Tena tsy mety azoko mihintsy ho'a

21. rhaj0 ( 25/02/2020 15:41)
hi hihi.. toa ny zazakely io, hozy RBNIR.
Ka hitora-bato ve ry RBNIR sa ataonao masaka ao @ imazination-nao ao iaho sy I sipakely io?? :-)
22. rhaj0 ( 25/02/2020 15:45)
rhaj0:
Fa tena tsy hitako hoe, taiza aho no "nanevateva Jesosy" izany.......
RBNIR:
mahafinaritra rehefa manomboka matahotra Azy...
rhaj0:

bouhou...

Ka ity ve izao ry RBNIR "manevateva", sa mba vanitika fotsiny? :-)

hi hihi.. toa ny zazakely io, hozy RBNIR.
Ka hitora-bato ve ry RBNIR sa ataonao masaka ao @ imazination-nao ao iaho sy I sipakely io?? :-)
23. RBNIR ( 25/02/2020 16:47)
rhaj0:

Fa tena tsy hitako hoe, taiza aho no "nanevateva Jesosy" izany.......

[/quote]
http://forum.serasera.org/forum/message/m56a8c87ee9a9b
24. RBNIR ( 25/02/2020 16:52)
Izay ange ny anton'io lohahevitra nosokafanao io e! te hilaza ianao fa i Jesosy tsy mahatakatra na inona na inona..;

ka hoy aho hoe tena hain'i Jesosy ny nanetry ny tenany fa tsy hitan'i rhajo mihitsy hoe Andriamanitra marina tokoa Izy...mahita trou noir tamin'ny taonjato 0....
25. rhaj0 ( 25/02/2020 17:28)
rhaj0:
Fa tena tsy hitako hoe, taiza aho no "nanevateva Jesosy" izany.......
RBNIR:
http://forum.serasera.org/forum/message/m56a8c87ee9a9b

:-) :-)
Dia mbola tsy hitako ihany hoe, inona @ voalazako t@ 2016 no "manevateva Jesosy"

Aleo azany aloha jerena tsara ny dika-teny

Manevateva = Manao ho tsinontsinona, manaratsy, maniratsira
Maniratsira = maneso, manao ho tsinontsinona, mamotsifotsy, manevateva
Mamotsifotsy = manao tsinontsinona, manamavo, manimbazimba
manamavo = mépriser, dédaigner, diffamer

Esy e ry RBNIR... Efa lazaina foana fa "milaza ny zava-nisy" fotsiny aho, koa raha "ratsy" na "tsinontsinona" sns.. ny zava-misy-miaraka-@-Jesosy-t@-fotoan'androny, dia efa hoe, hatreho ny zava-nisy fa tsy ny mpitatitra no enjehinao ry RBNIR :-)
26. RBNIR ( 25/02/2020 23:31)
Voalazanao ao amin'io rohy io daholo ireo notanisainao ireo rhajo! otran'izao ny olona rehefa jamba tsy mahita ny ANDRY eo amin'ny masony....
27. rhaj0 ( 26/02/2020 01:26)
hi hi h i.. aleo alamina dia asesy averina indray izany, fa mbo sampona koa ilay RBNIR, efa 4 taona aty aoriana vao hoe...

rhaj0:
Ohatra voalohany tonga dia tonga ato an-tsaina izao dia hoe, TSY mbola nahalala ho'a ny olona t@ izany fa boribory anie ity Tany ity, na dia efa 500 taona talohan'ny zero azany no efa takatakatry ny Grika ihany fa hoe boribory io. Fa t@ tany @ 1450 azany, nony Christophe Coloumb niankandrefana iny, dia tena betsaka no 'nino' hoe, hikorotsaka sahala @ any @ Niagara Falls ny sambon'i Christophe rahefa tonga any @ fara-vodi-lanitra any. I Galileo azany moa, efa t@ 1615, dia noenjehin'i Vatican rahefa nilaza fa tsy fisaka ny marina, na ny Tany moa izany eee...

Raha tsy mahalala izay ambonin'ny Tany (boribory) i Jesosy, na koa ireo Kristiana mpanaraka azy, t@ izany fotoan'androny izany, dia... tena "mino aho", fa rahefa mahita ilay "fara-vodi-lanitra menamena be" iny zareo, dia tena mihevitra fa i Devoly no miketriketrika raha any andrefana any.

Sahona? :-)

Inona @ io no "manevateva Jesosy" re ry RBNIR? :-)
28. RBNIR ( 26/02/2020 06:18)
Hoy i Jesosy. hoe..;

« Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao? » (Jaona 9:35)
« Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy? » (Jaona 9:36)
« Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. » (Jaona 9:37)

Dia hoy i rhajo hoe....

rhaj0:

.....tsy mahalala izay ambonin'ny Tany (boribory) i Jesosy,

Mazava be io tsy manaiky i rhajo fa Zanak'Andriamanitra i Jesosy ary tsy manaiky hampianariny koa satria mihevitra i rhajo fa hoe ambany fahalalana noho i rhajo i Jesosy...

Moa tsy mitovy amin'ny lazain'ireto olona ireto v izany e???

« Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin'ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy. » (Jaona 9:34)

manevateva, manambany, maneso sns.......
29. RBNIR ( 26/02/2020 06:41)
fa tena hain'i Jesosy hoy aho ilay nanetry tena e! sahin'ny olona ny nanao 'ialahy Azy"...

Ny soa fianatra ry kristiana isany...;

Tadidio fa izay toetra izan no nanandratana an'i Jesosy ho lasa ambon'ny anarana rehetra...araka ny teny ery aloha ery.....

Izay ihany koa no nitiavan'ny olona sy tena nitiavan'Andriamanitra an'i Jesosy « Ary Jesosy nitombo saina sy tena* sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona.[*Na: taona] » (Lioka 2:52)

tahaka an'ny zaza e, matehotia, mora ifandraisana (tsy ilay mizahozaho amin'ny tanana (hoe izany izahay fa Zanaky ny Avo) fa ilay mipiripirina mitandro fihavanana.....
Tsy misy mpahita, tsy misy mpanontany akory ary fa fanevatena sy fanao tsinontsinona mihitsy....

Fa dia tena "sahy" ihany hoy aho ireo mpanevateva Azy e! rehefa hifanatrika amin'izay ao aoriana ao hanahoana re e????
30. RBNIR ( 26/02/2020 08:37)
izaho moa vao nino Azy dia nanao otran'i petera nipirina kely dia kely tokoa...natahotra, niankohoka tanteraka mihitsy...

« Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. » (Lioka 5:8)
31. gasy1zay ( 26/02/2020 11:14)
RBNIR > marina ilay hoe ilaina ny manetry tena saingy kosa tsy tokony ho adinonao ny nouvelle identite anao ao @ Jesoa Kristy

Hazavaiko, mpanota isika saingy maty ho antsika Kristy mba ho voavela heloka isika ary ho tonga zanak'Andriamanitra

Ka rehefa nandray an'i Kristy isika dia lasa olombaovao, tsy tokony hiteny intsony hoe mpanota tsy mendrika, raha nisolifatra ianao ka nanota dia mifona aminy ka miarina ary lasa manaraka ny dian'ny fahamarinanaindray.

Tadidio fa lasa zanak'Andriamanitra ianao satria tafaray ao @ Kristy ary lasa tempolin'ny FM

Zay ilay tenenina @ RBNIR hoe misy chronologie io baiboly io fa i Petera nilaza an'io dia tsy mbola nintsangana t@ maty Kristy ka tsy mbola nisy ny FM

Rehefa nandray ny FM ny apostoly dia tsisy nilaza intsony hoe mpanota izahay fa efa nahazo revelation ny hoe lasa zanak'Andriamanitra
32. RBNIR ( 26/02/2020 11:25)

gasy1zay:

Tadidio fa lasa zanak'Andriamanitra ianao satria tafaray ao @ Kristy ary lasa tempolin'ny FM

Ny tian'i gasy1zay lazaina v izany dia hoe ianareo ilay mirehareha eo anatrehan'ny hafa fa tena zanany marina tokoa sa????? dia manao demonstration etsy sy eroa????
ary dia asaina miforitra ny hafa fa haseho mihitsy hoe ianareo ilay zanany???
Ahitsio aho raha diso fandray
33. rhaj0 ( 26/02/2020 13:54)
rhaj0:
.....tsy mahalala izay ambonin'ny Tany (boribory) i Jesosy...
RBNIR:
...mihevitra i rhajo fa hoe ambany fahalalana noho i rhajo i Jesosy...

Tsisy "ambony" sy "ambany" ny fahalalana ry RBNIR, fa "tsy mahay" sy "mahay" no fampitaha fatao aa.. Rehefa "TSY mahay" dia "TSY mahay" ry RBNIR fa tsy fonomponosina ravim-bomangadia ny "TSY fahaizan'i Jesosy", dia lazaina fa manevateva ny olona (aho) rehefa manatsikafona ny "TSY fahaizany" (Jesosy).

Sady @ izay, na I Jesosy azany tsy niteny, fa fantany Izy fa TSY mahay, ary Izy mihintsy azany no misehoseho hoe TSY mahay, ary I RBNIR ihany koa no niteny an'izany. Dia nefa, dia ilay RBNIR indray no mila ady aman'olona, manasoketaketa hoe mpanevateva..
bravo RBNIR mpanaraka an'i Kristy HONO nefa TSY manaraka ny toetrany akoriny. :-)

Fa na izany na tsy izany, dia sokiro lalina ao anaty Baiboly ao azany, ary tapaho ny hohon'ny ankihikelin-tongotrao ry RBNIR raha mahay an'ity Jesosy, ohatra.

Kilimanjaro anie ka ao atsimon'i Moyen-orient. Ary I Zamerika any andrefana ampitandranomasina.
@ Jesosy sy ny olona t@ l'an zero, ny tongotr'i Kilimanjaro sy ny ranomasina atlantika no valan'ny Tany:
TSY mahay ny jeogirafia ampianarina eny @ garabola I Jesosy :-)
34. gasy1zay ( 26/02/2020 14:21)

RBNIR:

gasy1zay:

Tadidio fa lasa zanak'Andriamanitra ianao satria tafaray ao @ Kristy ary lasa tempolin'ny FM

Ny tian'i gasy1zay lazaina v izany dia hoe ianareo ilay mirehareha eo anatrehan'ny hafa fa tena zanany marina tokoa sa????? dia manao demonstration etsy sy eroa????
ary dia asaina miforitra ny hafa fa haseho mihitsy hoe ianareo ilay zanany???
Ahitsio aho raha diso fandray

Fa angaha tsy mbola fantatr'i RBNIR foana hoe izay nandray an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy mpamonjy dia lasa olombaovao? Rom 8:16 Ny FM mintsy no milaza @ fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika,

Jaona 1 3:9 izay zanak'Andriamanitra dia tsy manota

Ka aoka tsy hilaza intsony ianao hoe mpanota ( na dia nanota aza) fa efa naterabaovao

Tsy misy demonstration sy fireharehana izany RBNIR fa ny FM mintsy no tokony nanome ny revelation anao fa tsy ny olombelona manodidina anao

Ka apetrako ny fanontaniana hoe fa angaha tsy natera-baovao ianao? Raha eny ny valiny dia hoe angaha tsy fantatrao hoe izay naterabaovao tonga zanak'Andriamanitra?
35. rhaj0 ( 26/02/2020 14:27)
gasy1zay:
Tadidio fa lasa zanak'Andriamanitra ianao...

RBNIR:
Ny tian'i gasy1zay lazaina v izany dia hoe ianareo ilay mirehareha eo anatrehan'ny hafa fa tena zanany marina tokoa sa????? dia manao demonstration etsy sy eroa????
ary dia asaina miforitra ny hafa fa haseho mihitsy hoe ianareo ilay zanany???

Dia miverina ny scenario t@ l'an zero eee...

1- I Gasy1zay manandra-tena hoe "zanak'Andriamanitra" HONO

2- I RBNIR tena likiliky @ izany olona misora-tena ho "zanak'Andriamanitra" izany

Mampatsiahy zavatra tsy vaovao? :-) :-) :-)
36. RBNIR ( 26/02/2020 23:27)

ilay hoe zanak'Andriamanitra sy olombaovao tena marina fa ahaka an'i Jesosy dia mila manetry tena tanteraka fa tsy mizahozaho eraky ny tanana manindraindra izay mahazanak'Andriamanitra izay...
« Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, » (Filipiana 2:5)
« Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, » (Filipiana 2:6)
« fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; » (Filipiana 2:7)
« ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. » (Filipiana 2:8)

Na dia zanany marina tokoa aza dia aoka ho toy ny mpanompo no hahitana anao....izay ange no nahatonga an'ireo olona ireo nanivaiva an'i Jesosy e! nisy mihitsy aza "sahy nanao ialahy" an'i Jesosy..satria tsy mba nizahozaho Izy, fa nanambara ny marina fotsiny ihany....
37. RBNIR ( 26/02/2020 23:52)

rhaj0:

rhaj0:
.....tsy mahalala izay ambonin'ny Tany (boribory) i Jesosy...
RBNIR:
...mihevitra i rhajo fa hoe ambany fahalalana noho i rhajo i Jesosy...

Tsisy "ambony" sy "ambany" ny fahalalana ry RBNIR, fa "tsy mahay" sy "mahay" no fampitaha fatao aa.. Rehefa "TSY mahay" dia "TSY mahay" ry RBNIR fa tsy fonomponosina ravim-bomangadia ny "TSY fahaizan'i Jesosy", dia lazaina fa manevateva ny olona (aho) rehefa manatsikafona ny "TSY fahaizany" (Jesosy).

Sady @ izay, na I Jesosy azany tsy niteny, fa fantany Izy fa TSY mahay, ary Izy mihintsy azany no misehoseho hoe TSY mahay, ary I RBNIR ihany koa no niteny an'izany. Dia nefa, dia ilay RBNIR indray no mila ady aman'olona, manasoketaketa hoe mpanevateva..
bravo RBNIR mpanaraka an'i Kristy HONO nefa TSY manaraka ny toetrany akoriny. :-)

Fa na izany na tsy izany, dia sokiro lalina ao anaty Baiboly ao azany, ary tapaho ny hohon'ny ankihikelin-tongotrao ry RBNIR raha mahay an'ity Jesosy, ohatra.

Kilimanjaro anie ka ao atsimon'i Moyen-orient. Ary I Zamerika any andrefana ampitandranomasina.
@ Jesosy sy ny olona t@ l'an zero, ny tongotr'i Kilimanjaro sy ny ranomasina atlantika no valan'ny Tany:
TSY mahay ny jeogirafia ampianarina eny @ garabola I Jesosy :-)

mitovy ihany izany e! te hiteny rhajo hoe tsy mahay noho i rhajo i Jesosy ka tsy ilain'i rhajo hampianatra an'i rhajo izany i Jesosy....

Fa inona koa izay Jesosy tsy mahay (hoy i rhajo) no hampianatra ahy mahay lavitra noho izy???
ka na hiezaka hanadio ny tenanao aza ianao tsy ho afaka eo hoy aho rehefa miverina Izy, fa dia efa omano tsara ny arguments rehetra hamaliana Azy....
38. rhaj0 ( 27/02/2020 11:40)
rhaj0:
.....tsy mahalala izay ambonin'ny Tany (boribory) i Jesosy...
RBNIR:
...mihevitra i rhajo fa hoe ambany fahalalana noho i rhajo i Jesosy...
rhaj0:
Tsisy "ambony" sy "ambany" ny fahalalana ry RBNIR, fa "tsy mahay" sy "mahay" no fampitaha fatao aa.. Rehefa "TSY mahay" dia "TSY mahay" ry RBNIR fa tsy fonomponosina ravim-bomangadia ny "TSY fahaizan'i Jesosy", dia lazaina fa manevateva ny olona (aho) rehefa manatsikafona ny "TSY fahaizany" (Jesosy). ...
TSY mahay ny jeogirafia ampianarina eny @ garabola I Jesosy :-)
RBNIR:
mitovy ihany izany e! te hiteny rhajo hoe tsy mahay noho i rhajo i Jesosy ka tsy ilain'i rhajo hampianatra an'i rhajo izany i Jesosy....

1- TSY mahay jeogirafia toy ny zaza eny @ garabola i Jesosy. Izay ny resak'eto.

2- Jeogirafia no TSY hain'i Jesosy, izay ho'a ny resak'eto, fa ny fampianarana toa ny hoe,
- Iray DAHOLO ihany isikana rehetra,
- na koa ny hoe, rahefa mahazo MAIMAIM-POANA, dia mizara MAIMAIM-POANA.
Ireny dia tsara ianarana avy @ Jesosy

Io ohatra farany io izao dia mila ampianarina mihintsy an'ny toa an'i RBNIR sy HRNRN, fa i RBNIR sy HRNRN dia mihevitra fa paiso i Jesosy, satria i Jesosy TSY mahalala fa misy internety sy radio izao 2020 izao. Satria mila vola ny mampiasa izany, hozy rBNIR, ka raha ohtra ka irahin'i Jesosy mitory mitory izany, dia mila mangalatra kely ny revin'i Paoly, ary dia kepohina ny 1/10-katsembohan'izay olona itoriana ao izao. Fa paiso sy vomanga izay manao an'izany mitory mitory MAIMAIM-POANA izany (araka ny hafatr'i Jesosy)

:-) :-) :-)
39. RBNIR ( 27/02/2020 12:13)
tsy mahay Jeographie marina v i Jesosy????...

« Jesosy nahita an'i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka. » (Jaona 1:47)

Nisy olona iray nanatona an'i JEsosy dia hoy i Jesosy hoe Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka...

dia gaga i Natanaela hoe ahoana no nahafantaranao ahy?????

« Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin'ny aviavy* ianao. [*aviavimbazaha] » (Jaona 1:48)

misy maso hoy aho mijery anao ao rhajo a!
izaho efa nahafantatra hatramin'ny ela fa mijery ahy IZy dia izay mihitsy no mahatonga ahy matahotra ka mandrotsaka 1/10.....
40. RBNIR ( 27/02/2020 12:19)
tsy izay ihany fa ity koa mbola porofo fa tena mahay jeografia marina tokoa i Jesosy (hitany hatramin'ny elakelatrano (manoatra noho i google maps sy google earth ankehitriny)....

« ka nanao hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento ery . » (Lioka 19:30)
« Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan'ny Tompo azy. » (Lioka 19:31)
« Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy. » (Lioka 19:32)
« Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky? » (Lioka 19:33)
« Ary hoy izy: Misy raharaha analan'ny Tompo azy. » (Lioka 19:34)
« Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin'ny zana-boriky, ka nampitaingeniny azy Jesosy. » (Lioka 19:35)
« Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy lreo. » (Lioka 19:36)

NO COMMENT HOY NY FITENY.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7822