Ady hevitra ady fahaizana ady lisitra fa tsy ady miafara mifamono na miafara mitana basy any fahafatesana

1. saho ( 05/11/2018 05:49)
Mahaiza manadiady ry zareo. Mahaiza mifidy ny tsara indrindra
Raha za manokana dia izay fanatsarana ny fambolena mampitombo ny vokatry ny tany no loha laharana na iza na iza lany eo

Mitombo ny olona mitombo ny fahaizana mitombo ny olana

Raha ady amin ny olana misy dia aseseho daholo ny fahaizana taloha ankehitriny ary ny ho avy

Tsy misy maimaimpoana izany eto antany
Ny maimaimpoana avy amin ny zanahary dia ny rivotra sy ny fitiavana

Raha tsy misy ny rivotra hiainana madio dia ho sempotra ny rivotra maloto daholo ny olona, ka ho faty amin izany fahalotoana izany, ao anatiny ny aretina samihafa

Raha tsy misy ny fitiavana dia hisy ny fankahalana sy famonoana ary ny fahafatesana etsy sy eroa
Ny Ntaolo MG dia efa nahay fa ny FIRAISANKINA NO HERY LEHIBE, kanefa isika ihany no tompon ny safidy, aza manaiky rebirebena...be dia be ny mpaminany sandoka na aiza na aiza

Raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy
Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana
Aleo very tsikalakalambola toy izay very tsikalakalampihavanana

Aza manaiky vidiambola na jamban ny vola fa mahavery izany, Marina fa ilaina ny vola eo amin ny adimpiainana fa kosa aleo mionona amin ny eo ampelatanana fa aza manaiky vidimbola na aiza na aiza. Fahaizana mikaondoha ireo fomba fahiny ankehitriny ary rahampitso no hampiaro ny safidinao
ELA VELONA ANIE ARY FIADANANA HO AN ILAY GASIKARA TANY NIAVIANA!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2935