FANTARO NY AMPITSO IZAY HO AVY TSY HO ELA.....

81. RBNIR ( 03/05/2018 06:13)
Tsy aiko intsony rhajo fa isika ary ange tsinontsinon'i Jesosy nefa dia natolony ny ainy hanavotany antsika e!
82. RBNIR ( 03/05/2018 06:42)
Dia ny mpianany koa ankehitriny ampianariny an'izany...

« Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. » (Jaona 15:13)


83. RBNIR ( 03/05/2018 06:44)
Mety izay fitiavana be izay no tao anatin'i lota ka nahatonga azy niteny an'io satria izay no noheveriny fa hevitra farany hanavotana an'ireto mponin'i sodoma sy gomora ireto....
84. rhaj0 ( 03/05/2018 10:25)
RBNIR:
...natolony ny ainy hanavotany antsika e!

ah ha... Ka i Lota izany dia "natolony ny ainy" hanavotany ny Anjely.
Ny ainy = ny sombin'ny ainy = zanany vavy roa tsy mbola mahalala lehilahy.

Dia hosannah sy hallelluiyah, hozy i RBNIR.

(izaho ve ho'a hi-contredire anao @ izany ry RBNIR aa :-)
85. RBNIR ( 04/05/2018 06:36)
Fantatr'i lota tsara fa raha vao miattaquer an'ireo anjely ireo mponina ireo dia izay no ho vita ny amin'izireo....

Ary dia tena izay marina tokoa moa no nitranga rehefa noforcen-drizareo ny varavaran'i lota...

« Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga ety hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin'ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an'i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana. » (Genesisy 19:9)
« Fa naninjitra ny tànany izy roa lahy, dia nanintona an'i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana. » (Genesisy 19:10)
« Dia nampanjambena ny mason'ny lehilahy izay teo am-baravaran'ny trano izy hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo. » (Genesisy 19:11)
« Ary hoy izy roa lahy tamin'i Lota : Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin'ity tanàna ity; » (Genesisy 19:12)
« fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan'i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy. » (Genesisy 19:13)
86. rhaj0 ( 06/05/2018 00:18)
Ka ilay zanaka vavin'i Lota efa natao sorona ho vetavetain'ny fokonolona HONO, ary ziany no nataon'i Lota mba hanavotana ny Anjely.

Fa ahoana ho'a k'lou ny hevitrao @ ity resa-Baibolin-Jenesisy ity ry RBNIR. Eritrereto lalina ao ry RBNIR hoe, IZA ireo "zanak'Atra" ao @ genesisy.. Inty ho'a sopapa..

Genesisy 6 sy 19 = tantara nosoratan'ny Deba zanak'tra HONO t@ izany:

1- ny "zanak'Andrmntra" dia ireo Deba be tao @ tanana t@ izany. Efa fantatra foana moa, fa ny mpanjaka taloha, dia mitono-tena ho "zanak'Atra". Ary dia io lazain'i Genesisy 6:5 hoe "ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza". Ny Deba be taloha no tonga dia maka vady izay zanaky ny fokonolona "tsara tarehy", araka Genesisy 6:2 io.

2- ny Anjely dia ireo miaramilan'ilay "zanak'Atra" eee.. Anjely (manan'elatra pigeon) ve dia ho "pehan'ny fokonolona".. miaramila ireo "iraka" nafenin'i Lota ireo, arak' ilay Genesisy 19:5 hoe "lehilahy" ireo

3- Dia avy eo, ilay Deba be sy ny mpisolelaka Deba be moa no manoratra ny tantara, ary dia "tantara" tokoany moa izany, ary dia asiana "pouvoir mazika" kely ampitahorana ny vahoaka sy ny fokonolona. Ary dia hoe. comme ça fotisny @ izao, dia "nampanjambena" HONO ny fokonolona (Genesisy 19:11)


Izany hoe, raha fehezina, dia ny tompon'ny fahefana, t@ fotoan'androny, no nametrapetraka ny resaka ao @ Genesisy io. Ary natao na lasa "boky" référence ilay izy.

MIfangaro ao daholo:
- na ny "fahalalana" .. h@ astrolojia ka h@ fanazavana ny fisiana na fiforonan'izao sy izao
- na ny fifampitondrana eo @ fiaraha-monina, na koa ny fitondra-tena
- nanisihina ny légiimité-n'ilay tompon'ny fahefana
- nanisihana "finoana/fivavahana" koa, satria izay no ananana emprise ny olona
- ary dia mifanosina ao, ny fitantarana ny zava-nisy (tantara) sy ny fantasme

Ny tanjona, izay hita @ vokany, dia natao HAMEHEZANA ny fi(s)ainan'ny mpiara-monina ity Tantara-Angano ity.


87. RBNIR ( 07/05/2018 05:48)
Raha angano ange rhajo tsy hitako izay tokony handanianao rondoha hamantatra hoe espion v sa inona sa inona e...

Ny fandraisako ny teninao izao dia mino ihany ianao fa misy fait tsy azo lavina ao amin'ny baiboly saingy mihezaka ny mandiso, sy manaratsy ianao mba tsy hinoan'ny olona fa Andriamanitra no fototr'ireny rehetra ireny fa olona fotsiny ihany....

Raha izay mantsy dia tsy azo lazaina hoe angano mihitsy ilay izy
88. rhaj0 ( 07/05/2018 11:20)
ka IZA azany no "Zanak'Andrmntra" ao @ io GEnesisy io ry RBNIRaa..

Genesisy 6:2 dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona;


Dia ahoana ilay zanak'Andriamanitra LAHITOKANA tatsy aoriandriana tatsy??


Asio honnetetehy kely ry RBNIR aa... F'hita fa ANGANO nosoratan'ny Debat@ fotoan'androny io.

Sa aholakolana indray hoe,
- raha ny 1 segondra dia 1000 taona ho an'izao Atra izao,
- dia ny "tokana" dia "arivoarivo" koa..
89. RBNIR ( 07/05/2018 11:47)
amin'izao fotoana izao be dia be no voalaza fa zanak'Andriamanitra,

« Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. » (Romana 8:16)
90. RBNIR ( 07/05/2018 11:51)
Aza afangaro fa rehefa i Jesosy no resahina anaty baiboly dia Zanak'Andriamanitra (miatomboka amin'ny renisoratra) fa tsy mitovy amin'ireo zanak'Andriamanitra hafa....
91. rhaj0 ( 07/05/2018 12:58)
mouah ha ha.. dia IZA azany ireo "zanakavavin'ny olona tsara tarehy" tiatian'ilay "zanak'Andriamanitra", ka tonga dia vadiany sy iterahany, tsy manan-tsafidy akoriny ilay tsara tarehy @ io.

Dia IZA koa ireo "zanakavavin'ny olona RATSY tarehy" ka iavonavonan'izao "zanak'Andriamanitra" izao??

Esy e ry RBNIR.. Ianao ve ry RBNIR mihevi-tena hoe "tsara tarehy"??? :-)
92. RBNIR ( 07/05/2018 13:16)
Aza mampiteny ahy zavatra tsy nolazaiko rhajo a! efa tamin'izany andro izany no navahany tsara ireo zanany sy ireo tsy nanaiky ny ho zanany (tahaka anao ankehitriny) ataony ahoana moa ny fanangana anao nefa ianao aza tsy mila Azy?????
93. rhaj0 ( 07/05/2018 13:47)
Genesisy 6:2 dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona;

Ampiako kely indray azany ny fanontaniana (izay tsy novalian'i RBNIR) :

1- Ianao ve ry RBNIR mihevi-tena hoe "tsara tarehy"???
2- Ianao ve ry RBNIR mihevi-tena fa "zanak'Andriamanitra", sa "zanaky ny olona"???
94. RBNIR ( 07/05/2018 14:30)
1- Tsy izaho mihitsy no handeha hilaza olona iray ho ratsy tarehy rhajo satria hoy ny genesisy hoe « Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Genesisy 1:26)

"hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika hoy ny teny.....

Ny olona rehetra dia tahaka ny endriny sy araka ny tarehiny.....Izay no voasoratra....

2 Taloha (raha mbola tsy nandray ny famonjena ny tenako dia mbola zanaky ny devoly (hoy i Jesosy)

« Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga. [*Na: (mitoetra amin')] » (Jaona 8:44)


Ny antony moa araka io teny io dia satria izay sitraky ny devoly no tiako natao taloha....

Fa ankehitriny kosa aho dia efa tonga zanak'Andriamanitra....araka ity teny ity satria indray kosa izay sitrak'Andriamanitra ihany sisa no ataoko...« Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. » (Romana 8:16)




95. rhaj0 ( 07/05/2018 14:38)
mouah ha ha ... ka rehefa TSY "tsara tarehy" izany dia inona?

Fa dia ahitsiko kely indray azany ny fanontaniana (izay tsy novalian'i RBNIR) :

1- Ianao ve ry RBNIR mihevi-tena ho isan'ny "tsara tarehy"???
2- Ianao ve ry RBNIR mihevi-tena fa isan'ny "zanak'Andriamanitra", sa isan'ny "zanaky ny olona" (TSY tsara tarehy)???


Genesisy 6:2 dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona;

96. RBNIR ( 08/05/2018 05:45)
io ambony io ihany no valiny afaka omeko...
97. rhaj0 ( 08/05/2018 10:28)
Angaha tsy sampona mihintsy miresaka amin-dry RBNIR.. Ny fanontaniana dia hoe "Ianao ve ry RBNIR dia..." fanefa dia hoe "Jesosy fony mbola zana-devoly" no valiny:
"ianao" = "jesosy"

Dia misy HONO ny "zanakavavin'ny olona" tsara tarehy, tsy ny rehetra io, satria dia ireo "tsara tarehy" ihany no pehan-dry zanak'andmntra, araka ny Baiboly io, dia valian-dry RBNIR hoe, ny "zanakolona" dia "zanakandrmntra" koa , ary "tahaka ny endriny DAHOLO" ny zanakavavin'ny olona ee... Sady tsara tarehy izany no ratsy tarehy.

Fa rehefa tsy hiteny i RBNIR dia, ny fahazoako azy izany, dia mihevi-tena ry RBNIR fa
"sady zanakAndmntra no tsara tarehy"..

Mouah ha ha.... mba jejojejo izany ry RBNIR aaa.. miaraka @ ilay robe lava fotsy an... :-)
98. RBNIR ( 08/05/2018 11:26)

rhaj0:

Angaha tsy sampona mihintsy miresaka amin-dry RBNIR.. Ny fanontaniana dia hoe "Ianao ve ry RBNIR dia..." fanefa dia hoe "Jesosy fony mbola zana-devoly" no valiny:
"ianao" = "jesosy"

Dia misy HONO ny "zanakavavin'ny olona" tsara tarehy, tsy ny rehetra io, satria dia ireo "tsara tarehy" ihany no pehan-dry zanak'andmntra, araka ny Baiboly io, dia valian-dry RBNIR hoe, ny "zanakolona" dia "zanakandrmntra" koa , ary "tahaka ny endriny DAHOLO" ny zanakavavin'ny olona ee... Sady tsara tarehy izany no ratsy tarehy.

Fa rehefa tsy hiteny i RBNIR dia, ny fahazoako azy izany, dia mihevi-tena ry RBNIR fa
"sady zanakAndmntra no tsara tarehy"..

Mouah ha ha.... mba jejojejo izany ry RBNIR aaa.. miaraka @ ilay robe lava fotsy an... :-)

Sady mampianatra ihany aho io .....
Misy karazany 2 ny olona eto ambonin'ny tany rehefa Andriamanitra no mijery (averiko rehefa Andriamanitra no mijery)

1- zanaky ny devoly (manao ny sitrapon'ny devoly tsy mety manao ny sitrapon'Andriamanitra)
2- zanak'Andriamanitra (manao ny sitrapon'Andriamanitra fa nandao tanteraka ny sitrapon'ny devoly)...
99. RBNIR ( 08/05/2018 11:34)
[size=1]matetika tokoa ny fahatsarana (ety ivelany izay manintona ny maso sy ny fo) dia ao amin'ilay antoko 1 (satria ny zanak'Andriamanitra) nampianarina ho maontina miankanjo fotsy lava.....[/size]
100. rhaj0 ( 08/05/2018 11:55)
Hay ve izany, hozy RBNIR, ireo hoe "zanakavavin'ny olona tsara tarehy" dia "zanak'Andriamanitra" koa, ka izany no mampanintona azy ireo @ ilay (tena lehilahy) "zanak'Andriamanitra" koa ee..

Dia ireo sisa TSY "tsara tarehy" izany, dia tonga dia hoe, satria zareo no "zanaka-devoly".

izay ve ilay izy ry RBNIR?

hi hi hi.. ka dia aza mba "ratsy tarehy" ihanhy izany, fa tena tonga akapoky ry RBNIR fa zana-devoly koa ee...

Nefa anie i RBNIR tsy bilaondy aux zieux boeuf akoriny ee... :-)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4592