly believe that God is larger than this dreaded virus," and announced he was not afraid to die.


Nadikako atsy @ google translate malagasy

Ny eveka Gerald Glenn, pasitera an'ny Fiangonana evanjelika vaovao any Virginia dia maty
(..) Na dia eo aza ny fampitandremana avy amin'ny Ivotoerana momba ny fanaraha-maso sy ny fisorohana ny aretina mba hisorohana ny fivoriam-be sy ny fihazonana ny fivondronana ara-tsosialy, dia nilaza i Glenn tao anatin'ny toriteny iray tamin'ny 22 martsa, "mino aho fa lehibe noho io virus mahatsiravina io i Andriamanitra," ary nanambara izy fa tsy matahotra ho faty.


Ka i GErald nitory teny sy nivavaka be teo ny 22 marsa, dia afaka 2 herinandro, 4 Aprily, niaiky fa voan'ny Coronavirus, izay (ety) noho ny di-dohany nampiangona t@ 22 Marsa, dia nivadika ny herinandro, ary dia maty noho ny COronavirus RAtpklh.



Ka dia ahoana izany ry RBNIR, tena tsy "nibebaka comme il faut" ve iItpkl Gerald, ka dia io maty io? Sa koa tsy nanantona an'i HRNRN-mpanasitrana-izay-mendrika?

Ka dia ahoana izany ry Gasy1zay: Any paradisa ve izao i Gerald, arak'ilay finoanao hoe, raha maty eo am-pivavahana dia tonga dia paradisa. Sa moa TSY born-again Itpkl Gerald fa evanzelika, ka dia tsy narovan'ny FM?

Ka dia ahoana ry Bor2lais? fa dia naninona loatra no tsy narovan'ny ran'i Jesosy ny Eveka? Dia io maty io izany Ratpkl, satria tian'i Jesosy ho tonga saina ianao ry BOr2lais mba hiverina @ Andrmtnra.. izay moa hoz'ianao teo?

Ntss... dia mahery noho iItplk Gerald ve nareo ry RBNIR, Gasy1zay ary Bor2lais, ka hiteny koa hoe:
"mino aho fa lehibe noho io virus mahatsiravina io i Andriamanitra," ary hilaza fa tsy matahotra ny ho faty toa RAtpkl koa ianareo?
140. RBNIR ( 15/04/2020 00:52)
arakao tsara v ilay vahaolana nomeko sy voasoratra ao amin'ny salamo 91 rhaj0?

Averina indray ary e!...« [Ny fahatokian'ny olo-marina an'Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany] Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha. » (Salamo 91:1)

olo-marina = olona manao ny marina...

« Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1 Jaona 3:7)

Inona no marina? « Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jaona 18:37)

Izay nambaran'i Jesosy no marina...;

Inona no nambaran'i Jesosy? « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

Fampianarana avy any an-danitra no marina = fampianarana tsy misy kilema...

koa aza mamita-tena re reolona o! rehefa "tsy mitandrina" averiko tsara (tsy hoe mahafantatra fotsiny fa tena mitandrina tsara mihitsy" an'io fampianarana tsy misy kilema io ianao dia aleo ihany aloha manaiky ny torohevitry ny manampahaizana (na dia sarotra sy mafy be) aza izany.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2362