You are here: home > Forum

Gadanà

Lohahevitra : Eritreritra mandalo
Fitohizan'ny hafatra : Gadanà
Valiny : 0
Jj.be - 26/09/2019 19:04
Ry Gadanà nahazo baiko
Tsy mivoha raha tsy vohaiko
Gadana tena mahaaro
Andrasany foana ny tompon-trano
Na rahoviana na firy taona
Ry Gadana eo ambaravarana foana
Izy dia tsy miamboho adidy
Mandrapaha tonga ny fanalahidy
Indrindra fa amin'ny fotoana fisasarana
Izy irery no eo ambaravarana
Miankina irery sy maka plasy
Mandrapaha tonga ny mpanao vakansy
Timoty Josto
Valio | Miverina eny ambony