Ingahy rajoelina sy ny bois de rose

21. NytenakoIhany ( 15/12/2018 05:37)
Ny zavatra rehetra misy antony avokoa...tantara nisy izany na inina adinoina ary

Misy tsara mintsy ny tompon-andraikitra,
Ohatra: nandreatra afo tao aminy ity tompon-trano iray, de navelany tao antrano efa ho ora maro ilay afo, izy lasa nandé tsita izay nanjavonany, kanjo nisy rivotra mafy nitsoka tampoka dia nisy vain'afo nipitika kely, lay trano rahateo moa mbola ilay trano hazo ireny, dia may kila tao ilay trano.

An'iza ary ny tsiny??? any afo nipitika kely ve? an'ilay trano mbola hazo vé? an'ny rivotra nitsoka mafy ve? an mpamono afo ve? sa an'ilay tompon-trano???

Tsy mifidy anjely tsika, misy ny mpitondra naka (nanararoatra) nandritra ny fitondrany fa iza no navita nitsinjo anay vahoaka madinika nandritra ny fotona nitondrany? iza no mba nijery tsy nanao ankilabao anay?

Somary mampihomey kely fotsiny ilay oé vary Magro nanaovana vary mora, nareo ihany angé no milaza fa ratsy iny vary iny e, vary otrin stock ozy nareo sa moa inona? dé nafarana avy any Pakistan sa oé aiza moa? dia izao ndray dé lazaina fa vary tao @ Tiko.

Tao daholo koa izany ilay menaka ratsy, labozia ratsy, savony ratsy, siramamy ratsy, sns

Aiza ihany ianao ra marina?
22. aristolain ( 15/12/2018 12:35)
Mbôla tsara isika jiaby ee!! tenako ity moa avy aty Vohémar ihagny zeo manoratry zao. Ny hevitro mankany dia izao: Raha N13 no lany eo, dia moimana fa ny maimbo carry sy ny roquefort périmé no ahazo tomontsoa betsaka eo ary ireo gasy be vola; le reste dia mazava ho azy fa MIFAFA!!!! ny Tanamasoandro nareo io zalahy, projet ho an’olo manam-bôla io, zegny hoe ny karana, ny frantsay ary ny gasy bebe saosy. Aiza koa no ahavitan’ny gardien sy superviseur gasy hanofa trano ao?? Gasy securité mijorojoro fotsigny sy mitazagny lkarana mandalo eee!!! Izaho aloha mino, fa projet jiaby roy, projet havaovana tampo-maso fotsgny fa ao ambadiky, hisy foana ny manipulation mba ahazahoan’ireo karana amin’irenya ppel d’offre ireny. Ny iles eparses moa, dia miomana fa hisy hi-paompy ny petrole ary ny andramena, dia hi-reprendre trafic jiaby. Projet maro kara io, dia projet diversion fa izay bado moa, tena tratra sy mino hoe projet hanasoa malagasy io fa TSIA!!! Karana sy Vazaha no hanam-bôla eo fa tsy malagasy mihitsy eee!!!!

Raha resaka asa no andrasanao, miomana fa ny karama ho atao ambany ary ho maimbo carry na vazaha valaka no patron! miomana @ fanalikana sy fanambaniana fa N13 efa olo tsy mitsinjo Malagasy…au contraire!!!!

Ny fanabeazana ho lasa désastre ary ho aloha vola aby koa ireo hopitaly fantome izay voalaza fa manara-penitry. Mikasika an’ny fanabehazana justement, mazava ho azy fa tsy misy kits scolaires izegny na cantines gratuites, satria tsy i dada no ho eo. N13 tsa hitsinjo taranaka malagasy fa raha io no lany eo, dia naona ny zanakao (izegny hoe tsy ho concentré mihintsy fa haniditsidina ao am pianarana ao fotsiny) ary ianao koa, andoha vôla @ écolage sy fitaovana, mazava ho azy. En fait izegny, Isika vahoaka majiniky dia hifafa ary mino aho fa ny objectif n’azy io dia atao zey tsy ahantafita ny Malagasy, @ zay plus tard, hazon’ireo vahiny alikaina sy exploter-na tsara ee!

Ny insecurite, tsy puce izegny no solution fa reforme ara toekarena eee!!!! naono olo jiaby dia mangalatry, mamono, normal izegny, fa io transition io mihitsy no efa nanalika antsika Malagasy teto fa ireo vahigny no nahazo avantage eee! le reste nifafa satria very asa, nia nahantry, marary ary zanaka aza tsy nahavita fianaragny intsony. Mba mahaiza misaigna fa eucalyptus isisa no tazamin’ny taranaky fa lasa ny Chang daholo bois de rose sy crabe ao Mahajanga ao eee!!!!

LALANA DESATSTRE MAKATY AVARATRA E!

Ny aty avaratra aty, dia tsy hitako zey vita t@ transition. lalana avy any Imerina efa mba vita tsara taloha, lasa lalana makarary vôdy; Mbôka mangagna mihisty derrière vao tafita Ambilobe fiara jiaby rô!!! Ny lalana makanty aminay aty aza, may lôza!!! Aiza ve, efa adin’ny firy vao tafa Vohémar ianon …asa ngemba sombain’ireo Kamio mpitaitry andramena, tsa aiko eee!fa de PÔTIKA!!!
Ny olo, mia manhantra ary maro koa ireo tanora mpianatry no lasa mi-couche-couche miaraky @ vazaha mba azahoina jala!!!
Delestazy moa tsy ambara intsony fa dia vao teo @ 2011 eto ho eo, nangery ny olo taty avaratra taty fa dia tsy azoko manino mbôla mifidy azy agny!!!!

Sinon koa, anareo miresaka hoe raciste ny sasany, mahaizy mijery. vao t@ maraigna zao, olo manam-boninahitry avy aty @ faritra SAVA aty, vao nanambara fa i N13 dia tratra nampitovy ny havan-tsika (sy isika koa indirectement) tanindrana ao Toamasina hoe « GIDRO». Mahaiza manao analyse vao manaratsy olo! Ny conseiller an’ilay candidat iraky izay koa, mitondra ny anarana hoe Patrick Leloup, dia nanao fanambarana hoe « les malgaches sont des babakoto » izegny hoe, « ny malagasy dia babakoto »!!!! Raha tsy mino ianao dia ity ilay misy an’ilay feo:

https://www.madablog.com/patrick-leloup-les-malgaches-sont-des-babakoto/#comment-2820

Azafady e, asa ianareo, fa amiko manokana, olo manambany Malagasy aotran’izegny ve mihendrika ho prezida??? Asa, Ino hevitrao?
Ny ahiko aloha, Aleoko lavitry mahita Malagasy manao monopole commercial toa izay, mividy entana amokarin’ireto Maimbo carry sy vazaha vaky braguette (ny akamaron’ny vazaha eto dago) ireto!!!

Amiko, Malagasy tsy mitsinjo firegnena sy taranaka eroy Malagasy manome tombontsoa an’ireo karana sy vazaha de 3eme catégorie. Sa akory hoy ianao?

Ny Miami indray, amiko manokana, ho tanteraka io projet io (tsy hoe compétent ny ao @ 13), fa plus hoe atao moyen de distraction eroy mba hipaompin’ny sasany petrole ao @ Nosy éparses sy angalana andramena en toute discrétion!!!

23. Tovorandria ( 15/12/2018 19:45)
D Rajoelina @ io miha miliardaire, ny vahoaka maty @ hanoanana na ny arapaka aza tsisy, tsy mila fanampiana avy any ivelany hono izy fa mahavita tena ny aty ( mazoto ery mivarotra bois de rose sy volamena ary ny tanin ny gasy d tsy mivaky loha n inon inona tsony) d tsoriko eto fa na firenena matanjaka tahaky ny inona aza mila fifandraisana @ hafa foana satria io fifandraisana @hafa io d loharanom pivoarana, ny olona manan tsaina koa d tsy manao loham boto ôtran i rajoelina
24. rhaj0 ( 16/12/2018 14:54)
- Ny manapaka mandripaka bois de rose anie ka MANIMBA ala, ary dia tsy miverina intsony ny fahasimbana ee..
- Ny mitrandraka volamena na koa ny mines @ ankapobeny, indrindra rehefa orinasa francais ngeza no mitrandraka, ka tena mandravarava ny vohary, ary dia voapoizina hatr@ nappe phreatique, na ny rano @ puits mba sotroin'ny Malagasy mahantra manodidina ee..

Asa raha mba takatry ny mpomba an-dRajoelina izany. Fa i Rajoelina sy ny Francais aloha dia tsy mandraharaha an'izany, fa ny vola benefice BE miditra any ampaosiny no mahamaika azy, dia anipazany redevance kely ny Malagasy dia izay.

Manararao-paty ireo mpitrandraka Francais miaraka @ Rajoelina, fa izao mantsy misahotaka ny gasy, dia TSISY fanaraha-maso ny fanimbana ataony. Fa raha any aoriana mantsy, ho tonga saina ny gasy. Ary dia io mihazakazaka io Rajoelina sy ny Francais... mamafy vola be @ fifidianana, fa sur izy fa hikepoka avo 10 eny raha mahazo fitondrana eo



Ilay hoe, TSY mila financecment any ivelany fa vitan-dRajoelina io. Efa natao anie izany ee.. eny vita HONO izao Antsonjombe izao, sy izay hopitaly manara-penitra nefa tsisy marary tsaboina akory, fa ahoana hozy ny statistika?
ZAZA iray no maty isaka ny 10 minitra, ary renin-jaza isaka ny 100 minitra no maty, noho ny fanapahana ny programa sosialy sy fahasalamana, satria TSISY FINANCEMENT

Dia ny Malagasy mahari-pery, dia tsy miteny tsy mitroatra mandritra ny 5 taona, dia tambazan-dRajoelina T-shirt sy fety rehefa taonam-pifidianana..

Dia misy koa, mba anarany tafakatra internet eto, dia mba tokony mahita sy mahalala ny fandehany, fa hhheee... vao mainka mamerina miboloky ny fitaka ataon-dRajoelina sy ny Francais
25. Tovorandria ( 16/12/2018 18:10)
Marihiko kely, ny olona miasa ao @ hopitaly manara penitra dia havan drajoelina daholo, nataony no raharaham pianakaviana sy fananan izy mianakavy ny fananam bahoaka. Enao sy ny havanao mijaly d izy mianakavy manjakazaka ny fananam bahoaka
26. NytenakoIhany ( 17/12/2018 06:11)
Iza moa no tsy mahafantatra fa rehefa dorona ny ala, dia misy voka-dratsy @fahasalamana sy ny tontolo iainana? fa mbola ataontsika ihany...ary tsika mba miteny azy ireny anefa tsika mampiasa saribao ihany (ataoko hoé izahay madinika satria izay no zakanay). Dia aniza ary ny tsiny?
Tahaka izay koa ny fanapahana ny ala, fa firy @ ampiasaintsika ao atrano no fanaka na zavatra hafa vita @ hazo? fa mbola ataontsika ihany...(ataoko hoé apésainay madinika satria izay no zakanay). Dia aniza ary ny tsiny?
Tahakizay koa ny harena ankibon-tany rehetra...aniza ary ny tsiny?

Fa fanontaniana:
Samy afa vé vokatra azo raha olona samy hafa ny mitrandraka azy? sa vé rehefa i Koto no manao zay mety tsy potika ny tontolo iainana? fa rehefa i Rabe de tonga tena potika tsisy fanafana izany?

Andé atao hoé mitrandraka oatra Koto, dia ny vola rehetra nalainy nampitombony ny fananany ary efa kely sisa dia saika isan'ireo olona mankarena indrindra maneran-tany izy, nefa tsisy zavatra vita teto @firenena, lalàna efa andalam-pahavitana sy panaovan'ny teo aloha no lazaina fa izy no navita azy. izy sy ny manodidina azy milamina fa zahay madinika tsy mba nahazo izay sahaza anay, ny zaza omena kit scolaire fa tonga any atrano izy tsy misakafo satria ny RAD tsy anasa....tsininy ary vé ra toa varotany ilay zavatra nozaraina tany ampianarana isakafoanany? ra mba nanambola ary izahay dia kely dia kely ka tsy zakanay ny vidin'ny entana satria lafo dia lafo. misy izany, fa nareo manana izay nohaninareo sy an'asa dia tsy fantatrareo na ininareo tsy fantarina izany, dia aniza ndray ary ny tsiny?

I filoha Koto lasa mpanakarena be, fa zahay nifidy azy saika maty t@ fitolomana ho fampadanina azy nijanona mahantra, raha mba te anéo evitra sy iteny ilaza ny alahelonay oé mahantra anie zay ri filoha mpanankarena ee...dia votsetina ny basy ny vavanay

Fa tonga Rabe dia nitrandraka, dia naka koa izy fa navita foto-drafotrasa sy navita nivarotra entana mba zakan'ny fahefan'ny vidinay na dia tsy an'asa ihany aza izahay...satria toky nomény anay ireo dia vitany.... (nisy izany atao oé trano mora izany mba zakan'ny fividinay satria naloha tsikelikely).....zavatra azo tsapaina tanana izany

Fa tsy tahaka ilay toky nomén'ilay filoha mpanakarena oé anana 4L isa-tokatrano, kay ny 4*4 tao aminy no tsy nitsahatra nitombo fa zahay niha nahantra...kanéfa izy nitrandraka sy nahazo famatsina avy any ivelany

Tsotra be io raha ho fintinina, misy zavatra azo notsapaina tanana teo vitany, na dia tao anatin'ny olana ary ny firenena...raha mandinika tsika ny velirano Rajoelina dia nandéha ambara-tongany tsara izany (andamo diniho kely ra mbola tsy nijery ianao)...fa tsika no faly ny itady izay zavatra anakianana fotsiny dia tsy maita izay teny votoatiny

Izaho manokana izaho oatra ny soa hoan'ny firenena no tanjoko, dia mijery ny Manifesto an Ravalomanana za, hitako tsara ilay hevitra ary mety ho an'ny firenena...fa vitany ve sa tsy ny olako aminy, efa an-taonany maro no nahalalana azy fa ita hoe mbola misy zavatra tsy niova tany aminy izay efa tsy nampivotra ity firenena ity.


Sao mba ilay ambopoa no betsaka kosa aloa, natao ny hopitaly manara-penitra, vola an'ny MG no nanaovana anio, dia satria vé vitan'ilay mpanoatra anao na ilay mpifanandrana @nao ilay izy dia tsy karakarainao sy tsy mba apésainao? sao dia mba ambopoa diso toerana...an'ilay nanamboatra vé ny tsiny oe diso enao satri nanamboatra anio...sa an'ilay mpitondra tokony mba nanatsara an'izany sy ampandeha izany mba itsinjovana ny MG...anefa ianao tsy nahavita akory

Ataoko fa raha ny olona miasa tao ny olana vitan'ny mpitondra ny manambotra izany, tsy any mihintsy ny olana fa inina tsy apésaina ilay izy, inina tsy rarahina ilay izy, inina tsy fantarina ny fisiny

dia an'ilay nanamboatra no tsiny raha misy olona iray maty
Tahaka ny hoe an'ilay nanamboatra lalana no tsiny ra misy ny accident

Hoy ianao mba mahita internet, fidiny anay vé? izahay anefa manana fanantenana dia izany no ametrahanay ny safidinay @olona Sahy...satria zavatra azo tsapaina tanana no ilaina...vahaolana mahomby tsy mitovy nen'ny teo aloha izay efa tsy nahomby intsony no takian'ny firenena efa mahantra
27. Tovorandria ( 17/12/2018 12:42)
Sady ingahy rajoelina d olona efa zatra mpandainga, mpamahan dalitra ary mpanambanimbany ny vahoaka malagasy, fa maninona no tsy valiana mihintsy ny fanontaniana apetraky ny mpanao gazety na ny mpiara manao debat aminao???
Mbola taratry ny fahambaniana ilay niveau io ary fanaovana ny gasy tsinotsinona,oe olona bado ny gasy, d afenina foana ny marina, nanontany Ravalo omaly tao @ tvm avy aiza ny vola nampiasainao nandritry ny 5 Taonan ny Tetezamita satria @ na million maro2 vô mihodina ny asam panjakana, d hoy izy namaly : tsisy fanampiana ary t@ zany nahavita foto drafitrasa maro aho,, d ny tena no menatra,tsy mahalala menatr olona le andry rajoelina, ary ra mandinika tsika d olona le te hangoron karena @ vidina bois de rose daôly ny miaraka aminy, tss mba competent na iray aza, fa ra vava aloha d malama ôtran ny savony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.615