Zazakanto sy ny hafa

1. hery ( 11/05/2019 08:52)
Anisan'ny nalaza tampoka teto amin'ny internet ry zalahy ireto, izay lasa mitondra ny anarana hoe "Zaza kanto" ankehitriny. Nanam-bintana ihany koa raha ny tena marina satria misy maromaro ireo mpihira madinika eny an-dalana ao Analakely ary samy manana ny fahaizany.

Ny antenaina dia tsy ho zary fitserana fotsiny fa tena ho fanampiana no ho azon'izy valo lahy kely ireto. Fandraisan-tanana ny ho aviny, tsy amin'ny lafin'ny hira ihany fa amin'ny maha zaza sy ny maha olona manontolo. Ny fianarany, ny tontolony.

Mirary soa ho azy

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.086