kristiana pratiquant sy kristiana tsy pratiquant

61. rhaj0 ( 26/07/2019 10:44)
rhaj0:
https://www.cnn.com/2019/07/20/opinions/god-of-love-had-a-really-bad-week-bass/index.html
[size=18]Same Bible. Different gods.[/size]


Dia ny hitako eto izany dia
- i Gasy1zay mahita (imazination) an'ilay hoe "God of Love", HONO
- i RBNIR mahita ao @ imazination an'ilay "Emperor-God", HONO

Dia ity kisari-na kristiana toa an-dRBNIR, tsy mahatakatra ny resaka ataony, fa miteniteny foana miboloky izay reny tao, dia tsindrotsindrohana ny revin'ilay god of love, dia tsindrotsindrohana ny revin'ilay emperor-god (lian-drA mpampitahotra), dia MITORY TENY izany HONO izy eee...


62. RBNIR ( 29/07/2019 16:35)
Aleo averina kely mihitsy aloha fa mikorontana indray izy izany...;

Raha vao mino an'i Jesosy ilay olona : eo no manomboka ny fidirana an'ilay vavahady....

Manomboka mianatra ilay olona (abidiampampianarana hoy ny baiboly) dia oharina amin'ny zaza minono izy eo....
Ny sakafony eo dia hoe : minoa an'i Jesosy Tompo ianao dia hovonjena...Andriamanitra dia Fitiavana sns sns....ireny no atao hoe ronono....

Ny soratra masina anefa dia mitaona ny olona hiditra amin'ny lalin-dalina hatrany....asaina manomboka mihinana ventin-kanina ny olona fa tsy ampy ny ronono voalaza tery ambony....
Ventin-kanina = tenin'ny fahamarinana (io ilay fampianarana tsy misy kilema) somary mampangidihidy sofina ny maro nefa raha tian'ny olona ny hahazo fiainana mandrakizay dia tsy maintsy miroso amin'izany izy...(somary hafenin'Andriamanitra amin'ireo zaza mbola minono io )...fa kosa hasehony amin'ireo olona efa akaiky Azy kokoa....

Mila miroso araka izany ny olona ka ny firosoana dia tsy inona fa ny fitondrana ny ziogan'i Jesosy manaiky ho tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra ka mandà tanteraka ny filan'ny nofo rehetra (raha fintinina dia ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra rehetra)......

Eo ilay mila fahendrena satria ety ilay vavahady tsy maintsy hidirana ary tery ny làlana tsy maintsy hizorana....Noho izany mila manana tanjona mazava (fiainana mandrakizay = vie éternel, mila mino an'i Jesosy raha nilaza Izy hoe mora ny ziogany, ary farany mila tanterahina am-pitiavana avokoa ny zavatra rehetra....

Rehefa ireo no tanteraka dia tsy maintsy ho tody any amin'ny farany ilay olona....

Ka ny sitrapon'Andriamanitra voalohany tsy maintsy tanterahina hoy aho dia ny fibebahana....

Ny atao hoe mibebaka anefa dia mbola bdb no tsy mahafantatra azy io (eny fa na dia mivavaka aza)

Koa dia izay indray no hidirantsika manaraka...



63. rhaj0 ( 30/07/2019 22:53)
RAha atomboka @ basika ilay resaka, dia ny 'pratika' voalohany, dia ilay 'mivavaka'. Dia tena mahavalalanina fa, tena sahy manao fanamby aho eto, fa TSISY, eny TSISY Kristiana eto @ serasera eto, mahay ny hoe, ahoana ny fatao rehefa 'mivavaka' izany.

Tena lelafiko ny kihoko (zavatra impossible) raha misy mahay eto hoe, ahoana ny fatao rehefa 'mivavaka' izany.

sopapa: ndana vakio ny Baiboly fa tsy izao lazain'izao belazao rehetra izao no averina tsy ampiheverana eto. :-)
64. RBNIR ( 31/07/2019 06:26)

rhaj0:

RAha atomboka @ basika ilay resaka, dia ny 'pratika' voalohany, dia ilay 'mivavaka'. Dia tena mahavalalanina fa, tena sahy manao fanamby aho eto, fa TSISY, eny TSISY Kristiana eto @ serasera eto, mahay ny hoe, ahoana ny fatao rehefa 'mivavaka' izany.

Tena lelafiko ny kihoko (zavatra impossible) raha misy mahay eto hoe, ahoana ny fatao rehefa 'mivavaka' izany.

sopapa: ndana vakio ny Baiboly fa tsy izao lazain'izao belazao rehetra izao no averina tsy ampiheverana eto. :-)

Nisy olona iray nihinana voasary dia nanontany tamin'ny namany hoe : mba valio aho raha fantatrao mamy sa marikivy ilay voasary laniko teo???

Dia tezitra be ilay iray namaly hoe ianao no nihinana azy koa ahoana no ahafantarako na mamy na marikivy....

Dia hoy aho amin'i rhajo hoe efa mba nanandrana marina v aloha ianao io no mahavita miteny tahakan'izao????

« Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. » (Salamo 34:8)
65. rhaj0 ( 31/07/2019 10:19)
Rehefa tsy mahay (mivavaka) ry RBNIR dia tsory f'aza avadika aty amiko ny fanontaniana aa..

Izaho namaky Baiboly (sy i Gogola) ary dia misy 'fampianarana' (tena izy) ao. Fa ny hitako, dia ny toa an-dRBNIR, dia nosesefan'i Belazao resa-kehy, dia manaonao foana ao, TSY 'mahay' mivavaka.

Aiza moa ry RBNIR no TSY mivaly izay vavaka ataonao rehetra ao..

Ohatra: inona izao ny mba 'vavaka' nataonao io maraina io? dia nivaly ve ilay izy io hariva io?

Tena tapahiko ny (hohon'ny) ankihikeli-tongotro raha mba nivaly akoriny izay vavaka nataonao tao ry RBNIR :-)
66. RBNIR ( 31/07/2019 12:07)
ka na hotantaraina amin'i rhajo v hino ianao rhajo??????
67. rhaj0 ( 01/08/2019 00:07)
rhaj0:
Rehefa tsy mahay (mivavaka) ry RBNIR dia tsory f'aza avadika aty amiko ny fanontaniana aa..

Izaho namaky Baiboly (sy i Gogola) ary dia misy 'fampianarana' (tena izy) ao. Fa ny hitako, dia ny toa an-dRBNIR, dia nosesefan'i Belazao resa-kehy, dia manaonao foana ao, TSY 'mahay' mivavaka.

Aiza moa ry RBNIR no TSY mivaly izay vavaka ataonao rehetra ao..

Ohatra: inona izao ny mba 'vavaka' nataonao io maraina io? dia nivaly ve ilay izy io hariva io?

Tena tapahiko ny (hohon'ny) ankihikeli-tongotro raha mba nivaly akoriny izay vavaka nataonao tao ry RBNIR :-)

RBNIR:
ka na hotantaraina amin'i rhajo v hino ianao rhajo??????

Izaho anie TSY 'mino mino' izany ee..
Mino = manaiky-tsosy-porofo.
Fa dia averina ny fanontaniana eee...

Ka inona izao ny mba 'vavaka' nataonao io maraina io ry RBNIR?
dia mbo nivaly ve ilay izy io hariva io?


TSISY nivaly izay mba vavak'i RBNIR, satria .. TSY mahay mivavaka RBNIR... :-)

Dia vasoka be i RBNIR fa oainina, dia manodikodin-dresaka, fa tsy mety mamaly milaza ny marina.. Hay mahalala menatra ihany 'le RBNIR 'ty, dia manafin-tay an-tsalaka ao.
68. RBNIR ( 01/08/2019 16:33)
rhaj0:

Ka inona izao ny mba 'vavaka' nataonao io maraina io ry RBNIR?
dia mbo nivaly ve ilay izy io hariva io?


TSISY nivaly izay mba vavak'i RBNIR, satria .. TSY mahay mivavaka RBNIR... :-)

Dia vasoka be i RBNIR fa oainina, dia manodikodin-dresaka, fa tsy mety mamaly milaza ny marina.. Hay mahalala menatra ihany 'le RBNIR 'ty, dia manafin-tay an-tsalaka ao.

Misy dia misy tokoa ilay vavaka natao, ary mino aho fa ianao no hanambara ny olona ny valiny rhajo! (tsy ho ela intsony)......
69. rhaj0 ( 01/08/2019 23:42)
Inona re no hidirako @ izay vavakao any ry RBNIR.

hi hi hi... hoe nivavaka i RBNIR fa hoe, ho kobokoboin'i Jesosy HONO aho, ary hiteny hoe, "Inona re no hidirako @ izay vavakao any ry RBNIR", ary dia tanteraka tokoany :-)
70. NytenakoIhany ( 05/08/2019 05:45)
Inona moa no atao hoe vavaka? Misy olona mahay mivavaka ve?

Ny atao hoe vavaka dia firesahana @ Andriamanitra, izany hoe misy fifandraisana ao; raha milaza azy ho kristiana ny olona iray dia tokony hivavaka.
Kristiana = vavaka

Rehefa miresaka ny olona tompoko tsy voatery hoe mangataka, noho izany fahadisoana ny fiheverena fa rehefa mivavaka dia mangataka izay no dikany.

Ao anatin'ny vavaka dia afaka manao fisaorana, afaka midera, afaka mangataka, sns...izany hoe rehefa endrika resaka rehetra dia azo atao daholo. (Anao sy Andriamanitra io)

Ny olona mahay miresaka (na miteny na tsy miteny) ka rehefa vonona ny iresaka @ Andriamanitra izy dia mahay mivavaka izy izay
Jeremia 33:3 Antsoy Aho, dia hovaliako ianao....
Salamo 145:18 Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa

Fa izao, Andriamanitra irery ihany no mafatatra hoe mety ve ny vavaka atao ntsika, marina sa diso, azo tanterahana ve sa tsia. Indrindra fa hoe inona no vokany ra valina na tsia ny fangatahana (raha mangataka ilay olona)
71. RBNIR ( 05/08/2019 08:00)
NytenakoIhany:

Inona moa no atao hoe vavaka? Misy olona mahay mivavaka ve?


Raha ny tena takian'Andriamanitra dia ity ry namana....

« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24)

Satria Andriamanitra dia Fanahy, dia zavatra 2 no takiany rehefa mivavaka Aminy
1- Mivavaka amin'ny fanahy
2- Mivavaka amin'ny fahamarinana

Ka ity mba misy fanontaniana kely apetraka amin'i rhajo....

Inona kay rhajo izany atao hoe mivavaka amin'ny fanahy dia ny hoe mivavaka amin'ny fahamarinana????
72. NytenakoIhany ( 05/08/2019 08:24)
Izy aby izany, mba somary namariparitra @ akampobeny fotsiny aho fa sao misy diso fijery na misy tsy mahafantatra ny dikany isika

Raha tena idirana lalindalina kokoa momba ny vavaka dia somary lavalava ihany mantsy
73. rhaj0 ( 05/08/2019 17:57)
Ny "mivavaka" izany dia "miresaka", hozy NytenakoIhany sy Jeremia sy ny Kristiana (sasany).
DIa (miresaka) @ fanahy sy @ fahamarinana HONO no atao, hozy RBNIR sy Jaona sy ny Kristiana (sasany).

Hozy Ineny Gogola hoe, ny mivavaka dia "fangatahana" na "fisaorana" @ izay inoanao ao, dia ilay personnage na objet mythique ao @ legende-nao ao, toa i Dieu/God/Yahveh, na i Jupiter sy ny Razana na Zanahary.

Marihina tsara fa tsy ny Kristiana ihany no "mivavaka".

Ka raha mamaly "resaka", na "fangatahana" na "fisaorana" izany ilay personnage na objet mythique ao @ legende-nao ao, dia ... ivanitiho fotsiny rehefa TSY @ ilay inoanao ilay resaka ee :-)

Koa dia samia mifampivanitika eto izany ee :-) :-)
74. NytenakoIhany ( 06/08/2019 04:47)
Mahatsara ny mivanitika sy mihomehy satria mahasalama izany
Indrindra moa fa ra tena mitombona iny ilay zavatra mampihomehy :)

Mahagaga fa dia raisin'isé atendrony daholo ny resaka, tsy vonona ny andinika mba amaly isé fa vonona ny amaly fotsiny tsotra izao....satria zavatra mitovy sy mifameno ihany ireo zavatra lazaina ireo, ilay iantefany fotsiny no samy manana ny azy

Hoy isé hoe " rehefa TSY @ ilay inoanao ilay resaka " Marina izany
Fa aza mivonona ny itsara isé aloha raha tsy fatatr'isé ny finoana ao anatiny (finoana teneniko eto mievitra zavatra maro)...ary tsy fatratr'isé velively izany fa izy tenany sy izay ivavahany ihany no malala ny tena marina

Dia averiko eto ilay teniko teny ambony hoe
Raha milaza azy ho kristiana ny olona iray dia tokony hivavaka. Fa tsy hoe izay mivavaka dia kristiana

Dia mba te anontany ny evitr'isé manokana zah rhajO momban'izany atao fivavahana izany? (miala @ gogola sns) izay mba fieveran'isé azy manokana
75. rhaj0 ( 07/08/2019 01:51)
NytenakoIhany:
Dia mba te anontany ny evitr'isé manokana zah rhajO momban'izany atao fivavahana izany? (miala @ gogola sns) izay mba fieveran'isé azy manokana

Efa ela aho no nahatsapa fa TSY mitombona ity resaka Kristianisma ity. T@ iaho 10 taona, rahefa avy namaky ireny boky hoe "contes et legendes (edition Nathan)" avy @ firenena sy kolotora samy hafa, dia tena resy lahatra aho fa dia ... contes et legendes du moyen-orient ilay baiboly.

T@ izaho 10 taona!..

Eritrereto tsara ao ee.. toatoa ny ahoana ny fiainan'ny olona t@ taona zero - 3000, ary toa ny ahoana ny ambaratongam-pahalalana tao. Dia ho hitanao fa ny isan'isany dia samy namoromporona resaka mba hampandry ny saina, ny @ fanontaniana hoe "avy aiza" dia "ho aiza" raolona, inona ny 'ao ambony ao" sy ny "any ambadiky ny bonga".

Ny Ntaolo izao mba nametrapetraka ny Razana sy Zanahary, izay vadin'i Andriamanitra. Dia ny tao moyen-orient nilaza fa misy anjely devoly sy God/Dieu/Yahveh. Dia tonga ny misionera dia nosavihany ilay teny hoe "Andriamanitra"..

Ny Ntaolo tsy nahalala fa misy tchecoslovaquie ao avaratra ao, ary ny mpitantara ao @ BAiboly tsy mahalala fa Kilimanjaro anie no ao atsimo ao ho'a, fa vao nideza ny tendrombohirta, dia nolazainy fa izay no "faran'ny tany", ary nampiany hoe, i Jesosy dia misosa eny @ rahon'ny lanitra.


Dia (mbola) aiza ianao ao izany ry NytenakoIhany?
76. NytenakoIhany ( 07/08/2019 04:29)
Mba omeo santionany kely ary za hoe inona no maharesy lahatra anao ny maha contes et legendes du moyen-orient ny baiboly?

Fijeriko anao efa nandinika karazana fivavahana maro, (tsy aiko na diso) fa tia anontany za hoe inona ary no itanao hoe marina @ ireo misy ireo? Inona kokoa no inoanao?
77. RBNIR ( 07/08/2019 10:37)
rhaj0:

T@ izaho 10 taona!..

izaho indray te hiteny hoe normal izany satria voataiza tao anaty tontolona conte ianao moa ny sainao mbola zaza....
78. rhaj0 ( 07/08/2019 10:45)
NytenakoIhany:
Mba omeo santionany kely ary za hoe inona no maharesy lahatra anao ny maha contes et legendes du moyen-orient ny baiboly?
io ilay lasa bilaguy aty aoriana ry NytenakoIhany aa... Hozy ny Sinoa sy ny Zaponey hoe. tena tsy mahay teny Zaponey ilay Andrmntr'Israely, ary tsy mahalala ny kolotora Sinoa efa aman'alin'ny taona, izay naha-botrabotra azy rehetra tao.

Fa ny Gasy moa, tso-po dia voahodikodin'ny misionera, ary dia lasa nino fa izao Andriamanitra (an'Israely) izao HONO, dia kay tsy vadin'i Zanahary izany, fa rain'ilay Jesosy tao moyen-orient tao

NytenakoIhany:
Fijeriko anao efa nandinika karazana fivavahana maro, (tsy aiko na diso) fa tia anontany za hoe inona ary no itanao hoe marina @ ireo misy ireo? Inona kokoa no inoanao?
Ny Finoana/Fivavahana REHETRA dia mitovy daholo amiko ry NytenakoIhany aaa...

Dia ho hitanao fa ny isan'isany dia samy namoromporona resaka mba hampandry ny saina, ny @ fanontaniana hoe "avy aiza" dia "ho aiza" raolona, inona ny 'ao ambony ao" sy ny "any ambadiky ny bonga".


Eritrereto tsara ao ee... Aty izao, dia ny sekoly TSY miankina @ fiangonana, dia mianatra ny "fivavahana maro". Koditra mihintsy ry Mopera @ io, fa satria "misokatra ny sain'ny Ankizy", ary dia ho very eo Mopera. Dia poretin'ny Sekoly Katolika ao ny mpianany.. nefa mihodina sy mangarika fotsiny anie ny Ankizy @ izao andron'ny internet izao ee... f'angaha misy azon-dry Mopera fefifefena sy mihevoka anaty Baiboly intsony eo.


Fa dia (mbola) aiza ianao ao izany ry NytenakoIhany?
79. NytenakoIhany ( 08/08/2019 04:36)
Resy lahatra loatra @ zavatra tsy makaiza enao ri sakaiza, eny, resy lahatra loatra @ zavatra tsy mitondra soa ho anao.

Misy zavatra mampihomehy ihany ny zavatra avalinao nefa tsy omena tsiny satria minia tsy mahalala ianao fa tsy hoe tsy mahalala akory.

Na koa hoe miezaka ny hahalala bebe kokoa entina anamarinana ny fijerinao ihany.

Nefa izao ataovinao an-tsaina,
Fa misy zavatra tsy ho voavalinao (@ fahaizanao manokana, sy @ ito internet izay andraindrainao mafy ito) mihintsy eto @ ity tany ity
Ary misy zavatra tsy ho ainao (@ fahaizanao manokana, sy @ ito internet izay andraindrainao mafy ito) eto @ ity tany ity

Tsarovy koa fa samy amoron'ny mandrakizay na izaho na ianao

Sao lahy hanenena eeee...
80. rhaj0 ( 08/08/2019 10:24)
Rehefa "misy zavatra tsy hay na tsy voavaly" ny an-dry NytenakoIhany, dia koditra beuh izy, ary dia miantsampy @ finoana, fa misy HONO izany mazia-mirakla, izay mahay na mamaly ny tsy takatry ny sain'i NytenakoIhany.

Dia mandoka-tena i NytenakoIhany hoe, "mahay" koa HONO izy.

TSy mety takatr'i NytenakoIhany fa olom-bodo toa azy anie no namorona io resaka mazia-mirakla io. Fa fetsy ireo olom-bodo ireo, fa nampiany fampanantenana fa "manavotra mandrakizay" ilay mazia-mirakla.
(olom-bodo, @ heviny hoe, zaza bodo raha ny @ ambaratongam-pahalalany no jerena)


Eritrereto tsara ao ry NytenakoIhany aaa... TEna ilay resaky ny moyen-orient de l'an zero ve no "tena izy"?

Ohatra fotsiny hoe, zamy nivavaka t@ izao Andrmntr'i Abrahama izao ho'a, na ireo Kristiana na ireo Moslimo. Nefa tena samy hafa kely ny mazia-miraklan'ny Kristiana sy Moslimo an... Maninona i NytenakoIhany tsy manao Moslimo?


Ka dia (mbola) aiza ianao ao izany ry NytenakoIhany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1083