IREO MANDRAKIZAY 2

1. RBNIR ( 03/02/2020 19:57)
Fantatrao v fa mandrakizay 2 no hiandry ny zanak'olombelona?
Na fiainana mandrakizay any amin'ilay fanjakan'Andriamanitra, na kosa fijaliana mandrakizay any amin'ilay atao hoe farihy afo sy solifara...

araho ary ireto vidéo ireto fa tsy hanenina ianao....

novalian'i rhaj0 ny 20/02/2020 12:53
2. RBNIR ( 03/02/2020 19:57)
3. RBNIR ( 03/02/2020 19:58)
4. RBNIR ( 03/02/2020 19:59)
Izay no momba ilay fiainana feno fahasambarana any amin'ilay fanjakan'Andriamanitra...

ato kosa no hamantaranao ilay fijaliana mandrakizay any amin'ilay farihy afo sy solifara

5. rhaj0 ( 04/02/2020 02:22)
TEna notaingenan'i RBNIR ny seraseran'i Hery marina...Tsy aleonao ve ry RBNIR manao Bilaogy na Vilaogy dia any izay tia anao sy ny propagandinao no mitia anao, fa eto natao iseraseran ny reheetra

Fa izaho aloha dia tsy nikitika ireo video. Vao iliay sary maneho tananam-bazaha ao aorianan'i HRNRN fotsiny, na ilay akanjom-bazaha, dia efa mampanontani-tena hoe, fa vazaha any @ tananam-bazaha sa te-ho vazaha fotsiny ve ilay HRNRN ity, fa dia ahoana loatra izy ity ry Ratiasavisavika aa... Sa indray any Londres ny paradisa @ HRNRN?

Tsy aleo ve mba lohasaha sy tanana malagasy no aseho ary malabary no anaovana.. na koa robe-lava-fotsin'i Jesosy fara-faharatsiny dia ny reniranon'i Babilaona...

Fa tsy maninona fa tohizo ee.. zara azany nareo ry RBnir sy HRNRN mampiseho sy mampihahaka ny maha-anareo anareo toa io :-)
6. gasy1zay ( 04/02/2020 13:57)
Mba firy tokoa ny statistika ny mpanaraka an'ny fampianaran'ny pasitera Nirina RBNIR fa dia tena miezaka mafy tokoa nareo zany mizara ireto video ny an! Mba tena maharesy lahatra olona ve ty fampianarana hiverina @ lalan'i Mosesy ity?
7. RBNIR ( 04/02/2020 13:59)

rhaj0:

TEna notaingenan'i RBNIR ny seraseran'i Hery marina...Tsy aleonao ve ry RBNIR manao Bilaogy na Vilaogy dia any izay tia anao sy ny propagandinao no mitia anao, fa eto natao iseraseran ny reheetra

ka izay mihitsy no handefasako azy eto rhajo, voalazanao hoe iseraseran'ny rehetra....

« Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. » (Matio 5:15)

aleo tsy afenimpenina fa aleho mba ho hitan'ny rehetra e....

Fa misaotra betsaka an'i hery ihany aloha e (Y)....

8. RBNIR ( 04/02/2020 14:04)

gasy1zay:

Mba firy tokoa ny statistika ny mpanaraka an'ny fampianaran'ny pasitera Nirina RBNIR fa dia tena miezaka mafy tokoa nareo zany mizara ireto video ny an! Mba tena maharesy lahatra olona ve ty fampianarana hiverina @ lalan'i Mosesy ity?

Tsy fantatra mazava aloha hatreto hoe firy na firy marina fa otran'ny misy mankasitraka ihany aloha e!

misaotra azy ireo manokana...

http://forum.serasera.org/forum/message/m5d6fc24a5fe10#m5ddbe51594a79
9. rhaj0 ( 04/02/2020 15:55)
10. RBNIR ( 05/02/2020 05:51)

rhaj0:



dia ny mihinambary koa izany v afaka atao hoe religion?
ny misotro rano, ny mihira (raha tia mihira ilay olona dia mihira foana no ataony ao anatin'ny 1 andro)

ny mifosafosa (bdb no tia an'io dia mifosa foana no ataony anatin'ny 1 andro....religion koa v izany??

sns e!

aza mampihomehy hoy aho.....
11. endriny ( 05/02/2020 08:11)
Fa ianareo ve efa tany no mahita hoe: "Misy mijaly mandrakizay" na "Miadana mandrakizay" any ? Sao rey olona dia asain'ny menasofina manao tsianjery fotsiny a. Ka ianao variana manao tsianjery ry zareo mikakakaka fotsiny mahita anao mivaky loha amin'ny anganom-bazaha. Ka na ny kely ao aminao aza esoriny: analany 1/10.

Soa aloha fa efa nasian'i TGV jiro ny totombaton'Ambondrona, dia hita tsara hoe: Totohatra miakatra eny Ambondrona iny, fa tsy mankany an-danitra
12. RBNIR ( 05/02/2020 09:03)
ka efa hoe i Jesosy mihitsy izao no miverina mifidy olona sy mampianatra ka i endriny koa...
indraindray Izy mitondra any amin'ny helo sy paradisa....
13. rhaj0 ( 05/02/2020 13:06)
rhaj0:


RBNIR:

dia ny mihinambary koa izany v afaka atao hoe religion?

Dia mihahaka foana ho'a ny RBNIRisme an'I RBNIR ee.. Isaka ny manoratra ilery dia hheee... asa fotsiny rehefa miakatra alitara ao, fa ny mipno ao moa maty lolo dia ao ambany lambany no mivanitika... ary dia mitohy misosososo toa vinanto tsy mahare fosa I RBNIR :-)

Io ilay zeneralization-RBNIR, toa ny hoe,
- in-1 mandeha nampitaha ny Viavy @ Leglizy ny Baiboly,
- dia @ RBNIR, izay Viavy rehetra eraky ny Baiboly dia Leglizy.
14. gasy1zay ( 05/02/2020 13:23)

endriny:

Fa ianareo ve efa tany no mahita hoe: "Misy mijaly mandrakizay" na "Miadana mandrakizay" any ? Sao rey olona dia asain'ny menasofina manao tsianjery fotsiny a. Ka ianao variana manao tsianjery ry zareo mikakakaka fotsiny mahita anao mivaky loha amin'ny anganom-bazaha. Ka na ny kely ao aminao aza esoriny: analany 1/10.

Soa aloha fa efa nasian'i TGV jiro ny totombaton'Ambondrona, dia hita tsara hoe: Totohatra miakatra eny Ambondrona iny, fa tsy mankany an-danitra


Raha tsy diso aho dia i Neny Lava sy ilay mpiandry iray nanangana toby fifohazana no toa efa nahita azy tany fa tsy voatery vaza menasofina ihany.
15. RBNIR ( 05/02/2020 14:02)

rhaj0:

rhaj0:


RBNIR:

dia ny mihinambary koa izany v afaka atao hoe religion?

Dia mihahaka foana ho'a ny RBNIRisme an'I RBNIR ee.. Isaka ny manoratra ilery dia hheee... asa fotsiny rehefa miakatra alitara ao, fa ny mipno ao moa maty lolo dia ao ambany lambany no mivanitika... ary dia mitohy misosososo toa vinanto tsy mahare fosa I RBNIR :-)

Io ilay zeneralization-RBNIR, toa ny hoe,
- in-1 mandeha nampitaha ny Viavy @ Leglizy ny Baiboly,
- dia @ RBNIR, izay Viavy rehetra eraky ny Baiboly dia Leglizy.

Ka izay ilay sary koa rehefa ny zavatra iray no averimberina imbetsaka dia lasa religion....

afaka raisiko amin'izany mihitsy io an! (satria ilay zavatra miverimberina amin'io mety ho lainga mety ho marina fa tsy voatery hoe lainga foana....

ka diso io sary io no tiako ambara e! izay no conclusion...
16. RBNIR ( 05/02/2020 14:03)
afaka manao recherche ianao hoe comment appouver une théorie raha ohatra ka miziriziry hoe marina io....
17. rhaj0 ( 05/02/2020 15:25)
rhaj0:
Io ilay zeneralization-RBNIR, toa ny hoe,
- in-1 mandeha nampitaha ny Viavy @ Leglizy ny Baiboly,
- dia @ RBNIR, izay Viavy rehetra eraky ny Baiboly dia Leglizy.
RBNIR:
Ka izay ilay sary koa ..

esy ee.. dia hita mihintsy I RBNIR ity fa kristiana :-)

Eny mihintsy... Kristiana I RBNIR fa TSY Gasy. Danz be ilay lavazy de serivao mahazo an'i RBNIR
Ny gasy sy ny kilalao-teniny mbamin'ny haivolana, kabary sy ohabolana dia very tanteraka @ RBNIR fa nilaozan'i RBNIR nihevoka boky tonta hafa ...

hheee.... indrisy ry tava-tsosisy, HOZY ny fiteny
(ngo dia lazain'i RBNIR fa tava-tsosisy indray koa I RBNIR) :-)
18. RBNIR ( 05/02/2020 16:00)

Tsy haiko raha tsapan'i rhajo fa tena mihezaka tsy mivazivazy firy aho eto amin'ity resaka finoana ity...

Ny antony hoy aho dia tsotra mandrakizay anankiroa no miandry ny zanak'olombelona,

na izy hifaly mandrakizay (tsy manam-pahataperana)
na izy hijaly mandrakizay (tsy manam-pahataperana)

ka amiko tsy vazivazy ilay izy ary ny teny koa dia milaza manao hoe...

« Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. » (Galatiana 6:7)

ka tsy misy na iray aza tiako hijinja vokatra ratsy dia izay no antony ialako nenina mafy eto...
19. rhaj0 ( 05/02/2020 21:51)
TSy mivazivazy ve nareo ry RBNIR, nefa ny kabarinareo tena ... mampihomehy :-)
20. RBNIR ( 06/02/2020 05:14)

rhaj0:

TSy mivazivazy ve nareo ry RBNIR, nefa ny kabarinareo tena ... mampihomehy :-)

Ka izany ange efa voasoratra daholo rhajo e!

fa tandremo fotsiny ity teny ity...

« Lozanareo izay voky ankehitriny! fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny fa mbola be ory sy hitomany ianareo. » (Lioka 6:25)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1691