Fihinana ve ny "thon"?

61. RBNIR ( 19/08/2019 14:47)
tealala:

Fa maninona no aty aorina dia tsy avela hifora mihitsy ny olona sa ve efa noforaina tao amin'i Kristy koa ireo mpanara-dia azy?

Izay mihitsy aloha no voasoratra tealala....

« ary tao aminy koa no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tanana, tamin'ny fanesorana ny tenan'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy; » (Kolosiana 2:11)
62. tealala ( 19/08/2019 14:53)
Gen 17: 14 Raha lehilahy tsy noforàna tamin'ny nofony, dia hoesorina amin'ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.

rehefa tsy nifora ara-nofo dia nivadika t@ fanekena.
63. RBNIR ( 19/08/2019 14:55)

tealala:

Gen 17: 14 Raha lehilahy tsy noforàna tamin'ny nofony, dia hoesorina amin'ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.

rehefa tsy nifora ara-nofo dia nivadika t@ fanekena.

Raha talohan'ilay fanekena vaovao dia mitombina tsara mihitsy izany saingy izy efa nampanantena fanekena vaovao....

« Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, » (Jeremia 31:31)
64. tealala ( 19/08/2019 14:56)
Ka amiko rehefa mitarika ny olona tsy hifora amin'ny nofo ny olona iray anefa milaza fa hitak'Andriamanitra dia tsy izy izy izay.
65. RBNIR ( 19/08/2019 14:58)
mba apetrapetrao ihany ny fanontaniana ary tealala a! inona ary ilay fanekena vaovao nampanantenainy raha izany???
66. tealala ( 19/08/2019 15:00)

RBNIR:

tealala:

Gen 17: 14 Raha lehilahy tsy noforàna tamin'ny nofony, dia hoesorina amin'ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.

rehefa tsy nifora ara-nofo dia nivadika t@ fanekena.

Raha talohan'ilay fanekena vaovao dia mitombina tsara mihitsy izany saingy izy efa nampanantena fanekena vaovao....

« Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, » (Jeremia 31:31)

Tohizo ilay andininy : 32 32ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin'ny razany, tamin'ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta, fanekena nivadihan'izy ireo, na dia vadiny aza aho.

Ka fanekena t@ Abrahama ve sa t@ nivoahana tao Egypta?
67. RBNIR ( 19/08/2019 15:01)
tealala, dia apetraho koa ny fanontaniana satria marobe ange amn'izao fotoana izao no mifora na dia tsy jiosy aza e!

« Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana; » (Romana 2:28)
68. tealala ( 19/08/2019 15:02)

RBNIR:

tealala, dia apetraho koa ny fanontaniana satria marobe ange amn'izao fotoana izao no mifora na dia tsy jiosy aza e!

« Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana; » (Romana 2:28)

Eny ny silamo efa hatrizay no nifora, fa tsy midika hoe jiosy ny silamo.. Ohatra akaiky indrindra iska malagasy fa tsy maha jiosy antsika ny mifora.
69. RBNIR ( 19/08/2019 15:04)
ka izay ilay izy, tsy condition hahazoana famonjena mihitsy ny famorana ara-nofo tealala....
70. tealala ( 19/08/2019 15:07)
Fa mifora amin'ny nofo foana no anaran'io.. Fa tsy mitovy mihitsy manko ny olona mifora sy ny tsy mifora.

Fa lasa miodina be isika fa io fandrarana ny famorana io dia endrika lehibe iray fa mpitari-bato vilam-bava i Paoly.
71. RBNIR ( 19/08/2019 15:18)

tealala:

Fa mifora amin'ny nofo foana no anaran'io.. Fa tsy mitovy mihitsy manko ny olona mifora sy ny tsy mifora.

Fa lasa miodina be isika fa io fandrarana ny famorana io dia endrika lehibe iray fa mpitari-bato vilam-bava i Paoly.

Tsy dia hoe mpitari*bato vilam-bava loatra izy fa hoy izy hoe...

« Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy; » (Filipiana 3:8)

Izany hoe nahita ny "tena tsara" i paoly dia nataony ho taimboraka ny teo aloha...

Tanteraka taminy ity tenin'i Kristy ity....

« Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany. » (Matio 13:44)
72. RBNIR ( 19/08/2019 15:21)
Izao no tsarovy tealala i paoly dia nisehony mivantana ka nahasahy niteny tahaka izany....

« Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; » (Asan'ny Apostoly 9:3)
« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asan'ny Apostoly 9:4)
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asan'ny Apostoly 9:5)

Mazava loatra na izaho na ianao no tahaka izany dia mino aho fa hahavita miteny tahaka izany koa isika....
73. tealala ( 19/08/2019 15:41)

Fa i Jesosy moa no iza?
Iza no niteny hoe tena marina daholo ireo voalaza momba azy ao anaty baiboly?
Ary maninona no notsongaina mihitsy ireo zavatra mahakasika azy ao anaty TT fa aiza ireo boky hafa? maninona ireo no tsy natao tao?
74. RBNIR ( 19/08/2019 15:58)
I Jesosy v?

« Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:16)
« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo; » (1 Korintiana 15:17)

Izy ilay nitsangana tamin'ny maty, izay vavolombelona manamarina fa tena misy marina tokoa ilay atao hoe fitsanganana amin'ny maty...;

Vavolombelona maro no nanamarina izany araka ny voasoratra ao amin'ny testamenta vaovao

I paoly apostoly (anisan'ny nanenjika Azy) koa dia manamarina izany

Ity olona ity koa ankehitriny dia manamafy izany...

Ireo dia ampy manamarina fa marina daholo ny momba azy ao anaty baiboly tealala....

Fa raha mitady porofo ianao dia vakio ato fa tena marina ny nolazainy mikasika ilay AFOBE MIENDRIKA FARIHY HANDEVONA IZAO TONTOLO IZAO (MASOANDRO VOLANA KINTANA ARY NY TANY....)

http://forum.serasera.org/forum/message/m5d3e8e2616077#m5d53c9764d6bc
75. tealala ( 19/08/2019 18:26)

"Izy ilay nitsangana tamin'ny maty, izay vavolombelona manamarina fa tena misy marina tokoa ilay atao hoe fitsanganana amin'ny maty...;

Vavolombelona maro no nanamarina izany araka ny voasoratra ao amin'ny testamenta vaovao "

Tsy misy porofo e, tsy misy afaka manamarina fa tena maty marina ve izy teo amin'ny hazo fijaliana.. Araky ny voalazanao ny TV ihany izy no manamarina ny TV na dia mbola misy aza ireo boky hafa tsy nampidirina tao.
76. RBNIR ( 20/08/2019 04:50)
sao dia mba misy kosa ilay porofo fa ianao mihitsy no....
77. RBNIR ( 20/08/2019 08:23)
tealala:

Tsy misy porofo e, tsy misy afaka manamarina fa tena maty marina ve izy teo amin'ny hazo fijaliana.. Araky ny voalazanao ny TV ihany izy no manamarina ny TV na dia mbola misy aza ireo boky hafa tsy nampidirina tao.

Mampahatsiahy ahy ny tenin'i Jesosy ianao ry tealala...« Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa. » (Matio 16:4)

Fantatrao v ilay famantarana ny amin'i Jona????

78. tealala ( 20/08/2019 10:34)

Izay ilay lazaiko teo hoe ny TV ihany no manamarina ny TV
Ny zavatra mazava amiko izao dia ny hoe Andriamanitry ny kristianina dia olombelona (izany hoe mety maty) porofo ny baiboliny dia samy testamenta no fiantso azy na ny taloha na any vaovao ary olona maty ihany anefa no manao testamenta io izao porofo mivaingana.
79. rhaj0 ( 20/08/2019 11:13)
.
.

tealala:
[size=18]Ny zavatra mazava amiko izao dia ny hoe Andriamanitry ny kristianina dia olombelona (izany hoe mety maty)[/size]

Ka d'accord @ io daholo ve k'lou azany nareo rehetra eto eee... :-)
80. RBNIR ( 20/08/2019 12:05)

rhaj0:

.
.

tealala:
[size=18]Ny zavatra mazava amiko izao dia ny hoe Andriamanitry ny kristianina dia olombelona (izany hoe mety maty)[/size]

Ka d'accord @ io daholo ve k'lou azany nareo rehetra eto eee... :-)

Lalana tsy maintsy nolalovany iny mba hanehoana fa tena misy marina ny fitsanganan'ny maty « Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:13)

Ka mba hiorina tsara amin'ny finoana ny kristiana rehetra....« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Korintiana 15:14)

Raha ny tena marina anefa dia nitovy tamin'Andriamanitra Izy fa saingy nanetry tena hatramin'ny fahafatesana..;

« Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, » (Filipiana 2:6)
« fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona; » (Filipiana 2:7)
« ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana. » (Filipiana 2:8)
« Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, » (Filipiana 2:9)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.224